Sady · 23/88
Fandikana Fanononana — Sady
إِنَّ هَٰذَا أَخِي لَهُ تِسْعٌ وَتِسْعُونَ نَعْجَةً وَلِيَ نَعْجَةٌ وَاحِدَةٌ فَقَالَ أَكْفِلْنِيهَا وَعَزَّنِي فِي الْخِطَابِ ۝٢٣
Inna haazaaa akhee lahoo tis`unw wa tis`oona na`jatanw wa liya na`jatunw waahidah; faqaala akfilneeha wa `azzanee filkhitaab
📖 Dikany Malagasy
Tena marina fa ity dia rahalahiko, manana ondry vavy sivy amby sivifolo izy, fa izaho kosa dia tsy manana afa-tsy ondry vavy anankiray. Niteny izy tamiko hoe: “ Ankino amiko ny fikarakarana azy ary nanizingizina tamiko izy tamin’ny resaka natao ”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 21-25 — Sady

21۞ وَهَلْ أَتَاكَ نَبَأُ الْخَصْمِ إِذْ تَسَوَّرُوا الْمِحْرَابَ
Moa ve tonga aminao ny vaovaon’ireo mpifamaly rehefa niakatra ny rindrin’ny toeram-pivavahana?
22إِذْ دَخَلُوا عَلَىٰ دَاوُودَ فَفَزِعَ مِنْهُمْ ۖ قَالُوا لَا تَخَفْ ۖ خَصْمَانِ بَغَىٰ بَعْضُنَا عَلَىٰ بَعْضٍ فَاحْكُم بَيْنَنَا بِالْحَقِّ وَلَا تُشْطِطْ وَاهْدِنَا إِلَىٰ سَوَاءِ الصِّرَاطِ
Rehefa niditra tao amin’i Daoda izy ireo dia natahotra azy ireo izy. Niteny izy ireo hoe: “Aza matahotra ianao! Izahay roa dia mpifamaly; ny iray aminay dia nanao fahadisoana tamin’ny anankiray. Ka mba tsarao àry izahay amin’ny fahamarinana, ary aoka ianao tsy hitongilana, ary tariho amin’ny làlana mahitsy izahay.
23إِنَّ هَٰذَا أَخِي لَهُ تِسْعٌ وَتِسْعُونَ نَعْجَةً وَلِيَ نَعْجَةٌ وَاحِدَةٌ فَقَالَ أَكْفِلْنِيهَا وَعَزَّنِي فِي الْخِطَابِ
Tena marina fa ity dia rahalahiko, manana ondry vavy sivy amby sivifolo izy, fa izaho kosa dia tsy manana afa-tsy ondry vavy anankiray. Niteny izy tamiko hoe: “ Ankino amiko ny fikarakarana azy ary nanizingizina tamiko izy tamin’ny resaka natao ”.
24قَالَ لَقَدْ ظَلَمَكَ بِسُؤَالِ نَعْجَتِكَ إِلَىٰ نِعَاجِهِ ۖ وَإِنَّ كَثِيرًا مِّنَ الْخُلَطَاءِ لَيَبْغِي بَعْضُهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ إِلَّا الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ وَقَلِيلٌ مَّا هُمْ ۗ وَظَنَّ دَاوُودُ أَنَّمَا فَتَنَّاهُ فَاسْتَغْفَرَ رَبَّهُ وَخَرَّ رَاكِعًا وَأَنَابَ ۩
Niteny izy (Daoda) : “ Tena nanao ny tsy rariny taminao izy tamin’ny fangatahan'ilay ondry vavinao ho fanampin’ireo ondriny ”. Maro amin’ireo olona no mandika ny zon’ny mpiara-miombon’antoka aminy, afa-tsy ireo izay mino sy manao ireo asa soa, kanefa vitsy an’isa ihany izy ireo. Ary i Daoda dia nihevitra fa nitsapa azy Izahay, ka nangataka famelan-keloka tamin’ny Tompony sy niantoraka niankohoka ary nibebaka izy.
25فَغَفَرْنَا لَهُ ذَٰلِكَ ۖ وَإِنَّ لَهُ عِندَنَا لَزُلْفَىٰ وَحُسْنَ مَآبٍ
Namela heloka azy Izahay. Ary tena marina fa hahazo toerana akaiky Anay sy toeram-pialofana mahafinaritra tokoa izy.
SadyFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
23Andininy

Fandikana — Sady 23

Surah Sady Andininy 23 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tena marina fa ity dia rahalahiko, manana ondry vavy sivy…

Surah Andininy 23/88 — Sady ص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Sady Henoy, Sady Fandikana, Sady mp3, Sady pdf. Andininy 21–25. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers