Houd · 17/123
Fandikana Fanononana — Houd
أَفَمَن كَانَ عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّهِ وَيَتْلُوهُ شَاهِدٌ مِّنْهُ وَمِن قَبْلِهِ كِتَابُ مُوسَىٰ إِمَامًا وَرَحْمَةً ۚ أُولَٰئِكَ يُؤْمِنُونَ بِهِ ۚ وَمَن يَكْفُرْ بِهِ مِنَ الْأَحْزَابِ فَالنَّارُ مَوْعِدُهُ ۚ فَلَا تَكُ فِي مِرْيَةٍ مِّنْهُ ۚ إِنَّهُ الْحَقُّ مِن رَّبِّكَ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يُؤْمِنُونَ ۝١٧
Afaman kaana `alas baiyinatim mir Rabbihee wa yatloohu shaahidum minhu wa min qablihee Kitaabu Moosaaa imaamanw wa rahmah; ulaaa `ika yu`minoona bih; wa mai yakfur bihee minal Ahzaabi fan Naaru maw`iduh; falaa taku fee miryatim minh; innahul haqqu mir Rabbika wa laakinna aksaran naasi laa yu`minoon
📖 Dikany Malagasy
Inona no ho tenenina amin’izay miorina amin’ny porofo mazava (koroany) avy amin’ny Tompony ary mamaky izany ny vavolombelona avy Aminy (Anjely Gabriela), nefa talohany (Mohammad) nisy ny Bokin’i Mosa ho mpitarika sy ho famindra-po (no tsara kokoa sa izay tsy miorina amin’ny porofo mazava). Izy ireny no tena mino Azy (ny koroany), ary izay tsy mino Azy amin’ireo vondron’olona, dia ny Afobe no toeram-pihaonany. Aoka Ianao tsy hanana fisalasalana momba Azy intsony (koroany), izany no fahamarinana avy amin’ny Tomponao; nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 15-19 — Houd

15مَن كَانَ يُرِيدُ الْحَيَاةَ الدُّنْيَا وَزِينَتَهَا نُوَفِّ إِلَيْهِمْ أَعْمَالَهُمْ فِيهَا وَهُمْ فِيهَا لَا يُبْخَسُونَ
Ireo izay mila ny fiainana eto an-tany sy ny haingony, dia omenay azy ireo ny valin’asany feno tanteraka fony mbola eto ambony tany, ary tsy misy hanalana na dia kely aza ny valisoan’izy ireo.
16أُولَٰئِكَ الَّذِينَ لَيْسَ لَهُمْ فِي الْآخِرَةِ إِلَّا النَّارُ ۖ وَحَبِطَ مَا صَنَعُوا فِيهَا وَبَاطِلٌ مَّا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Izy ireny dia tsy manana anjara intsony any an-koatra afa-tsy ny Afobe, ary rava daholo izay rehetra nataon’izy ireo, ka lasa zava-poana avokoa izay rehetra nataon'izy ireo.
17أَفَمَن كَانَ عَلَىٰ بَيِّنَةٍ مِّن رَّبِّهِ وَيَتْلُوهُ شَاهِدٌ مِّنْهُ وَمِن قَبْلِهِ كِتَابُ مُوسَىٰ إِمَامًا وَرَحْمَةً ۚ أُولَٰئِكَ يُؤْمِنُونَ بِهِ ۚ وَمَن يَكْفُرْ بِهِ مِنَ الْأَحْزَابِ فَالنَّارُ مَوْعِدُهُ ۚ فَلَا تَكُ فِي مِرْيَةٍ مِّنْهُ ۚ إِنَّهُ الْحَقُّ مِن رَّبِّكَ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يُؤْمِنُونَ
Inona no ho tenenina amin’izay miorina amin’ny porofo mazava (koroany) avy amin’ny Tompony ary mamaky izany ny vavolombelona avy Aminy (Anjely Gabriela), nefa talohany (Mohammad) nisy ny Bokin’i Mosa ho mpitarika sy ho famindra-po (no tsara kokoa sa izay tsy miorina amin’ny porofo mazava). Izy ireny no tena mino Azy (ny koroany), ary izay tsy mino Azy amin’ireo vondron’olona, dia ny Afobe no toeram-pihaonany. Aoka Ianao tsy hanana fisalasalana momba Azy intsony (koroany), izany no fahamarinana avy amin’ny Tomponao; nefa ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino izany.
18وَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّنِ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا ۚ أُولَٰئِكَ يُعْرَضُونَ عَلَىٰ رَبِّهِمْ وَيَقُولُ الْأَشْهَادُ هَٰؤُلَاءِ الَّذِينَ كَذَبُوا عَلَىٰ رَبِّهِمْ ۚ أَلَا لَعْنَةُ اللَّهِ عَلَى الظَّالِمِينَ
Ary iza no manao ny tsy rariny indrindra mihoatra ny olona mamoron-dainga mahakasika i Allah ? Izy ireny dia haseho amin’ny Tompony, ka hilaza ireo vavolombelona (Anjely) hanao hoe : " Izy ireo no namoron-dainga mahakasika ny Tompon’izy ireo ”. Hiantefa amin’ireo mpanao ny tsy rariny anie ny ozon’i Allah,
19الَّذِينَ يَصُدُّونَ عَن سَبِيلِ اللَّهِ وَيَبْغُونَهَا عِوَجًا وَهُم بِالْآخِرَةِ هُمْ كَافِرُونَ
Ireo izay manakana ny làlan’i Allah ka mitady ny hamilivily izany, izy ireo dia tsy mino ny any an-koatra.
HoudFizahan-takila Koraña
123Andininy
MeccanRevelation
17Andininy

Fandikana — Houd 17

Surah Houd Andininy 17 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Inona no ho tenenina amin’izay miorina amin’ny porofo mazava (koroany)…

Surah Andininy 17/123 — Houd هود (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Houd Henoy, Houd Fandikana, Houd mp3, Houd pdf. Andininy 15–19. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers