An-Nisa · 25/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
وَمَن لَّمْ يَسْتَطِعْ مِنكُمْ طَوْلًا أَن يَنكِحَ الْمُحْصَنَاتِ الْمُؤْمِنَاتِ فَمِن مَّا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُم مِّن فَتَيَاتِكُمُ الْمُؤْمِنَاتِ ۚ وَاللَّهُ أَعْلَمُ بِإِيمَانِكُم ۚ بَعْضُكُم مِّن بَعْضٍ ۚ فَانكِحُوهُنَّ بِإِذْنِ أَهْلِهِنَّ وَآتُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ بِالْمَعْرُوفِ مُحْصَنَاتٍ غَيْرَ مُسَافِحَاتٍ وَلَا مُتَّخِذَاتِ أَخْدَانٍ ۚ فَإِذَا أُحْصِنَّ فَإِنْ أَتَيْنَ بِفَاحِشَةٍ فَعَلَيْهِنَّ نِصْفُ مَا عَلَى الْمُحْصَنَاتِ مِنَ الْعَذَابِ ۚ ذَٰلِكَ لِمَنْ خَشِيَ الْعَنَتَ مِنكُمْ ۚ وَأَن تَصْبِرُوا خَيْرٌ لَّكُمْ ۗ وَاللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ۝٢٥
Wa mal lam yastati` minkum tawlan ai yankihal muhsanaatil mu`minaati famimmaa malakat aimaanukum min fatayaatikumul mu`minaat; wallaahu a`lamu bi eemaanikum; ba`dukum mim ba`d; fankihoohunna bi izni ahlihinna wa aatoohunna ujoorahunna bilma`roofi muhsanaatin ghaira musaa fihaatinw wa laa muttakhizaati akhdaan; fa izaaa uhsinna fa in ataina bifaahi shatin fa`alaihinnna nisfu maa `alal muhsanaati minal `azaab; zaalika liman khashiyal `anata minkum; wa an tasbiroo khairul lakum; wallaahu Ghafoorur Raheem
📖 Dikany Malagasy
Ary izay tsy manan-katao aminareo mba hanambady ireo mpino vavy afaka, dia makà amin’ireo andevo vavy mpino eo am-pelatananareo. Ary I Allah no tena mahafantatra ny momba ny finoanareo, satria ny sasany aminareo dia avy amin’ny sasany. Ka manambadia azy ireo ianareo araka ny fanomezan-dalana avy amin’ny fianakaviany, ary atolory azy ireo am-pahamendrehana ny vody ondry, mba ho vady ara-dalàna fa tsy ho mpijangajanga, na koa ho sakaiza fotsiny (tokantrano maso). Koa raha efa vady raikitra izy ireo (ireo vehivavy), ka nanao asa vetaveta, dia mihatra aminy ny antsasaky ny sazy izay mihatra amin’ireo vehivavy afaka. Izany dia ho an’izay matahotra ny fitondran-tena vetaveta aminareo; fa ny tsara indrindra aminareo kosa dia ny maharitra. Ary I Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 23-27 — An-Nisa

23حُرِّمَتْ عَلَيْكُمْ أُمَّهَاتُكُمْ وَبَنَاتُكُمْ وَأَخَوَاتُكُمْ وَعَمَّاتُكُمْ وَخَالَاتُكُمْ وَبَنَاتُ الْأَخِ وَبَنَاتُ الْأُخْتِ وَأُمَّهَاتُكُمُ اللَّاتِي أَرْضَعْنَكُمْ وَأَخَوَاتُكُم مِّنَ الرَّضَاعَةِ وَأُمَّهَاتُ نِسَائِكُمْ وَرَبَائِبُكُمُ اللَّاتِي فِي حُجُورِكُم مِّن نِّسَائِكُمُ اللَّاتِي دَخَلْتُم بِهِنَّ فَإِن لَّمْ تَكُونُوا دَخَلْتُم بِهِنَّ فَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ وَحَلَائِلُ أَبْنَائِكُمُ الَّذِينَ مِنْ أَصْلَابِكُمْ وَأَن تَجْمَعُوا بَيْنَ الْأُخْتَيْنِ إِلَّا مَا قَدْ سَلَفَ ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ غَفُورًا رَّحِيمًا
Nofadiana ho Anareo ireo reninareo, ireo zanakareo vavy, ireo anabavinareo, ireo anabavin-drainareo, ireo rahavavin-dreninareo, ireo zanaka vavin’ny rahalahinareo, ireo zanaka vavin’ny anabavinareo, ireo reninareo izay nampinono Anareo, ireo anabavinareo ara-pinonoana, ireo renin’ireo vehivavy vadinareo, ireo vehivavy zana-badinareo izay ao an-tranonareo, avy amin’ireo vehivavy izay efa niraisanareo ara-nofo, fa raha mbola tsy niraisanareo ara-nofo kosa izy ireo dia tsy Anananareo tsiny, sy ireo vadin’ireo zanakareo (vinanto vavinareo) izay avy amin’ny taolan-tehezanareo, ary ny fanakambananareo ho vady ny mpirahavavy anakiroa [65] afa-tsy izay efa vita tany aloha. Tena marina fa i Allah dia tena be famelan-keloka sy be Indrafo.
24۞ وَالْمُحْصَنَاتُ مِنَ النِّسَاءِ إِلَّا مَا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُمْ ۖ كِتَابَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ ۚ وَأُحِلَّ لَكُم مَّا وَرَاءَ ذَٰلِكُمْ أَن تَبْتَغُوا بِأَمْوَالِكُم مُّحْصِنِينَ غَيْرَ مُسَافِحِينَ ۚ فَمَا اسْتَمْتَعْتُم بِهِ مِنْهُنَّ فَآتُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ فَرِيضَةً ۚ وَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ فِيمَا تَرَاضَيْتُم بِهِ مِن بَعْدِ الْفَرِيضَةِ ۚ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمًا
Ary (nofadiana ho anareo koa) ireo efa manambady tamin’ireo vehivavy, afa-tsy ireo andevo anananareo. Izany no voadidin’I Allah aminareo ! Ankoatra izany, dia nomena alàlana kosa ianareo mba hitadiavanareo azy ireo, amin’ny alalan’ny fanananareo, mba ho vady ara-dalàna ianareo fa tsy ho mpijangajanga. Ka izay nahazoanareo fahafinaretana tamin’izy ireo dia omeo azy ireo ny Mahr (vody ondriny). Izany dia voadidy aminareo. Ary tsy omena tsiny ianareo ny amin’izay hifanarahanareo aorian’ny mahr izay voadidy. Tena marina fa I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
25وَمَن لَّمْ يَسْتَطِعْ مِنكُمْ طَوْلًا أَن يَنكِحَ الْمُحْصَنَاتِ الْمُؤْمِنَاتِ فَمِن مَّا مَلَكَتْ أَيْمَانُكُم مِّن فَتَيَاتِكُمُ الْمُؤْمِنَاتِ ۚ وَاللَّهُ أَعْلَمُ بِإِيمَانِكُم ۚ بَعْضُكُم مِّن بَعْضٍ ۚ فَانكِحُوهُنَّ بِإِذْنِ أَهْلِهِنَّ وَآتُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ بِالْمَعْرُوفِ مُحْصَنَاتٍ غَيْرَ مُسَافِحَاتٍ وَلَا مُتَّخِذَاتِ أَخْدَانٍ ۚ فَإِذَا أُحْصِنَّ فَإِنْ أَتَيْنَ بِفَاحِشَةٍ فَعَلَيْهِنَّ نِصْفُ مَا عَلَى الْمُحْصَنَاتِ مِنَ الْعَذَابِ ۚ ذَٰلِكَ لِمَنْ خَشِيَ الْعَنَتَ مِنكُمْ ۚ وَأَن تَصْبِرُوا خَيْرٌ لَّكُمْ ۗ وَاللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ary izay tsy manan-katao aminareo mba hanambady ireo mpino vavy afaka, dia makà amin’ireo andevo vavy mpino eo am-pelatananareo. Ary I Allah no tena mahafantatra ny momba ny finoanareo, satria ny sasany aminareo dia avy amin’ny sasany. Ka manambadia azy ireo ianareo araka ny fanomezan-dalana avy amin’ny fianakaviany, ary atolory azy ireo am-pahamendrehana ny vody ondry, mba ho vady ara-dalàna fa tsy ho mpijangajanga, na koa ho sakaiza fotsiny (tokantrano maso). Koa raha efa vady raikitra izy ireo (ireo vehivavy), ka nanao asa vetaveta, dia mihatra aminy ny antsasaky ny sazy izay mihatra amin’ireo vehivavy afaka. Izany dia ho an’izay matahotra ny fitondran-tena vetaveta aminareo; fa ny tsara indrindra aminareo kosa dia ny maharitra. Ary I Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
26يُرِيدُ اللَّهُ لِيُبَيِّنَ لَكُمْ وَيَهْدِيَكُمْ سُنَنَ الَّذِينَ مِن قَبْلِكُمْ وَيَتُوبَ عَلَيْكُمْ ۗ وَاللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ
Tian’I Allah ny hanazava sy hitari-dalana anareo amin’ny làlan’ireo izay talohanareo, sy mba handraisany ny fibebahanareo. Ary I Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
27وَاللَّهُ يُرِيدُ أَن يَتُوبَ عَلَيْكُمْ وَيُرِيدُ الَّذِينَ يَتَّبِعُونَ الشَّهَوَاتِ أَن تَمِيلُوا مَيْلًا عَظِيمًا
Ary I Allah dia mila handray ny fibebahanareo. Fa ireo izay manaraka ny hetahetam-pony kosa, dia mila anareo hirona tanteraka any amin’izany.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
25Andininy

Fandikana — An-Nisa 25

Surah An-Nisa Andininy 25 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary izay tsy manan-katao aminareo mba hanambady ireo mpino vavy…

Surah Andininy 25/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 23–27. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers