Surah Adh-Dhariyat pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Adh-Dhariyat pdf Malagasy — Alaino Surah Adh-Dhariyat Fandikana. Surah Adh-Dhariyat (Meccan) 60 Andininy.
Related
- Surah Adh-Dhariyat FandikanaMalagasy
- Surah Adh-Dhariyat mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Adh-Dhariyat

ﯤﯥﯦ
51:1
Mianiana amin’ny rivotra izay miparitaka Aho,
ﯧﯨﯩ
51:2
Amin’ny rahona mpitondra havesarana,
ﯪﯫﯬ
51:3
Amin’ny sambo mikorisa amim-pahamorana,
ﯭﯮﯯ
51:4
Amin’ireo anjely mpizara araka ny baiko,
ﯰﯱﯲﯳ
51:5
Fa marina avokoa izay ampanantenana anareo.
ﯴﯵﯶﯷ
51:6
Ary ho tonga tsy azo ifandirana ny andro fitsarana.
ﭑﭒﭓﭔ
51:7
Mianiana amin’ny lanitra izay misy lalana voafaritra tsara Aho,
ﭕﭖﭗﭘﭙ
51:8
Fa mifanohitra ny zavatra lazainareo.
ﭚﭛﭜﭝﭞ
51:9
Ary mihataka aminy (kor’any) izay mihataka amin’ny finoana.
ﭟﭠﭡ
51:10
Novonoina ireo mpandainga,
ﭢﭣﭤﭥﭦﭧ
51:11
Izay nilatsaka tao anatin’ny tsy firaharahiana.
ﭨﭩﭪﭫﭬ
51:12
Manontany izy ireo hoe : “Rahoviana ny andro fitsarana? ”
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
51:13
Ny andro hisedrana azy ireo amin’ny afo :
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺ
51:14
“Ampandramo ny fisedrana, fa indro ilay notadiavinareo ho hafainganina”.
ﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
51:15
Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana,
ﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋ
51:16
Handray izay nomen’nyTompony izy ireo. Mifanao ny tsara izy ireo teo aloha,
ﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
51:17
Fotoana kely no mba natorian’izy ireo nandritry ny alina,
ﮓﮔﮕﮖ
51:18
Ary amin’ny fotoana farany amin’ny alina, dia mangataka famelan-keloka amin’I Allah izy ireo.
ﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
51:19
Ary nisy anjaran’ny mpangataka sy ny tsy manana tamin’ny fananan’izy ireo.
ﮝﮞﮟﮠﮡ
51:20
Misy famantarana maro ho an’ireo izay tena mino eto an-tany.
ﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
51:21
Toy izany koa ny eo amin’ny tenanareo.Tsy mba mandinika va ianareo ?
ﮨﮩﮪﮫﮬﮭ
51:22
Ary any an-danitra no misy ny fivelomanareo, sy izay nampanantenana anareo.
ﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘ
51:23
Eo anatrehan’ny Tompon’ny lanitra sy ny tany ! Izany dia marina tahaka izay teneninareo.
ﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟ
51:24
Tonga taminao va ny tantaran’ireo vahiny manan-kaja tao amin’i Abrahama ?
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪ
51:25
Rehefa niditra tao an-tranony izy ireo dia niteny hoe : “Fiadanana ! ary hoy izy namaly azy ireo : “Fiadanana ry vahiny tsy fantatra ”.
ﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱ
51:26
Avy eo, dia nandeha nangingina tany amin’ny fianakaviany izy, ka nitondra zanak’omby matavy.
ﯲﯳﯴﯵﯶﯷ
51:27
Dia noentiny teo akaikin’izy ireo izany, ka hoy izy : “ Moa tsy hihinana va ianareo ? ”.
ﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃ
51:28
Natahotra teo anatrehan’izy ireo izy. Ka hoy izy ireo : “Aza matahotra ianao”. Dia nambaran’izy ireo taminy ny fahaterahan’ilay zaza lahy feno fahalalana.
ﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍ
51:29
Tamin’izany dia nandroso ny vadiny sady nihiaka, nikapoka ny tarehiny, ary niteny hoe : “ Vavy antitra, momba”.
ﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗ
51:30
Hoy izy ireo : “Izany no tenin’ny Tomponao, Izy tokoa no ilay be fahendrena ilay mahalala ny zava-drehetra ”.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
51:31
Dia hoy Abrahama: “ Inona àry no nampanaovina anareo, ry iraka? ”.
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
51:32
Namaly izy ireo hoe: “ Nalefa ho an’ny olona mpanao ratsy izahay"
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤ
51:33
Mba hitoraka vato tanimanga azy ireo.
ﭥﭦﭧﭨﭩ
51:34
Voa marika any amin’ny Tomponao, ho an’ireo mpanao ny tafahoatra.
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰ
51:35
Dia navoakanay izay mpino tao.
ﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸ
51:36
Saingy tsy nahita afa-tsy trano iray an’ireo olona mpankato izahay.
ﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
51:37
Ka namela famantarana tao izahay, ho an’ireo izay matahotra ny famaizana mamirifiry.
ﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
51:38
Ary ( toy izany koa) tamin’i Mosesy, rehefa nandefa azy Izahay, ho any amin’i Faraona niaraka tamin’ny porofo mazava.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
51:39
Saingy nanome lamosina izy, fa nahatoky ny heriny, ka niteny hoe: “ Mpanao majika na olona adala ! ”.
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘ
51:40
Nosazianay izy sy ireo miaramilany, ka natsipinay anaty onja, nohon'ny haratsian-toetrany.
ﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
51:41
Toy izany ihany koa tamin’ireo Aad, rehefa nalefanay tamin’izy ireo ny rivotra mpandrava.
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪ
51:42
Tsy mamela na inona na inona amin’izay andalovany,raha tsy lasa vovoka.
ﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
51:43
Toy izany ihany koa tamin’ireo Thamod, rehefa nolazaina izy ireo hoe: “ Mifalia mandritra ny fotoana fohy ianareo ”.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
51:44
Sahy nanohitra ny didin’nyTompony izy ireo, ka nasian’ny varatra teo am-pitazanana.
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥ
51:45
Ka tsy afaka nitsangana izy ireo no sady tsy afaka novonjena.
ﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
51:46
Toy izany koa ireo vahoakan’i Noa taloha. Tena olona ratsy fitondran-tena tokoa izy ireo.
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
51:47
Ny lanitra, dia namboarinay avy amin’ny herinay, ary novelarinay amin'ny avelarana tsy hita fiafarana.
ﯶﯷﯸﯹﯺ
51:48
Ary ny tany dia novelarinay izy. Ary toy inona ny fomba tsara nampitovianay lanja azy !
ﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂ
51:49
Ary noharianay tsiroa roa avokoa ny zavatra rehetra,mba ho tsaroanareo.
ﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌ
51:50
Aoka ary ianareo hirodorodo ho any amin’I Allah, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava.
ﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗﰘﰙ
51:51
Aza manana andriamanitra hafa miaraka amin’I Allah ianareo, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
51:52
Toy izany, tsy nisy Iraka tonga tamin’ireo talohan’izy ireo, ka tsy nolazainy hoe : ‘’ Mpanao majika, naolona adala ‘’.
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
51:53
Nifampitan’izy ireo va izany teny izany ? Fa mpandika lalana tokoa izy ireo.
ﭧﭨﭩﭪﭫﭬ
51:54
Mihataha amin’izy ireo ianao, fa tsy homena tsiny.
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
51:55
Ary aoka ianao hifampahatsiaro , fa ahazoan’ireo mpino tombontsoa ny fampahatsiarovana.
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹ
51:56
Tsy nohariako ny djiny sy ny olombelona, raha tsy ny hanompoan’izy ireo Ahy.
ﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃ
51:57
Tsy mila foto-pivelomana avy amin’izy ireo Aho, ary tsy tiako ny hampisakafoan’izy ireo Ahy.
ﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋ
51:58
Hamafisina, fa Allah no ilay mpanome fahasoavana sesehena, ilay manana ny hery, tsy hay hozongozonina.
ﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕ
51:59
Izay nanao ny tsy rariny dia hahazo anjara (sazy) mitovy amin’ny an’ireo namany. Aoka izy ireo tsy ho maika loatra.
ﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝ
51:60
Loza ho an’izay tsy mino, noho ilay andro efa nampitandremana azy ireo !
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







