Al-Isra · 33/111
Fandikana Fanononana — Al-Isra
وَلَا تَقْتُلُوا النَّفْسَ الَّتِي حَرَّمَ اللَّهُ إِلَّا بِالْحَقِّ ۗ وَمَن قُتِلَ مَظْلُومًا فَقَدْ جَعَلْنَا لِوَلِيِّهِ سُلْطَانًا فَلَا يُسْرِف فِّي الْقَتْلِ ۖ إِنَّهُ كَانَ مَنصُورًا ۝٣٣
Wa laa taqtulun nafsal latee harramal laahu illaa bilhaqq; wa man qutila mazlooman faqad ja`alnaa liwaliyyihee sultaanan falaa yusrif fil qatli innahoo kaana mansooraa
📖 Dikany Malagasy
Ary aza mamono ny aina izay nofadian’I Allah ianareo, raha tsy amim-pahamarinana. Ka n'iza n'iza novonoina tsy ara-drariny, dia omenay fahefana ny havany, ka aoka izy tsy hihoa-pampana amin’ny famonoana satria tena ho voavonjy (amin’ny alalan’ny lalàna) izy.
🎧 Henoy

📜 Andininy 31-35 — Al-Isra

31وَلَا تَقْتُلُوا أَوْلَادَكُمْ خَشْيَةَ إِمْلَاقٍ ۖ نَّحْنُ نَرْزُقُهُمْ وَإِيَّاكُمْ ۚ إِنَّ قَتْلَهُمْ كَانَ خِطْئًا كَبِيرًا
Ary aza vonoina ny zanakareo nohon'ny fatahorana ny fahantrana. Izahay no manome ny anjara fivelomana ho azy ireo, toy izany koa ny anareo.Tena marina fa ny famonoana azy ireo dia hadisoana lehibe.
32وَلَا تَقْرَبُوا الزِّنَا ۖ إِنَّهُ كَانَ فَاحِشَةً وَسَاءَ سَبِيلًا
Ary aza manakaiky ny fijangajangana mihitsy ianareo. Marina fa izany dia fahavetavetana sy tena lalana ratsy tokoa !
33وَلَا تَقْتُلُوا النَّفْسَ الَّتِي حَرَّمَ اللَّهُ إِلَّا بِالْحَقِّ ۗ وَمَن قُتِلَ مَظْلُومًا فَقَدْ جَعَلْنَا لِوَلِيِّهِ سُلْطَانًا فَلَا يُسْرِف فِّي الْقَتْلِ ۖ إِنَّهُ كَانَ مَنصُورًا
Ary aza mamono ny aina izay nofadian’I Allah ianareo, raha tsy amim-pahamarinana. Ka n'iza n'iza novonoina tsy ara-drariny, dia omenay fahefana ny havany, ka aoka izy tsy hihoa-pampana amin’ny famonoana satria tena ho voavonjy (amin’ny alalan’ny lalàna) izy.
34وَلَا تَقْرَبُوا مَالَ الْيَتِيمِ إِلَّا بِالَّتِي هِيَ أَحْسَنُ حَتَّىٰ يَبْلُغَ أَشُدَّهُ ۚ وَأَوْفُوا بِالْعَهْدِ ۖ إِنَّ الْعَهْدَ كَانَ مَسْئُولًا
Ary aza manakaiky ny haren’ny kamboty ianareo, afa-tsy amin’izay fomba mendrika indrindra, mandra-pahalehoany tena. Ary tanterahanareo ny fifanarahana, marina fa ny fifanarahana dia ho anontaniana.
35وَأَوْفُوا الْكَيْلَ إِذَا كِلْتُمْ وَزِنُوا بِالْقِسْطَاسِ الْمُسْتَقِيمِ ۚ ذَٰلِكَ خَيْرٌ وَأَحْسَنُ تَأْوِيلًا
Ary ataovy feno tsara ny famarana, raha mamatra ianareo, ary mandanjà amin’ny fandanjana marina ianareo, fa izany no tsara (ho anareo), ary tena mendrika tokoa ny vokany.
Al-IsraFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
33Andininy

Fandikana — Al-Isra 33

Surah Al-Isra Andininy 33 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary aza mamono ny aina izay nofadian’I Allah ianareo, raha…

Surah Andininy 33/111 — Al-Isra الإسراء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Isra Henoy, Al-Isra Fandikana, Al-Isra mp3, Al-Isra pdf. Andininy 31–35. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers