Al-Anfal · 46/75
Fandikana Fanononana — Al-Anfal
وَأَطِيعُوا اللَّهَ وَرَسُولَهُ وَلَا تَنَازَعُوا فَتَفْشَلُوا وَتَذْهَبَ رِيحُكُمْ ۖ وَاصْبِرُوا ۚ إِنَّ اللَّهَ مَعَ الصَّابِرِينَ ۝٤٦
Wa atee`ul laaha wa Rasoolahoo wa laa tanaaza`oo fatafshaloo wa tazhaba reehukum wasbiroo; innal laaha ma`as saabireen
📖 Dikany Malagasy
Ary aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Irany; ary aza mifanditra ianareo fandrao tsy mahomby, ka ho lefy ny herinareo. Ary mahareta ianareo, satria Allah dia momba mandrakariva ireo manam-paharetana.
🎧 Henoy

📜 Andininy 44-48 — Al-Anfal

44وَإِذْ يُرِيكُمُوهُمْ إِذِ الْتَقَيْتُمْ فِي أَعْيُنِكُمْ قَلِيلًا وَيُقَلِّلُكُمْ فِي أَعْيُنِهِمْ لِيَقْضِيَ اللَّهُ أَمْرًا كَانَ مَفْعُولًا ۗ وَإِلَى اللَّهِ تُرْجَعُ الْأُمُورُ
Ary nasandrany teo imasonareo fa vitsy an’isa izy ireo, rehefa nifanatrika Ianareo, ary nasehony teo imason’izy ireo ihany koa, fa vitsy an’isa Ianareo dia mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa tapaka. Any amin’i Allah no hamerenana ny zava-drehetra.
45يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا لَقِيتُمْ فِئَةً فَاثْبُتُوا وَاذْكُرُوا اللَّهَ كَثِيرًا لَّعَلَّكُمْ تُفْلِحُونَ
Oh Ianareo izay nino, raha mifanatrika amin’ny andian-tafika (fahavalo) Ianareo, dia aoka ho vonon-kiatrika ianareo ary mahatsiarova Allah imbetsaka, angamba hahazo fahombiazana Ianareo.
46وَأَطِيعُوا اللَّهَ وَرَسُولَهُ وَلَا تَنَازَعُوا فَتَفْشَلُوا وَتَذْهَبَ رِيحُكُمْ ۖ وَاصْبِرُوا ۚ إِنَّ اللَّهَ مَعَ الصَّابِرِينَ
Ary aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Irany; ary aza mifanditra ianareo fandrao tsy mahomby, ka ho lefy ny herinareo. Ary mahareta ianareo, satria Allah dia momba mandrakariva ireo manam-paharetana.
47وَلَا تَكُونُوا كَالَّذِينَ خَرَجُوا مِن دِيَارِهِم بَطَرًا وَرِئَاءَ النَّاسِ وَيَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ اللَّهِ ۚ وَاللَّهُ بِمَا يَعْمَلُونَ مُحِيطٌ
Ary aza manao tahak’ireo izay nivoaka amin’ny fonenany am-pireharehana sy am-pisehosehoana amin’olona, sady nisakana ny làlan’i Allah. Allah dia Mahafehy izay rehetra ataon’izy ireo.
48وَإِذْ زَيَّنَ لَهُمُ الشَّيْطَانُ أَعْمَالَهُمْ وَقَالَ لَا غَالِبَ لَكُمُ الْيَوْمَ مِنَ النَّاسِ وَإِنِّي جَارٌ لَّكُمْ ۖ فَلَمَّا تَرَاءَتِ الْفِئَتَانِ نَكَصَ عَلَىٰ عَقِبَيْهِ وَقَالَ إِنِّي بَرِيءٌ مِّنكُمْ إِنِّي أَرَىٰ مَا لَا تَرَوْنَ إِنِّي أَخَافُ اللَّهَ ۚ وَاللَّهُ شَدِيدُ الْعِقَابِ
Ary rehefa nohatsaran’i Satana teo anatrehan’izy ireo ny asan’izy ireo dia niteny izy nanao hoe : " Tsy misy na dia iray amin’ireo olombelona no afaka handresy Anareo anio, ary Izaho dia tena hanohana Anareo ”, nefa raha vao nifampitazana fotsiny ny andaniny sy ny ankilany tamin’ireo andian-tafika roa, indro izy (satana) nanodina ny vodi-tongony roa sady niteny hoe : “ Eny, hisaraka aminareo aho. Eny tena mahita izay tsy hitanareo aho; marina tokoa fa matahotra an’i Allah Aho, ary i Allah dia tena henjana amin’ny fanasaziana “.
Al-AnfalFizahan-takila Koraña
75Andininy
MedinanRevelation
46Andininy

Fandikana — Al-Anfal 46

Surah Al-Anfal Andininy 46 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Irany; ary aza…

Surah Andininy 46/75 — Al-Anfal الأنفال (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Anfal Henoy, Al-Anfal Fandikana, Al-Anfal mp3, Al-Anfal pdf. Andininy 44–48. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers