Yosofy · 82/111
Fandikana Fanononana — Yosofy
وَاسْأَلِ الْقَرْيَةَ الَّتِي كُنَّا فِيهَا وَالْعِيرَ الَّتِي أَقْبَلْنَا فِيهَا ۖ وَإِنَّا لَصَادِقُونَ ۝٨٢
Was`alil qaryatal latee kunnaa feehaa wal`eeral lateee aqbalnaa feehaa wa innaa lasaadiqoon
📖 Dikany Malagasy
Ary hanontanio ny Olona tao amin’ny tanàna izay nisy Anay (Egypta), ary koa ny andian’ny mpandeha niaraka tonga Taminay. Izahay dia tena miteny ny marina ”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 80-84 — Yosofy

80فَلَمَّا اسْتَيْأَسُوا مِنْهُ خَلَصُوا نَجِيًّا ۖ قَالَ كَبِيرُهُمْ أَلَمْ تَعْلَمُوا أَنَّ أَبَاكُمْ قَدْ أَخَذَ عَلَيْكُم مَّوْثِقًا مِّنَ اللَّهِ وَمِن قَبْلُ مَا فَرَّطتُمْ فِي يُوسُفَ ۖ فَلَنْ أَبْرَحَ الْأَرْضَ حَتَّىٰ يَأْذَنَ لِي أَبِي أَوْ يَحْكُمَ اللَّهُ لِي ۖ وَهُوَ خَيْرُ الْحَاكِمِينَ
Rehefa very fanantenana hitondra (an’i Bejamina hody) izy Ireo, dia nifampidinika mangina. Niteny ny lahimatoa tamin’izy ireo nanao hoe : “ Moa ve tsy fantatrareo fa efa nanao fifanekena amin’ny anaran’i Allah Taminareo ny Rainareo ary Ianareo efa tsy nahantanteraka izany taloha mikasika an’i Yosofa (Josefa) ? Tsy hiala amin’ity faritra ity mihitsy Aho mandra-pahamelan’i Raiko Ahy na mandra-pitsaran’i Allah Ahy. Ary Izy no Mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
81ارْجِعُوا إِلَىٰ أَبِيكُمْ فَقُولُوا يَا أَبَانَا إِنَّ ابْنَكَ سَرَقَ وَمَا شَهِدْنَا إِلَّا بِمَا عَلِمْنَا وَمَا كُنَّا لِلْغَيْبِ حَافِظِينَ
Miverena any amin’ny Rainareo Ianareo ary teneno Aminy hoe : “ O ry Dadanay ! Nangalatra ny Zanakao. Izahay dia tsy mitsangana ho vavolombelona afa-tsy amin’izay fantatray ary Izahay dia tsy mahalala mihitsy ny zava-miafina.
82وَاسْأَلِ الْقَرْيَةَ الَّتِي كُنَّا فِيهَا وَالْعِيرَ الَّتِي أَقْبَلْنَا فِيهَا ۖ وَإِنَّا لَصَادِقُونَ
Ary hanontanio ny Olona tao amin’ny tanàna izay nisy Anay (Egypta), ary koa ny andian’ny mpandeha niaraka tonga Taminay. Izahay dia tena miteny ny marina ”.
83قَالَ بَلْ سَوَّلَتْ لَكُمْ أَنفُسُكُمْ أَمْرًا ۖ فَصَبْرٌ جَمِيلٌ ۖ عَسَى اللَّهُ أَن يَأْتِيَنِي بِهِمْ جَمِيعًا ۚ إِنَّهُ هُوَ الْعَلِيمُ الْحَكِيمُ
Niteny izy ka nanao hoe : “ Ny fanahy ratsinareo no nanosika Anareo nanao tetika... Ka (tsy misy azoko atao afa-tsy) ny faharetana tsara. Angamba Allah dia hamerina Amiko izy roa. Marina fa Izy tena Mahalala sy be Fahendrena ”.
84وَتَوَلَّىٰ عَنْهُمْ وَقَالَ يَا أَسَفَىٰ عَلَىٰ يُوسُفَ وَابْيَضَّتْ عَيْنَاهُ مِنَ الْحُزْنِ فَهُوَ كَظِيمٌ
Ary nitodika nandao azy ireo Izy ka niteny nanao hoe : “ Tena lehibe tokoa izany alaheloko amin’i Yosofa (Josefa) izany ! ” ary nahafotsy ny masony ny alahelo. Tena vonton’alahelo tokoa Izy.
YosofyFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
82Andininy

Fandikana — Yosofy 82

Surah Yosofy Andininy 82 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary hanontanio ny Olona tao amin’ny tanàna izay nisy Anay…

Surah Andininy 82/111 — Yosofy يوسف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Yosofy Henoy, Yosofy Fandikana, Yosofy mp3, Yosofy pdf. Andininy 80–84. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Wednesday, August 19, 2026

Don't forget us in your sincere prayers