Surah As-Saffat amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah As-Saffat miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (182 Andininy — مكية). As-Saffat Henoy, As-Saffat Fandikana, As-Saffat mp3, As-Saffat pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah As-Saffat

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
وَالصَّافَّاتِ صَفًّا ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Mianiana amin’ireo izay nalahatra amin’ny laharana Aho,
فَالزَّاجِرَاتِ زَجْرًا ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Sy amin’ireo izay manosika mafy (ireo rahona),
فَالتَّالِيَاتِ ذِكْرًا ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ary amin’ireo izay mamaky ho fampahatsiahivana (Koroany) :
إِنَّ إِلَٰهَكُمْ لَوَاحِدٌ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Hamafisina, fa tokana ny Zanaharinareo,
رَّبُّ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَمَا بَيْنَهُمَا وَرَبُّ الْمَشَارِقِ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelany, ary Tompon’ireo fiposahan’ny masoandro ”.
إِنَّا زَيَّنَّا السَّمَاءَ الدُّنْيَا بِزِينَةٍ الْكَوَاكِبِ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Hamafisina, fa Izahay no nampihaingo ny lanitra akaiky indrindra amin’ny ravak’ireo kintana,
وَحِفْظًا مِّن كُلِّ شَيْطَانٍ مَّارِدٍ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Mba ho fiarovana amin’ny satana mpikomy rehetra,
لَّا يَسَّمَّعُونَ إِلَى الْمَلَإِ الْأَعْلَىٰ وَيُقْذَفُونَ مِن كُلِّ جَانِبٍ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Tsy afaka hihaino ireo manan-kaja ambony intsony izy ireo, satria ho torahana izy ireo avy amin’ny fitodihana rehetra,
دُحُورًا ۖ وَلَهُمْ عَذَابٌ وَاصِبٌ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Sady ho voatosika. Ary hahazo famaizana tsy manam-pahataperana izy ireo.
إِلَّا مَنْ خَطِفَ الْخَطْفَةَ فَأَتْبَعَهُ شِهَابٌ ثَاقِبٌ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Afa-tsy izay mihaino an-tsokosoko, dia hanenjika azy ny poti-kintana mandoaka.
فَاسْتَفْتِهِمْ أَهُمْ أَشَدُّ خَلْقًا أَم مَّنْ خَلَقْنَا ۚ إِنَّا خَلَقْنَاهُم مِّن طِينٍ لَّازِبٍ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Anontanio àry izy ireo, moa ve izy ireo no tena sarotra amboarina indrindra noho izay noharianay ? Fa fotaka madity no noharianay azy ireo.
بَلْ عَجِبْتَ وَيَسْخَرُونَ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Nefa gaga ianao, ary maneso izy ireo.
وَإِذَا ذُكِّرُوا لَا يَذْكُرُونَ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Ary rehefa ampahatsiahivina (ny Kor’ány) izy ireo, dia tsy mandray izany.
وَإِذَا رَأَوْا آيَةً يَسْتَسْخِرُونَ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Ary rehefa mahita famantarana izy ireo, dia manao izay hanesoana izany.
وَقَالُوا إِنْ هَٰذَا إِلَّا سِحْرٌ مُّبِينٌ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ary miteny izy ireo hoe: “Majika miharihary ihany izany ”.
أَإِذَا مِتْنَا وَكُنَّا تُرَابًا وَعِظَامًا أَإِنَّا لَمَبْعُوثُونَ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Rehefa maty izahay, ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho velomina indray ve ?
أَوَآبَاؤُنَا الْأَوَّلُونَ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Na koa ireo razambenay taloha ? ”
قُلْ نَعَمْ وَأَنتُمْ دَاخِرُونَ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Dia lazao hoe : “Eny ! Ary ho ambany tokoa ianareo”.
فَإِنَّمَا هِيَ زَجْرَةٌ وَاحِدَةٌ فَإِذَا هُمْ يَنظُرُونَ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Tsy hisy afa-tsy hiaka tokana ihany, dia indro izy ireo fa hijery.
وَقَالُوا يَا وَيْلَنَا هَٰذَا يَوْمُ الدِّينِ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Ka hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Tonga ny andro hanomezana ny valin-kasasarana”.
هَٰذَا يَوْمُ الْفَصْلِ الَّذِي كُنتُم بِهِ تُكَذِّبُونَ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
“Izany no andro fitsarana, izay nolazainareo fa lainga”.
۞ احْشُرُوا الَّذِينَ ظَلَمُوا وَأَزْوَاجَهُمْ وَمَا كَانُوا يَعْبُدُونَ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
“Angoninareo ireo izay nanao ny tsy rariny sy ny vadin’izy ireo, ary izay rehetra notompoiny,
مِن دُونِ اللَّهِ فَاهْدُوهُمْ إِلَىٰ صِرَاطِ الْجَحِيمِ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Ankoatran'I Allah dia tarihinareo makany amin’ny làlan’ny afobe izy ireo.
وَقِفُوهُمْ ۖ إِنَّهُم مَّسْئُولُونَ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Ary ajanony izy ireo fa tsy maintsy hanontaniana.
مَا لَكُمْ لَا تَنَاصَرُونَ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
“Nahoana àry ianareo no tsy mifamonjy ? ”
بَلْ هُمُ الْيَوْمَ مُسْتَسْلِمُونَ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Nefa amin’izany andro izany dia hankato tanteraka izy ireo
وَأَقْبَلَ بَعْضُهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ يَتَسَاءَلُونَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Ary hifampitodika izy ireo hifanontany
قَالُوا إِنَّكُمْ كُنتُمْ تَأْتُونَنَا عَنِ الْيَمِينِ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Hiteny izy ireo hoe : “Tonga taminay tamin’ny fanehoana ny tsara ianareo”.
قَالُوا بَل لَّمْ تَكُونُوا مُؤْمِنِينَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Dia hoy izy ireo hoe : “ Ianareo koa aza tsy nino ”.
وَمَا كَانَ لَنَا عَلَيْكُم مِّن سُلْطَانٍ ۖ بَلْ كُنتُمْ قَوْمًا طَاغِينَ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Ary izahay dia tsy nanana fahefana taminareo. Fa ianareo kosa dia efa vahoaka mpihoa-pefy.
فَحَقَّ عَلَيْنَا قَوْلُ رَبِّنَا ۖ إِنَّا لَذَائِقُونَ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Ary dia tanteraka aminay àry izao ny tenin’ny Tomponay, ka hanandrana (famaizana) tokoa izahay
فَأَغْوَيْنَاكُمْ إِنَّا كُنَّا غَاوِينَ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Nofitahinay tokoa ianareo fa raha ny marina dia izahay mihitsy no efa very lalana.
فَإِنَّهُمْ يَوْمَئِذٍ فِي الْعَذَابِ مُشْتَرِكُونَ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Ary amin’izany andro izany dia hitambatra ao anatin’ny famaizana izy rehetra.
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَفْعَلُ بِالْمُجْرِمِينَ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Tahaka izany tokoa no hanaovanay ireo mpanao heloka bevava.
إِنَّهُمْ كَانُوا إِذَا قِيلَ لَهُمْ لَا إِلَٰهَ إِلَّا اللَّهُ يَسْتَكْبِرُونَ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Rehefa nilazana izy ireo hoe : “Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah” dia nanambony tena izy ireo.
وَيَقُولُونَ أَئِنَّا لَتَارِكُو آلِهَتِنَا لِشَاعِرٍ مَّجْنُونٍ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Ary niteny hoe : “Moa ve izahay no hamela ireo zanaharinay nohon'ny mpanao tononkalo adala ?”
بَلْ جَاءَ بِالْحَقِّ وَصَدَّقَ الْمُرْسَلِينَ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Kanefa tonga niaraka tamin’ny fahamarinana izy ary nanamarina ireo Iraka (teo aloha).
إِنَّكُمْ لَذَائِقُو الْعَذَابِ الْأَلِيمِ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Marina tokoa fa ianareo dia tena hanandrana ny famaizana mangirifiry.
وَمَا تُجْزَوْنَ إِلَّا مَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Ary tsy omena valin’asa ianareo raha tsy araka ny asa nataonareo ihany
إِلَّا عِبَادَ اللَّهِ الْمُخْلَصِينَ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy
أُولَٰئِكَ لَهُمْ رِزْقٌ مَّعْلُومٌ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Ho azy ireny ny valin-kasasarana efa fantatra
فَوَاكِهُ ۖ وَهُم مُّكْرَمُونَ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Voankazo maro ary omen-kaja izy ireo
فِي جَنَّاتِ النَّعِيمِ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
.Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana
عَلَىٰ سُرُرٍ مُّتَقَابِلِينَ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Eo ambonin’ireo farafara mifanatrika.
يُطَافُ عَلَيْهِم بِكَأْسٍ مِّن مَّعِينٍ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Ho entina mitety azy ireo ny kaopy feno rano avy amin’ny loharano.
بَيْضَاءَ لَذَّةٍ لِّلشَّارِبِينَ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Fotsy, ankafizin’ireo mpisotro azy.
لَا فِيهَا غَوْلٌ وَلَا هُمْ عَنْهَا يُنزَفُونَ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Tsy misy hahavery (ny sain’izy ireo) ao, ary tsy hahamamo azy ireo izany.
وَعِندَهُمْ قَاصِرَاتُ الطَّرْفِ عِينٌ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Ary izy ireo dia hanana vehivavy tsara, manana fijery maontina, baribary maso.
كَأَنَّهُنَّ بَيْضٌ مَّكْنُونٌ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Izy ireo dia tahaka ny atody voatahiry tsara.
فَأَقْبَلَ بَعْضُهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ يَتَسَاءَلُونَ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Ary ny sasany amin'izy ireo dia hitodika amin'ny ankilany hifanontany.
قَالَ قَائِلٌ مِّنْهُمْ إِنِّي كَانَ لِي قَرِينٌ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Hiteny ny iray amin’izy ireo hoe : “Izaho dia nana-namana"
يَقُولُ أَإِنَّكَ لَمِنَ الْمُصَدِّقِينَ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Izay niteny hoe : “moa ve ianao tena anisan’ireo mpino ?”
أَإِذَا مِتْنَا وَكُنَّا تُرَابًا وَعِظَامًا أَإِنَّا لَمَدِينُونَ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
“Moa ve raha maty isika ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho tsaraina ?”
قَالَ هَلْ أَنتُم مُّطَّلِعُونَ ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
Hiteny izy hoe : “ Moa ve ianareo mba te-hitazana avy aty ambony ?”
فَاطَّلَعَ فَرَآهُ فِي سَوَاءِ الْجَحِيمِ ۝٥٥
📖 Fandikana Andininy 55
Dia nijery avy eny ambony izy ka nahatazana azy teo afovoan’ny afobe
قَالَ تَاللَّهِ إِن كِدتَّ لَتُرْدِينِ ۝٥٦
📖 Fandikana Andininy 56
Ary hiteny izy hoe : “Mianiana amin’I Allah aho fa saika noverezinao aho !”
وَلَوْلَا نِعْمَةُ رَبِّي لَكُنتُ مِنَ الْمُحْضَرِينَ ۝٥٧
📖 Fandikana Andininy 57
Ary raha tsy noho ny fahasoavan’ny Tompoko dia tena anisan’ireo tao (anatin’ny afobe) koa aho.
أَفَمَا نَحْنُ بِمَيِّتِينَ ۝٥٨
📖 Fandikana Andininy 58
Moa ve marina fa tsy ho faty isika,
إِلَّا مَوْتَتَنَا الْأُولَىٰ وَمَا نَحْنُ بِمُعَذَّبِينَ ۝٥٩
📖 Fandikana Andininy 59
Afa-tsy ny fahafatesantsika tamin’ny voalohany ary tsy ho faizina isika”
إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ الْفَوْزُ الْعَظِيمُ ۝٦٠
📖 Fandikana Andininy 60
Marina fa izany tokoa ilay fahombiazana lehibe.
لِمِثْلِ هَٰذَا فَلْيَعْمَلِ الْعَامِلُونَ ۝٦١
📖 Fandikana Andininy 61
Ho an’ny zavatra toy izany no tokony hiasan’ireo izay miasa.
أَذَٰلِكَ خَيْرٌ نُّزُلًا أَمْ شَجَرَةُ الزَّقُّومِ ۝٦٢
📖 Fandikana Andininy 62
Moa ve tsy izany no mendrika kokoa ho fonenana sa ny hazon’ny Zakkom[105]
إِنَّا جَعَلْنَاهَا فِتْنَةً لِّلظَّالِمِينَ ۝٦٣
📖 Fandikana Andininy 63
Marina fa Izahay dia nanao izany ho fitsapana ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.
إِنَّهَا شَجَرَةٌ تَخْرُجُ فِي أَصْلِ الْجَحِيمِ ۝٦٤
📖 Fandikana Andininy 64
Izany dia hazo izay mivoaka avy any amin’ny farany ambany amin’ny afobe.
طَلْعُهَا كَأَنَّهُ رُءُوسُ الشَّيَاطِينِ ۝٦٥
📖 Fandikana Andininy 65
Ireo voany dia tahaka ny lohan’ireo satana.
فَإِنَّهُمْ لَآكِلُونَ مِنْهَا فَمَالِئُونَ مِنْهَا الْبُطُونَ ۝٦٦
📖 Fandikana Andininy 66
Tsy maintsy mihinana amin'izany izy ireo ary hameno ny kibony
ثُمَّ إِنَّ لَهُمْ عَلَيْهَا لَشَوْبًا مِّنْ حَمِيمٍ ۝٦٧
📖 Fandikana Andininy 67
Manaraka izany dia hisy avy eny ambony ny fifangaroan-drano ratsy, mangotraka ho an’izy ireo.
ثُمَّ إِنَّ مَرْجِعَهُمْ لَإِلَى الْجَحِيمِ ۝٦٨
📖 Fandikana Andininy 68
Ary ny fiverenan’izy ireo dia mankany amin’ny afobe (Djahim)
إِنَّهُمْ أَلْفَوْا آبَاءَهُمْ ضَالِّينَ ۝٦٩
📖 Fandikana Andininy 69
Izy ireo dia nahita ireo razambeny tao anatin’ny fahaverezana
فَهُمْ عَلَىٰ آثَارِهِمْ يُهْرَعُونَ ۝٧٠
📖 Fandikana Andininy 70
Koa indro izy ireo mihazakazaka manaraka ny dian’izy ireo.
وَلَقَدْ ضَلَّ قَبْلَهُمْ أَكْثَرُ الْأَوَّلِينَ ۝٧١
📖 Fandikana Andininy 71
Ary izany no tena nahavery ny ankamaroan’ireo efa talohan’izy ireo.
وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا فِيهِم مُّنذِرِينَ ۝٧٢
📖 Fandikana Andininy 72
Ary efa nalefanay tokoa tamin’izy ireo ny mpampitandrina maro.
فَانظُرْ كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الْمُنذَرِينَ ۝٧٣
📖 Fandikana Andininy 73
Jereo àry, mba nanao ahoana ny fiafaran’ireo izay nahazo fampitandremana !
إِلَّا عِبَادَ اللَّهِ الْمُخْلَصِينَ ۝٧٤
📖 Fandikana Andininy 74
Afa-tsy ireo mpanompon’i Allah izay voafidy.
وَلَقَدْ نَادَانَا نُوحٌ فَلَنِعْمَ الْمُجِيبُونَ ۝٧٥
📖 Fandikana Andininy 75
Ary efa niantso anay tokoa i Noa fa izahay no mpamaly ny antso tsara indrindra.
وَنَجَّيْنَاهُ وَأَهْلَهُ مِنَ الْكَرْبِ الْعَظِيمِ ۝٧٦
📖 Fandikana Andininy 76
Ary navotanay izy sy ny fianakaviany tamin’ny tebiteby lehibe.
وَجَعَلْنَا ذُرِّيَّتَهُ هُمُ الْبَاقِينَ ۝٧٧
📖 Fandikana Andininy 77
Ary nataonay ny taranany no hany sisa tavela.
وَتَرَكْنَا عَلَيْهِ فِي الْآخِرِينَ ۝٧٨
📖 Fandikana Andininy 78
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
سَلَامٌ عَلَىٰ نُوحٍ فِي الْعَالَمِينَ ۝٧٩
📖 Fandikana Andininy 79
Fiadanana ho an’i Noa eo amin’izao tontolo izao
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُحْسِنِينَ ۝٨٠
📖 Fandikana Andininy 80
Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
إِنَّهُ مِنْ عِبَادِنَا الْمُؤْمِنِينَ ۝٨١
📖 Fandikana Andininy 81
Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.
ثُمَّ أَغْرَقْنَا الْآخَرِينَ ۝٨٢
📖 Fandikana Andininy 82
Ary dia narendrikay ireo vahoaka sasany.
۞ وَإِنَّ مِن شِيعَتِهِ لَإِبْرَاهِيمَ ۝٨٣
📖 Fandikana Andininy 83
Ary anisany mpiray finoana aminy tokoa i Ibrahim (Abrahama)
إِذْ جَاءَ رَبَّهُ بِقَلْبٍ سَلِيمٍ ۝٨٤
📖 Fandikana Andininy 84
Raha tonga tamin’ny Tompony izy amin’ny fo madio.
إِذْ قَالَ لِأَبِيهِ وَقَوْمِهِ مَاذَا تَعْبُدُونَ ۝٨٥
📖 Fandikana Andininy 85
Rehefa niteny izy tamin’ny Rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?"
أَئِفْكًا آلِهَةً دُونَ اللَّهِ تُرِيدُونَ ۝٨٦
📖 Fandikana Andininy 86
Mitady Tompo maro hafa ivelan’I Allah ve ianareo ?
فَمَا ظَنُّكُم بِرَبِّ الْعَالَمِينَ ۝٨٧
📖 Fandikana Andininy 87
Inona ary ny hevitrareo mahakasika ny Tompon'izao tontolo izao ?
فَنَظَرَ نَظْرَةً فِي النُّجُومِ ۝٨٨
📖 Fandikana Andininy 88
Avy eo dia nanopy maso izy ka nijery ireo kintana
فَقَالَ إِنِّي سَقِيمٌ ۝٨٩
📖 Fandikana Andininy 89
Sady niteny izy hoe : “Marina tokoa fa marary aho”
فَتَوَلَّوْا عَنْهُ مُدْبِرِينَ ۝٩٠
📖 Fandikana Andininy 90
Nimboho azy izy ireo dia nandeha.
فَرَاغَ إِلَىٰ آلِهَتِهِمْ فَقَالَ أَلَا تَأْكُلُونَ ۝٩١
📖 Fandikana Andininy 91
Dia nizotra moramora nankany amin’ny sampin’izy ireo izy, ary niteny hoe : “Moa ve tsy mihinana ianareo ?"
مَا لَكُمْ لَا تَنطِقُونَ ۝٩٢
📖 Fandikana Andininy 92
Fa inona no tsy mampiteny anareo?
فَرَاغَ عَلَيْهِمْ ضَرْبًا بِالْيَمِينِ ۝٩٣
📖 Fandikana Andininy 93
Avy eo nokapohiny antsokosoko izy ireo tamin’ny tanany havanana.
فَأَقْبَلُوا إِلَيْهِ يَزِفُّونَ ۝٩٤
📖 Fandikana Andininy 94
Tamin’izany dia nanantona azy am-pihazakazahana ireo olona.
قَالَ أَتَعْبُدُونَ مَا تَنْحِتُونَ ۝٩٥
📖 Fandikana Andininy 95
Niteny (tamin’izy ireo) izy hoe : “Moa ve ianareo dia manompo izay (sary) nataonareo ihany".
وَاللَّهُ خَلَقَكُمْ وَمَا تَعْمَلُونَ ۝٩٦
📖 Fandikana Andininy 96
Nefa I Allah no nahary anareo sy izay ataonareo
قَالُوا ابْنُوا لَهُ بُنْيَانًا فَأَلْقُوهُ فِي الْجَحِيمِ ۝٩٧
📖 Fandikana Andininy 97
Niteny izy ireo hoe : “Hanamboary fata-mihiboka (lafaoro) ho azy ka atsipio ao anatin’ny afo mamaivay izy.
فَأَرَادُوا بِهِ كَيْدًا فَجَعَلْنَاهُمُ الْأَسْفَلِينَ ۝٩٨
📖 Fandikana Andininy 98
Nitady hanao teti-dratsy taminy izy ireo ; ka nataonay latsaka ambany indrindra izy ireo.
وَقَالَ إِنِّي ذَاهِبٌ إِلَىٰ رَبِّي سَيَهْدِينِ ۝٩٩
📖 Fandikana Andininy 99
Ary niteny izy hoe : Izaho dia handeha any amin’ny Tompoko ary hitari-dalana ahy Izy.
رَبِّ هَبْ لِي مِنَ الصَّالِحِينَ ۝١٠٠
📖 Fandikana Andininy 100
Tompo ô ! Omeo taranaka mba ho anisan’ireo mpanao soa aho.
فَبَشَّرْنَاهُ بِغُلَامٍ حَلِيمٍ ۝١٠١
📖 Fandikana Andininy 101
Nolazainay vaovao mahafaly izy fa hahazo zazalahy be fangoraham-po.
فَلَمَّا بَلَغَ مَعَهُ السَّعْيَ قَالَ يَا بُنَيَّ إِنِّي أَرَىٰ فِي الْمَنَامِ أَنِّي أَذْبَحُكَ فَانظُرْ مَاذَا تَرَىٰ ۚ قَالَ يَا أَبَتِ افْعَلْ مَا تُؤْمَرُ ۖ سَتَجِدُنِي إِن شَاءَ اللَّهُ مِنَ الصَّابِرِينَ ۝١٠٢
📖 Fandikana Andininy 102
Ary rehefa nahatratra ny taona ahafahany miaraka aminy izy dia niteny (Ibrahimo) hoe: “Anaka, izaho dia nahita tamin’ny nofy fa nanao sorona anao. Ka ahoana àry ny fahitanao izany”. Niteny (Ismaely) hoe: “Ry dada ô! Ataovy izay nandidiana anao fa ho hitanao aho, raha sitrak’i Allah, fa anisan’ireo manam-paharetana.
فَلَمَّا أَسْلَمَا وَتَلَّهُ لِلْجَبِينِ ۝١٠٣
📖 Fandikana Andininy 103
Avy eo rehefa nanaiky (ny didin’i Allah) izy roa dia nojereny,
وَنَادَيْنَاهُ أَن يَا إِبْرَاهِيمُ ۝١٠٤
📖 Fandikana Andininy 104
Ka indro Izahay niantso azy hoe: “ Ô ry Ibrahimo !
قَدْ صَدَّقْتَ الرُّؤْيَا ۚ إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُحْسِنِينَ ۝١٠٥
📖 Fandikana Andininy 105
Tena notanterahinao tokoa ny nofy. Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa.
إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ الْبَلَاءُ الْمُبِينُ ۝١٠٦
📖 Fandikana Andininy 106
Izany tokoa no fitsapana tena miharihary.
وَفَدَيْنَاهُ بِذِبْحٍ عَظِيمٍ ۝١٠٧
📖 Fandikana Andininy 107
Ary nosolonay izy (Ismaely) tamin’ny alalan’ny fanatitra lehibe.
وَتَرَكْنَا عَلَيْهِ فِي الْآخِرِينَ ۝١٠٨
📖 Fandikana Andininy 108
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
سَلَامٌ عَلَىٰ إِبْرَاهِيمَ ۝١٠٩
📖 Fandikana Andininy 109
“Fiadanana anie ho amin’i Ibrahimo”.
كَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُحْسِنِينَ ۝١١٠
📖 Fandikana Andininy 110
Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa
إِنَّهُ مِنْ عِبَادِنَا الْمُؤْمِنِينَ ۝١١١
📖 Fandikana Andininy 111
Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.
وَبَشَّرْنَاهُ بِإِسْحَاقَ نَبِيًّا مِّنَ الصَّالِحِينَ ۝١١٢
📖 Fandikana Andininy 112
Ary nolazanay azy ny vaovao mahafaly momban'i Isaka (Ishaka), izay ho mpaminany anisan’ireo olo-mendrika.
وَبَارَكْنَا عَلَيْهِ وَعَلَىٰ إِسْحَاقَ ۚ وَمِن ذُرِّيَّتِهِمَا مُحْسِنٌ وَظَالِمٌ لِّنَفْسِهِ مُبِينٌ ۝١١٣
📖 Fandikana Andininy 113
Ary nohasoavinay izy sy Isaka ary misy amin’ny taranak’izy ireo ny mpanao asa tsara sy ny mpanao ny tsy rariny miharihary amin’ny tenany.
وَلَقَدْ مَنَنَّا عَلَىٰ مُوسَىٰ وَهَارُونَ ۝١١٤
📖 Fandikana Andininy 114
Ary efa nomenay tombotsoa i Mosesy sy Harona,
وَنَجَّيْنَاهُمَا وَقَوْمَهُمَا مِنَ الْكَرْبِ الْعَظِيمِ ۝١١٥
📖 Fandikana Andininy 115
Ary navotanay izy roa sy ny vahoakany tamin’ny tebiteby lehibe.
وَنَصَرْنَاهُمْ فَكَانُوا هُمُ الْغَالِبِينَ ۝١١٦
📖 Fandikana Andininy 116
Ary novonjenay izy ireo ary dia izy ireo no mpandresy.
وَآتَيْنَاهُمَا الْكِتَابَ الْمُسْتَبِينَ ۝١١٧
📖 Fandikana Andininy 117
Ary nomenay azy roa ny Boky mazava.
وَهَدَيْنَاهُمَا الصِّرَاطَ الْمُسْتَقِيمَ ۝١١٨
📖 Fandikana Andininy 118
Ary notarihinay amin’ny lalana mahitsy izy roa
وَتَرَكْنَا عَلَيْهِمَا فِي الْآخِرِينَ ۝١١٩
📖 Fandikana Andininy 119
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy roa.
سَلَامٌ عَلَىٰ مُوسَىٰ وَهَارُونَ ۝١٢٠
📖 Fandikana Andininy 120
“ Fiadanana anie ho amin’i Mosesy sy Harona ”.
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُحْسِنِينَ ۝١٢١
📖 Fandikana Andininy 121
Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
إِنَّهُمَا مِنْ عِبَادِنَا الْمُؤْمِنِينَ ۝١٢٢
📖 Fandikana Andininy 122
Tena marina fa izy roa dia anisan’ireo mpanomponay mpino.
وَإِنَّ إِلْيَاسَ لَمِنَ الْمُرْسَلِينَ ۝١٢٣
📖 Fandikana Andininy 123
Ary marina fa i Ilyasa (Elia) dia anisan’ireo Iraka.
إِذْ قَالَ لِقَوْمِهِ أَلَا تَتَّقُونَ ۝١٢٤
📖 Fandikana Andininy 124
Rehefa niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : " Moa ve tsy matahotra ianareo ?"
أَتَدْعُونَ بَعْلًا وَتَذَرُونَ أَحْسَنَ الْخَالِقِينَ ۝١٢٥
📖 Fandikana Andininy 125
Mitalaho amin’i Baal ve ianareo? Ary avelanareo Ilay Tsara indrindra amin’ireo mpahary
اللَّهَ رَبَّكُمْ وَرَبَّ آبَائِكُمُ الْأَوَّلِينَ ۝١٢٦
📖 Fandikana Andininy 126
I Allah no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.
فَكَذَّبُوهُ فَإِنَّهُمْ لَمُحْضَرُونَ ۝١٢٧
📖 Fandikana Andininy 127
Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga Izy, tena marina fa izy ireo dia ho ao (anatin’ny afobe).
إِلَّا عِبَادَ اللَّهِ الْمُخْلَصِينَ ۝١٢٨
📖 Fandikana Andininy 128
Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.
وَتَرَكْنَا عَلَيْهِ فِي الْآخِرِينَ ۝١٢٩
📖 Fandikana Andininy 129
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
سَلَامٌ عَلَىٰ إِلْ يَاسِينَ ۝١٣٠
📖 Fandikana Andininy 130
“ Fiadanana anie ho amin’I Iliyasa sy ireo mpanaraka azy ”.
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُحْسِنِينَ ۝١٣١
📖 Fandikana Andininy 131
Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
إِنَّهُ مِنْ عِبَادِنَا الْمُؤْمِنِينَ ۝١٣٢
📖 Fandikana Andininy 132
Tena marina fa izy dia anisan'ireo mpanomponay mpino.
وَإِنَّ لُوطًا لَّمِنَ الْمُرْسَلِينَ ۝١٣٣
📖 Fandikana Andininy 133
Ary tena marina fa i Lota dia anisan’ireo iraka.
إِذْ نَجَّيْنَاهُ وَأَهْلَهُ أَجْمَعِينَ ۝١٣٤
📖 Fandikana Andininy 134
Rehefa navotanay izy sy ny fianakaviany manontolo
إِلَّا عَجُوزًا فِي الْغَابِرِينَ ۝١٣٥
📖 Fandikana Andininy 135
Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana.
ثُمَّ دَمَّرْنَا الْآخَرِينَ ۝١٣٦
📖 Fandikana Andininy 136
Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany.
وَإِنَّكُمْ لَتَمُرُّونَ عَلَيْهِم مُّصْبِحِينَ ۝١٣٧
📖 Fandikana Andininy 137
Ary marina fa ianareo dia tena mandalo eo amin’izy ireo amin’ny maraina
وَبِاللَّيْلِ ۗ أَفَلَا تَعْقِلُونَ ۝١٣٨
📖 Fandikana Andininy 138
Sy amin’ny alina. Moa ve tsy mba misaina ianareo?
وَإِنَّ يُونُسَ لَمِنَ الْمُرْسَلِينَ ۝١٣٩
📖 Fandikana Andininy 139
Ary marina fa i Younouss (Jonasy) dia anisan’ireo iraka.
إِذْ أَبَقَ إِلَى الْفُلْكِ الْمَشْحُونِ ۝١٤٠
📖 Fandikana Andininy 140
Rehefa nandositra tamin’ilay sambo feno izy
فَسَاهَمَ فَكَانَ مِنَ الْمُدْحَضِينَ ۝١٤١
📖 Fandikana Andininy 141
Dia nandray anjara tamin’ny ankitsapaka ka voatendry ho anisan’ny atsipy (anatin’ny ranomasina) izy.
فَالْتَقَمَهُ الْحُوتُ وَهُوَ مُلِيمٌ ۝١٤٢
📖 Fandikana Andininy 142
Ka natelin’ny trondro izy fa mendrika omena tsiny.
فَلَوْلَا أَنَّهُ كَانَ مِنَ الْمُسَبِّحِينَ ۝١٤٣
📖 Fandikana Andininy 143
Raha tsy anisan’ireo mpidera ny voninahitr’i Allah izy
لَلَبِثَ فِي بَطْنِهِ إِلَىٰ يَوْمِ يُبْعَثُونَ ۝١٤٤
📖 Fandikana Andininy 144
Dia tokony ho tavela tao anatin’ny kibony (trondro) mandra-pahatonga ny andro hananganana azy amin’ny maty.
۞ فَنَبَذْنَاهُ بِالْعَرَاءِ وَهُوَ سَقِيمٌ ۝١٤٥
📖 Fandikana Andininy 145
Natsipinay teny an-tanety izy ary izy dia tsy salama.
وَأَنبَتْنَا عَلَيْهِ شَجَرَةً مِّن يَقْطِينٍ ۝١٤٦
📖 Fandikana Andininy 146
Ary dia nampanirianay voatavo ny teo amboniny.
وَأَرْسَلْنَاهُ إِلَىٰ مِائَةِ أَلْفٍ أَوْ يَزِيدُونَ ۝١٤٧
📖 Fandikana Andininy 147
Ary nalefanay izy (ho mpaminany) tany amin’ny vahoaka iray hetsy na mihoatra.
فَآمَنُوا فَمَتَّعْنَاهُمْ إِلَىٰ حِينٍ ۝١٤٨
📖 Fandikana Andininy 148
Koa nino izy ireo ary nomenay azy ireo ny fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.
فَاسْتَفْتِهِمْ أَلِرَبِّكَ الْبَنَاتُ وَلَهُمُ الْبَنُونَ ۝١٤٩
📖 Fandikana Andininy 149
Hametrao fanontaniana àry izy ireo: “ Moa ve ho an’ny Tomponao ireo zazavavy ary ho azy ireo ny zazalahy?
أَمْ خَلَقْنَا الْمَلَائِكَةَ إِنَاثًا وَهُمْ شَاهِدُونَ ۝١٥٠
📖 Fandikana Andininy 150
Na noharianay ho vavy ireo anjely ary izy ireo no vavolombelona?
أَلَا إِنَّهُم مِّنْ إِفْكِهِمْ لَيَقُولُونَ ۝١٥١
📖 Fandikana Andininy 151
Marina fa izy ireo dia niteny tamin’ny lainga nataon’izy ireo hoe
وَلَدَ اللَّهُ وَإِنَّهُمْ لَكَاذِبُونَ ۝١٥٢
📖 Fandikana Andininy 152
“Nanan-janaka I Allah” ary marina fa izy ireo dia tena mpandainga
أَصْطَفَى الْبَنَاتِ عَلَى الْبَنِينَ ۝١٥٣
📖 Fandikana Andininy 153
Moa ve tsy nisafidy ireo zaza vavy Izy noho ireo zaza lahy ?
مَا لَكُمْ كَيْفَ تَحْكُمُونَ ۝١٥٤
📖 Fandikana Andininy 154
Inona no mahazo anareo? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo?
أَفَلَا تَذَكَّرُونَ ۝١٥٥
📖 Fandikana Andininy 155
Moa tsy mieritreritra ve ianareo?
أَمْ لَكُمْ سُلْطَانٌ مُّبِينٌ ۝١٥٦
📖 Fandikana Andininy 156
Sa manana porofo mazava ianareo?
فَأْتُوا بِكِتَابِكُمْ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ۝١٥٧
📖 Fandikana Andininy 157
Ento àry ny Bokinareo raha toa ka marina ny anareo.
وَجَعَلُوا بَيْنَهُ وَبَيْنَ الْجِنَّةِ نَسَبًا ۚ وَلَقَدْ عَلِمَتِ الْجِنَّةُ إِنَّهُمْ لَمُحْضَرُونَ ۝١٥٨
📖 Fandikana Andininy 158
Ary nataon’izy ireo misy rohim-pihavanana eo Aminy sy ireo Djiny; nefa efa fantatr’ireo Djiny fa izy ireo dia tena ho ao (amin’ny afobe).
سُبْحَانَ اللَّهِ عَمَّا يَصِفُونَ ۝١٥٩
📖 Fandikana Andininy 159
Voninahitra anie ho an’I Allah noho izay hamaritan’izy ireo Azy
إِلَّا عِبَادَ اللَّهِ الْمُخْلَصِينَ ۝١٦٠
📖 Fandikana Andininy 160
Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.
فَإِنَّكُمْ وَمَا تَعْبُدُونَ ۝١٦١
📖 Fandikana Andininy 161
Marina fa ianareo sy izay tompoinareo
مَا أَنتُمْ عَلَيْهِ بِفَاتِنِينَ ۝١٦٢
📖 Fandikana Andininy 162
Dia tsy afaka maka fanahy (na iza na iza) ianareo amin’izany
إِلَّا مَنْ هُوَ صَالِ الْجَحِيمِ ۝١٦٣
📖 Fandikana Andininy 163
Afa-tsy izay hiditra ao anatin’ny afobe (Djahim).
وَمَا مِنَّا إِلَّا لَهُ مَقَامٌ مَّعْلُومٌ ۝١٦٤
📖 Fandikana Andininy 164
Tsy misy na dia iray aza aminay ka tsy manana toerana efa fantatra
وَإِنَّا لَنَحْنُ الصَّافُّونَ ۝١٦٥
📖 Fandikana Andininy 165
Ary izahay (Anjely) dia tena milahatra araka ny laharana
وَإِنَّا لَنَحْنُ الْمُسَبِّحُونَ ۝١٦٦
📖 Fandikana Andininy 166
Ary izahay no tena mpidera ny voninahitr’I Allah
وَإِن كَانُوا لَيَقُولُونَ ۝١٦٧
📖 Fandikana Andininy 167
Ary izy ireo dia tena manana fahazarana miteny hoe :
لَوْ أَنَّ عِندَنَا ذِكْرًا مِّنَ الْأَوَّلِينَ ۝١٦٨
📖 Fandikana Andininy 168
Raha nanana fampahatsiahivana avy tamin’ny razambenay izahay
لَكُنَّا عِبَادَ اللَّهِ الْمُخْلَصِينَ ۝١٦٩
📖 Fandikana Andininy 169
Dia tena efa lasa mpanompo voafidin’I Allah izahay!
فَكَفَرُوا بِهِ ۖ فَسَوْفَ يَعْلَمُونَ ۝١٧٠
📖 Fandikana Andininy 170
Tsy nino izany izy ireo ary dia ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.
وَلَقَدْ سَبَقَتْ كَلِمَتُنَا لِعِبَادِنَا الْمُرْسَلِينَ ۝١٧١
📖 Fandikana Andininy 171
Ary efa nomenay ireo Iraka Mpanomponay ny Teninay,
إِنَّهُمْ لَهُمُ الْمَنصُورُونَ ۝١٧٢
📖 Fandikana Andininy 172
Fa izy ireo no tena hahazo ny fanavotana
وَإِنَّ جُندَنَا لَهُمُ الْغَالِبُونَ ۝١٧٣
📖 Fandikana Andininy 173
Ary ny miaramilanay no tena ho mpandresy.
فَتَوَلَّ عَنْهُمْ حَتَّىٰ حِينٍ ۝١٧٤
📖 Fandikana Andininy 174
Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy
وَأَبْصِرْهُمْ فَسَوْفَ يُبْصِرُونَ ۝١٧٥
📖 Fandikana Andininy 175
Ary araho maso izy ireo fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !
أَفَبِعَذَابِنَا يَسْتَعْجِلُونَ ۝١٧٦
📖 Fandikana Andininy 176
Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina?
فَإِذَا نَزَلَ بِسَاحَتِهِمْ فَسَاءَ صَبَاحُ الْمُنذَرِينَ ۝١٧٧
📖 Fandikana Andininy 177
Fa raha ho latsaka amin’ny toeran’izy ireo izany dia ho ratsy tokoa ny marainan’ireo izay nampitandremina!
وَتَوَلَّ عَنْهُمْ حَتَّىٰ حِينٍ ۝١٧٨
📖 Fandikana Andininy 178
Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy;
وَأَبْصِرْ فَسَوْفَ يُبْصِرُونَ ۝١٧٩
📖 Fandikana Andininy 179
Ary araho maso fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !
سُبْحَانَ رَبِّكَ رَبِّ الْعِزَّةِ عَمَّا يَصِفُونَ ۝١٨٠
📖 Fandikana Andininy 180
Voninahitra anie ho an’ny Tomponao, Ilay Tompon’ny Hery noho izay hamaritan’izy ireo Azy.
وَسَلَامٌ عَلَى الْمُرْسَلِينَ ۝١٨١
📖 Fandikana Andininy 181
Ka fiadanana anie ho amin’ireo Iraka
وَالْحَمْدُ لِلَّهِ رَبِّ الْعَالَمِينَ ۝١٨٢
📖 Fandikana Andininy 182
Ary Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !
← 36 As-Saffat (37/114) 38 →
Vakio Surah As-Saffat Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

37الصافات As-Saffat 📚 182 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah As-Saffat — 182 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers