Surah Al-Mursalat amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Mursalat miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (50 Andininy — مكية). Al-Mursalat Henoy, Al-Mursalat Fandikana, Al-Mursalat mp3, Al-Mursalat pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Mursalat

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
وَالْمُرْسَلَاتِ عُرْفًا ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Mianiana amin'ireo nalefa nifanesy Aho.
فَالْعَاصِفَاتِ عَصْفًا ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Izay mifofofofo mafy !
وَالنَّاشِرَاتِ نَشْرًا ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ary niparitaka tanteraka (tamin'ny toerana rehetra).
فَالْفَارِقَاتِ فَرْقًا ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Mianiana amin'ireo mpanasaraka mazava (ny tsara sy ny ratsy) Aho,
فَالْمُلْقِيَاتِ ذِكْرًا ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Izay mandefa fampahatsiarovana.
عُذْرًا أَوْ نُذْرًا ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
ho fialan-tsiny, na ho fampitandremana !
إِنَّمَا تُوعَدُونَ لَوَاقِعٌ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
fa tsy azo ialana izay nampanantenana anareo.
فَإِذَا النُّجُومُ طُمِسَتْ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Rahoviana àry vao ho voafafa ireo kintana,
وَإِذَا السَّمَاءُ فُرِجَتْ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
ary hitriatra ny lanitra ?
وَإِذَا الْجِبَالُ نُسِفَتْ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
ka ho levona ireo tendrombohitra.
وَإِذَا الرُّسُلُ أُقِّتَتْ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
ary voafaritra ny fotoanan'ireo Iraka.
لِأَيِّ يَوْمٍ أُجِّلَتْ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Andro inona àry no nanemorana izany ?
لِيَوْمِ الْفَصْلِ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Amin'ny andron'ny fanapahan-kevitra !
وَمَا أَدْرَاكَ مَا يَوْمُ الْفَصْلِ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Fa iza no hilaza aminao ny andron'ny fanapahan-kevitra !
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
أَلَمْ نُهْلِكِ الْأَوَّلِينَ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Moa tsy naringanay va ireo voalohany ?
ثُمَّ نُتْبِعُهُمُ الْآخِرِينَ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Moa tsy nampanarahanay azy ireo va ireo farany,
كَذَٰلِكَ نَفْعَلُ بِالْمُجْرِمِينَ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
toy izany no ataonay amin'ireo mpanao ratsy.
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
أَلَمْ نَخْلُقكُّم مِّن مَّاءٍ مَّهِينٍ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Tsy noharianay tamin'ny tsiranoka ratsy va ianareo,
فَجَعَلْنَاهُ فِي قَرَارٍ مَّكِينٍ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
izay napetrakay tamin'ny toerana voaaro,
إِلَىٰ قَدَرٍ مَّعْلُومٍ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
nandritra ny fotoana efa fantatra ?
فَقَدَرْنَا فَنِعْمَ الْقَادِرُونَ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Toy izany no nandaharanay azy, fa tonga lafatra tokoa ny fandaharana ataonay.
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
أَلَمْ نَجْعَلِ الْأَرْضَ كِفَاتًا ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Tsy nataonay toerana hipetrahan'ny rehetra ve ny tany ?
أَحْيَاءً وَأَمْوَاتًا ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
ireo velona, sy ireo maty ?
وَجَعَلْنَا فِيهَا رَوَاسِيَ شَامِخَاتٍ وَأَسْقَيْنَاكُم مَّاءً فُرَاتًا ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Ary tsy nataonay mafy orina tsara va, ireo tendrombohitra avo eo aminy ? Ary tsy nampisotronay ranomamy va ianareo ?
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
انطَلِقُوا إِلَىٰ مَا كُنتُم بِهِ تُكَذِّبُونَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Mandehana àry any amin'izay nolazainareo ho lainga.
انطَلِقُوا إِلَىٰ ظِلٍّ ذِي ثَلَاثِ شُعَبٍ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
mandehana any amin'ny aloka misy rantsana telo,
لَّا ظَلِيلٍ وَلَا يُغْنِي مِنَ اللَّهَبِ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
izahay sady tsy manaloka, no sady tsy miaro amin'ny lel'afo.
إِنَّهَا تَرْمِي بِشَرَرٍ كَالْقَصْرِ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
satria hatsipy ny pitik'afo lehibe, tahaka ny lapa.
كَأَنَّهُ جِمَالَتٌ صُفْرٌ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
ka ho toy ny rameva mavo.
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
loza ho an'ireo izay mpandà amin'izany andro farany izany.
هَٰذَا يَوْمُ لَا يَنطِقُونَ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
ilay andro izay tsy hahafahan'izy ireo miteny,
وَلَا يُؤْذَنُ لَهُمْ فَيَعْتَذِرُونَ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
ary tsy hahazoan'izy ireo alalana hiala tsiny.
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
هَٰذَا يَوْمُ الْفَصْلِ ۖ جَمَعْنَاكُمْ وَالْأَوَّلِينَ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Io no andron'ny fanapahan-kevitra, izay hamorianay anareo sy ireo taloha.
فَإِن كَانَ لَكُمْ كَيْدٌ فَكِيدُونِ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Raha manana hafetsena ianareo, dia manaova àry hafetsena Amiko.
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
إِنَّ الْمُتَّقِينَ فِي ظِلَالٍ وَعُيُونٍ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
ho amin'ny aloka sy loharano tokoa ireo vonto-pinoana,
وَفَوَاكِهَ مِمَّا يَشْتَهُونَ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
ao koa ireo voankazo arak'izay irin'izy ireo.
كُلُوا وَاشْرَبُوا هَنِيئًا بِمَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Mihinàna sy misotroa finaritra àry ianareo, noho izay nataonareo.
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُحْسِنِينَ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Toy izany no Hamalinay soa ireo mpanao soa.
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
كُلُوا وَتَمَتَّعُوا قَلِيلًا إِنَّكُم مُّجْرِمُونَ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Mihinàna, ary mifalia kely ; fa mpanao ratsy tokoa ianareo.
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
وَإِذَا قِيلَ لَهُمُ ارْكَعُوا لَا يَرْكَعُونَ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
ka rehefa tenenina izy ireo hoe : "Miondreha ianareo", dia tsy miondrika izy ireo.
وَيْلٌ يَوْمَئِذٍ لِّلْمُكَذِّبِينَ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
فَبِأَيِّ حَدِيثٍ بَعْدَهُ يُؤْمِنُونَ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Fa inona àry no teny hinoan'izy ireo ankoatr'izany ?
← 76 Al-Mursalat (77/114) 78 →
Vakio Surah Al-Mursalat Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

77المرسلات Al-Mursalat 📚 50 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Mursalat — 50 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers