Surah Al-Muddaththir
PDF —
Built right in your browser — download starts automatically
Surah Al-Muddaththir pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Al-Muddaththir pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Muddaththir Fandikana. Al-Muddaththir (Meccan) 56 Andininy.
Related
- Al-Muddaththir FandikanaMalagasy
- Al-Muddaththir mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Al-Muddaththir

ﮪﮫﮬ
Fa ianao ilay manao ankajo lava !
ﮭﮮﮯ
Mitsangana ianao ary mampitandrema.
ﮰﮱﯓ
Ary ankalazao ny halehiben'ny Tomponao.
ﯔﯕﯖ
Ary diovy ireo fitafinao.
ﯗﯘﯙ
Ary halaviro ny fahotana rehetra.
ﯚﯛﯜﯝ
Ary aoka ianao tsy hampatsiahy ny soa vitanao mba hahazoanao misimisy kokoa.
ﯞﯟﯠ
Ary mahareta ianao ho an'ny Tomponao.
ﯡﯢﯣﯤﯥ
Ka rehefa ho tsofina ny anjomara.
ﯦﯧﯨﯩﯪ
Dia ho sarotra tokoa io andro io amin'izany fotoana izany.
ﯫﯬﯭﯮﯯ
Tsy ho mora ho an'ireo tsy mpino izany.
ﯰﯱﯲﯳﯴ
Avelao irery Aho hiaraka amin'izay Nohariako.
ﯵﯶﯷﯸﯹ
Ary nomeko fananana maro.
ﯺﯻﯼ
Sy zanaka maro hiaraka aminy hatrany.
ﯽﯾﯿﰀ
Ary izay nomaniko tamin'ny fanomanana feno.
ﰁﰂﰃﰄﰅ
Kanefa dia mbola maniry homeko maro kokoa noho izany izy.
ﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌ
Tsia ! Satria mandà mafy ireo andininy avy Aminay izy.
ﰍﰎﰏ
Ho tereko hiaka-piakarana izy.
ﰐﰑﰒﰓ
Nieritreritra izy ary nanapa-kevitra.
ﭑﭒﭓﭔ
Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapahan-keviny !
ﭕﭖﭗﭘﭙ
Eny ! Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapaha-keviny !
ﭚﭛﭜ
Avy eo dia nijery izy !
ﭝﭞﭟﭠ
Nikentrona izy no sady nanjombona ny endriny.
ﭡﭢﭣﭤ
Ary nanome lamosina izy no sady nanambon'ny tena.
ﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫ
ka hoy izy : "Majika nolovaina ity"
ﭬﭭﭮﭯﭰﭱ
Tena marina fa ity dia tenin'olombelona ihany .
ﭲﭳﭴ
Hodorako ao anaty afo mahamay izy.
ﭵﭶﭷﭸﭹ
Fa iza no hilaza aminao ny atao hoe saqar ?
ﭺﭻﭼﭽﭾ
Tsy mamela na inona na inona izy ary tsy mitsitsy .
ﭿﮀﮁ
Fa hanamainty ny hoditra.
ﮂﮃﮄﮅ
Sivy ambin'ny folo izy ireo.
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤ
Ary Anjely ihany no nataonay mpiambina ny afo. Hisedranay ireo tsy mpino no antony namerenanay ny isany, sady hampiaiky ireo nomena ny boky, sy hampitombo ny finoan'ireo efa nino, ary tsy hampisalasala ireo izay nomena ny boky sy ireo mpino ; ka hitenenan'ireo misy aretina ao am-pony, sy ireo tsy mpino hoe : "Inona ary no tian'I Allah ho lazaina amin'izany fanoharana izany ?" Toy izany no amerezan'I Allah lalana izay tiany ho very, sy itariany lalana izay tiany ho tarihina. Tsy misy mahafantatra ny tafiky ny Tomponao afa-tsy Izy irery. Fa fampahatsiarovana ho an'ny olombelona ihany izany.
ﯥﯦﯧ
Tsia !Ary mianiana amin'ny volana Aho !
ﯨﯩﯪﯫ
Sy amin'ny alina rehefa ho lasa !
ﯬﯭﯮﯯ
Ary amin'ny mangiran-dratsy rehefa vao miposaka.
ﯰﯱﯲﯳ
Fa isan'ny iray amin'ny loza lehibe indrindra izany afo izany.
ﯴﯵﯶ
Ho fampitandremana ny olombelona.
ﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾ
Ho an'izay te-handroso na te-hihemotra aminareo.
ﯿﰀﰁﰂﰃﰄ
Takalon'aina ho an'izay nataony ny fanahy tsirairay.
ﰅﰆﰇﰈ
Afa-tsy ireo olon'ny ankavanana.
ﰉﰊﰋﰌ
Izay ao amin'ny zaridaina ka hifampanontany.
ﰍﰎﰏ
Mikasika ireo mpanao ratsy .
ﰐﰑﰒﰓﰔ
Iza no nandefa anareo ao amin'ny saqar ?
ﰕﰖﰗﰘﰙﰚ
Hiteny izy ireo hoe : "Tsy isan'ireo nanatanteraka vavaka fanompoana izahay"
ﰛﰜﰝﰞﰟ
Sady tsy nanome sakafo ireo mahantra.
ﰠﰡﰢﰣﰤ
Ary niaraka tamin'ireo nanao resaka tsy misy antony izahay.
ﰥﰦﰧﰨﰩ
Ary nolazanay ho lainga ny andro famaliana.
ﰪﰫﰬﰭ
Hatramin'ny fahatongavan'ny tena fahamarinana taminay .
ﭑﭒﭓﭔﭕ
Tsy hahazoan'izy ireo tombotsoa intsony ny fanelanelanana hataon'ireo mpanelanelana.
ﭖﭗﭘﭙﭚﭛ
Inona àry no nahatonga azy ireo tsy niraharaha ny fampahatsiarovana ?
ﭜﭝﭞﭟ
Toy ny apondra-dia matahotra izy ireo.
ﭠﭡﭢﭣ
Mandositra eo anatrehan'ny liona.
ﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
Satrin'ny olona tsirairay amin'izy ireo ny hitondrana ireo taratasy efa mivelatra.
ﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
Tsia ! Satria tsy matahotra ny any ankoatra izy ireo.
ﭵﭶﭷﭸ
Tsia ! Tena fampatsiarovana tokoa ity.
ﭹﭺﭻﭼ
ka izay maniry izany dia hahatsiaro.
ﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
Ary saingy tsy hahatsiaro izany izy ireo, raha tsy sitrak'I Allah. Izy no mendrika indrindra hatahorana, ary Izy no Tompon'ny famelan-keloka.
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







