PDF —
50 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Mursalat pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Mursalat pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Mursalat Fandikana. Surah Al-Mursalat (Meccan) 50 Andininy.

← Al-InsanSurah Al-Mursalat An-Naba →


50 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮑﮒﮓ
77:1 Mianiana amin'ireo nalefa nifanesy Aho.
ﮔﮕﮖ
77:2 Izay mifofofofo mafy !
ﮗﮘﮙ
77:3 Ary niparitaka tanteraka (tamin'ny toerana rehetra).
ﮚﮛﮜ
77:4 Mianiana amin'ireo mpanasaraka mazava (ny tsara sy ny ratsy) Aho,
ﮝﮞﮟ
77:5 Izay mandefa fampahatsiarovana.
ﮠﮡﮢﮣ
77:6 ho fialan-tsiny, na ho fampitandremana !
ﮤﮥﮦﮧ
77:7 fa tsy azo ialana izay nampanantenana anareo.
ﮨﮩﮪﮫ
77:8 Rahoviana àry vao ho voafafa ireo kintana,
ﮬﮭﮮﮯ
77:9 ary hitriatra ny lanitra ?
ﮰﮱﯓﯔ
77:10 ka ho levona ireo tendrombohitra.
ﯕﯖﯗﯘ
77:11 ary voafaritra ny fotoanan'ireo Iraka.
ﯙﯚﯛﯜ
77:12 Andro inona àry no nanemorana izany ?
ﯝﯞﯟ
77:13 Amin'ny andron'ny fanapahan-kevitra !
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥ
77:14 Fa iza no hilaza aminao ny andron'ny fanapahan-kevitra !
ﯦﯧﯨﯩ
77:15 Loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ﯪﯫﯬﯭ
77:16 Moa tsy naringanay va ireo voalohany ?
ﯮﯯﯰﯱ
77:17 Moa tsy nampanarahanay azy ireo va ireo farany,
ﯲﯳﯴﯵ
77:18 toy izany no ataonay amin'ireo mpanao ratsy.
ﯶﯷﯸﯹ
77:19 loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖ
77:20 Tsy noharianay tamin'ny tsiranoka ratsy va ianareo,
ﭗﭘﭙﭚﭛ
77:21 izay napetrakay tamin'ny toerana voaaro,
ﭜﭝﭞﭟ
77:22 nandritra ny fotoana efa fantatra ?
ﭠﭡﭢﭣ
77:23 Toy izany no nandaharanay azy, fa tonga lafatra tokoa ny fandaharana ataonay.
ﭤﭥﭦﭧ
77:24 loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ﭨﭩﭪﭫﭬ
77:25 Tsy nataonay toerana hipetrahan'ny rehetra ve ny tany ?
ﭭﭮﭯ
77:26 ireo velona, sy ireo maty ?
ﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷ
77:27 Ary tsy nataonay mafy orina tsara va, ireo tendrombohitra avo eo aminy ? Ary tsy nampisotronay ranomamy va ianareo ?
ﭸﭹﭺﭻ
77:28 loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
77:29 Mandehana àry any amin'izay nolazainareo ho lainga.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
77:30 mandehana any amin'ny aloka misy rantsana telo,
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
77:31 izahay sady tsy manaloka, no sady tsy miaro amin'ny lel'afo.
ﮑﮒﮓﮔﮕ
77:32 satria hatsipy ny pitik'afo lehibe, tahaka ny lapa.
ﮖﮗﮘﮙ
77:33 ka ho toy ny rameva mavo.
ﮚﮛﮜﮝ
77:34 loza ho an'ireo izay mpandà amin'izany andro farany izany.
ﮞﮟﮠﮡﮢ
77:35 ilay andro izay tsy hahafahan'izy ireo miteny,
ﮣﮤﮥﮦﮧ
77:36 ary tsy hahazoan'izy ireo alalana hiala tsiny.
ﮨﮩﮪﮫ
77:37 loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
ﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
77:38 Io no andron'ny fanapahan-kevitra, izay hamorianay anareo sy ireo taloha.
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙ
77:39 Raha manana hafetsena ianareo, dia manaova àry hafetsena Amiko.
ﯚﯛﯜﯝ
77:40 loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
77:41 ho amin'ny aloka sy loharano tokoa ireo vonto-pinoana,
ﯤﯥﯦﯧ
77:42 ao koa ireo voankazo arak'izay irin'izy ireo.
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮ
77:43 Mihinàna sy misotroa finaritra àry ianareo, noho izay nataonareo.
ﯯﯰﯱﯲﯳ
77:44 Toy izany no Hamalinay soa ireo mpanao soa.
ﯴﯵﯶﯷ
77:45 loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
ﯸﯹﯺﯻﯼﯽ
77:46 Mihinàna, ary mifalia kely ; fa mpanao ratsy tokoa ianareo.
ﯾﯿﰀﰁ
77:47 loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
ﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈ
77:48 ka rehefa tenenina izy ireo hoe : "Miondreha ianareo", dia tsy miondrika izy ireo.
ﰉﰊﰋﰌ
77:49 loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ﰍﰎﰏﰐﰑ
77:50 Fa inona àry no teny hinoan'izy ireo ankoatr'izany ?

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers