Surah Noahy pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Noahy pdf Malagasy — Alaino Surah Noahy Fandikana. Surah Noahy (Meccan) 28 Andininy.
Related
- Surah Noahy FandikanaMalagasy
- Surah Noahy mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Noahy

ﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
71:1
Nalefanay teo amin'ny vahoakan'i Noa : "Ilazao ny vahoakanao, mialohan'ny hiavian'ny famaizana mamirifiry amin'izy ireo."
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍ
71:2
Hoy izy : "Ry vahoakako ! Mpampitandrina mazava ho anareo tokoa aho."
ﮎﮏﮐﮑﮒﮓ
71:3
Koa aoka ianareo hanompo an'I Allah, matahora Azy ary mankatoava ahy.
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨ
71:4
Mba hamelany ny helokareo sy hanomezany fanemoram-potoana ho anareo, hatramin'ny fotoana voafetra. Saingy rehefa tonga ny fotoana noferan'I tompo Allah dia tsy ho azo ahemotra intsony izany, raha mba fantatrareo mantsy !
ﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰ
71:5
Dia hoy izy : "Tompo o ! Niantso ny vahoakako andro aman'alina aho."
ﮱﯓﯔﯕﯖﯗ
71:6
Kanefa tsy nampitombo afa-tsy ny fandosiran'izy ireo ny antsoko.
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦ
71:7
Ary isaky ny miantso azy ireo aho, mba hamelanao ny helony, dia nataon'izy ireo teo amin'ny sofiny ny rantsan-tanany, ary nasarony tamin'ny akanjony, be di-doha sady feno fanamboniantena.
ﯧﯨﯩﯪﯫ
71:8
Avy eo dia nantsoiko an-karihary izy ireo.
ﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
71:9
Avy eo nanaovako fanambarana ampahibemaso (izy ireo), sy bitsika miafina.
ﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺ
71:10
Ka hoy aho : "Mangataha famelan-keloka amin'ny Tomponareo ianareo, fa Mpamela heloka tokoa Izy."
ﭑﭒﭓﭔﭕ
71:11
Mba handefasany ranon'orana maro ho anareo avy eny amin'ny lanitra.
ﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟ
71:12
Sy hampitomboiny ny harena sy ireo taranaka ho anareo, ary hanomezany anareo zaridaina sy renirano.
ﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
71:13
Koa inona no tsy hanajanareo an'i tompo Allah araky ny tokony ho izy ?
ﭧﭨﭩﭪ
71:14
Ary anefa dia namboariny tamin'ny dingana isan'ambaratongany ianareo.
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳ
71:15
Tsy hitanareo va ny naharian'I Allah ny lanitra fito mifanaingina ?
ﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻ
71:16
Sy ny nanaovany ny volana ho hazavana, ary ny masoandro ho fanilo ?
ﭼﭽﭾﭿﮀﮁ
71:17
Ary Allah no nampitombo anareo avy amin'ny tany tahaka ireo zava-maniry.
ﮂﮃﮄﮅﮆﮇ
71:18
Avy eo dia averina ao ianareo ary havoakany avy ao indray.
ﮈﮉﮊﮋﮌﮍ
71:19
Fa i tompo Allah no nanao ny tany ho lamaka ho anareo.
ﮎﮏﮐﮑﮒ
71:20
Mba hizoranareo amin'ny lalana malalaka.
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
71:21
Hoy i Noa : "Tompo o ! Tsy nankato ahy izy ireo, fa nanaraka ilay nitombo fatiantoka nohon'ny fananany sy ireo zanany.
ﮡﮢﮣﮤ
71:22
Ary nanomana tetika goavana izy ireo.
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
71:23
Ary niteny izy ireo hoe : "Aza mandao ireo andriamanitrareo mihitsy ianareo, ary aza miala amin'ny sampy "wadd", "sowa'a", "yaghouth", "ya'ouq" ary "nasr" na oviana na oviana.
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝ
71:24
Ary efa nahavery olona maro izy ireo. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny fahaverezan'ireo mpanao ny tsy rariny.
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪ
71:25
Rendrika izy ireo nohon'ny hadisoany, avy eo nampidirina tao anaty afo, ka tsy nahita mpamonjy ankoatran'i tompo Allah anefa izy ireo.
ﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
71:26
Ka hoy i Noa : "Tompo o ! Aza avelanao hisy olona tsy mpino na dia iray aza eto an-tany."
ﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀ
71:27
Fa raha avelanao izy ireo dia hamery lalana ireo mpanomponao, ka tsy hiteraka afa-tsy ny mpanota no sady tsy mpino.
ﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑ
71:28
Tompo o ! Mamelà ny heloko sy ireo Ray aman-dReniko, ary izay mpino miditra ao an-tranoko, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy mpino ; fa ny fahaverezana ihany no hampitomboy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny".
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







