At-Talaq · 2/12
Fandikana Fanononana — At-Talaq
فَإِذَا بَلَغۡنَ أَجَلَهُنَّ فَأَمۡسِكُوهُنَّ بِمَعۡرُوفٍ أَوۡ فَارِقُوهُنَّ بِمَعۡرُوفٍ وَأَشۡهِدُواْ ذَوَيۡ عَدۡلٍ مِّنكُمۡ وَأَقِيمُواْ ٱلشَّهَٰدَةَ لِلَّهِۚ ذَٰلِكُمۡ يُوعَظُ بِهِۦ مَن كَانَ يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۚ وَمَن يَتَّقِ ٱللَّهَ يَجۡعَل لَّهُۥ مَخۡرَجًا  ۝٢
Fa izaa balaghna ajalahunna fa amsikoohunna bima`roofin aw faariqoohunna bima`roofinw wa ashhidoo zawai `adlim minkum wa aqeemush shahaadata lillaah; zaalikum yoo`azu bihee man kaana yu`minu billaahi wal yawmil aakhir; wa many yattaqil laaha yaj`al lahoo makhrajaa
📖 Dikany Malagasy
Ary rehefa mahatratra ny fotoana efa voafetra izy ireo dia tazony amin’ny fomba mendrika, na saraho amin’ny fomba mendrika ihany koa, ary dia makà lehilahy roa mpandala ny rariny eo aminareo mba ho vavolombelona. Ka ataovy eo anatrehan’I Allah ny fijoroana ho vavolombelona.Izany no ananarana izay mino an’I Allah sy ny andro farany fa izay matahotra an’I Allah dia omeny vahaolana tsara.
🎧 Henoy

📜 Andininy 1-4 — At-Talaq

1يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ إِذَا طَلَّقۡتُمُ ٱلنِّسَآءَ فَطَلِّقُوهُنَّ لِعِدَّتِهِنَّ وَأَحۡصُواْ ٱلۡعِدَّةَۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ رَبَّكُمۡۖ لَا تُخۡرِجُوهُنَّ مِنۢ بُيُوتِهِنَّ وَلَا يَخۡرُجۡنَ إِلَّآ أَن يَأۡتِينَ بِفَٰحِشَةٍ مُّبَيِّنَةٍۚ وَتِلۡكَ حُدُودُ ٱللَّهِۚ وَمَن يَتَعَدَّ حُدُودَ ٱللَّهِ فَقَدۡ ظَلَمَ نَفۡسَهُۥۚ لَا تَدۡرِي لَعَلَّ ٱللَّهَ يُحۡدِثُ بَعۡدَ ذَٰلِكَ أَمۡرًا 
Ry mpaminany ! Rehefa sarahanareo ireo vehivavy dia saraho mifanaraka amin’ny fotoana fiandrasana efa voafetra izy; ary aoka ianareo hanisa ny fe-potoana, matahora an’I Allah Tomponareo ianareo. Aza roahina amin’ny tranony izy ireny, ary aoka tsy hivoaka ao, raha tsy nanao fitondran-tena maloto voaporofo.Izany no didin’I Allah fa izay mandika ny didin’Allah dia manao ny tsy rariny amin’ny tenany ihany. Tsy fantatrao, raha hampiseho zavatra hafa aorian’izany Allah.
2فَإِذَا بَلَغۡنَ أَجَلَهُنَّ فَأَمۡسِكُوهُنَّ بِمَعۡرُوفٍ أَوۡ فَارِقُوهُنَّ بِمَعۡرُوفٍ وَأَشۡهِدُواْ ذَوَيۡ عَدۡلٍ مِّنكُمۡ وَأَقِيمُواْ ٱلشَّهَٰدَةَ لِلَّهِۚ ذَٰلِكُمۡ يُوعَظُ بِهِۦ مَن كَانَ يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۚ وَمَن يَتَّقِ ٱللَّهَ يَجۡعَل لَّهُۥ مَخۡرَجًا 
Ary rehefa mahatratra ny fotoana efa voafetra izy ireo dia tazony amin’ny fomba mendrika, na saraho amin’ny fomba mendrika ihany koa, ary dia makà lehilahy roa mpandala ny rariny eo aminareo mba ho vavolombelona. Ka ataovy eo anatrehan’I Allah ny fijoroana ho vavolombelona.Izany no ananarana izay mino an’I Allah sy ny andro farany fa izay matahotra an’I Allah dia omeny vahaolana tsara.
3وَيَرۡزُقۡهُ مِنۡ حَيۡثُ لَا يَحۡتَسِبُۚ وَمَن يَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱللَّهِ فَهُوَ حَسۡبُهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ بَٰلِغُ أَمۡرِهِۦۚ قَدۡ جَعَلَ ٱللَّهُ لِكُلِّ شَيۡءٍ قَدۡرًا 
Ary hotolorany anjaram-pahasoavana amin’ny fomba tsy ampoiziny, izay miantehitra amin’I Allah dia ampy ho azy Izy. Tanterao ny baikon'Allah, fa efa nasian’Allah fetra ny zava-drehetra.
4وَٱلَّٰٓـِٔي يَئِسۡنَ مِنَ ٱلۡمَحِيضِ مِن نِّسَآئِكُمۡ إِنِ ٱرۡتَبۡتُمۡ فَعِدَّتُهُنَّ ثَلَٰثَةُ أَشۡهُرٍ وَٱلَّٰٓـِٔي لَمۡ يَحِضۡنَۚ وَأُوْلَٰتُ ٱلۡأَحۡمَالِ أَجَلُهُنَّ أَن يَضَعۡنَ حَمۡلَهُنَّۚ وَمَن يَتَّقِ ٱللَّهَ يَجۡعَل لَّهُۥ مِنۡ أَمۡرِهِۦ يُسۡرًا 
Raha nisalasala ianareo mikasika ny vadinareo izay tsy manantena fadim-bolana intsony dia telo volana ny fe-potoana. Toy izany koa ho an’ireo mbola tsy mandeha fadim-bolana. Fa ho an’ireo mitoe-jaza kosa, dia amin’ny fiterahany ny fe-potoana fiandrasana. Ho an’izay matahotra an’i Allah anefa dia ankamorany izany.
At-TalaqFizahan-takila Koraña
12Andininy
MedinanRevelation
2Andininy

Fandikana — At-Talaq 2

Surah Andininy 2/12 — At-Talaq الطلاق (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: At-Talaq Henoy, At-Talaq Fandikana, At-Talaq mp3, At-Talaq pdf. Andininy 1–4. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers