Surah At-Toury
PDF —
49 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah At-Toury pdf — Alaino (Malagasy)

Surah At-Toury pdf Malagasy — Alaino Surah At-Toury Fandikana. At-Toury (Meccan) 49 Andininy.



Surah At-Toury
49 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮞﮟ
Mianiana amin’ny tendrombohitra ‘’ Toor ’’ Aho.
ﮠﮡﮢ
Amin’ny boky voasoratra,
ﮣﮤﮥﮦ
Ao amin’ny taratasy mivelatra,
ﮧﮨﮩ
Amin’ilay trano feno,
ﮪﮫﮬ
Amin’ny lanitra ambony.
ﮭﮮﮯ
Amin’ny ranomasina ampangotrahana (amin’ny andro farany)
ﮰﮱﯓﯔﯕ
Fa tsy maintsy hitranga ny famaizan’ny Tomponao.
ﯖﯗﯘﯙﯚ
Tsy misy afaka hisakana izany.
ﯛﯜﯝﯞﯟ
Amin’ny andro hampikorontana tanteraka ny lanitra.
ﯠﯡﯢﯣ
Ary andehanan’ireo tendrombohitra.
ﯤﯥﯦﯧ
Amin’izany andro izany, dia loza ho an’ireo nilaza lainga (ny famantarana avy amin’Allah)
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭ
Ireo izay nandany andro amin’ny resaka tsy misy antony,
ﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
Amin’ny andro izay hanosehana azy ireo an-keriny, ho any amin’ny afon’ny helo.
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
Indro ny afo, izay noheverinareo ho lainga.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
Majika va izany, sa ianareo no tsy mahita tsara ?
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
Miareta ao ianareo ! Na miaritra ianareo na tsy miaritra, dia mitovy ihany izany ho anareo, fa araka izay nataonareo no amaliana anareo.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫ
Ho ao amin’ireo zaridaina sy fahasambarana ireo vontom-pinoana,
ﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
Hifaly izy ireo amin’izay homen’ny Tompony azy, ary harovan’ny Tompony amin’ny famaizan’ny afo mamaivay izy ireo.
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
Koa mihinana ary misotroa amim-pilaminana ianareo, ho valisoa tamin’izay nataonareo.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄ
Mitehin-kiho eo ambony fandriana tsara lamina, ary dia homenay tovovavy baribarimaso ho vady izy ireo.
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙ
Ireo izay mino, ka narahin’ny taranany tamin’ny finoana, dia hataonay izay hihaonan’ny taranany amin’izy ireo. Ary tsy hahenanay velively ny fahamendrehan’ny asa izay nataony, fa samy tompon’andraikitra amin’izay nataony ny tsirairay.
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟ
Ho vatsianay voankazo sy hena maro izay tadiaviny izy ireo.
ﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨ
Hifanolotra kapoaka izy ireo ao, ka tsy hiteraka fihamboana izany, na fanomezan-tsiny.
ﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱ
Dia hisy tovolahy hivezivezy ao, hiasa ho azy ireo, toy ireny vatosoa tsara tahiry.
ﯓﯔﯕﯖﯗﯘ
Ary hifampitodika izy ireo hifanontany.
ﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠ
ka hiteny izy ireo hoe : ‘’ Niaina tao anatin’ny tahotra isika, teo amin’ny fianakaviantsika."
ﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧ
Ka nomen’I Allah tombotsoa manokana isika sady narovany tamin’ny famaizan’ny fofofofon’ny afo.
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲ
Izy no nantsointsika taloha. Fa izy no mpiantra, ilay be indrafo.
ﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
Ampahatsiarovy àry amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tomponao, fa tsy mpisikidy ianao na adala.
ﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃ
Na koa hiteny izy ireo hoe: “ Mpanao tononkalo ! Aoka handrasantsika ho azy ny kapokin'ny fahafatesana ”.
ﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊ
Ka lazao hoe : “ Miandrasa ianareo ! Fa isan’ny miandry miaraka aminareo aho ”.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚ
Ny sain’izy ireo va no mibaiko izany ? Sa olona mpanao ratsy tafahoatra izy ireo ?
ﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
Na koa nilaza izy ireo hoe : “ Iza ihany no namorona izany ? ” .Tsia,saingy tsy mino izy ireo.
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩ
Raha izany, aoka izy ireo hamorona lahateny mitovy aminy (koroany), raha mpilaza ny marina tokoa izy ireo.
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
Nohariana avy amin’ny tsy misy va izy ireo, sa izy ireo no mpahary ?
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
Sa nahary ny lanitra sy ny tany va izy ireo ? Nefa toa tsy mino mihitsy izy ireo.
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃ
Manana ireo tahiry sarobidin’ny Tomponao va izy ireo ? Sa izy ireo no tompo tsy refesi-mandidy ?
ﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
Manana tohatra enti-mihaino va izy ireo ? Koa aoka izay nihaino tamin’izy ireo hitondra porofo mazava !
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
Manan-janaka vavy va Allah, fa ny anareo kosa zanaka lahy ?
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao, hany ka vesan-trosa maro izy ireo ?
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
Sa mahafantatra ny zava-miafina va izy ireo, ka manao izany an-tsoratra ?
ﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫ
Sa mitady hanao tetika va izy ireo ? Saingy izay tsy mino ihany no ho voan’ny tetika ataony.
ﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗ
Sa manana andriamanitra hafa ankoatra an’I Allah va izy ireo ? Voninahitra anie ho an’I Allah, ary feno fahadiovana amin’izay natambatr’izy ireo Aminy izy !
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
Raha mahita sombiny amin’ny lanitra milatsaka izy ireo, dia miteny hoe : “ Rahona mifanongoa izany ”.
ﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
Avelao any àry izy ireo, mandra-pifanojoany amin’ny andro hilatsahan’ny varatra amin’izy ireo,
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
Andro tsy hilan’izy ireo ny hafetsena intsony sady tsy ho vonjena izy ireo.
ﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾ
Hahazo famaizana mialoha ireo mpanao ny tsy rariny. Saingy tsy mahafantatra ny ankamaroan’izy ireo.
ﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊ
Koa zakao amim-paharetana ny didin’ny Tomponao, fa eo ambany masonay ianao. Ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao rehefa eo am-pitsanganana ianao.
ﰋﰌﰍﰎﰏﰐ
Omeo voninahitra Izy amin’ny ampahany amin’ny alina, sy rehefa hilentika ny kintana.

Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers