Al-Baqarah · 175/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
أُولَٰئِكَ الَّذِينَ اشْتَرَوُا الضَّلَالَةَ بِالْهُدَىٰ وَالْعَذَابَ بِالْمَغْفِرَةِ ۚ فَمَا أَصْبَرَهُمْ عَلَى النَّارِ ۝١٧٥
Ulaaa`ikal lazeenash tarawud dalaalata bilhudaa wal`azaaba bilmaghfirah; famaaa asbarahum `alan Naar
📖 Dikany Malagasy
Izy ireny no nividy ny fahaverezana tamin’ny tari-dàlana ary ny famaizana tamin’ny famelan-keloka. ka ahoana tokoa ny faharetan’izy ireo ao amin’ny Afobe !

🎧 Henoy


📜 Andininy 173-177 — Surah Al-Baqarah

173إِنَّمَا حَرَّمَ عَلَيْكُمُ الْمَيْتَةَ وَالدَّمَ وَلَحْمَ الْخِنزِيرِ وَمَا أُهِلَّ بِهِ لِغَيْرِ اللَّهِ ۖ فَمَنِ اضْطُرَّ غَيْرَ بَاغٍ وَلَا عَادٍ فَلَا إِثْمَ عَلَيْهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Izy tokoa no nandrara ho anareo ny biby maty ho azy, ny rà, ny henan-kisoa, ary izay niantsoana anarana hafa ankoatran’i Allah. fa izay voatery kosa, raha tsy manararaotra na mandika lalàna, dia tsy misy fahotana ny Aminy. tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Fiantrana.
174إِنَّ الَّذِينَ يَكْتُمُونَ مَا أَنزَلَ اللَّهُ مِنَ الْكِتَابِ وَيَشْتَرُونَ بِهِ ثَمَنًا قَلِيلًا ۙ أُولَٰئِكَ مَا يَأْكُلُونَ فِي بُطُونِهِمْ إِلَّا النَّارَ وَلَا يُكَلِّمُهُمُ اللَّهُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ وَلَا يُزَكِّيهِمْ وَلَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Tena marina fa ireo manafina izay nampidinin’Allah ao amin’ny Boky, ary mivarotra izany amin’ny vidiny ambany, izy ireny dia tsy mihinana afa-tsy afo ao anaty kibon’izy ireo, ary tsy hiresaka amin’izy ireo Allah amin’ny Andro fitsanganana sady tsy hanadio azy ireo, ary ho azy ireo ny famaizana mangirifiry.
175أُولَٰئِكَ الَّذِينَ اشْتَرَوُا الضَّلَالَةَ بِالْهُدَىٰ وَالْعَذَابَ بِالْمَغْفِرَةِ ۚ فَمَا أَصْبَرَهُمْ عَلَى النَّارِ
Izy ireny no nividy ny fahaverezana tamin’ny tari-dàlana ary ny famaizana tamin’ny famelan-keloka. ka ahoana tokoa ny faharetan’izy ireo ao amin’ny Afobe !
176ذَٰلِكَ بِأَنَّ اللَّهَ نَزَّلَ الْكِتَابَ بِالْحَقِّ ۗ وَإِنَّ الَّذِينَ اخْتَلَفُوا فِي الْكِتَابِ لَفِي شِقَاقٍ بَعِيدٍ
Izany dia noho Allah nampidina tokoa ny Boky am-pahamarinana, ary tena marina fa ireo izay mifanipa-kevitra momba ilay Boky dia tena ao anatin’ny fifanolanana lalina.
177۞ لَّيْسَ الْبِرَّ أَن تُوَلُّوا وُجُوهَكُمْ قِبَلَ الْمَشْرِقِ وَالْمَغْرِبِ وَلَٰكِنَّ الْبِرَّ مَنْ آمَنَ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ وَالْمَلَائِكَةِ وَالْكِتَابِ وَالنَّبِيِّينَ وَآتَى الْمَالَ عَلَىٰ حُبِّهِ ذَوِي الْقُرْبَىٰ وَالْيَتَامَىٰ وَالْمَسَاكِينَ وَابْنَ السَّبِيلِ وَالسَّائِلِينَ وَفِي الرِّقَابِ وَأَقَامَ الصَّلَاةَ وَآتَى الزَّكَاةَ وَالْمُوفُونَ بِعَهْدِهِمْ إِذَا عَاهَدُوا ۖ وَالصَّابِرِينَ فِي الْبَأْسَاءِ وَالضَّرَّاءِ وَحِينَ الْبَأْسِ ۗ أُولَٰئِكَ الَّذِينَ صَدَقُوا ۖ وَأُولَٰئِكَ هُمُ الْمُتَّقُونَ
Tsy midika ny fitodihan’ny tavanareo any atsinanana sy any andrefana akory ny hatsarana. Fa ny tena hatsarana, dia eo amin’izay mino an’Allah, ny andro farany, ireo Anjely, ny boky masina, ireo Mpaminany, sy izay nahafoy ny fananany noho ny fitiavany an’Allah, ho an’ireo akaiky azy, ireo kamboty, ireo mahantra, ireo mpandeha lavitra lany vatsy, ireo mpangataka, sy ho an’ny famotsorana andevo, ary ny fanatanterahana ny vavaka fanompoana (soalat) sy fanomezana ny harena fiantrana (zakat), ary ny fanatontosana izay nampanantenainy raha nampanantena izy ireo, ireo manam-paharetana manoloana ny sarotra sy ny voina, ary rehefa tra-pahasarotana. Izy ireny no tena olomarina, ary izy ireny ihany koa no tena vontom-pinoana.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
175Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 175

Surah Al-Baqarah Andininy 175 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Izy ireny no nividy ny fahaverezana tamin’ny tari-dàlana ary ny…

Surah Andininy 175/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 173–177. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers