PDF —
44 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Al-Ma'arij pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Al-Ma'arij pdf Malagasy — Alaino Surah Al-Ma'arij Fandikana. Surah Al-Ma'arij (Meccan) 44 Andininy.

← Al-HaqqahSurah Al-Ma'arij Noahy →


44 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﮮﮯﮰﮱﯓ
70:1 Nisy mpanontany iray nanontany ny famaizana hihatra.
ﯔﯕﯖﯗﯘ
70:2 Amin’ireo tsy mpino, izay tsy azon’iza na iza ho toherina.
ﯙﯚﯛﯜﯝ
70:3 Avy amin’I Allah, ilay Tompon’ny lalan’ny fiakarana.
ﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
70:4 Miakatra any Aminy ireo Anjely sy ilay Fanahy, amin’ny andro iray izay mitovy faharetana amin’ny dimy alina taona.
ﯪﯫﯬﯭ
70:5 Koa manàna faharetana tsara.
ﯮﯯﯰﯱ
70:6 Lavitra no fahitan’izy ireo izany.
ﯲﯳﯴ
70:7 Ary kanefa tena akaiky ny fahitanay azy.
ﯵﯶﯷﯸﯹ
70:8 Andro izay hahatonga ny lanitra ho toy ny vy miempo.
ﯺﯻﯼﯽ
70:9 Ary ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety.
ﯾﯿﰀﰁﰂ
70:10 Ary tsy hanontanian’ny namana mahatoky ny namany intsony.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙﭚﭛ
70:11 Na dia mifankahita aza izy ireo. Amin’io andro io dia te-hanakalo ny famaizana azy ireo amin’ny fanomezana ireo zanany ny mpanao ratsy.
ﭜﭝﭞ
70:12 Ary ny vadiny, sy ny rahalahiny.
ﭟﭠﭡﭢ
70:13 Eny, fa na dia ireo mpiara-monina taminy nampiantrano azy aza.
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩ
70:14 Sy izay rehetra eto an-tany izay afaka hanavotra azy.
ﭪﭫﭬﭭﭮ
70:15 Saingy tsy hisy izany fa afo mamaivay.
ﭯﭰﭱ
70:16 No hanala an-keriny ny hodi-doha.
ﭲﭳﭴﭵﭶ
70:17 Antsoiny izay nanome lamosina sy nihataka.
ﭷﭸﭹ
70:18 Ary nanangona sy nitahiry.
ﭺﭻﭼﭽﭾﭿ
70:19 Eny ! Nohariana tsy hahatombina ny olombelona.
ﮀﮁﮂﮃﮄ
70:20 Kivy izy rehefa niharan’ny loza.
ﮅﮆﮇﮈﮉ
70:21 Ary rehefa nahazo fahasoavana kosa dia fatra-pandà.
ﮊﮋﮌ
70:22 Afa-tsy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana.
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
70:23 Izay mandala mandrakariva izany (vavaka fanompoana).
ﮓﮔﮕﮖﮗﮘ
70:24 Ary manana adidy voafaritra tsara amin’ny fananany.
ﮙﮚﮛ
70:25 Ho an’ny mpangataka sy ny tsy manana.
ﮜﮝﮞﮟﮠ
70:26 Ary mino tanteraka ny andro famaliana.
ﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
70:27 Sy izay matahotra fatratra ny famaizan’ny Tompon’izy ireo.
ﮨﮩﮪﮫﮬﮭ
70:28 Marina tokoa fa tsy misy manana fahatoniana manoloana ny famaizan'ny Tompony.
ﮮﮯﮰﮱﯓ
70:29 Ary ireo izay mitandrina amin'ny fahadiovam-pitondran-tenany.
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞ
70:30 ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo.
ﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦ
70:31 Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna.
ﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
70:32 Ary izay mitandrina ny fananana nankinina taminy sy manaja tanteraka ny fifanekena .
ﯭﯮﯯﯰﯱ
70:33 Ary mijoro ho vavolombelona amin'ny fahamarinana.
ﯲﯳﯴﯵﯶﯷ
70:34 Sy izay mandala ny vavaka fanompoana ataony.
ﯸﯹﯺﯻﯼ
70:35 Dia izy ireo no homem-boninahitra ao amin'ireo zaridaina.
ﯽﯾﯿﰀﰁﰂ
70:36 Inona ary no mahazo ireo tsy mpino no mihazakazaka manantona anao, manalava tenda ?
ﰃﰄﰅﰆﰇﰈ
70:37 Tonga ny andiany avy an-kavanana sy an-kavia .
ﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑ
70:38 Moa samy mitsiriritra ny ho ampidirina ao amin'ny zaridainan'ny fahasambarana va izy ireo ?
ﰒﰓﰔﰕﰖﰗﰘ
70:39 Tsia ! Noharianay avy tamin'izay efa fantany izy ireo.
ﰙﰚﰛﰜﰝﰞﰟﰠ
70:40 Tsia !Mianiana amin'ny Tompon'ireo fiposahana sy ny filentehana Aho, fa Izahay dia manana fahefana.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
70:41 Hanolo azy ireo amin'ny tsaratsara kokoa, ary tsy misy afaka hisakana anay amin'izany.
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
70:42 Avelao ary izy ireo ho tafalatsaka lalina amin'ny tsy finoany sy ho variana mandra-pifanenany amin'ilay andro nampitandremana azy ireo.
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬ
70:43 Andro izay hivoahan'izy ireo haingana ao am-pasana tahaky ny hihazakazaka ho eny amin'ny vatolahy.
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷ
70:44 Ka hiondrika ny mason'izy ireo, hanarona azy ny fahafaham-baraka. Izany ilay andro nampitandremana azy ireo !

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers