Yosofy · 102/111
Fandikana Fanononana — Yosofy
ذَٰلِكَ مِنْ أَنبَاءِ الْغَيْبِ نُوحِيهِ إِلَيْكَ ۖ وَمَا كُنتَ لَدَيْهِمْ إِذْ أَجْمَعُوا أَمْرَهُمْ وَهُمْ يَمْكُرُونَ ۝١٠٢
Zaalika min ambaaa`il ghaibi nooheehi ilaika wa maa kunta ladaihim iz ajma`ooo amrahum wa hum yamkuroon
📖 Dikany Malagasy
Izany dia anisan’ireo tantara miafina nolazainay Aminao. Ary Ianao dia tsy teo anatrehan’izy ireo raha niombo-kevitra hanao teti-dratsy izy ireo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 100-104 — Yosofy

100وَرَفَعَ أَبَوَيْهِ عَلَى الْعَرْشِ وَخَرُّوا لَهُ سُجَّدًا ۖ وَقَالَ يَا أَبَتِ هَٰذَا تَأْوِيلُ رُؤْيَايَ مِن قَبْلُ قَدْ جَعَلَهَا رَبِّي حَقًّا ۖ وَقَدْ أَحْسَنَ بِي إِذْ أَخْرَجَنِي مِنَ السِّجْنِ وَجَاءَ بِكُم مِّنَ الْبَدْوِ مِن بَعْدِ أَن نَّزَغَ الشَّيْطَانُ بَيْنِي وَبَيْنَ إِخْوَتِي ۚ إِنَّ رَبِّي لَطِيفٌ لِّمَا يَشَاءُ ۚ إِنَّهُ هُوَ الْعَلِيمُ الْحَكِيمُ
Ary dia nakariny teny ambonin’ny seza fiandrianana ireo Ray aman-dReniny, ka dia niankohoka teo anatrehany ny rehetra. Ary hoy izy : “Ry Dada ô! Izany no dikan’ny nofiko fahiny. Fa notanterahin’Allah tokoa izany. Ary tena nanao soa ahy Izy, raha namoaka ahy tao am-ponja, ka nahatonga anareo avy tany ambanivohitra (tany efitra), rehefa avy nampitranga tsy fifanarahana teo amiko sy ny rahalahiko ny devoly. Feno hamoram-po amin’izay tiany ny Tompoko. Ary Izy no Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, sady be Fahendrena.
101۞ رَبِّ قَدْ آتَيْتَنِي مِنَ الْمُلْكِ وَعَلَّمْتَنِي مِن تَأْوِيلِ الْأَحَادِيثِ ۚ فَاطِرَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ أَنتَ وَلِيِّي فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ ۖ تَوَفَّنِي مُسْلِمًا وَأَلْحِقْنِي بِالصَّالِحِينَ
Ry Tompoko oh, efa nanome fahefana Ahy Ianao sy nampianatra ny fandikana ireo nofy. Mpahary ireo lanitra sy ny tany Ianao. Ianao no Mpiahy Ahy ento an-tany sy any an-koatra. Ataovy maty ao anaty fankatoavana Anao Aho, ary ataovy miaraka amin’ireo Olona mpanao asa soa.
102ذَٰلِكَ مِنْ أَنبَاءِ الْغَيْبِ نُوحِيهِ إِلَيْكَ ۖ وَمَا كُنتَ لَدَيْهِمْ إِذْ أَجْمَعُوا أَمْرَهُمْ وَهُمْ يَمْكُرُونَ
Izany dia anisan’ireo tantara miafina nolazainay Aminao. Ary Ianao dia tsy teo anatrehan’izy ireo raha niombo-kevitra hanao teti-dratsy izy ireo.
103وَمَا أَكْثَرُ النَّاسِ وَلَوْ حَرَصْتَ بِمُؤْمِنِينَ
Ary ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mpino na dia teo aza ny fanirianao fatratra mba ho mpino izy ireo.
104وَمَا تَسْأَلُهُمْ عَلَيْهِ مِنْ أَجْرٍ ۚ إِنْ هُوَ إِلَّا ذِكْرٌ لِّلْعَالَمِينَ
Ary aza mangataka tambi-karama noho izany Ianao, fa tsy inona akory ity afa-tsy fampahatsiahivana ihany ho an’izao tontolo izao.
YosofyFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
102Andininy

Fandikana — Yosofy 102

Surah Yosofy Andininy 102 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Izany dia anisan’ireo tantara miafina nolazainay Aminao. Ary Ianao dia…

Surah Andininy 102/111 — Yosofy يوسف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Yosofy Henoy, Yosofy Fandikana, Yosofy mp3, Yosofy pdf. Andininy 100–104. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers