An-Nur · 29/64
Fandikana Fanononana — An-Nur
لَّيْسَ عَلَيْكُمْ جُنَاحٌ أَن تَدْخُلُوا بُيُوتًا غَيْرَ مَسْكُونَةٍ فِيهَا مَتَاعٌ لَّكُمْ ۚ وَاللَّهُ يَعْلَمُ مَا تُبْدُونَ وَمَا تَكْتُمُونَ ۝٢٩
Laisa `alaikum junaahun ann tadkhuloo buyootan ghaira maskoonatin feeha mataa`ul lakum; wallaahu ya`lamu maa tubdoona wa maa taktumoon
📖 Dikany Malagasy
Tsy voakiana kosa ianareo raha miditra ao amin’ireo trano tsy misy mipetraka raha misy zava-tsoa ho anareo ao. Ary Allah dia mahalala izay abaribarinareo sy izay afeninareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 27-31 — An-Nur

27يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَدْخُلُوا بُيُوتًا غَيْرَ بُيُوتِكُمْ حَتَّىٰ تَسْتَأْنِسُوا وَتُسَلِّمُوا عَلَىٰ أَهْلِهَا ۚ ذَٰلِكُمْ خَيْرٌ لَّكُمْ لَعَلَّكُمْ تَذَكَّرُونَ
Ô ianareo izay mino ! Aza miditra amin’ny trano ankoatr'ireo tranonareo ianareo, raha tsy efa nangataka alàlana, ary miarahaba ireo monina ao. Izany dia tsara ho anareo. Angamba hahatsiaro tena ianareo.
28فَإِن لَّمْ تَجِدُوا فِيهَا أَحَدًا فَلَا تَدْخُلُوهَا حَتَّىٰ يُؤْذَنَ لَكُمْ ۖ وَإِن قِيلَ لَكُمُ ارْجِعُوا فَارْجِعُوا ۖ هُوَ أَزْكَىٰ لَكُمْ ۚ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ عَلِيمٌ
Fa raha tsy mahita olona ao ianareo, dia aza miditra ao mandra-pahazoanareo alàlana. Ary raha tenenina ianareo hoe : “Miverena" Dia aoka hiverina ianareo, Izany no tena madio ho anareo. Ary Allah dia tena mahalala izay rehetra ataonareo.
29لَّيْسَ عَلَيْكُمْ جُنَاحٌ أَن تَدْخُلُوا بُيُوتًا غَيْرَ مَسْكُونَةٍ فِيهَا مَتَاعٌ لَّكُمْ ۚ وَاللَّهُ يَعْلَمُ مَا تُبْدُونَ وَمَا تَكْتُمُونَ
Tsy voakiana kosa ianareo raha miditra ao amin’ireo trano tsy misy mipetraka raha misy zava-tsoa ho anareo ao. Ary Allah dia mahalala izay abaribarinareo sy izay afeninareo.
30قُل لِّلْمُؤْمِنِينَ يَغُضُّوا مِنْ أَبْصَارِهِمْ وَيَحْفَظُوا فُرُوجَهُمْ ۚ ذَٰلِكَ أَزْكَىٰ لَهُمْ ۗ إِنَّ اللَّهَ خَبِيرٌ بِمَا يَصْنَعُونَ
Ary teneno amin’ireo lehilahy mpino mba hampiondrika ny fijerin'izy ireo sy hitahiry ny fahadiovam-pitondran-tenany, fa izany no madio kokoa ho azy ireo. Marina fa Allah dia mahalàla tanteraka izay rehetra ataon’izy ireo.
31وَقُل لِّلْمُؤْمِنَاتِ يَغْضُضْنَ مِنْ أَبْصَارِهِنَّ وَيَحْفَظْنَ فُرُوجَهُنَّ وَلَا يُبْدِينَ زِينَتَهُنَّ إِلَّا مَا ظَهَرَ مِنْهَا ۖ وَلْيَضْرِبْنَ بِخُمُرِهِنَّ عَلَىٰ جُيُوبِهِنَّ ۖ وَلَا يُبْدِينَ زِينَتَهُنَّ إِلَّا لِبُعُولَتِهِنَّ أَوْ آبَائِهِنَّ أَوْ آبَاءِ بُعُولَتِهِنَّ أَوْ أَبْنَائِهِنَّ أَوْ أَبْنَاءِ بُعُولَتِهِنَّ أَوْ إِخْوَانِهِنَّ أَوْ بَنِي إِخْوَانِهِنَّ أَوْ بَنِي أَخَوَاتِهِنَّ أَوْ نِسَائِهِنَّ أَوْ مَا مَلَكَتْ أَيْمَانُهُنَّ أَوِ التَّابِعِينَ غَيْرِ أُولِي الْإِرْبَةِ مِنَ الرِّجَالِ أَوِ الطِّفْلِ الَّذِينَ لَمْ يَظْهَرُوا عَلَىٰ عَوْرَاتِ النِّسَاءِ ۖ وَلَا يَضْرِبْنَ بِأَرْجُلِهِنَّ لِيُعْلَمَ مَا يُخْفِينَ مِن زِينَتِهِنَّ ۚ وَتُوبُوا إِلَى اللَّهِ جَمِيعًا أَيُّهَ الْمُؤْمِنُونَ لَعَلَّكُمْ تُفْلِحُونَ
Ary teneno amin’ireo vehivavy mpino mba hampiondrika ny fijerin’izy ireo sy hitahiry ny fahadiovam-pitondran-tenany, ary tsy haneho ny haingony afa-tsy izay miseho amin’izany, ary aoka izy ireo hampidina ny lamba fisalorany eo amin’ny tratrany. Ary tsy haneho ny haingon’izy ireo afa-tsy amin’ny vadin’izy ireo, na amin’ny rain’izy ireo, na amin’ireo rafozan-dahin’izy ireo, na amin’ny zanak’izy ireo, na amin’ny zana-badin’izy ireo, na amin’ny anadahin’izy ireo, na amin’ny zanak’anadahin’izy ireo, na amin’ny zana-drahavavin’izy ireo, na amin’ireo vehivavy mpino silamo, na amin’ireo mpanompo eo am-pelatànan’izy ireo, na amin’ireo mpiasa lahy ao an-trano, tsy manana hery (hanao firaisana), na amin’ireo zazalahy (tsy ampy taona) mbola tsy mahafantatra ny henatry ny vehivavy. Ary aoka izy ireo tsy hanakapoka ny tongony amim-pamindràna ka ahafantarana izay afeniny amin’ireo haingony, ary mibebaha ianareo rehetra eo anatrehan’I Allah ry mpino ! Angamba hahazo fahombiazana ianareo.
An-NurFizahan-takila Koraña
64Andininy
MedinanRevelation
29Andininy

Fandikana — An-Nur 29

Surah An-Nur Andininy 29 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy voakiana kosa ianareo raha miditra ao amin’ireo trano tsy…

Surah Andininy 29/64 — An-Nur النور (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nur Henoy, An-Nur Fandikana, An-Nur mp3, An-Nur pdf. Andininy 27–31. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers