Al-Baqarah · 215/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
يَسْأَلُونَكَ مَاذَا يُنفِقُونَ ۖ قُلْ مَا أَنفَقْتُم مِّنْ خَيْرٍ فَلِلْوَالِدَيْنِ وَالْأَقْرَبِينَ وَالْيَتَامَىٰ وَالْمَسَاكِينِ وَابْنِ السَّبِيلِ ۗ وَمَا تَفْعَلُوا مِنْ خَيْرٍ فَإِنَّ اللَّهَ بِهِ عَلِيمٌ ۝٢١٥
Yas`aloonaka maazaa yunfiqoona qul maaa anfaqtum min khairin falil waalidaini wal aqrabeena walyataamaa wal masaakeeni wabnis sabeel; wa maa taf`aloo min khairin fa innal laaha bihee `Aleem
📖 Dikany Malagasy
Manontany anao izy ireo : “Amin’inona no tokony handanian’izy ireo ny harenany? Koa lazao azy ireo hoe : “Izay mety ho tsara no handanianareo izany, ho an’ny Ray amandReny, ireo izay akaiky anareo, ireo kamboty, ireo mahantra, ary ireo mpandeha lany vatsy. Ary izay mety ho soa ataonareo, dia hamafisina, fa hain’Allah avokoa izany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 213-217 — Al-Baqarah

213كَانَ النَّاسُ أُمَّةً وَاحِدَةً فَبَعَثَ اللَّهُ النَّبِيِّينَ مُبَشِّرِينَ وَمُنذِرِينَ وَأَنزَلَ مَعَهُمُ الْكِتَابَ بِالْحَقِّ لِيَحْكُمَ بَيْنَ النَّاسِ فِيمَا اخْتَلَفُوا فِيهِ ۚ وَمَا اخْتَلَفَ فِيهِ إِلَّا الَّذِينَ أُوتُوهُ مِن بَعْدِ مَا جَاءَتْهُمُ الْبَيِّنَاتُ بَغْيًا بَيْنَهُمْ ۖ فَهَدَى اللَّهُ الَّذِينَ آمَنُوا لِمَا اخْتَلَفُوا فِيهِ مِنَ الْحَقِّ بِإِذْنِهِ ۗ وَاللَّهُ يَهْدِي مَن يَشَاءُ إِلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ
Vahoaka iray ny olombelona tany am-piandohana.ka nalefan’i Allah ireo Mpaminany ho mpanambara vaovao mahafaly sy mpampitandrina; ary nampidininy niaraka tamin’Izy ireo ny Boky feno fahamarinana, mba hitsarany ny olombelona momba ny fifanolanana nisy teo aminy. ary tsy nisy nifanolana tamin’izany afa-tsy ireo izay nomena izany (Boky) taorian’ny nahatongavan’ireo porofo mibaribary tamin’izy ireo noho ny fifanoherana nisy tamin’izy ireo. dia notarihin’i Allah làlana ireo izay nino ho amin’ny fahamarinana tamin’izay nampifanolana azy ireo, noho ny famindram-pony. ary Tompo Allah dia manoro làlana izay sitrany ho amin’ny làlana mahitsy.
214أَمْ حَسِبْتُمْ أَن تَدْخُلُوا الْجَنَّةَ وَلَمَّا يَأْتِكُم مَّثَلُ الَّذِينَ خَلَوْا مِن قَبْلِكُم ۖ مَّسَّتْهُمُ الْبَأْسَاءُ وَالضَّرَّاءُ وَزُلْزِلُوا حَتَّىٰ يَقُولَ الرَّسُولُ وَالَّذِينَ آمَنُوا مَعَهُ مَتَىٰ نَصْرُ اللَّهِ ۗ أَلَا إِنَّ نَصْرَ اللَّهِ قَرِيبٌ
Mihevitra ny hiditra ny Paradisa va ianareo ka tsy handalo fisedrana tahaka ireo vahoaka tany alohanareo? Nianjady tamin’izy ireny avokoa mantsy ny loza amin’antambo ka tena voadona tokoa izy ireo, ary nahatonga ilay Irak’Allah sy ireo mpanaradia azy nametrapanontaniana hoe : “Rahoviana ihany no ho tonga ny famonjen’Allah?” Moa va tsy efa mby akaiky ny famonjen’Allah?
215يَسْأَلُونَكَ مَاذَا يُنفِقُونَ ۖ قُلْ مَا أَنفَقْتُم مِّنْ خَيْرٍ فَلِلْوَالِدَيْنِ وَالْأَقْرَبِينَ وَالْيَتَامَىٰ وَالْمَسَاكِينِ وَابْنِ السَّبِيلِ ۗ وَمَا تَفْعَلُوا مِنْ خَيْرٍ فَإِنَّ اللَّهَ بِهِ عَلِيمٌ
Manontany anao izy ireo : “Amin’inona no tokony handanian’izy ireo ny harenany? Koa lazao azy ireo hoe : “Izay mety ho tsara no handanianareo izany, ho an’ny Ray amandReny, ireo izay akaiky anareo, ireo kamboty, ireo mahantra, ary ireo mpandeha lany vatsy. Ary izay mety ho soa ataonareo, dia hamafisina, fa hain’Allah avokoa izany.
216كُتِبَ عَلَيْكُمُ الْقِتَالُ وَهُوَ كُرْهٌ لَّكُمْ ۖ وَعَسَىٰ أَن تَكْرَهُوا شَيْئًا وَهُوَ خَيْرٌ لَّكُمْ ۖ وَعَسَىٰ أَن تُحِبُّوا شَيْئًا وَهُوَ شَرٌّ لَّكُمْ ۗ وَاللَّهُ يَعْلَمُ وَأَنتُمْ لَا تَعْلَمُونَ
Nodidiana ho anareo ny ady nefa ianareo dia mankahala izany. ary mety hankahala zavatra iray ianareo, nefa dia tsara ho anareo izany. ary mety hankatia zavatra iray ianareo, nefa dia ratsy ho anareo izany. ary Allah no mahalala fa ianareo kosa no tsy manam-mpahalalana.
217يَسْأَلُونَكَ عَنِ الشَّهْرِ الْحَرَامِ قِتَالٍ فِيهِ ۖ قُلْ قِتَالٌ فِيهِ كَبِيرٌ ۖ وَصَدٌّ عَن سَبِيلِ اللَّهِ وَكُفْرٌ بِهِ وَالْمَسْجِدِ الْحَرَامِ وَإِخْرَاجُ أَهْلِهِ مِنْهُ أَكْبَرُ عِندَ اللَّهِ ۚ وَالْفِتْنَةُ أَكْبَرُ مِنَ الْقَتْلِ ۗ وَلَا يَزَالُونَ يُقَاتِلُونَكُمْ حَتَّىٰ يَرُدُّوكُمْ عَن دِينِكُمْ إِنِ اسْتَطَاعُوا ۚ وَمَن يَرْتَدِدْ مِنكُمْ عَن دِينِهِ فَيَمُتْ وَهُوَ كَافِرٌ فَأُولَٰئِكَ حَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ ۖ وَأُولَٰئِكَ أَصْحَابُ النَّارِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Manontany anao izy ireo ny amin’ny fifandonana an’ady ao anatin’ilay volana masina. Koa lazao azy ireo hoe : “Fahotana lehibe tokoa ny fifandonana an’ady mandritra izany, kanefa lehibe mihoatra izany kosa ny fanakanana ny olona amin’ny làlan’Allah sy ny fanaovana tsinontsinona Azy, na ilay trano fiankohofana masina sy ny fanaovan-tsesi-tany ny olona ao aminy. Ary ny fanakorontanana koa dia lehibe mihoatra ny famonoana olona”. Ary tsy hitsahatra ny handringana anareo izy ireny mandra-pialanareo amin’ny finoanareo, raha afaka manao izany izy ireo. Ka na iza na iza miala amin’ny finoany aminareo ary maty ao anatin’ny tsy finoana, dia ho foana ny asan’izy ireny ety an-tany sy any an-koatra. Ireo indrindra no olon’ny afobe, izay hitoetra ao mandrakizay.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
215Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 215

Surah Al-Baqarah Andininy 215 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Manontany anao izy ireo : “Amin’inona no tokony handanian’izy ireo…

Surah Andininy 215/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 213–217. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers