PDF —
55 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Qamar pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Qamar pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Qamar Fandikana. Surah Al-Qamar (Meccan) 55 Andininy.

← An-NajmSurah Al-Qamar Ar-Rahman →


55 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮬﮭﮮﮯﮰ
54:1 Manakaiky ilay ora, ary mitresaka ny volana.
ﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙ
54:2 Raha mahita fahagagana izy ireo, dia manome lamosina, ka miteny hoe : “ Majika maharitra izany ! ”
ﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
54:3 Ary lazainy fa lainga, ka manaraka ny sitrapony izy ireo, nefa dia ho avy amin ‘ny fotoana ny zavatra tsirairay.
ﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
54:4 Nahazo vaovao izay nampitandrina azy anefa izy ireo.
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
54:5 Fahendrena tonga lafatra. Saingy tsy misy ilan’izy ireo ny fampitandremana.
ﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺ
54:6 Mialà amin’izy ireo ianao. Ny andro hiantsoan’ny mpiantso ho any amin’ny zavatra mampihoron-koditra.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
54:7 Hivoaka avy any am-pasana izy ireo, hiondri-pijery; toy ny valala miparitaka.
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣ
54:8 Hihazakazaka, hanalava tenda mankany amin’ny mpiantso, ka hiteny ireo tsy mpino hoe : “Andro sarotra tokoa ity ”.
ﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮ
54:9 Talohan’izy ireo, dia efa niampanga izany ho lainga ny vahoakan’i Noa, ka nolazainy ho mpandainga ny mpanomponay, ary hoy izy ireo : “ Adala izy io ! ”, ary dia voatosika izy.
ﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
54:10 Dia niantso ny Tompony izy hoe : “ Resy aho, ka apandreseo ! ”
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺ
54:11 Dia nosokafanay ireo varavaran’ny lanitra, ho amin’ny ranon'oram-baratra
ﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄ
54:12 Ary napoitranay avy amin'ny tany ireo loharano, ka nifanena ireo rano ireo araka ny fandaharana efa voafetra.
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
54:13 Dia noentinay tamin'ny zavatra vita amin’ny hazo, sy fantsika izy.
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑ
54:14 Nitsingevana teo ambany masonay ny valisoa ho an’ilay nolavina.
ﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘ
54:15 Ary navelanay ho toy ny famantarana izany mba misy mieritreritra va ?
ﮙﮚﮛﮜﮝ
54:16 Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
ﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
54:17 Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
54:18 Niampanga azy ho mpandainga ireo Aad. Nanao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗ
54:19 Nandefasanay rivo-mahery sady mamirifiry izy ireo, tamin’ny tonon’andro ratsy, tsy nanam-pahataperana.
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞ
54:20 Nongotany tahaka ny vodin-kazona palma miala amin’ny vahany ny olona.
ﯟﯠﯡﯢﯣ
54:21 Manao ahona ny famaizako sy ny fampitandremako ?
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫ
54:22 Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?
ﯬﯭﯮﯯ
54:23 Nataon’ireo Thamod ho lainga ny fampitandremana.
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺ
54:24 Hoy izy ireo: “ Hanarak'olona avy eto amintsika ihany va isika ? Koa dia ho any amin’ny fahaverezana, sy ny hadalàna isika raha izany ".
ﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄ
54:25 Nalefa taminy irery va ny hafatra fa tsy tamintsika rehetra ? Tena mpandainga rain-dahiny tokoa io, be hambo sady miavonavona.”
ﰅﰆﰇﰈﰉﰊ
54:26 Ho fantatr’izy ireo rahampitso izay mpandainga rain-dahiny, feno fiheboana sady miavonavona.
ﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒ
54:27 Halefanay eo amin’izy ireo ny rameva vavy, ho fitsapana. Araho maso àry izy ireo, ka mahareta ianao.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚ
54:28 Lazao amin’izy ireo, fa ho zaraina aminy ny rano, ka samy hisotro isakan'ny anjaram-pisotroany izy ireo.
ﭛﭜﭝﭞﭟ
54:29 Nantsoin’izy ireo ilay namany, izay nandray (sabatra), ka namono azy.
ﭠﭡﭢﭣﭤ
54:30 Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako?
ﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
54:31 Nandefa hiaka tokana tamin’izy ireo Izahay, ka indro fa tahaka ny mololo anaty vala izy ireo.
ﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵ
54:32 Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va?
ﭶﭷﭸﭹﭺ
54:33 Nataon’ny vahoakan’i Lota ho lainga ny fampitandremana.
ﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
54:34 Nandefa rivo-mahery tamin’izy ireo izahay, afa tsy tamin’ny fianakavian'i Lota, izay novonjenay talohan’ny mangiran-dratsy,
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
54:35 Fahasoavana avy Aminay, toy izany no amalianay soa izay mahay mankasitraka.
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
54:36 Nampitandrina azy ireo ny amin’ny famaizana avy Aminay anefa izy. Saingy nampisalasala azy ireo ny fampitandremana.
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞ
54:37 Araka izany, dia nitady haka fanahy ireo vahinin'izy ireo, ka nataonay jamba ny masony : “Andramo ary ny Famaizako sy ny fampitandremako.”
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
54:38 Vao maraina dia azon’ny famaizana maharitra izy ireo.
ﮥﮦﮧﮨ
54:39 Andramo àry ny famaizako sy ny fampitandremako.
ﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰ
54:40 Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany mba misy mieritreritra va ?
ﮱﯓﯔﯕﯖﯗ
54:41 Tonga tamin’ireo olon’i Faraona tokoa ireo fampitandremana.
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟ
54:42 Nataon’izy ireo ho lainga avokoa ny famantarana avy Aminay. Dia nosazianay izy ireo, amin’ny fanasazian’ilay tsitoha, ilay mahefa ny zavatra rehetra.
ﯠﯡﯢﯣﯤﯦﯧﯨﯩﯪ
54:43 Moa tsara kokoa noho izy ireny va ireo tsy mpino aminareo ? Sa misy fanafahana anareo tsy hanan-tsiny ao amin’ny raki-tsoratra ?
ﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
54:44 Na hilaza izy ireo hoe : “Andehahitambatra isika, ary handresy.”
ﯱﯲﯳﯴﯵ
54:45 Ho rava tsy ho ela ny fitambaran’izy ireo, ka samy handositra.
ﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼ
54:46 Fa ny Ora no hifamotoanan’izy ireo ka hahatsiravina tokoa ilay Orano sady hangidy.
ﯽﯾﯿﰀﰁﰂ
54:47 Anatin’ny fahaverezana sy ny hadalana tokoa ireo mpanao ratsy.
ﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌ
54:48 Ny andro hitaritarihana azy ireo amin’ny tarehiny ao amin’ny afo (dia ho lazaina aminy hoe) : “Andramo ny fikasihana ny afobe.”
ﰍﰎﰏﰐﰑﰒ
54:49 Nahary ny zavatra rehetra amin’ny antony Izahay.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
54:50 Ary tokana ihany ny baikonay toy ny indray mipi-maso.
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
54:51 Nandringana vahoaka mitovy aminareo tokoa Izahay. Misy mba mahatsiaro izany va ?
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤ
54:52 Ary voasoratra ao amin’ny Boky avokoa izay nataon’izy ireo.
ﭥﭦﭧﭨﭩ
54:53 Ka voatahiry avokoa ny zava-nitranga na kely na lehibe.
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯ
54:54 Ho ao amin’ireo zaridaina sy renirano tokoa ireo vontom-pinoana.
ﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
54:55 Ao amin’ny toeram-pialan-tsasatra marina eo anatrehan’ilay Tompo Mahefa ny zavatra rehetra.

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers