Surah At-Tariq amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah At-Tariq miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (17 Andininy — مكية). At-Tariq Henoy, At-Tariq Fandikana, At-Tariq mp3, At-Tariq pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah At-Tariq

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
وَالسَّمَاءِ وَالطَّارِقِ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Mianiana amin’ny lanitra, sy amin’ny kintana fitarik’andro Aho.
وَمَا أَدْرَاكَ مَا الطَّارِقُ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Moa mba fantatrao va izany kintana fitarik’andro izany?
النَّجْمُ الثَّاقِبُ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ilay kintana feno famirapiratana.
إِن كُلُّ نَفْسٍ لَّمَّا عَلَيْهَا حَافِظٌ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Eny! Tsy misy fanahy ka tsy manana mpiambina,
فَلْيَنظُرِ الْإِنسَانُ مِمَّ خُلِقَ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Koa tokony handinika ny olombelona, avy amin'inona tokoa moa no nahariana azy?
خُلِقَ مِن مَّاءٍ دَافِقٍ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Nohariana avy amin'ny ranon'aina mifantsitsitra izy.
يَخْرُجُ مِن بَيْنِ الصُّلْبِ وَالتَّرَائِبِ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
izay mivoaka avy eo anelanelan'ny taolan-damosina sy ny tehezana.
إِنَّهُ عَلَىٰ رَجْعِهِ لَقَادِرٌ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
tena marina fa Izy Allah dia mahafehy amin'ny fananganana azy amin'ny maty,
يَوْمَ تُبْلَى السَّرَائِرُ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
amin'ny Andro izay hamborahana ireo miafina rehetra tao am-po,
فَمَا لَهُ مِن قُوَّةٍ وَلَا نَاصِرٍ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
ka tsy hananan'ny olombelona hery sy mpamonjy,
وَالسَّمَاءِ ذَاتِ الرَّجْعِ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Mianiana Aho amin'ny lanitra izay mampisy ny orana,
وَالْأَرْضِ ذَاتِ الصَّدْعِ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
sy ny tany izay mampitsiry ireo zava-maniry,
إِنَّهُ لَقَوْلٌ فَصْلٌ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
fa ny Koroany masina dia teny manavaka ny marina amin'ny lainga,
وَمَا هُوَ بِالْهَزْلِ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
ary tsy vazivazy tsy misy fotony velively akory,
إِنَّهُمْ يَكِيدُونَ كَيْدًا ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Mampiasa ny hafetsen-dratsiny tokoa izy ireo (ireo tsy mpino),
وَأَكِيدُ كَيْدًا ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Izaho koa anefa dia mamaly azy ireo ny amin'izany,
فَمَهِّلِ الْكَافِرِينَ أَمْهِلْهُمْ رُوَيْدًا ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Koa omeo fe-potoana ireo tsy mpino, fe-potoana kely ihany.
← 85 At-Tariq (86/114) 87 →
Vakio Surah At-Tariq Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

86الطارق At-Tariq 📚 17 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah At-Tariq — 17 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers