Surah Al-Muzzammil pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Muzzammil pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Muzzammil Fandikana. Al-Muzzammil (Meccan) 20 Andininy.
Related
- Al-Muzzammil FandikanaMalagasy
- Al-Muzzammil mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Muzzammil

ﭑﭒﭓ
Fa ianao, ilay misaron-damba !
ﭔﭕﭖﭗﭘ
Mitsangàna ianao mandritry ny alina afa-tsy amin'ny ampahany kely ihany .
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
Ny antsasany na alatsaho kely noho izany .
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
Na ampitomboy kely ary vakio miadana sady mazava ny koroany.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫ
Fa hanambara teny manan-danja aminao izahay.
ﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
Mety kokoa ny vavaka amin'ny alina sady mifanaraka amin'ny vakiteny.
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
Fa manana andraikitra maharitra ianao, mandritra ny andro.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
Koa tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ary manokàna tena tanteraka Aminy.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌ
Ilay Tompon'ny fiposahana sy ny filentehana. Tsy misy Tompo hafa, afa-tsy Izy. Koa ataovy mpihay anao ary Izy.
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
Ary hiareto izay tenenin'izy ireo ary miataha aminy amim-pahamendrehana.
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛ
Ary avelao aho hiaraka amin'ireo mpiampanga lainga, izay mihaina ao anatin'ny fiadanana ; ary omeo fe-potoana fohy izy ireo.
ﮜﮝﮞﮟﮠ
Ny tena marina dia manana rojo vy mavesatra sy afobe ho azy ireo Izahay.
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦ
Ary sakafo mahasempotra sy famaizana mamirifiry.
ﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
Amin'ny andro hampihorohoro ny tany sy ny tendrombohitra, ka hiparitahan'ny tendrombohitra ho toy ny vondro-pasika.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
Nandefa Iraka taminareo tokoa Izahay mba ho vavolombelona hanohitra anareo, tahaky ny nandefasanay Iraka tamin'i Faraona.
ﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
Nefa tsy nankato ny Iraka i Faraona ka nosazinay mafy.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
Ahoana no hiarovanareo tena raha tsy mino ianareo amin'ilay andro hahatonga ny zaza ho tahaky ny lahy antitra fotsy volo.
ﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
Hampitresaka ny lanitra.Tsy hisalasalana fa ho tanteraka ny fampanantenany.
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿ
Tena fampatsiahivana marina ity. Koa aoka handeha amin'ny lalana mankany amin'ny Tompony izay tia izany.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩ
Fantatry ny Tomponao tokoa, fa mitsangana mandritra ny roa ampahatelon'ny alina ianao, na ny antsasany, na ny ampahatelony. Toy izany koa ny ampahany amin'ireo izay miaraka aminao. Allah no mametra ny andro sy ny alina, fantany fa tsy afaka handany ny alina manontolo amin'ny fivavahana ianareo. Namela anareo Izy. Vakio ary izay vitanareo amin'ny koroany. Fantany, fa misy harary aminareo, misy handeha hivahiny hitady ny fahasoavan'I Allah, ary ny sasany koa handeha hiady amin'ny lalan'I Allah. Vakio ary izay azonareo vakiana. Tanterao ny vavaka fanompoana, omeo ny harena fiantrana, ary mampindrama amin-kitsim-po amin'I Allah ianareo. Fa izay tsara rehetra nomaninareo ho an'ny tenanareo, dia ho hitanareo any amin'I Allah, izany no tsara sy lehibe indrindra ho valisoanareo. Ary mangataha famelan-keloka amin'I Allah ianareo, fa mpamela heloka sy be indrafo tokoa I Allah.
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







