Surah Al-Jinn
PDF —
28 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Jinn pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Jinn pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Jinn Fandikana. Al-Jinn (Meccan) 28 Andininy.



Surah Al-Jinn
28 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
Lazao hoe : "Nambara tamiko, fa nisy andian'ny djiny nanongilan-tsofina, ka niteny hoe: nandre vakiteny (kor'any) mahafinaritra tokoa izahay."
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩ
Izay mitarika ho amin'ny lalana mahitsy. Nino izany izahay, ka tsy hampitambatra ny Tomponay amin'ny hafa mihitsy.
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳ
Hamafisina, fa ny Tomponay, hankalazaina anie ny fahamboniany, dia tsy nanana vady na zanaka !
ﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
Ary nilaza zavatra tafahoatra mikasika an'I Allah ilay tsy misaina taminay.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
Ary heverinay, fa na ireo olombelona na ireo djiny, dia tsy hilaza lainga mikasika an'I Allah mihitsy.
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
Ary saingy nisy ireo lehilahy tamin'ireo olombelona nitady fiarovana tamin'ireo djiny lahy, nefa dia vao maika nampitombo ny fahorian'izy ireo izany.
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
Ary nihevitra tahaky ny fiheveranareo izy ireo, fa tsy hanangana olona amin'ny maty na oviana na oviana I Allah.
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
Ary nahakasika ny lanitra izahay, ka nahita mpiambina mafy maro sy tain-kintana.
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
Ary nipetraka nihaino teo izahay. Fa na iza na iza manongilan-tsofina mihaino ankehitriny, dia hifanehitra amin'ny tain-kintana izay hamely tampoka azy izy.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢ
Ary tsy fantatray, na tiana hasian-dratsy ny mponin'ny tany, na tian'ny Tompony ho amin'ny lalana mahitsy izy ireo.
ﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭ
Ary misy aminay no tsara fitondran-tena, fa misy kosa ny tsy toy izany, nizara ho antoko samihafa izahay.
ﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹ
Ary fantatray tokoa fa tsy afaka ny tsy hampanan-kery an'I Allah eny ambonin'ny tany izahay, ary tsy afaka ny tsy hampanan-kery Azy ihany koa amin'ny fandosirana.
ﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉ
Fa rehefa nandre ny tari-dalana izahay dia nino izany, ka izay mino ny Tompony dia tsy matahotra ny fihenan'ny valisoa na ny fanaporetana.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜ
Ary nankato an'I Allah tokoa ny sasany taminay ary tsy nankato kosa ny sasany taminay. Ary ireo izay nankato an'I Allah, izy ireo no mikatsaka ny lalana marina.
ﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
Ary ho an'ireo izay niala ny lala-marina dia izy ireo no ho akora fandrehitra any amin'ny afobe.
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
Ary raha mijanona amin'ny lalana mahitsy izy ireo dia hanome rano fisotro betsaka ho azy ireo tokoa izahay.
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
Ho fisedrana azy ireo ao. Ary izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy amin’ny Tompony, dia hotarihiny any amin’ny famaizana mihamafy hatrany.
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿ
Fa an’Allah ireo toerana fiankohofana (mosquée), koa aoka àry ianareo tsy hiantso na iza na iza ankoatra an’Allah.
ﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
Ary rehefa mijoro hiantso Azy ny mpanompon'I Allah dia saika hanao tambabe taminy izy ireo.
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
Lazao hoe : "Ny Tompoko irery ihany no antsoiko ary tsy hampifangaro na iza na iza Aminy aho."
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
Lazao hoe : "Tsy manana fahefana hanisy ratsy na hanasoa anareo mihitsy aho."
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩ
Lazao hoe : "Tsy misy afaka hiaro ahy amin'I Allah mihitsy ary tsy afaka ny hahita fialofana hafa ankoatra Azy ihany koa aho."
ﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
Ny fampitana ny fanambarana avy amin'i Tompo Allah ho anareo ihany no andraikitro, toy izany koa ireo hafatra avy Aminy. Ary ho an'ireo izay tsy mankatoa an'I Allah sy ny Iraka avy Aminy dia ao ny afon'ny helo izay honenan'izy ireo mandrakizay.
ﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨ
Hanohy tsy hino izy ireo mandra-pahitany izay nampanantenana azy ireo, ary tsy ho ela dia fantatr'izy ireo hoe iza no tena osa eo amin'ny fanampiana, ary iza ireo vitsy an'isa.
ﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
Lazao hoe : "Tsy fantatro na efa atomotra izany nampanantenana anareo izany, na namaritra fetr'andro lavitra ho an'izany ny Tompoko."
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼ
Izy no mpahalala ny tsy hita maso, ary tsy manambara ireo tsiambaratelony amin'iza na iza Izy.
ﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊ
Afa-tsy amin'izay finidiny amin'ireo Iraka avy Aminy ary dia nasiany mpiaro mandeha tokoa eo anoloany sy ao aoriany.
ﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗﰘ
Mba ahafantarany fa mampita ireo hafatra avy amin'ny Tompony ireo Iraka avy Aminy. Ary miaro ireo rehetra miaraka Aminy Izy no sady mandrakitra ny zava-drehetra koa.

Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers