Al-Baqarah · 232/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَإِذَا طَلَّقْتُمُ النِّسَاءَ فَبَلَغْنَ أَجَلَهُنَّ فَلَا تَعْضُلُوهُنَّ أَن يَنكِحْنَ أَزْوَاجَهُنَّ إِذَا تَرَاضَوْا بَيْنَهُم بِالْمَعْرُوفِ ۗ ذَٰلِكَ يُوعَظُ بِهِ مَن كَانَ مِنكُمْ يُؤْمِنُ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۗ ذَٰلِكُمْ أَزْكَىٰ لَكُمْ وَأَطْهَرُ ۗ وَاللَّهُ يَعْلَمُ وَأَنتُمْ لَا تَعْلَمُونَ ۝٢٣٢
Wa izaa tallaqtumun nisaaa`a fabalaghna ajalahunna falaa ta`duloo hunna ai yankihna azwaaja humna izaa taraadaw bainahum bilma` roof; zaalika yoo`azu bihee man kaana minkum yu`minu billaahi wal yawmil aakhir; zaalikum azkaa lakum wa athar; wallaahu ya`lamu wa antum laa ta`lamu wa antum laa ta`lamoon
📖 Dikany Malagasy
Ary raha nisaraka tamin’ny vehivavy vadinareo ianareo, ka efa tapitra ny fe-potoana ho azy ireny, dia aoka ianareo tsy hanakana azy ireny hiverina hanambady indray ny vadiny teo aloha, raha efa nifanaiky ny hifanasoa ny roa tonta. Izany no anatra omena ireo izay mino an’Allah sy ny andro farany aminareo. Izany rahateo no fitondrantena madio sy mendrika indrindra ho anareo. Ary Mahay Allah, fa ianareo kosa tsy mahay na inona na inona.
🎧 Henoy

📜 Andininy 230-234 — Al-Baqarah

230فَإِن طَلَّقَهَا فَلَا تَحِلُّ لَهُ مِن بَعْدُ حَتَّىٰ تَنكِحَ زَوْجًا غَيْرَهُ ۗ فَإِن طَلَّقَهَا فَلَا جُنَاحَ عَلَيْهِمَا أَن يَتَرَاجَعَا إِن ظَنَّا أَن يُقِيمَا حُدُودَ اللَّهِ ۗ وَتِلْكَ حُدُودُ اللَّهِ يُبَيِّنُهَا لِقَوْمٍ يَعْلَمُونَ
Fa raha nanome fisarahana ny vadiny fanintelony izy, dia tsy hahazoany alalana intsony ny mamerina azy aorian’izany, raha tsy avy nanambady olon-kafa. Ary raha nisaraka tamin-dravehivavy kosa ilay nampiakatra azy farany, dia tsy fahotàna ho azy roa ny mifamerina, raha mihevitra ny samy hanaja ilay fetra napetrak’Allah ny roa tonta. Izany no fetra napetrak’Allah, ampahafantariny ireo vahoaka mahalàla.
231وَإِذَا طَلَّقْتُمُ النِّسَاءَ فَبَلَغْنَ أَجَلَهُنَّ فَأَمْسِكُوهُنَّ بِمَعْرُوفٍ أَوْ سَرِّحُوهُنَّ بِمَعْرُوفٍ ۚ وَلَا تُمْسِكُوهُنَّ ضِرَارًا لِّتَعْتَدُوا ۚ وَمَن يَفْعَلْ ذَٰلِكَ فَقَدْ ظَلَمَ نَفْسَهُ ۚ وَلَا تَتَّخِذُوا آيَاتِ اللَّهِ هُزُوًا ۚ وَاذْكُرُوا نِعْمَتَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ وَمَا أَنزَلَ عَلَيْكُم مِّنَ الْكِتَابِ وَالْحِكْمَةِ يَعِظُكُم بِهِ ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ
Ary raha nosarahanareo ireo vehivavy (vadinareo), ka efa feno ny fotoana niandrasany, dia tazoninareo am-pahamendrehana izy ireo, na ampodionareo am-pahamendrehana. ary aza mitazona azy ireo amin’ny fampijaliana ianareo, fa handika ny didy aman-dalàna (lalan’i Allah). ary izay manao izany dia tena manao ny tsy rariny amin'ny tenany. ary aza maneso ny fanambaran'i Allah ianareo. ary tsarovinareo ny fahasoavan’ i Allah aminareo sy izay nampidininy taminareo amin’ny boky ary ny fahendrena izay ananarany anareo. ary matahora an’i Allah ianareo, ary fantaronareo fa Allah dia tena mahalala ny zavatra rehetra.
232وَإِذَا طَلَّقْتُمُ النِّسَاءَ فَبَلَغْنَ أَجَلَهُنَّ فَلَا تَعْضُلُوهُنَّ أَن يَنكِحْنَ أَزْوَاجَهُنَّ إِذَا تَرَاضَوْا بَيْنَهُم بِالْمَعْرُوفِ ۗ ذَٰلِكَ يُوعَظُ بِهِ مَن كَانَ مِنكُمْ يُؤْمِنُ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۗ ذَٰلِكُمْ أَزْكَىٰ لَكُمْ وَأَطْهَرُ ۗ وَاللَّهُ يَعْلَمُ وَأَنتُمْ لَا تَعْلَمُونَ
Ary raha nisaraka tamin’ny vehivavy vadinareo ianareo, ka efa tapitra ny fe-potoana ho azy ireny, dia aoka ianareo tsy hanakana azy ireny hiverina hanambady indray ny vadiny teo aloha, raha efa nifanaiky ny hifanasoa ny roa tonta. Izany no anatra omena ireo izay mino an’Allah sy ny andro farany aminareo. Izany rahateo no fitondrantena madio sy mendrika indrindra ho anareo. Ary Mahay Allah, fa ianareo kosa tsy mahay na inona na inona.
233۞ وَالْوَالِدَاتُ يُرْضِعْنَ أَوْلَادَهُنَّ حَوْلَيْنِ كَامِلَيْنِ ۖ لِمَنْ أَرَادَ أَن يُتِمَّ الرَّضَاعَةَ ۚ وَعَلَى الْمَوْلُودِ لَهُ رِزْقُهُنَّ وَكِسْوَتُهُنَّ بِالْمَعْرُوفِ ۚ لَا تُكَلَّفُ نَفْسٌ إِلَّا وُسْعَهَا ۚ لَا تُضَارَّ وَالِدَةٌ بِوَلَدِهَا وَلَا مَوْلُودٌ لَّهُ بِوَلَدِهِ ۚ وَعَلَى الْوَارِثِ مِثْلُ ذَٰلِكَ ۗ فَإِنْ أَرَادَا فِصَالًا عَن تَرَاضٍ مِّنْهُمَا وَتَشَاوُرٍ فَلَا جُنَاحَ عَلَيْهِمَا ۗ وَإِنْ أَرَدتُّمْ أَن تَسْتَرْضِعُوا أَوْلَادَكُمْ فَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ إِذَا سَلَّمْتُم مَّا آتَيْتُم بِالْمَعْرُوفِ ۗ وَاتَّقُوا اللَّهَ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ
Ary ireo reny, dia mampinono ny zanany mandritra ny roa taona feno, ho an’izay te-hameno tanteraka ny fe-potoana fampinonoana. ary adidy ho an’ireo rain-jaza ny manome sakafo sy mampitafy azy ireo am-pahamendrehana. ka tsy azo terena izy afa-tsy amin’izay zakany. tsy tokony hiharam-pahavoazana ny reny noho ny amin’ny zanany, na ny rainy koa noho ny amin’ny zanany. ary manana adidy mitovy amin’izany koa ny mpandova. ary raha mikasa ny fampitsaharana ny fampinonoana izy roa, ka niarahany nanaiky (izany), dia tsy omena tsiny izy roa. ary raha mitady olon-kafa hampinono ny zanakareo ianareo, dia tsy homen-tsiny, rehefa nomenareo izay tokony homena azy am-pahamendrehana izy ireo. ary matahora an’i Allah ianareo, ary fantaronareo fa Allah dia tena mahita tsara izay rehetra ataonareo.
234وَالَّذِينَ يُتَوَفَّوْنَ مِنكُمْ وَيَذَرُونَ أَزْوَاجًا يَتَرَبَّصْنَ بِأَنفُسِهِنَّ أَرْبَعَةَ أَشْهُرٍ وَعَشْرًا ۖ فَإِذَا بَلَغْنَ أَجَلَهُنَّ فَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ فِيمَا فَعَلْنَ فِي أَنفُسِهِنَّ بِالْمَعْرُوفِ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرٌ
Ary izay tratran’ny fahafatesana aminareo (lehilahy) ka namela vady (vavy), dia mijanona tsy manambady mandritry ny efa-bolana sy folo andro izy ireo (vehivavy vadiny). ka rehefa feno ny fotoana niandrasany, dia tsy manan-tsiny ianareo ny amin’izay anaovany ny tenany am-pahamendrehana. ary Allah dia tena mahafantatra izay rehetra ataonareo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
232Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 232

Surah Al-Baqarah Andininy 232 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha nisaraka tamin’ny vehivavy vadinareo ianareo, ka efa tapitra…

Surah Andininy 232/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 230–234. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers