Surah Al-Anfal amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Anfal miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (75 Andininy — مدنية). Al-Anfal Henoy, Al-Anfal Fandikana, Al-Anfal mp3, Al-Anfal pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Anfal

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
يَسْأَلُونَكَ عَنِ الْأَنفَالِ ۖ قُلِ الْأَنفَالُ لِلَّهِ وَالرَّسُولِ ۖ فَاتَّقُوا اللَّهَ وَأَصْلِحُوا ذَاتَ بَيْنِكُمْ ۖ وَأَطِيعُوا اللَّهَ وَرَسُولَهُ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Manontany anao izy ireo mahakasika ireo fananana babo tamin’ny ady. Teneno hoe : “Ireo fananana babo tamin’ny ady dia an’I Allah sy ny Iraka”. Ka matahora an’I Allah ianareo, hatsarao ny fifandraisana eo aminareo samy anareo ary ankatoavinareo I Allah sy ny Iraka nalefany, raha toa ka mpino marina ianareo.
إِنَّمَا الْمُؤْمِنُونَ الَّذِينَ إِذَا ذُكِرَ اللَّهُ وَجِلَتْ قُلُوبُهُمْ وَإِذَا تُلِيَتْ عَلَيْهِمْ آيَاتُهُ زَادَتْهُمْ إِيمَانًا وَعَلَىٰ رَبِّهِمْ يَتَوَكَّلُونَ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Ireo tena mpino, dia ireo izay mientana ny fony rahefa tsiahivina ny anaran’Allah. Ary rahefa tanisaina eo amin’izy ireo ny teny famantarany, dia mampitombo ny finoan’izy ireo izany, ary amin’ny Tompon’izy ireo no iankinany.
الَّذِينَ يُقِيمُونَ الصَّلَاةَ وَمِمَّا رَزَقْنَاهُمْ يُنفِقُونَ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana sy ireo izay mahafoy mamoaka amin’izay anjara fivelomana nomenay azy ireo.
أُولَٰئِكَ هُمُ الْمُؤْمِنُونَ حَقًّا ۚ لَّهُمْ دَرَجَاتٌ عِندَ رَبِّهِمْ وَمَغْفِرَةٌ وَرِزْقٌ كَرِيمٌ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Izy ireny no tena mpino marina, fa hanana voninahitra ambony any amin’ny Tompo zanahariny, ary famelan-keloka koa sy anjara fivelomana mendrika.
كَمَا أَخْرَجَكَ رَبُّكَ مِن بَيْتِكَ بِالْحَقِّ وَإِنَّ فَرِيقًا مِّنَ الْمُؤْمِنِينَ لَكَارِهُونَ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Tahaka izany no namoahan’ny Tomponao anao tamim-pahamarinana avy tao amin’ny tranonao, na dia nankahala izany aza ny sasany tamin’ireo mpino.
يُجَادِلُونَكَ فِي الْحَقِّ بَعْدَمَا تَبَيَّنَ كَأَنَّمَا يُسَاقُونَ إِلَى الْمَوْتِ وَهُمْ يَنظُرُونَ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Miady hevitra aminao izy ireo momba ny fahamarinana taorian’ny nampazava miharihary izany, tahaka notarihina ho any amin’ny fahafatesana izy ireo, ary mahita maso izany.
وَإِذْ يَعِدُكُمُ اللَّهُ إِحْدَى الطَّائِفَتَيْنِ أَنَّهَا لَكُمْ وَتَوَدُّونَ أَنَّ غَيْرَ ذَاتِ الشَّوْكَةِ تَكُونُ لَكُمْ وَيُرِيدُ اللَّهُ أَن يُحِقَّ الْحَقَّ بِكَلِمَاتِهِ وَيَقْطَعَ دَابِرَ الْكَافِرِينَ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Ary raha nampanantena anareo Allah, ny fandresena iray tamin’ireo vondrona roa. ”Ianareo dia naniry ireo tsy mitam-piadiana, fa Allah kosa dia mila hampandresy ny fahamarinana ami’ny alalan’ny Teniny ka handripaka ireo tsy mpino rehetra.
لِيُحِقَّ الْحَقَّ وَيُبْطِلَ الْبَاطِلَ وَلَوْ كَرِهَ الْمُجْرِمُونَ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Mba hanamafiana orina ny fandresen’ny fahamarinana sy hanafoanana ny tsy marina, na dia nankahala izany aza ireo mpanao heloka.
إِذْ تَسْتَغِيثُونَ رَبَّكُمْ فَاسْتَجَابَ لَكُمْ أَنِّي مُمِدُّكُم بِأَلْفٍ مِّنَ الْمَلَائِكَةِ مُرْدِفِينَ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Raha nangataka vonjy tamin’ny Tomponareo ianareo dia namaly anareo izy hoe : Izaho dia handefa aminareo ireo anjely anarivony mifanesy.
وَمَا جَعَلَهُ اللَّهُ إِلَّا بُشْرَىٰ وَلِتَطْمَئِنَّ بِهِ قُلُوبُكُمْ ۚ وَمَا النَّصْرُ إِلَّا مِنْ عِندِ اللَّهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٌ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Ary tsy nataon’I Allah izany afa-tsy filazana vaovao mahafaly, ary hampitony tokoa ny fonareo amin’ny alalany izany, tsy misy fandresena raha tsy avy amin’I Allah. Tena marina fa Allah Ilay Mahery sy be fahendrena.
إِذْ يُغَشِّيكُمُ النُّعَاسَ أَمَنَةً مِّنْهُ وَيُنَزِّلُ عَلَيْكُم مِّنَ السَّمَاءِ مَاءً لِّيُطَهِّرَكُم بِهِ وَيُذْهِبَ عَنكُمْ رِجْزَ الشَّيْطَانِ وَلِيَرْبِطَ عَلَىٰ قُلُوبِكُمْ وَيُثَبِّتَ بِهِ الْأَقْدَامَ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Raha nosaronan'I Allah tao anaty torimaso ianareo dia fampitoniana avy Aminy ho anareo izany, ary hampidina rano avy any an-danitra ho anareo Izy mba hanadiovany anareo avy amin’izany, ary hanala eo aminareo ny loton’i satana Izy, “Mba hankahery ny fonareo sy hanamafy orina ny famindranareo."
إِذْ يُوحِي رَبُّكَ إِلَى الْمَلَائِكَةِ أَنِّي مَعَكُمْ فَثَبِّتُوا الَّذِينَ آمَنُوا ۚ سَأُلْقِي فِي قُلُوبِ الَّذِينَ كَفَرُوا الرُّعْبَ فَاضْرِبُوا فَوْقَ الْأَعْنَاقِ وَاضْرِبُوا مِنْهُمْ كُلَّ بَنَانٍ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Raha nandefa fanambarana tamin’ireo anjely ny Tomponao : “Izaho dia miaraka aminareo tanteraka ka ankaherezo ireo izay nino, atsipiko ao anaty fon’ireo tsy nino ny fatahorana, koa kapohy eo ambonin’ny hatok’izy ireo na veleso amin’izy ireo ny tendron-tànany rehetra.
ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ شَاقُّوا اللَّهَ وَرَسُولَهُ ۚ وَمَن يُشَاقِقِ اللَّهَ وَرَسُولَهُ فَإِنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعِقَابِ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Izany, satria dia tena tsy nankato an’I Allah sy ny Irany izy ireo! fa izay tsy nankato an’I Allah sy ny Irany; Allah dia tena mafy sazy !
ذَٰلِكُمْ فَذُوقُوهُ وَأَنَّ لِلْكَافِرِينَ عَذَابَ النَّارِ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Izany ka handramano ho an’ireo tsy mpino àry ny famaizana amin’ny afobe.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا لَقِيتُمُ الَّذِينَ كَفَرُوا زَحْفًا فَلَا تُوَلُّوهُمُ الْأَدْبَارَ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
O ianareo izay mino, rehefa mifanojo amin’ireo izay tsy mino miatrika ady aminareo ianareo dia aza mitodi-damosina.
وَمَن يُوَلِّهِمْ يَوْمَئِذٍ دُبُرَهُ إِلَّا مُتَحَرِّفًا لِّقِتَالٍ أَوْ مُتَحَيِّزًا إِلَىٰ فِئَةٍ فَقَدْ بَاءَ بِغَضَبٍ مِّنَ اللَّهِ وَمَأْوَاهُ جَهَنَّمُ ۖ وَبِئْسَ الْمَصِيرُ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Ary ireo izay mitodi-damosina amin’izany andro izany, afa-tsy fanomanana tetik’ady na hifandray amin’ny andiany hafa dia: hiaran’ny hatezeran’I Allah ary ny afobe no fialofany, tena ratsy izany fiafarany izany !
فَلَمْ تَقْتُلُوهُمْ وَلَٰكِنَّ اللَّهَ قَتَلَهُمْ ۚ وَمَا رَمَيْتَ إِذْ رَمَيْتَ وَلَٰكِنَّ اللَّهَ رَمَىٰ ۚ وَلِيُبْلِيَ الْمُؤْمِنِينَ مِنْهُ بَلَاءً حَسَنًا ۚ إِنَّ اللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٌ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Tsy ianareo no namono azy ireo fa i Allah no namono azy ireo, Ary raha nitoraka ianao, dia tsy ianao no nitoraka fa Allah, ary izany dia mba hitsapany ireo mpino amin’ny fitsapana tsara avy Aminy, Tena marina fa Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra Allah.
ذَٰلِكُمْ وَأَنَّ اللَّهَ مُوهِنُ كَيْدِ الْكَافِرِينَ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Hny ka lasa zava-poana ny teti-drats'ireo tsy mpino.
إِن تَسْتَفْتِحُوا فَقَدْ جَاءَكُمُ الْفَتْحُ ۖ وَإِن تَنتَهُوا فَهُوَ خَيْرٌ لَّكُمْ ۖ وَإِن تَعُودُوا نَعُدْ وَلَن تُغْنِيَ عَنكُمْ فِئَتُكُمْ شَيْئًا وَلَوْ كَثُرَتْ وَأَنَّ اللَّهَ مَعَ الْمُؤْمِنِينَ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Raha nitady fandresena ianareo, dia efa tonga taminareo izany fandresena izany. Fa raha mitsahatra ianareo, dia tsara kokoa ho anareo izany. Fa raha miverina kosa ianareo, dia hiverina koa izahay, ary ny hamaroanareo na dia betsaka aza, dia tsy hisy ny ilanareo izany. Tsarovy fa Allah dia momba tokoa ireo mpino.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا أَطِيعُوا اللَّهَ وَرَسُولَهُ وَلَا تَوَلَّوْا عَنْهُ وَأَنتُمْ تَسْمَعُونَ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
O ianareo izay mino, ankatoavinareo I Allah sy ny Irany, aza miataka Aminy ianareo raha maheno izany.
وَلَا تَكُونُوا كَالَّذِينَ قَالُوا سَمِعْنَا وَهُمْ لَا يَسْمَعُونَ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Ianareo dia aza manao tahak’ireo izay niteny hoe : “naheno izahay “, kanefa tsy maheno izy ireo.
۞ إِنَّ شَرَّ الدَّوَابِّ عِندَ اللَّهِ الصُّمُّ الْبُكْمُ الَّذِينَ لَا يَعْقِلُونَ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Ny zava-manan’aina mandeha amin’ny tany ratsy indrindra eo anatrehan’Allah, dia ny moana-marenina tsy misaina.
وَلَوْ عَلِمَ اللَّهُ فِيهِمْ خَيْرًا لَّأَسْمَعَهُمْ ۖ وَلَوْ أَسْمَعَهُمْ لَتَوَلَّوا وَّهُم مُّعْرِضُونَ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Ary raha mba nahita hatsarana tamin’izy ireo Allah, dia ho nataony nandre izy rehetra. Fa na dia nataony nandre aza izy ireo, dia ho tsy maintsy hanome lamosina, ary nihataka lavitra.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اسْتَجِيبُوا لِلَّهِ وَلِلرَّسُولِ إِذَا دَعَاكُمْ لِمَا يُحْيِيكُمْ ۖ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ يَحُولُ بَيْنَ الْمَرْءِ وَقَلْبِهِ وَأَنَّهُ إِلَيْهِ تُحْشَرُونَ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
O ianareo izay nino valio ny antson’I Allah sy ny Irany raha miantso anareo izy amin’izay mahavelona anareo, fantaro fa Allah dia manelanelana tokoa ny olombelona sy ny fony, any Aminy tokoa no hanangonana anareo.
وَاتَّقُوا فِتْنَةً لَّا تُصِيبَنَّ الَّذِينَ ظَلَمُوا مِنكُمْ خَاصَّةً ۖ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعِقَابِ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Ary aoka ianareo hatahotra ny loza, izay tsy ireo mpanao ny tsy rariny ihany no ho voany. Ary fantaronareo ihany koa fa mahery vaika ny sazin’Allah.
وَاذْكُرُوا إِذْ أَنتُمْ قَلِيلٌ مُّسْتَضْعَفُونَ فِي الْأَرْضِ تَخَافُونَ أَن يَتَخَطَّفَكُمُ النَّاسُ فَآوَاكُمْ وَأَيَّدَكُم بِنَصْرِهِ وَرَزَقَكُم مِّنَ الطَّيِّبَاتِ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Tsarovinareo rehefa ianareo vitsy an’isa, fadiranovana teto ambonin’ny tany, matahotra ny babon’olona dia nampiantrano anareo Izy tamin’ny alalan'ny fandresena ary nanome anareo ireo anjaram-pahavelomana tsara, angamba ankasitraka ianareo.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَخُونُوا اللَّهَ وَالرَّسُولَ وَتَخُونُوا أَمَانَاتِكُمْ وَأَنتُمْ تَعْلَمُونَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
O ianareo mpino ! Aoka ianareo tsy hamitaka an’Allah sy ilay Iraka, ary aza mivadika amin’ny fitokiana napetraka taminareo, izay efa fantatrareo.
وَاعْلَمُوا أَنَّمَا أَمْوَالُكُمْ وَأَوْلَادُكُمْ فِتْنَةٌ وَأَنَّ اللَّهَ عِندَهُ أَجْرٌ عَظِيمٌ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Ary fantaronareo fa ny harembenareo sy ireo zanakareo dia fitsapana ihany, fa any amin’Allah no misy valisoa lehibe.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِن تَتَّقُوا اللَّهَ يَجْعَل لَّكُمْ فُرْقَانًا وَيُكَفِّرْ عَنكُمْ سَيِّئَاتِكُمْ وَيَغْفِرْ لَكُمْ ۗ وَاللَّهُ ذُو الْفَضْلِ الْعَظِيمِ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
O ianareo mpino ! Raha matahotra an’Allah ianareo, dia homeny ny fahafahana manavaka ianareo (ny tsara sy ny ratsy), ka hofafany ny ratsy vitanareo, ary avelany ny helokareo. satria Allah no loharanon’ny fahasoavana lehibe.
وَإِذْ يَمْكُرُ بِكَ الَّذِينَ كَفَرُوا لِيُثْبِتُوكَ أَوْ يَقْتُلُوكَ أَوْ يُخْرِجُوكَ ۚ وَيَمْكُرُونَ وَيَمْكُرُ اللَّهُ ۖ وَاللَّهُ خَيْرُ الْمَاكِرِينَ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Ary tsarovinao raha niteti-dratsy anao ireo tsy mpino, ka hisambotra anao na hamono anao mihitsy aza, na handroaka anao. Dia niray tetika daholo izy rehetra, nefa noravan’Allah ny tetik’izy ireo, fa avo fitetika indrindra Allah.
وَإِذَا تُتْلَىٰ عَلَيْهِمْ آيَاتُنَا قَالُوا قَدْ سَمِعْنَا لَوْ نَشَاءُ لَقُلْنَا مِثْلَ هَٰذَا ۙ إِنْ هَٰذَا إِلَّا أَسَاطِيرُ الْأَوَّلِينَ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Ary raha vakina eo amin’izy ireo fanambaranay dia miteny izy ireo hoe: efa henonay raha sitrakay dia mahavita tahaka izany koa izahay tsy inona izany afa tsy ireo anganon’ireo olona tany aloha ihany.
وَإِذْ قَالُوا اللَّهُمَّ إِن كَانَ هَٰذَا هُوَ الْحَقَّ مِنْ عِندِكَ فَأَمْطِرْ عَلَيْنَا حِجَارَةً مِّنَ السَّمَاءِ أَوِ ائْتِنَا بِعَذَابٍ أَلِيمٍ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Rehefa niteny izy ireo hoe “ o, ry Allah raha izany no fahamarinana avy aminao dia androtsaho vato avy any an-danitra izahay na ko andefaso sazy mangirifiry izahay “
وَمَا كَانَ اللَّهُ لِيُعَذِّبَهُمْ وَأَنتَ فِيهِمْ ۚ وَمَا كَانَ اللَّهُ مُعَذِّبَهُمْ وَهُمْ يَسْتَغْفِرُونَ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Ary Allah dia tsy hanasazy azy ireo velively raha mbola eo amin’izy ireo ianao ary tsy hanasazy azy ireo koa Allah raha mbola mangataka famelan-keloka izy ireo.
وَمَا لَهُمْ أَلَّا يُعَذِّبَهُمُ اللَّهُ وَهُمْ يَصُدُّونَ عَنِ الْمَسْجِدِ الْحَرَامِ وَمَا كَانُوا أَوْلِيَاءَهُ ۚ إِنْ أَوْلِيَاؤُهُ إِلَّا الْمُتَّقُونَ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَهُمْ لَا يَعْلَمُونَ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Inona moa no ananan’izy ireo ka hahatonga an’Allah tsy hanasazy azy? Kanefa izy ireo manosika ny mpino hanalavitra ilay Trano masina fiankohofana (Masjid Al-Haram), na dia tsy mpiambina izany aza izy ireo, fa ny mpiambina izany kosa dia ireo olona vontompinoana. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.
وَمَا كَانَ صَلَاتُهُمْ عِندَ الْبَيْتِ إِلَّا مُكَاءً وَتَصْدِيَةً ۚ فَذُوقُوا الْعَذَابَ بِمَا كُنتُمْ تَكْفُرُونَ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Ary tsy inona ny salat (vavaka izy ireo) teo amin’ny trano masina hafa tsy sioka sy tefa-tanana "andramonareo ary ny sazy noho ny tsy finoanareo"
إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا يُنفِقُونَ أَمْوَالَهُمْ لِيَصُدُّوا عَن سَبِيلِ اللَّهِ ۚ فَسَيُنفِقُونَهَا ثُمَّ تَكُونُ عَلَيْهِمْ حَسْرَةً ثُمَّ يُغْلَبُونَ ۗ وَالَّذِينَ كَفَرُوا إِلَىٰ جَهَنَّمَ يُحْشَرُونَ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Ireo olona izay tsy nino, dia mandany ny fananan’izy ireo hanakanana ny olona amin’ny làlan’Allah. Ka mitohy hatrany ny fandaniana ataon’izy ireo mandrapahatongan’ny nenina, nefa ho resy ihany izy ireo. Indrisy! Fa ireo izay tsy mino dia any amin’ny afobe no hanangonana azy rehetra.
لِيَمِيزَ اللَّهُ الْخَبِيثَ مِنَ الطَّيِّبِ وَيَجْعَلَ الْخَبِيثَ بَعْضَهُ عَلَىٰ بَعْضٍ فَيَرْكُمَهُ جَمِيعًا فَيَجْعَلَهُ فِي جَهَنَّمَ ۚ أُولَٰئِكَ هُمُ الْخَاسِرُونَ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Mba hanavahan’I Allah ny tsara amin’ny ratsy ary hanaovan’ireo ratsy hifanengitengina ka hitambatra izy rehetra ary ataony any amin’ny afobe izy ireny no matiantoka tokoa.
قُل لِّلَّذِينَ كَفَرُوا إِن يَنتَهُوا يُغْفَرْ لَهُم مَّا قَدْ سَلَفَ وَإِن يَعُودُوا فَقَدْ مَضَتْ سُنَّتُ الْأَوَّلِينَ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Teneno amin’ireo izay tsy mino hoe: raha mitsahatra izy ireo dia havela izay rehetra efa vitan’izy ireo teo aloha fa raha mamerina indray izy ireo dia (ho sazina izy ireo ) mitovy amin’izay efa nandalo tamin’ireo talohany.
وَقَاتِلُوهُمْ حَتَّىٰ لَا تَكُونَ فِتْنَةٌ وَيَكُونَ الدِّينُ كُلُّهُ لِلَّهِ ۚ فَإِنِ انتَهَوْا فَإِنَّ اللَّهَ بِمَا يَعْمَلُونَ بَصِيرٌ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Mitsangana ianareo hanohitra azy ireo, mba ho foana ny fanakorontanana fa ho an’I Allah ny finoana manontolo. Raha mitsahatra anefa izy ireo (amin’ny fanakorontanana dia voavela ny helony) ary hamafisina, fa hitan’I Allah tsara izay rehetra ataon’izy ireo.
وَإِن تَوَلَّوْا فَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ مَوْلَاكُمْ ۚ نِعْمَ الْمَوْلَىٰ وَنِعْمَ النَّصِيرُ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Ary raha manome lamosina kosa izy ireo, dia fantaro fa Allah no Tompo Mpiaro anareo. Izany ka Tompo tsara, sy Mpamonjy mendrika!
۞ وَاعْلَمُوا أَنَّمَا غَنِمْتُم مِّن شَيْءٍ فَأَنَّ لِلَّهِ خُمُسَهُ وَلِلرَّسُولِ وَلِذِي الْقُرْبَىٰ وَالْيَتَامَىٰ وَالْمَسَاكِينِ وَابْنِ السَّبِيلِ إِن كُنتُمْ آمَنتُم بِاللَّهِ وَمَا أَنزَلْنَا عَلَىٰ عَبْدِنَا يَوْمَ الْفُرْقَانِ يَوْمَ الْتَقَى الْجَمْعَانِ ۗ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Ary fantaro fa izay fananana azonareo (tamin’ny ady) dia ho an’i Allah ny iray ampahadiminy sy ho an’ilay Iraka ary ho an’ireo havany akaiky, ho an’ireo kamboty, ho an’ireo mahantra, ho an’ireo mpandeha lavitra (sahirana), raha mino an’i Allah sy izay nampidininay tamin’ny Mpanomponay ianareo tamin’ny andron’ny fanavahana sy tamin’ny andro izay nifanenan’ny andian-tafika roa; ary Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
إِذْ أَنتُم بِالْعُدْوَةِ الدُّنْيَا وَهُم بِالْعُدْوَةِ الْقُصْوَىٰ وَالرَّكْبُ أَسْفَلَ مِنكُمْ ۚ وَلَوْ تَوَاعَدتُّمْ لَاخْتَلَفْتُمْ فِي الْمِيعَادِ ۙ وَلَٰكِن لِّيَقْضِيَ اللَّهُ أَمْرًا كَانَ مَفْعُولًا لِّيَهْلِكَ مَنْ هَلَكَ عَن بَيِّنَةٍ وَيَحْيَىٰ مَنْ حَيَّ عَن بَيِّنَةٍ ۗ وَإِنَّ اللَّهَ لَسَمِيعٌ عَلِيمٌ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Raha tamin’ny fidinana ambany kokoa Ianareo, ary ireo (fahavalo) tery amin’ny ilany lavidavitra, fa ireo andiany mpitaingin-tsoavaly kosa tety ambanimbany kokoa noho Ianareo. Raha toa ka nifanome fotoana ianareo, tsy mba nifanaraka akory tamin’izany fotoana izany Ianareo (natahotra ny amaroan’ireo fahavalo), nefa kosa mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa notapahany mba handringanany izay ho ringana araka ny porofo mazava, ary mba hamelomany izay ho velona. Ary marina fa Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
إِذْ يُرِيكَهُمُ اللَّهُ فِي مَنَامِكَ قَلِيلًا ۖ وَلَوْ أَرَاكَهُمْ كَثِيرًا لَّفَشِلْتُمْ وَلَتَنَازَعْتُمْ فِي الْأَمْرِ وَلَٰكِنَّ اللَّهَ سَلَّمَ ۗ إِنَّهُ عَلِيمٌ بِذَاتِ الصُّدُورِ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Raha tao anaty torimaso Ianao, dia nasehon’i Allah taminao fa vitsy an’isa izy ireo, satria raha ny hamaroany no nasehony dia nilefitra tanteraka Ianareo ary tena nifanditra Ianareo samy Ianareo momba izany, ka nefa i Allah no nanavotra Anareo. Izy dia tena Mahalala izay rehetra ao am-po.
وَإِذْ يُرِيكُمُوهُمْ إِذِ الْتَقَيْتُمْ فِي أَعْيُنِكُمْ قَلِيلًا وَيُقَلِّلُكُمْ فِي أَعْيُنِهِمْ لِيَقْضِيَ اللَّهُ أَمْرًا كَانَ مَفْعُولًا ۗ وَإِلَى اللَّهِ تُرْجَعُ الْأُمُورُ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Ary nasandrany teo imasonareo fa vitsy an’isa izy ireo, rehefa nifanatrika Ianareo, ary nasehony teo imason’izy ireo ihany koa, fa vitsy an’isa Ianareo dia mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa tapaka. Any amin’i Allah no hamerenana ny zava-drehetra.
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا لَقِيتُمْ فِئَةً فَاثْبُتُوا وَاذْكُرُوا اللَّهَ كَثِيرًا لَّعَلَّكُمْ تُفْلِحُونَ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Oh Ianareo izay nino, raha mifanatrika amin’ny andian-tafika (fahavalo) Ianareo, dia aoka ho vonon-kiatrika ianareo ary mahatsiarova Allah imbetsaka, angamba hahazo fahombiazana Ianareo.
وَأَطِيعُوا اللَّهَ وَرَسُولَهُ وَلَا تَنَازَعُوا فَتَفْشَلُوا وَتَذْهَبَ رِيحُكُمْ ۖ وَاصْبِرُوا ۚ إِنَّ اللَّهَ مَعَ الصَّابِرِينَ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Ary aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Irany; ary aza mifanditra ianareo fandrao tsy mahomby, ka ho lefy ny herinareo. Ary mahareta ianareo, satria Allah dia momba mandrakariva ireo manam-paharetana.
وَلَا تَكُونُوا كَالَّذِينَ خَرَجُوا مِن دِيَارِهِم بَطَرًا وَرِئَاءَ النَّاسِ وَيَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ اللَّهِ ۚ وَاللَّهُ بِمَا يَعْمَلُونَ مُحِيطٌ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Ary aza manao tahak’ireo izay nivoaka amin’ny fonenany am-pireharehana sy am-pisehosehoana amin’olona, sady nisakana ny làlan’i Allah. Allah dia Mahafehy izay rehetra ataon’izy ireo.
وَإِذْ زَيَّنَ لَهُمُ الشَّيْطَانُ أَعْمَالَهُمْ وَقَالَ لَا غَالِبَ لَكُمُ الْيَوْمَ مِنَ النَّاسِ وَإِنِّي جَارٌ لَّكُمْ ۖ فَلَمَّا تَرَاءَتِ الْفِئَتَانِ نَكَصَ عَلَىٰ عَقِبَيْهِ وَقَالَ إِنِّي بَرِيءٌ مِّنكُمْ إِنِّي أَرَىٰ مَا لَا تَرَوْنَ إِنِّي أَخَافُ اللَّهَ ۚ وَاللَّهُ شَدِيدُ الْعِقَابِ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Ary rehefa nohatsaran’i Satana teo anatrehan’izy ireo ny asan’izy ireo dia niteny izy nanao hoe : " Tsy misy na dia iray amin’ireo olombelona no afaka handresy Anareo anio, ary Izaho dia tena hanohana Anareo ”, nefa raha vao nifampitazana fotsiny ny andaniny sy ny ankilany tamin’ireo andian-tafika roa, indro izy (satana) nanodina ny vodi-tongony roa sady niteny hoe : “ Eny, hisaraka aminareo aho. Eny tena mahita izay tsy hitanareo aho; marina tokoa fa matahotra an’i Allah Aho, ary i Allah dia tena henjana amin’ny fanasaziana “.
إِذْ يَقُولُ الْمُنَافِقُونَ وَالَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ غَرَّ هَٰؤُلَاءِ دِينُهُمْ ۗ وَمَن يَتَوَكَّلْ عَلَى اللَّهِ فَإِنَّ اللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٌ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Ary rehefa miteny ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo manana aretina ao am-pony manao hoe : “ Ireny olona ireny dia ny finoany no namitaka azy”. Ary izay miantehitra amin’i Allah dia Allah no Mahery sy be Fahendrena.
وَلَوْ تَرَىٰ إِذْ يَتَوَفَّى الَّذِينَ كَفَرُوا ۙ الْمَلَائِكَةُ يَضْرِبُونَ وُجُوهَهُمْ وَأَدْبَارَهُمْ وَذُوقُوا عَذَابَ الْحَرِيقِ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Raha mba hitanao manko, ny fomba ataon’ireo anjely rehefa maka ny fofon’ain’ireo izay tsy mpino ! Dia mikapoka any amin’ny tarehy sy ny lamosin’izy ireo sady miteny hoe : “ Handramano ny sazin’ny Afobe ”.
ذَٰلِكَ بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيكُمْ وَأَنَّ اللَّهَ لَيْسَ بِظَلَّامٍ لِّلْعَبِيدِ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Izany dia vokatry ny nataon’ny tànanareo. Ary tena marina fa i Allah dia tsy mba manao ny tsy rariny amin’ireo mpanompo.
كَدَأْبِ آلِ فِرْعَوْنَ ۙ وَالَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۚ كَفَرُوا بِآيَاتِ اللَّهِ فَأَخَذَهُمُ اللَّهُ بِذُنُوبِهِمْ ۗ إِنَّ اللَّهَ قَوِيٌّ شَدِيدُ الْعِقَابِ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Tahaka izany koa no nataon’ireo olon’i Faraona sy ireo izay talohan’izy ireo ka tsy nino ireo porofo famantaran’i Allah, dia nosazin’i Allah izy ireo nohon'ny fahotany. Allah dia tena mahery sy henjana fanasaziana.
ذَٰلِكَ بِأَنَّ اللَّهَ لَمْ يَكُ مُغَيِّرًا نِّعْمَةً أَنْعَمَهَا عَلَىٰ قَوْمٍ حَتَّىٰ يُغَيِّرُوا مَا بِأَنفُسِهِمْ ۙ وَأَنَّ اللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٌ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
Izany tokoa fa i Allah dia tsy manova mihitsy ny fahasoavana izay nomeny ny vahoaka mandra-panovan’izy ireo ny tenany, ary tena marina fa Allah ilay Maheno sy be Fahalalana.
كَدَأْبِ آلِ فِرْعَوْنَ ۙ وَالَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۚ كَذَّبُوا بِآيَاتِ رَبِّهِمْ فَأَهْلَكْنَاهُم بِذُنُوبِهِمْ وَأَغْرَقْنَا آلَ فِرْعَوْنَ ۚ وَكُلٌّ كَانُوا ظَالِمِينَ ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
Tahaka izany koa no nataon’ireo olon’i Faraona sy ireo izay teo alohan’izy ireo nilaza fa lainga ireo porofo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo. Arak’izany dia naringanay nohon'ny fahotany izy ireo. Ary narendrikay (tao anaty ranomasina) ireo olon’i Faraona. Satria mpanao ny tsy rariny avokoa izy rehetra.
إِنَّ شَرَّ الدَّوَابِّ عِندَ اللَّهِ الَّذِينَ كَفَرُوا فَهُمْ لَا يُؤْمِنُونَ ۝٥٥
📖 Fandikana Andininy 55
Ny zava-manan’aina mandeha amin’ny tany ratsy indrindra eo anatrehan’Allah, dia ireo nikomy ary tsy mbola mino mandraka ankehitriny.
الَّذِينَ عَاهَدتَّ مِنْهُمْ ثُمَّ يَنقُضُونَ عَهْدَهُمْ فِي كُلِّ مَرَّةٍ وَهُمْ لَا يَتَّقُونَ ۝٥٦
📖 Fandikana Andininy 56
Ireo izay nanaovanao fifanarahana tamin’izy ireo avy eo mandrava matetika ny fifanarahan’izy ireo ary izy ireo dia tsy manam-pahatahorana mihitsy.
فَإِمَّا تَثْقَفَنَّهُمْ فِي الْحَرْبِ فَشَرِّدْ بِهِم مَّنْ خَلْفَهُمْ لَعَلَّهُمْ يَذَّكَّرُونَ ۝٥٧
📖 Fandikana Andininy 57
Raha voafehinao amin’ny ady izy ireo, dia henjeho mafy mba hisavoritaka, ho fandravana ireo izay any aoriana, angamba hahatsiaro tena izy ireo.
وَإِمَّا تَخَافَنَّ مِن قَوْمٍ خِيَانَةً فَانبِذْ إِلَيْهِمْ عَلَىٰ سَوَاءٍ ۚ إِنَّ اللَّهَ لَا يُحِبُّ الْخَائِنِينَ ۝٥٨
📖 Fandikana Andininy 58
Ary raha matahotra fivadihan’ireo vahoaka ianao, dia ravao amim-pahatsorana ny fifanarahana. Tena marina fa i Allah dia tsy tia ireo mpamadika
وَلَا يَحْسَبَنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا سَبَقُوا ۚ إِنَّهُمْ لَا يُعْجِزُونَ ۝٥٩
📖 Fandikana Andininy 59
Ary aza mihevitra ireo izay tsy nino fa efa nialoha izy ireo ka votsotra eo am-pelatananay. Tena marina fa izy ireo dia tsy afaka hisakana Anay velively.
وَأَعِدُّوا لَهُم مَّا اسْتَطَعْتُم مِّن قُوَّةٍ وَمِن رِّبَاطِ الْخَيْلِ تُرْهِبُونَ بِهِ عَدُوَّ اللَّهِ وَعَدُوَّكُمْ وَآخَرِينَ مِن دُونِهِمْ لَا تَعْلَمُونَهُمُ اللَّهُ يَعْلَمُهُمْ ۚ وَمَا تُنفِقُوا مِن شَيْءٍ فِي سَبِيلِ اللَّهِ يُوَفَّ إِلَيْكُمْ وَأَنتُمْ لَا تُظْلَمُونَ ۝٦٠
📖 Fandikana Andininy 60
Aoka hiomana fatratra ianareo araka izay vitanareo sy ireo soavaly voahomana mba hampatahotra ireo fahavalon’i Allah sy fahavalonareo koa, ary ny hafa tsy fantatrareo ankoatra azy ireo kanefa fantatr’i Allah izy ireo. Ary izay zavatra rehetra nolaninareo tamin’ny làlan’i Allah dia omena anareo feno ny valiny, ary tsy hiangarana mihitsy ianareo.
۞ وَإِن جَنَحُوا لِلسَّلْمِ فَاجْنَحْ لَهَا وَتَوَكَّلْ عَلَى اللَّهِ ۚ إِنَّهُ هُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ ۝٦١
📖 Fandikana Andininy 61
Raha mirona mankany amin’ny fandriampahalemana izy ireo dia aoka koa Ianao hirona ho amin’izany, ary hapetraho amin’i Allah ny fitokisanao. Marina fa Izy ilay Maheno, ilay Mahalala ny zava-drehetra.
وَإِن يُرِيدُوا أَن يَخْدَعُوكَ فَإِنَّ حَسْبَكَ اللَّهُ ۚ هُوَ الَّذِي أَيَّدَكَ بِنَصْرِهِ وَبِالْمُؤْمِنِينَ ۝٦٢
📖 Fandikana Andininy 62
Raha mitady hamitaka Anao izy ireo, dia ampy ho Anao i Allah. Izy no nanohana Anao tamin’ny famonjeny, tamin’ny alalan’ireo mpino.
وَأَلَّفَ بَيْنَ قُلُوبِهِمْ ۚ لَوْ أَنفَقْتَ مَا فِي الْأَرْضِ جَمِيعًا مَّا أَلَّفْتَ بَيْنَ قُلُوبِهِمْ وَلَٰكِنَّ اللَّهَ أَلَّفَ بَيْنَهُمْ ۚ إِنَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٌ ۝٦٣
📖 Fandikana Andininy 63
Ary nampifandray ny fon’izy ireo Izy. Na dia nandàny izay rehetra teto an-tany aza Ianao dia tsy mahavita mampifandray ny fon’izy ireo, fa i Allah kosa no nampifandray azy ireo satria Izy no Mahery sy be Fahendrena.
يَا أَيُّهَا النَّبِيُّ حَسْبُكَ اللَّهُ وَمَنِ اتَّبَعَكَ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ ۝٦٤
📖 Fandikana Andininy 64
O ry Mpaminany, ampy ho Anao sy ireo nanara-dia anao amin’ireo mpino i Allah.
يَا أَيُّهَا النَّبِيُّ حَرِّضِ الْمُؤْمِنِينَ عَلَى الْقِتَالِ ۚ إِن يَكُن مِّنكُمْ عِشْرُونَ صَابِرُونَ يَغْلِبُوا مِائَتَيْنِ ۚ وَإِن يَكُن مِّنكُم مِّائَةٌ يَغْلِبُوا أَلْفًا مِّنَ الَّذِينَ كَفَرُوا بِأَنَّهُمْ قَوْمٌ لَّا يَفْقَهُونَ ۝٦٥
📖 Fandikana Andininy 65
O ry Mpaminany, amporisio ireo mpino hiady. Raha misy roapolo aminareo maharim-pery dia mandresy roanjato lahy izy ireo; ary raha misy zato Aminareo maharim-pery dia mandresy arivo lahy amin’ireo izay tsy nino izy ireo, satria izy ireo dia vahoaka tsy misaina.
الْآنَ خَفَّفَ اللَّهُ عَنكُمْ وَعَلِمَ أَنَّ فِيكُمْ ضَعْفًا ۚ فَإِن يَكُن مِّنكُم مِّائَةٌ صَابِرَةٌ يَغْلِبُوا مِائَتَيْنِ ۚ وَإِن يَكُن مِّنكُمْ أَلْفٌ يَغْلِبُوا أَلْفَيْنِ بِإِذْنِ اللَّهِ ۗ وَاللَّهُ مَعَ الصَّابِرِينَ ۝٦٦
📖 Fandikana Andininy 66
Ankehitriny i Allah dia manamaivana Anareo satria fantany fa misy fahalemena Ianareo, koa raha misy zato aminareo maharim-pery dia handresy roanjato lahy, ary raha misy arivo Aminareo dia handresy roa arivo lahy izy ireo nohon'ny fahefan’i Allah. Ary i Allah dia miaraka amin’ireo manam-paharetana.
مَا كَانَ لِنَبِيٍّ أَن يَكُونَ لَهُ أَسْرَىٰ حَتَّىٰ يُثْخِنَ فِي الْأَرْضِ ۚ تُرِيدُونَ عَرَضَ الدُّنْيَا وَاللَّهُ يُرِيدُ الْآخِرَةَ ۗ وَاللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٌ ۝٦٧
📖 Fandikana Andininy 67
Tsy misy Mpaminany izay tokony haka ireo babo an’ady raha tsy efa nahazo fandresena tety an-tany. Ianareo dia mitady ny harena ety an-tany, nefa i Allah kosa dia mila ny any an-koatra. Ary i Allah dia Mahery sy be Fahendrena.
لَّوْلَا كِتَابٌ مِّنَ اللَّهِ سَبَقَ لَمَسَّكُمْ فِيمَا أَخَذْتُمْ عَذَابٌ عَظِيمٌ ۝٦٨
📖 Fandikana Andininy 68
Raha tsy ny didy mialoha avy amin’i Allah, dia efa nisy sazy sy famaizana goavana nahazo anareo noho izay nalainareo.
فَكُلُوا مِمَّا غَنِمْتُمْ حَلَالًا طَيِّبًا ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ۝٦٩
📖 Fandikana Andininy 69
Noho izany mihinanà Ianareo izay tsy voarara sy tsara amin’izay azonareo babo. Ary matahora an’i Allah Ianareo. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
يَا أَيُّهَا النَّبِيُّ قُل لِّمَن فِي أَيْدِيكُم مِّنَ الْأَسْرَىٰ إِن يَعْلَمِ اللَّهُ فِي قُلُوبِكُمْ خَيْرًا يُؤْتِكُمْ خَيْرًا مِّمَّا أُخِذَ مِنكُمْ وَيَغْفِرْ لَكُمْ ۗ وَاللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ۝٧٠
📖 Fandikana Andininy 70
Oh ry Mpaminany, lazao amin’ireo babo eo am-pelatananareo : “ Raha fantatry Allah fa misy zavatra tsara ao am-ponareo, dia hanome Anareo tsara kokoa noho izay nalaina taminareo Izy sy hamela ny helokareo. Allah dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo.
وَإِن يُرِيدُوا خِيَانَتَكَ فَقَدْ خَانُوا اللَّهَ مِن قَبْلُ فَأَمْكَنَ مِنْهُمْ ۗ وَاللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ ۝٧١
📖 Fandikana Andininy 71
Ary raha mila hamitaka Anao izy ireo, dia efa namitaka an’i Allah izy ireo tany aloha; nefa nahita fomba nandresena azy ireo Izy. Ary Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَهَاجَرُوا وَجَاهَدُوا بِأَمْوَالِهِمْ وَأَنفُسِهِمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَالَّذِينَ آوَوا وَّنَصَرُوا أُولَٰئِكَ بَعْضُهُمْ أَوْلِيَاءُ بَعْضٍ ۚ وَالَّذِينَ آمَنُوا وَلَمْ يُهَاجِرُوا مَا لَكُم مِّن وَلَايَتِهِم مِّن شَيْءٍ حَتَّىٰ يُهَاجِرُوا ۚ وَإِنِ اسْتَنصَرُوكُمْ فِي الدِّينِ فَعَلَيْكُمُ النَّصْرُ إِلَّا عَلَىٰ قَوْمٍ بَيْنَكُمْ وَبَيْنَهُم مِّيثَاقٌ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ ۝٧٢
📖 Fandikana Andininy 72
Hamafisina, fa ireo mpino izay voatery nifindra-monina, ary nitolona tamin’ny fananany sy ny tenany tamin’ny làlan’Allah, ary ireo izay nanome fialofana sy fanampiana azy ireo, dia izy ireny no tena mpisakaiza ny andaniny sy ny ankilany. Fa ireo mpino nefa tsy nifindramonina kosa, dia tsy andraikitrareo ny fiarovana azy irenymandram-pifindrany. Fa raha mangataka vonjy aminareo noho ny finoana izy ireo, dia adidinareo tanteraka ny mamonjy azy, fa tsy amin’ny fanoherana ireo vahoaka nahavita fifanarahana taminareo. Ary Mahita tsara izay ataonareo Allah.
وَالَّذِينَ كَفَرُوا بَعْضُهُمْ أَوْلِيَاءُ بَعْضٍ ۚ إِلَّا تَفْعَلُوهُ تَكُن فِتْنَةٌ فِي الْأَرْضِ وَفَسَادٌ كَبِيرٌ ۝٧٣
📖 Fandikana Andininy 73
Fa ireo izay tsy nino kosa dia mpisakaiza ny andaniny sy ny ankilany, fa raha tsy mandray andraikitra amin’izany (amin’ny fanapahana ny fifandraisana amin’ny tsy mpino) izany Ianareo dia hisy fifandirana sy fanimbana lehibe eto ambonin’ny tany.
وَالَّذِينَ آمَنُوا وَهَاجَرُوا وَجَاهَدُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَالَّذِينَ آوَوا وَّنَصَرُوا أُولَٰئِكَ هُمُ الْمُؤْمِنُونَ حَقًّا ۚ لَّهُم مَّغْفِرَةٌ وَرِزْقٌ كَرِيمٌ ۝٧٤
📖 Fandikana Andininy 74
Ary ireo izay nino sy nifindra monina ary nanao Djihad (ary niady) tamin’ny làlan’i Allah, ary koa izay nampiantrano sy namonjy azy ireo. Izy ireny no tena mpino marina ka dia ho azy ireny ny famelan-keloka sy ny anjara omena am-pahalalana.
وَالَّذِينَ آمَنُوا مِن بَعْدُ وَهَاجَرُوا وَجَاهَدُوا مَعَكُمْ فَأُولَٰئِكَ مِنكُمْ ۚ وَأُولُو الْأَرْحَامِ بَعْضُهُمْ أَوْلَىٰ بِبَعْضٍ فِي كِتَابِ اللَّهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ ۝٧٥
📖 Fandikana Andininy 75
Ary ireo izay nino taty aoriana ka nifindra monina sy nitolona niaraka Taminao, izy ireny dia anisan’ny namanareo, fa ireo izay manana rohim-pihavanana, dia mifanakaiky kokoa ny andaniny sy ny ankilany, araka ny Bokin’i Allah, ka dia tena marina fa i Allah dia mahalala sy mahafantatra ny zava-drehetra.
← 7 Al-Anfal (8/114) 9 →
Vakio Surah Al-Anfal Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

8الأنفال Al-Anfal 📚 75 Andininy مدنية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Anfal — 75 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers