PDF —
22 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Buruj pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Buruj pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Buruj Fandikana. Surah Al-Buruj (Meccan) 22 Andininy.



22 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭛﭜﭝﭞ
85:1 Mianiana Aho amin'ny lanitra feno ireo antokon- kintana,
ﭟﭠﭡ
85:2 sy amin'ny ilay andro nampanantenaina;
ﭢﭣﭤ
85:3 sy amin'ny izay manatri-maso izany, ary ny mijoro ho vavolombelona.
ﭥﭦﭧﭨ
85:4 Novonoina ireo vahoakan'i Okhdodo ( hantsana lalina )
ﭩﭪﭫﭬ
85:5 Amin'ny afo feno kitay,
ﭭﭮﭯﭰﭱ
85:6 ary indro izy ireo hipetraka manondidina izany.
ﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸ
85:7 Ary vavolombelona koa izy ireo ny amin'ny fampijaliana izay nataon'izy ireo ny mpino.
ﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
85:8 Ary nefa tsy nankahala ireo mpino izy ireo afa-tsy nohon'ny finoana an'I Allah ilay mahery sy mendri-piderana,
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
85:9 Azy ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany; Allah ilay vavolombelona amin'ny zava-drehetra,
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝ
85:10 Tena marina, fa ireo izay nampijaly ny mpino, ka tsy mibebaka tamin'izany dia hahazo ny famaizana ao amin'ny Afo be ary ho dorana,
ﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭ
85:11 Fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa kosa dia hahazo ny paradisa izay ahitana renirano mikoriana eo ambany; izany no tena fahombiazana lehibe.
ﮮﮯﮰﮱﯓ
85:12 Marina fa ny sazy avy amin'ny Tomponao dia mahery vaika.
ﯔﯕﯖﯗﯘ
85:13 Ary Izy ilay mpahary ny tany am-piandohana, ary Izy ihany koa no hanangana indray ny amin'ny maty.
ﯙﯚﯛﯜ
85:14 Izy ilay mpamela heloka sy be fitiavana,
ﯝﯞﯟﯠ
85:15 Ilay Tompon'ny seza fiandrianana be voninahitra.
ﯡﯢﯣﯤ
85:16 Mahanteraka izay sitrany.
ﯥﯦﯧﯨﯩ
85:17 Moa ve tonga tany aminao ny tantaran'ireo tafika?
ﯪﯫﯬ
85:18 Dia ny tafik'i Farao sy ny an'i Samodo izany
ﯭﯮﯯﯰﯱﯲ
85:19 nefa indrisy, fa ireo tsy mpino dia feno fandavana izany,
ﯳﯴﯵﯶﯷ
85:20 Allah dia mamatotra azy ireo noho izany,
ﯸﯹﯺﯻﯼ
85:21 Izy io anefa dia Kor'oany be voninahitra,
ﯽﯾﯿﰀ
85:22 Voatahiry anaty takelaka masina.

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers