Surah Al-Buruj amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Buruj miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (22 Andininy — مكية). Al-Buruj Henoy, Al-Buruj Fandikana, Al-Buruj mp3, Al-Buruj pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Buruj

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
وَالسَّمَاءِ ذَاتِ الْبُرُوجِ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Mianiana Aho amin'ny lanitra feno ireo antokon- kintana,
وَالْيَوْمِ الْمَوْعُودِ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
sy amin'ny ilay andro nampanantenaina;
وَشَاهِدٍ وَمَشْهُودٍ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
sy amin'ny izay manatri-maso izany, ary ny mijoro ho vavolombelona.
قُتِلَ أَصْحَابُ الْأُخْدُودِ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Novonoina ireo vahoakan'i Okhdodo ( hantsana lalina )
النَّارِ ذَاتِ الْوَقُودِ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Amin'ny afo feno kitay,
إِذْ هُمْ عَلَيْهَا قُعُودٌ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
ary indro izy ireo hipetraka manondidina izany.
وَهُمْ عَلَىٰ مَا يَفْعَلُونَ بِالْمُؤْمِنِينَ شُهُودٌ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Ary vavolombelona koa izy ireo ny amin'ny fampijaliana izay nataon'izy ireo ny mpino.
وَمَا نَقَمُوا مِنْهُمْ إِلَّا أَن يُؤْمِنُوا بِاللَّهِ الْعَزِيزِ الْحَمِيدِ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Ary nefa tsy nankahala ireo mpino izy ireo afa-tsy nohon'ny finoana an'I Allah ilay mahery sy mendri-piderana,
الَّذِي لَهُ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَاللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ شَهِيدٌ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Azy ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany; Allah ilay vavolombelona amin'ny zava-drehetra,
إِنَّ الَّذِينَ فَتَنُوا الْمُؤْمِنِينَ وَالْمُؤْمِنَاتِ ثُمَّ لَمْ يَتُوبُوا فَلَهُمْ عَذَابُ جَهَنَّمَ وَلَهُمْ عَذَابُ الْحَرِيقِ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Tena marina, fa ireo izay nampijaly ny mpino, ka tsy mibebaka tamin'izany dia hahazo ny famaizana ao amin'ny Afo be ary ho dorana,
إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ لَهُمْ جَنَّاتٌ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ ۚ ذَٰلِكَ الْفَوْزُ الْكَبِيرُ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa kosa dia hahazo ny paradisa izay ahitana renirano mikoriana eo ambany; izany no tena fahombiazana lehibe.
إِنَّ بَطْشَ رَبِّكَ لَشَدِيدٌ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Marina fa ny sazy avy amin'ny Tomponao dia mahery vaika.
إِنَّهُ هُوَ يُبْدِئُ وَيُعِيدُ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Ary Izy ilay mpahary ny tany am-piandohana, ary Izy ihany koa no hanangana indray ny amin'ny maty.
وَهُوَ الْغَفُورُ الْوَدُودُ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Izy ilay mpamela heloka sy be fitiavana,
ذُو الْعَرْشِ الْمَجِيدُ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ilay Tompon'ny seza fiandrianana be voninahitra.
فَعَّالٌ لِّمَا يُرِيدُ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Mahanteraka izay sitrany.
هَلْ أَتَاكَ حَدِيثُ الْجُنُودِ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Moa ve tonga tany aminao ny tantaran'ireo tafika?
فِرْعَوْنَ وَثَمُودَ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Dia ny tafik'i Farao sy ny an'i Samodo izany
بَلِ الَّذِينَ كَفَرُوا فِي تَكْذِيبٍ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
nefa indrisy, fa ireo tsy mpino dia feno fandavana izany,
وَاللَّهُ مِن وَرَائِهِم مُّحِيطٌ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Allah dia mamatotra azy ireo noho izany,
بَلْ هُوَ قُرْآنٌ مَّجِيدٌ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Izy io anefa dia Kor'oany be voninahitra,
فِي لَوْحٍ مَّحْفُوظٍ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Voatahiry anaty takelaka masina.
← 84 Al-Buruj (85/114) 86 →
Vakio Surah Al-Buruj Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

85البروج Al-Buruj 📚 22 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Buruj — 22 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers