An-Nisa · 10/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
إِنَّ الَّذِينَ يَأْكُلُونَ أَمْوَالَ الْيَتَامَىٰ ظُلْمًا إِنَّمَا يَأْكُلُونَ فِي بُطُونِهِمْ نَارًا ۖ وَسَيَصْلَوْنَ سَعِيرًا ۝١٠
Innal lazeena yaakuloona amwaalal yataamaa zulman innamaa yaakuloona fee butoonihim Naaranw-wa sayaslawna sa`eeraa
📖 Dikany Malagasy
Tena marina, fa ireo izay mihinana ny fananan’ireo kamboty amin’ny tsy rariny, dia tena mihinana afo ao an-kibony. Hirehitra ao amin’ny Afobe izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 8-12 — An-Nisa

8وَإِذَا حَضَرَ الْقِسْمَةَ أُولُو الْقُرْبَىٰ وَالْيَتَامَىٰ وَالْمَسَاكِينُ فَارْزُقُوهُم مِّنْهُ وَقُولُوا لَهُمْ قَوْلًا مَّعْرُوفًا
Raha nanatrika fizarana lova ireo fianakaviana akaiky sy ireo kamboty ary ireo mahantra dia mba omeo kely amin'izany izy ireo, ary mba mitenena teny tsara amin'izy ireo.
9وَلْيَخْشَ الَّذِينَ لَوْ تَرَكُوا مِنْ خَلْفِهِمْ ذُرِّيَّةً ضِعَافًا خَافُوا عَلَيْهِمْ فَلْيَتَّقُوا اللَّهَ وَلْيَقُولُوا قَوْلًا سَدِيدًا
Aoka mba hanana fatahorana izy ireo, raha namela taranaka malemy [63] aty aoriana, ka hatahotra izy ireo momba ny ho avin'izy ireo. Ary aoka izy ireo hatahotra Allah,ary hiteny teny marina.
10إِنَّ الَّذِينَ يَأْكُلُونَ أَمْوَالَ الْيَتَامَىٰ ظُلْمًا إِنَّمَا يَأْكُلُونَ فِي بُطُونِهِمْ نَارًا ۖ وَسَيَصْلَوْنَ سَعِيرًا
Tena marina, fa ireo izay mihinana ny fananan’ireo kamboty amin’ny tsy rariny, dia tena mihinana afo ao an-kibony. Hirehitra ao amin’ny Afobe izy ireo.
11يُوصِيكُمُ اللَّهُ فِي أَوْلَادِكُمْ ۖ لِلذَّكَرِ مِثْلُ حَظِّ الْأُنثَيَيْنِ ۚ فَإِن كُنَّ نِسَاءً فَوْقَ اثْنَتَيْنِ فَلَهُنَّ ثُلُثَا مَا تَرَكَ ۖ وَإِن كَانَتْ وَاحِدَةً فَلَهَا النِّصْفُ ۚ وَلِأَبَوَيْهِ لِكُلِّ وَاحِدٍ مِّنْهُمَا السُّدُسُ مِمَّا تَرَكَ إِن كَانَ لَهُ وَلَدٌ ۚ فَإِن لَّمْ يَكُن لَّهُ وَلَدٌ وَوَرِثَهُ أَبَوَاهُ فَلِأُمِّهِ الثُّلُثُ ۚ فَإِن كَانَ لَهُ إِخْوَةٌ فَلِأُمِّهِ السُّدُسُ ۚ مِن بَعْدِ وَصِيَّةٍ يُوصِي بِهَا أَوْ دَيْنٍ ۗ آبَاؤُكُمْ وَأَبْنَاؤُكُمْ لَا تَدْرُونَ أَيُّهُمْ أَقْرَبُ لَكُمْ نَفْعًا ۚ فَرِيضَةً مِّنَ اللَّهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمًا
Mandidy Anareo i Allah mahakasika ireo Zanakareo : ny lahy dia mahazo anjara mitovy amin’ny anjara azon’ny vavy Roa. Raha vehivavy daholo izy ireo, ka mihoatra ny Roa, dia ho azy ireo ny Roa ampahatelon’izay navelan’ny maty. Ary raha vavy tokana kosa Izy, dia ho Azy ny antsasany. Ary ho an’ny Ray aman-drenin’ilay maty, samy mahazo ny ampahenina avy izy Roa, amin’ny lova izay navelany raha manan-janaka iray Izy (ilay maty). Raha tsy manan-janaka kosa Izy, ka ny Ray aman-dreniny no mandova Azy, dia ho an’ny Reniny ny ampahatelony. Ary raha toa ka manan-drahalahy maro kosa Izy, dia ho an’ny Reniny ny ampahenina, aorian’ny fanatanterahany ny didim-pananana na ny fanefana ny trosany. Na ireo Ray aman-dreninareo, na ireo Zanakareo, dia tsy fantatrareo iza amin’izy ireo no tena ahazoanareo tombontsoa. Izany dia didy hentitra avy amin’i Allah. Tena marina, fa i Allah dia Mahalala ny zava-drehetra, ary be Fahendrena.
12۞ وَلَكُمْ نِصْفُ مَا تَرَكَ أَزْوَاجُكُمْ إِن لَّمْ يَكُن لَّهُنَّ وَلَدٌ ۚ فَإِن كَانَ لَهُنَّ وَلَدٌ فَلَكُمُ الرُّبُعُ مِمَّا تَرَكْنَ ۚ مِن بَعْدِ وَصِيَّةٍ يُوصِينَ بِهَا أَوْ دَيْنٍ ۚ وَلَهُنَّ الرُّبُعُ مِمَّا تَرَكْتُمْ إِن لَّمْ يَكُن لَّكُمْ وَلَدٌ ۚ فَإِن كَانَ لَكُمْ وَلَدٌ فَلَهُنَّ الثُّمُنُ مِمَّا تَرَكْتُم ۚ مِّن بَعْدِ وَصِيَّةٍ تُوصُونَ بِهَا أَوْ دَيْنٍ ۗ وَإِن كَانَ رَجُلٌ يُورَثُ كَلَالَةً أَوِ امْرَأَةٌ وَلَهُ أَخٌ أَوْ أُخْتٌ فَلِكُلِّ وَاحِدٍ مِّنْهُمَا السُّدُسُ ۚ فَإِن كَانُوا أَكْثَرَ مِن ذَٰلِكَ فَهُمْ شُرَكَاءُ فِي الثُّلُثِ ۚ مِن بَعْدِ وَصِيَّةٍ يُوصَىٰ بِهَا أَوْ دَيْنٍ غَيْرَ مُضَارٍّ ۚ وَصِيَّةً مِّنَ اللَّهِ ۗ وَاللَّهُ عَلِيمٌ حَلِيمٌ
Ary ho Anareo ny antsasany amin’ny lova navelan‘ireo Vadinareo vavy, raha tsy manan-janaka izy ireo. Fa raha manan-janaka kosa izy ireo, dia ho Anareo ny ampahefany amin’ny lova navelany, aorian’ny fanatanterahan’izy ireo ny didim-pananana na ny fanefana ny trosany. Ary ho an’ireo Vadinareo vavy, ny ampahefany amin’ny lova navelanareo, raha tsy manan-janaka Ianareo. Fa raha manan-janaka Ianareo, dia ny ampahavalony amin’ny lova Navelanareo no ho Azy, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana na ny fandoavana ny trosany. Ary ireo lehilahy na vehivavy tsy manana mpandova mivantana, ka nefa manan-drahalahy na anabavy, mahazo ny ampahenina ny tsirairay amin’izy Roa. Fa raha maro mihoatra izany izy ireo, dia mitambatra ao anaty ampahatelony izy ireo, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana navelany na fandoavana ny trosany, tsy misy famelezana na amin’iza na amin’iza. Izany dia didy hentitra avy amin’i Allah. Ary i Allah dia mahalala ny zava-drehetra, ary tena tsara fanahy.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
10Andininy

Fandikana — An-Nisa 10

Surah An-Nisa Andininy 10 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tena marina, fa ireo izay mihinana ny fananan’ireo kamboty amin’ny…

Surah Andininy 10/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 8–12. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers