Al-Anfal · 40/75
Fandikana Fanononana — Surah Al-Anfal
وَإِن تَوَلَّوْا فَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ مَوْلَاكُمْ ۚ نِعْمَ الْمَوْلَىٰ وَنِعْمَ النَّصِيرُ ۝٤٠
Wa in tawallaw fa`lamooo annal laaha mawlaakum; ni`mal mawlaa wa ni`man naseer
📖 Dikany Malagasy
Ary raha manome lamosina kosa izy ireo, dia fantaro fa Allah no Tompo Mpiaro anareo. Izany ka Tompo tsara, sy Mpamonjy mendrika!

🎧 Henoy


📜 Andininy 38-42 — Surah Al-Anfal

38قُل لِّلَّذِينَ كَفَرُوا إِن يَنتَهُوا يُغْفَرْ لَهُم مَّا قَدْ سَلَفَ وَإِن يَعُودُوا فَقَدْ مَضَتْ سُنَّتُ الْأَوَّلِينَ
Teneno amin’ireo izay tsy mino hoe: raha mitsahatra izy ireo dia havela izay rehetra efa vitan’izy ireo teo aloha fa raha mamerina indray izy ireo dia (ho sazina izy ireo ) mitovy amin’izay efa nandalo tamin’ireo talohany.
39وَقَاتِلُوهُمْ حَتَّىٰ لَا تَكُونَ فِتْنَةٌ وَيَكُونَ الدِّينُ كُلُّهُ لِلَّهِ ۚ فَإِنِ انتَهَوْا فَإِنَّ اللَّهَ بِمَا يَعْمَلُونَ بَصِيرٌ
Mitsangana ianareo hanohitra azy ireo, mba ho foana ny fanakorontanana fa ho an’I Allah ny finoana manontolo. Raha mitsahatra anefa izy ireo (amin’ny fanakorontanana dia voavela ny helony) ary hamafisina, fa hitan’I Allah tsara izay rehetra ataon’izy ireo.
40وَإِن تَوَلَّوْا فَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ مَوْلَاكُمْ ۚ نِعْمَ الْمَوْلَىٰ وَنِعْمَ النَّصِيرُ
Ary raha manome lamosina kosa izy ireo, dia fantaro fa Allah no Tompo Mpiaro anareo. Izany ka Tompo tsara, sy Mpamonjy mendrika!
41۞ وَاعْلَمُوا أَنَّمَا غَنِمْتُم مِّن شَيْءٍ فَأَنَّ لِلَّهِ خُمُسَهُ وَلِلرَّسُولِ وَلِذِي الْقُرْبَىٰ وَالْيَتَامَىٰ وَالْمَسَاكِينِ وَابْنِ السَّبِيلِ إِن كُنتُمْ آمَنتُم بِاللَّهِ وَمَا أَنزَلْنَا عَلَىٰ عَبْدِنَا يَوْمَ الْفُرْقَانِ يَوْمَ الْتَقَى الْجَمْعَانِ ۗ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Ary fantaro fa izay fananana azonareo (tamin’ny ady) dia ho an’i Allah ny iray ampahadiminy sy ho an’ilay Iraka ary ho an’ireo havany akaiky, ho an’ireo kamboty, ho an’ireo mahantra, ho an’ireo mpandeha lavitra (sahirana), raha mino an’i Allah sy izay nampidininay tamin’ny Mpanomponay ianareo tamin’ny andron’ny fanavahana sy tamin’ny andro izay nifanenan’ny andian-tafika roa; ary Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
42إِذْ أَنتُم بِالْعُدْوَةِ الدُّنْيَا وَهُم بِالْعُدْوَةِ الْقُصْوَىٰ وَالرَّكْبُ أَسْفَلَ مِنكُمْ ۚ وَلَوْ تَوَاعَدتُّمْ لَاخْتَلَفْتُمْ فِي الْمِيعَادِ ۙ وَلَٰكِن لِّيَقْضِيَ اللَّهُ أَمْرًا كَانَ مَفْعُولًا لِّيَهْلِكَ مَنْ هَلَكَ عَن بَيِّنَةٍ وَيَحْيَىٰ مَنْ حَيَّ عَن بَيِّنَةٍ ۗ وَإِنَّ اللَّهَ لَسَمِيعٌ عَلِيمٌ
Raha tamin’ny fidinana ambany kokoa Ianareo, ary ireo (fahavalo) tery amin’ny ilany lavidavitra, fa ireo andiany mpitaingin-tsoavaly kosa tety ambanimbany kokoa noho Ianareo. Raha toa ka nifanome fotoana ianareo, tsy mba nifanaraka akory tamin’izany fotoana izany Ianareo (natahotra ny amaroan’ireo fahavalo), nefa kosa mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa notapahany mba handringanany izay ho ringana araka ny porofo mazava, ary mba hamelomany izay ho velona. Ary marina fa Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
Al-AnfalFizahan-takila Koraña
75Andininy
MedinanRevelation
40Andininy

Fandikana — Al-Anfal 40

Surah Al-Anfal Andininy 40 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha manome lamosina kosa izy ireo, dia fantaro fa…

Surah Andininy 40/75 — Surah Al-Anfal الأنفال (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Anfal Henoy, Surah Al-Anfal Fandikana, Surah Al-Anfal mp3, Surah Al-Anfal pdf. Andininy 38–42. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers