An-Nisa · 14/176
Fandikana Fanononana — Surah An-Nisa
وَمَن يَعْصِ اللَّهَ وَرَسُولَهُ وَيَتَعَدَّ حُدُودَهُ يُدْخِلْهُ نَارًا خَالِدًا فِيهَا وَلَهُ عَذَابٌ مُّهِينٌ ۝١٤
Wa mai ya`sil laaha wa Rasoolahoo wa yata`adda hudoodahoo yudkhilhu Naaran khaalidan feehaa wa lahoo `azaabum muheen
📖 Dikany Malagasy
Ary izay tsy nankatò an’i Allah sy ny Irany kosa, ary nandika ny didiny, dia ampidiriny ao anaty afobe, ka hitoetra ao mandrakizay. Ary ho azy ny famaizana manala-baraka.

🎧 Henoy


📜 Andininy 12-16 — Surah An-Nisa

12۞ وَلَكُمْ نِصْفُ مَا تَرَكَ أَزْوَاجُكُمْ إِن لَّمْ يَكُن لَّهُنَّ وَلَدٌ ۚ فَإِن كَانَ لَهُنَّ وَلَدٌ فَلَكُمُ الرُّبُعُ مِمَّا تَرَكْنَ ۚ مِن بَعْدِ وَصِيَّةٍ يُوصِينَ بِهَا أَوْ دَيْنٍ ۚ وَلَهُنَّ الرُّبُعُ مِمَّا تَرَكْتُمْ إِن لَّمْ يَكُن لَّكُمْ وَلَدٌ ۚ فَإِن كَانَ لَكُمْ وَلَدٌ فَلَهُنَّ الثُّمُنُ مِمَّا تَرَكْتُم ۚ مِّن بَعْدِ وَصِيَّةٍ تُوصُونَ بِهَا أَوْ دَيْنٍ ۗ وَإِن كَانَ رَجُلٌ يُورَثُ كَلَالَةً أَوِ امْرَأَةٌ وَلَهُ أَخٌ أَوْ أُخْتٌ فَلِكُلِّ وَاحِدٍ مِّنْهُمَا السُّدُسُ ۚ فَإِن كَانُوا أَكْثَرَ مِن ذَٰلِكَ فَهُمْ شُرَكَاءُ فِي الثُّلُثِ ۚ مِن بَعْدِ وَصِيَّةٍ يُوصَىٰ بِهَا أَوْ دَيْنٍ غَيْرَ مُضَارٍّ ۚ وَصِيَّةً مِّنَ اللَّهِ ۗ وَاللَّهُ عَلِيمٌ حَلِيمٌ
Ary ho Anareo ny antsasany amin’ny lova navelan‘ireo Vadinareo vavy, raha tsy manan-janaka izy ireo. Fa raha manan-janaka kosa izy ireo, dia ho Anareo ny ampahefany amin’ny lova navelany, aorian’ny fanatanterahan’izy ireo ny didim-pananana na ny fanefana ny trosany. Ary ho an’ireo Vadinareo vavy, ny ampahefany amin’ny lova navelanareo, raha tsy manan-janaka Ianareo. Fa raha manan-janaka Ianareo, dia ny ampahavalony amin’ny lova Navelanareo no ho Azy, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana na ny fandoavana ny trosany. Ary ireo lehilahy na vehivavy tsy manana mpandova mivantana, ka nefa manan-drahalahy na anabavy, mahazo ny ampahenina ny tsirairay amin’izy Roa. Fa raha maro mihoatra izany izy ireo, dia mitambatra ao anaty ampahatelony izy ireo, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana navelany na fandoavana ny trosany, tsy misy famelezana na amin’iza na amin’iza. Izany dia didy hentitra avy amin’i Allah. Ary i Allah dia mahalala ny zava-drehetra, ary tena tsara fanahy.
13تِلْكَ حُدُودُ اللَّهِ ۚ وَمَن يُطِعِ اللَّهَ وَرَسُولَهُ يُدْخِلْهُ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا ۚ وَذَٰلِكَ الْفَوْزُ الْعَظِيمُ
Izany ary no didin’i Allah. Ary izay mankato an’i Allah sy ny Irany, dia ampidiriny ao amin’ny Paradisa, izay misy ireo renirano mikoriana ao ambaniny. Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ary izany no fahombiazana lehibe indrindra !
14وَمَن يَعْصِ اللَّهَ وَرَسُولَهُ وَيَتَعَدَّ حُدُودَهُ يُدْخِلْهُ نَارًا خَالِدًا فِيهَا وَلَهُ عَذَابٌ مُّهِينٌ
Ary izay tsy nankatò an’i Allah sy ny Irany kosa, ary nandika ny didiny, dia ampidiriny ao anaty afobe, ka hitoetra ao mandrakizay. Ary ho azy ny famaizana manala-baraka.
15وَاللَّاتِي يَأْتِينَ الْفَاحِشَةَ مِن نِّسَائِكُمْ فَاسْتَشْهِدُوا عَلَيْهِنَّ أَرْبَعَةً مِّنكُمْ ۖ فَإِن شَهِدُوا فَأَمْسِكُوهُنَّ فِي الْبُيُوتِ حَتَّىٰ يَتَوَفَّاهُنَّ الْمَوْتُ أَوْ يَجْعَلَ اللَّهُ لَهُنَّ سَبِيلًا
Ho an’ireo vehivavinareo izay manao asa vetaveta (mijangajanga), dia manangàna vavolombelona efatra Aminareo eo anatrehany. Koa raha nitsangana vavolombelona izy ireo, dia tazony ao an-trano izy ireo, mandra-pahatongavan’ny fahafatesany, na koa i Allah hamoaka lalàna hafa ho azy ireo.
16وَاللَّذَانِ يَأْتِيَانِهَا مِنكُمْ فَآذُوهُمَا ۖ فَإِن تَابَا وَأَصْلَحَا فَأَعْرِضُوا عَنْهُمَا ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ تَوَّابًا رَّحِيمًا
Ary ny Olona roa izay nahavita izany asa vetaveta izany Taminareo, dia ampijalio. Raha mibebaka izy roa ka manova ny toetrany, dia avelao hiaina amim-piadanana. Tena marina fa i Allah dia Mpandray ny fibebahana sy be Indrafo.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
14Andininy

Fandikana — An-Nisa 14

Surah An-Nisa Andininy 14 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary izay tsy nankatò an’i Allah sy ny Irany kosa,…

Surah Andininy 14/176 — Surah An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nisa Henoy, Surah An-Nisa Fandikana, Surah An-Nisa mp3, Surah An-Nisa pdf. Andininy 12–16. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers