PDF —
89 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Az-Zukhruf pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Az-Zukhruf pdf Malagasy — Alaino Surah Az-Zukhruf Fandikana. Surah Az-Zukhruf (Meccan) 89 Andininy.

← Ash-ShuraSurah Az-Zukhruf Ad-Dukhan →


89 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮀﮁ
43:1 Hà, Mîm.
ﮂﮃﮄ
43:2 Mianiana amin’ilay Boky mazava Aho.
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋ
43:3 Nataonay ny Koroany amin’ny fiteny arabo izany, mba hisainanareo
ﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
43:4 Izay aty Aminay ao anatin’ny takelaka fototra, ambony indrindra, ary feno fahendrena.
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
43:5 Moa tsy nomenay ny fampahatsiarovana va ianareo, nefa tsy niraharaha ianareo izany, satria olona mpanao ny tafahoatra ianareo ?
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
43:6 Firifiry moa ny Mpaminany nalefanay tamin’ireo olona taloha !
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
43:7 Nefa tsy nisy Mpaminany iray tonga tamin’izy ireo, ka tsy noesoiny.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
43:8 Efa nandringana olona matanjaka kokoa noho izy ireo Izahay ! Ary efa notanisaina ny ohatra mikasika ireo teo aloha.
ﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠ
43:9 Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ny lanitra sy ny tany ? ”. Dia hiteny tokoa izy ireo hoe : “ ilay Tsitoha, ilay Mahalala ny zavatra rehetra no Nahary azy ireo.”
ﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
43:10 Ilay nanome anareo ny tany ho fandriana (toeram-pipetrahana), sy namaritra izay ilana tao anatiny, mba hahatonga anareo ho voatari-dàlana.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
43:11 Ilay mampidina rano avy eny amin’ny lanitra amin’ny antonony, ka amelomanay indray ny tanàna efa maty. Toy izany no hananganana anareo amin’ny maty.
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
43:12 Ilay Nahary ireo mpivady rehetra, ary nanao sambo sy ireo biby ho fitaingainanareo,
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿ
43:13 Mba hipetrahanareo eo an-damosiny. Manaraka izany, dia aoka ianareo hahatsiaro ny soa avy amin’ny Tomponareo rehefa tafapetraka eo aminy ianareo, ary hitenenanareo hoe : “ Voninahitra ho an’ilay nampanaiky izao rehetra izao ho anay, nefa tsy afaka nahafehy izany izahay".
ﮀﮁﮂﮃﮄ
43:14 Ary any amin’ny Tomponay no hiverenanay.
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏ
43:15 Ary dia nataon’izy ireo ho toy ny singa avy amin'I Allah ny sasany amin’ireo mpanompony. Hamafisina, fa tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona.
ﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗ
43:16 Sa nangala zazavavy tamin’izay nohariany va Izy, ary nanome anareo zazalahy araka ny Safidiny ?
ﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
43:17 Nefa raha ilazana ny iray amin’izy ireo,mitovy amin’izay lazainy ho an’ilay be Fiantrana, dia maloky ny alahelo lalina ny endriny.
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮ
43:18 Fa ahoana ?Ilay nobeazina teo anivon’ny haingo, izay tsy afaka miarotena amin’ny alalan’ny hevitra mazava eo anoloan’ny fifandirana (no heverinareo ho singa avy amin’Allah) ?
ﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞ
43:19 Ary dia lazain’izy ireo ho vavy ireo Anjely mpanompon’ilay be Fiantrana !Fa vavolombelona tamin’ny nahariana izany va izy ireo ? Ho soratana ny fijoroany ho vavolombelona, ary dia hanontaniana ny amin’izany izy ireo.
ﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
43:20 Ary hoy izy ireo : “ Raha sitrak’ilay be Fiantrana, dia tsy ho nanompo azy ireo izahay.” Tsy manana fahalalana ny amin’izany izy ireo, fa tombatombana fotsiny ihany.
ﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹ
43:21 Sa nomenay Boky iray kosa talohan’ny Koroany izy ireo, izay fikirin’izy ireo tsara ?
ﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅ
43:22 Fa izao kosa no lazain’izy ireo : “ Nahita ireo razam-benay tamin'ny fivavahana iray izahay, ka manaraka ny dian’izy ireo.”
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
43:23 Ary toy izany koa, tsy nandefa mpampitandrina talohanao tamin’ny tanàna iray izahay, ka tsy notenenin’ireo tsara fari-piainana tao amin’izany hoe : “ Nahita ireo razam-benay tamin'ny fivavahana iray izahay, ka nanaraka ny dian’izy ireo.”
ﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷ
43:24 Hoy izy : “ Na dia lalana tsara kokoa noho izay nahitanareo ny razam-benareo aza va no entiko aminareo ? ”. Hoy izy ireo : “ Tsy mino ny hafatra nanirahana anareo izahay.”
ﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
43:25 Hamaly (hanasazy) azy ireo Izahay. Ary jereo ny niafaran’ireo izay nilaza (izany) ho lainga.
ﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
43:26 Ary rehefa niteny tamin’ny vahoakany sy tamin’ny Rainy i Abrahama hoe : “ Laviko tanteraka izay tompoinareo"
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
43:27 Afa-tsy ilay Nahary ahy, satria marina fa Izy no hitari-dalana ahy.”
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘ
43:28 Ka dia napetrany ho teny maharitra eo amin’ny taranany izany, mba hiverenan’izy ireo ?
ﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
43:29 Fa nomeko fahasambarana ireo olona ireo sy ireo razam-beny, mandra-pahatongan’ny Marina sy ny iraka mazava teo amin’izy ieo.
ﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
43:30 Ary rehefa tonga teo amin’izy ireo ny fahamarinana, dia hoy izy ireo : “ Majika izao, fa tsy mino izany izahay.”
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘ
43:31 Ary hoy izy ireo : “Ahoana no tsy nampidinana io Koroany io, tamin’ny olona ambony, tamin’ny iray amin’ireo tanàna roa ?
ﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
43:32 Fa izy ireo va no mizara ny famindram-pon’ny Tomponao ? Izahay no nizara tamin’izy ireo ny fivelomany amin’ny fiainana ankehitriny, ary manondro-boninahitra ny sasany ho ambony noho ny hafa, mba hifehezan’ny sasany ny hafa. Tsara kokoa noho izay angonin’izy ireo anefan'ny famindram-pon’ny Tomponao.
ﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇ
43:33 Raha tsy natao ho mpiara-monina iray ny olombelona, dia azo antoka fa nomenay trano misy tafo vola fotsy sy tohatra miakatra amin’izany, ireo tsy mino ilay be Fiantrana,
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖ
43:34 Misy varavarana maro sy seza lava hiankinan’ny tranon’izy ireo.
ﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
43:35 Ary koa ravaka maro. Izany rehetra izany dia fahafinaretana mandalo eto amin’ny fiainana an-tany ihany, fa ny any ankoatra kosa, izay any amin’ny Tomponao, dia ho an’ireo vonto-mpinoana.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱ
43:36 Ary izay minia tsy mahita ny fampahatsiarovan’Ilay be Fiantrana, dia hanendrenay devoly ho namana tsy misaraka aminy.
ﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹ
43:37 Mamily ny olombelona tsy ho amin’ny lalana mahitsy tokoa ny devoly, nefa dia mihevi-tena ho voatari-dalana tsara izy ireo.
ﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
43:38 Rehefa ho avy eo Aminay izany olona izany, dia hiteny amin’ny devoliny izy hoe : “Indrisy ! Ahoana àry no tsy nisy elanelana tahaka ny elanelan’ny atsinanana sy andrefana teo amintsika !” Tena namana ratsy tokoa izany !
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏ
43:39 Tsy hahazoanareo tombotsoa mihitsy izy amin’izany andro izany ; raha nanao ny tsy rariny tokoa ianareo, dia hiara-voasazy.
ﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛ
43:40 Moa va, ianao no mampandre ny marenina na mitarika ny jamba, sy izay efa very lalana miharihary ?
ﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
43:41 Na alainay ianao, dia hanasazy azy ireo Izahay.
ﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪ
43:42 Na hasehonay aminao izay nampanantenainay azy ireo; satria manana fahefana amin’izy ireo Izahay.
ﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
43:43 Fikiro mafy izay nambara taminao, fa amin’ny lalana mahitsy ianao.
ﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
43:44 Tena fampahatsiarovana ho anao sy ny vahoakanao izany. Ary hanontaniana mikasika izany ianareo.
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫ
43:45 Dia anontanio ireo Iraka nalefanay talohanao, raha nametraka Andriamanitra maro ho tompoina ankoatra an'Ilay be Fiantrana Izahay ?
ﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸ
43:46 Nalefanay ny Iraka tamin’ny fahagagana avy Aminay tokoa I Mossa, ho any amin’ny Faraona sy ireo loholony. Hoy izy : “Izaho dia Iraky ny Tompon’izao tontolo izao.”
ﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀ
43:47 Fa rehefa tonga teo amin’izy ireo niaraka tamin’ny fahagagana avy Aminay izy, dia nihomehezan’izy ireo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟ
43:48 Nampiaiky kokoa hatrany noho izay teo alohany ny fahagagana nasehonay. Ka nosazianay izy ireo, mba hiverenany.
ﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫ
43:49 Dia hoy izy ireo : “Ry mpanao majika ! Mangataha ho anay amin’ny Tomponao, amin’ny alalan’ny fifanekena nifanaovany taminao. Fa hanaraka ny lalana mahitsy tokoa izahay.”
ﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳ
43:50 Ary rehefa nahatakay tamin’izy ireo ny fanasaziana, dia indro fa nandika ny fifanekena izy ireo.
ﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
43:51 Ary dia niantso ny vahoakany i Faraona, ka niteny hoe : “Ry vahoakako ! Tsy ahy va ny fanjakan’i Ejipta, sy ireo lakan-drano mikoriana eo an-tongotro ? Moa tsy mijery va ianareo ?
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
43:52 Tsy mendrika kokoa noho io mahantra zara raha afaka miteny io va aho ?
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞ
43:53 Nahoana no tsy nanipazana haba fehin-tanana volamena izy ? Nahoana no tsy niaraka taminy ireo Anjely ?
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
43:54 Toy izany no nataony hahafanina ny vahoakany, ary dia nankatoavin’izy ireo izy, satria olon’ny faharatsiana (izy ireo).
ﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮ
43:55 Ary rehefa nahatezitra Anay izy ireo, dia namaly azy ireo Izahay, ka narendrikay avokoa izy rehetra.
ﮯﮰﮱﯓﯔ
43:56 Nataonay ho tantara sy fanoharana ho an’ny taranaka izy ireo.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟ
43:57 Ary rehefa atao fanoharana ny mikasika ny zanak’I Maria, dia tsy miraharaha izany ny vahoakanao,
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
43:58 Ka miteny hoe : “Ny Andriamanitray va no tsara kokoa sa izy ?” Hifandirana ihany no nanomezan’izy ireo izany ohatra izany taminao. Fa tena olona fatra mpifanditra izy ireo.
ﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
43:59 Mpanompo nofenoinay fahasoavana avy Aminay ihany izy (Jesoa), ary nataonay ohatra tamin’ireo zanak’Israely.
ﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄ
43:60 Raha sitrakay, dia nataonay Anjely ny sasany taminareo, ho mpandimby eny ambonin’ny tany.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜ
43:61 Ary izy, dia ho famantarana mikasika ilay Ora, ka aza misalasala ny amin’izany velively ianareo. Koa manaraha ahy, izany no lalana mahitsy.
ﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
43:62 Aoka tsy hampivily anareo mihitsy ny devoly! Fa tena fahavalo miharihary ho anareo izy.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸ
43:63 Ary rehefa nitondra ny porofo I Jesoa, dia hoy izy : “Tonga eto aminareo miaraka amin’ny fahendrena aho, sady hanazava aminareo ireo zavatra sasany tsy nampitovy hevitra anareo. Matahora an'I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
ﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃ
43:64 Tompoko sy Tomponareo tokoa Izy Allah, koa aoka ianareo hanompo Azy, fa izany no lalana mahitsy.”
ﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
43:65 Saingy tsy nitovy hevitra ireo vondron’olona teo amin’izy ireo. Koa loza ho an’ireo mpanao ny tsy rariny, amin’ny famaizana amin’ilay andro feno fanaintainana.
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛ
43:66 Tsy miandry afa-tsy ny hahatongavan’ilay Ora tampoka va izy reo, amin’ny fotoana tsy ampoiziny akory ?
ﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
43:67 Ho mpifahavalo ireo mpinamana amin’io andro io, afa-tsy ireo vontom-pinoana.
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
43:68 “Ry mpanompoko ! Tsy hanam-pahatahorana ianareo androany, ary tsy halahelo ihany koa".
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
43:69 Ireo izay nino ny famantarana avy Aminay, sady nankato,
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙ
43:70 Aoka ianareo sy ireo vadinareo hiditra ao amin’ny Paradisa, fa hanaovana lanonana ianareo any.”
ﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫ
43:71 Hampandalovina eny amin’izy ireo ny lovia volamena sy ireo kapoaka; fa hisy izay rehetra irin’ny vatana sy mahafaly ny maso ao; ka dia hipetraka ao mandrakizay ianareo.
ﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
43:72 Izany no Paradisa ho lovainareo noho ny nataonareo.
ﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺ
43:73 Fa hisy voankazo maro ho anareo ao, ka hihinana amin’izany ianareo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
43:74 Fa ireo meloka kosa, dia hipetraka mandrakizay ao amin’ny famaizan’ny afobe,
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
43:75 Izay tsy hitsahatra mandrakizay ho azy ireo, ka hahavery fanantenana azy.
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
43:76 Tsy nanao ratsy tamin’izy ireo Izahay, fa izy ireo ihany no mpanao ny tsy rariny.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯ
43:77 Ary dia hiantso izy ireo hoe: “Ry Malik (Anjely) ! Aoka hamono anay ho faty ny Tomponao! ” Ka hoy izy: “Raha ny marina dia natao hipetraka ao mandrakizay ianareo.”
ﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷ
43:78 Hamafisina, fa noentinay taminareo tokoa ny Fahamarinana; nefa nankahala izany ny ankamaroanareo.
ﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
43:79 Moa nangala fanapahan-kevitra va izy samy izy ireo ? Fa Izahay no manapa-kevitra
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
43:80 Sa mihevitra va izy ireo fa tsy henonay ny tsiambaratelony, na ny bitsik’izy ireo? Eny! Mandray an-tsoratra izany ireo (Anjely) Irakay akaiky azy ireo.
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
43:81 Fa lazao hoe: “Raha nanan-janaka Ilay be Fiantrana, dia izaho no nanompo azy voalohany.”
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
43:82 Voninahitra ho an’Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary Tompon’ny Seza Fiandrianana; Ambonin’izay foronin’izy ireo Izy.
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
43:83 Avelao izy ireo hilona amin’ny fahadisoany, sy handany andro mandra-pahatongavana amin’ilay andro nampanantenaina azy ireo.
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
43:84 Izy no Ilay Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay be Fahendrena, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
43:85 Ho hamasinina anie Ilay Tompon’ny Fanjakan’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelan’izy ireo. Izy no manana ny fahalalana ny Ora. Fa any Aminy no hamerenana anareo.
ﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
43:86 Fa tsy manana fahefana hanelanelana izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy, afa-tsy izay mijoro vavolombelona amim-pahamarinana amin’ny fahafantarana tanteraka.
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹ
43:87 Fa raha anontanianao izy ireo: “Iza no nahary azy ireo ?”, dia hiteny tokoa izy ireo hoe: “Allah.” Ka nahoana àry izy ireo no mihataka (amin’ny fanompoana Azy) ?
ﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁ
43:88 Ka hoy ny teniny (tenin’ny Mpaminany amin’Allah): “Tompo ô ! Olona tsy mino izy ireny.”
ﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉ
43:89 Raha izany, mihataha amin’izy ireo ianao, ka lazao hoe: “Fandriampahalemana (salam)!”. Fa ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers