Al-Anfal · 55/75
Fandikana Fanononana — Surah Al-Anfal
إِنَّ شَرَّ الدَّوَابِّ عِندَ اللَّهِ الَّذِينَ كَفَرُوا فَهُمْ لَا يُؤْمِنُونَ ۝٥٥
Inna sharrad dawaaabbi `indal laahil lazeena kafaroo fahum laa yu`minoon
📖 Dikany Malagasy
Ny zava-manan’aina mandeha amin’ny tany ratsy indrindra eo anatrehan’Allah, dia ireo nikomy ary tsy mbola mino mandraka ankehitriny.

🎧 Henoy


📜 Andininy 53-57 — Surah Al-Anfal

53ذَٰلِكَ بِأَنَّ اللَّهَ لَمْ يَكُ مُغَيِّرًا نِّعْمَةً أَنْعَمَهَا عَلَىٰ قَوْمٍ حَتَّىٰ يُغَيِّرُوا مَا بِأَنفُسِهِمْ ۙ وَأَنَّ اللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Izany tokoa fa i Allah dia tsy manova mihitsy ny fahasoavana izay nomeny ny vahoaka mandra-panovan’izy ireo ny tenany, ary tena marina fa Allah ilay Maheno sy be Fahalalana.
54كَدَأْبِ آلِ فِرْعَوْنَ ۙ وَالَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۚ كَذَّبُوا بِآيَاتِ رَبِّهِمْ فَأَهْلَكْنَاهُم بِذُنُوبِهِمْ وَأَغْرَقْنَا آلَ فِرْعَوْنَ ۚ وَكُلٌّ كَانُوا ظَالِمِينَ
Tahaka izany koa no nataon’ireo olon’i Faraona sy ireo izay teo alohan’izy ireo nilaza fa lainga ireo porofo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo. Arak’izany dia naringanay nohon'ny fahotany izy ireo. Ary narendrikay (tao anaty ranomasina) ireo olon’i Faraona. Satria mpanao ny tsy rariny avokoa izy rehetra.
55إِنَّ شَرَّ الدَّوَابِّ عِندَ اللَّهِ الَّذِينَ كَفَرُوا فَهُمْ لَا يُؤْمِنُونَ
Ny zava-manan’aina mandeha amin’ny tany ratsy indrindra eo anatrehan’Allah, dia ireo nikomy ary tsy mbola mino mandraka ankehitriny.
56الَّذِينَ عَاهَدتَّ مِنْهُمْ ثُمَّ يَنقُضُونَ عَهْدَهُمْ فِي كُلِّ مَرَّةٍ وَهُمْ لَا يَتَّقُونَ
Ireo izay nanaovanao fifanarahana tamin’izy ireo avy eo mandrava matetika ny fifanarahan’izy ireo ary izy ireo dia tsy manam-pahatahorana mihitsy.
57فَإِمَّا تَثْقَفَنَّهُمْ فِي الْحَرْبِ فَشَرِّدْ بِهِم مَّنْ خَلْفَهُمْ لَعَلَّهُمْ يَذَّكَّرُونَ
Raha voafehinao amin’ny ady izy ireo, dia henjeho mafy mba hisavoritaka, ho fandravana ireo izay any aoriana, angamba hahatsiaro tena izy ireo.
Al-AnfalFizahan-takila Koraña
75Andininy
MedinanRevelation
55Andininy

Fandikana — Al-Anfal 55

Surah Al-Anfal Andininy 55 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ny zava-manan’aina mandeha amin’ny tany ratsy indrindra eo anatrehan’Allah, dia…

Surah Andininy 55/75 — Surah Al-Anfal الأنفال (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Anfal Henoy, Surah Al-Anfal Fandikana, Surah Al-Anfal mp3, Surah Al-Anfal pdf. Andininy 53–57. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers