Al-An'am · 153/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
وَأَنَّ هَٰذَا صِرَاطِي مُسْتَقِيمًا فَاتَّبِعُوهُ ۖ وَلَا تَتَّبِعُوا السُّبُلَ فَتَفَرَّقَ بِكُمْ عَن سَبِيلِهِ ۚ ذَٰلِكُمْ وَصَّاكُم بِهِ لَعَلَّكُمْ تَتَّقُونَ ۝١٥٣
Wa annna haazaa Siraatee mustaqeeman fattabi`oohu wa laa tattabi`us subula fatafarraqa bikum `an sabeelih; zaalikum wassaakum bihee la`allakum tattaqoon
📖 Dikany Malagasy
“Ary indro ny lalako fa mahitsy tanteraka, ka arahanareo àry izany ary aza manaraka ireo lalana izay hampiala anareo amin’ny lalany”. Izany no anafarany anareo, angamba hatahotra ianareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 151-155 — Al-An'am

151۞ قُلْ تَعَالَوْا أَتْلُ مَا حَرَّمَ رَبُّكُمْ عَلَيْكُمْ ۖ أَلَّا تُشْرِكُوا بِهِ شَيْئًا ۖ وَبِالْوَالِدَيْنِ إِحْسَانًا ۖ وَلَا تَقْتُلُوا أَوْلَادَكُم مِّنْ إِمْلَاقٍ ۖ نَّحْنُ نَرْزُقُكُمْ وَإِيَّاهُمْ ۖ وَلَا تَقْرَبُوا الْفَوَاحِشَ مَا ظَهَرَ مِنْهَا وَمَا بَطَنَ ۖ وَلَا تَقْتُلُوا النَّفْسَ الَّتِي حَرَّمَ اللَّهُ إِلَّا بِالْحَقِّ ۚ ذَٰلِكُمْ وَصَّاكُم بِهِ لَعَلَّكُمْ تَعْقِلُونَ
Teneno hoe : “Tongava ianareo hilazako izay noraran’ny Tomponareo aminareo, aza manakambana zavatra Aminy (Allah) ianareo, ary manaova soa amin’ireo Ray aman-dreny, ary aza mamono ireo zanakareo ianareo nohon'ny fahantrana, Izahay no manome anareo anjara sy izy ireo, ary aza manatona ny asa vetaveta ianareo na ny miharihary amin’izany na ny miafina, ary aza mamono olona izay noraran’I Allah afa-tsy amin’ny rariny ianareo, izany no nanafarany anareo, angamba hisaina ianareo.
152وَلَا تَقْرَبُوا مَالَ الْيَتِيمِ إِلَّا بِالَّتِي هِيَ أَحْسَنُ حَتَّىٰ يَبْلُغَ أَشُدَّهُ ۖ وَأَوْفُوا الْكَيْلَ وَالْمِيزَانَ بِالْقِسْطِ ۖ لَا نُكَلِّفُ نَفْسًا إِلَّا وُسْعَهَا ۖ وَإِذَا قُلْتُمْ فَاعْدِلُوا وَلَوْ كَانَ ذَا قُرْبَىٰ ۖ وَبِعَهْدِ اللَّهِ أَوْفُوا ۚ ذَٰلِكُمْ وَصَّاكُم بِهِ لَعَلَّكُمْ تَذَكَّرُونَ
Ary aza manakaiky ny haren’ny kamboty ianareo afa-tsy amin’ny fomba mendrika indrindra, mandra-pahaleovan-tenany. Ary ataovy amim-pahamarinana ny famarana sy ny fandanjana.Tsy mampizaka ny olona zavatra Izahay afa-tsy izay zakany ihany. Ary rehefa miteny ianareo dia mitenena ny rariny sy ny hitsiny na dia amin’ireo havana akaiky aza. Ary tanterahanareo ny fifanekena tamin’I Allah, izany no nanafarany anareo angamba hatsapa tena ianareo.
153وَأَنَّ هَٰذَا صِرَاطِي مُسْتَقِيمًا فَاتَّبِعُوهُ ۖ وَلَا تَتَّبِعُوا السُّبُلَ فَتَفَرَّقَ بِكُمْ عَن سَبِيلِهِ ۚ ذَٰلِكُمْ وَصَّاكُم بِهِ لَعَلَّكُمْ تَتَّقُونَ
“Ary indro ny lalako fa mahitsy tanteraka, ka arahanareo àry izany ary aza manaraka ireo lalana izay hampiala anareo amin’ny lalany”. Izany no anafarany anareo, angamba hatahotra ianareo.
154ثُمَّ آتَيْنَا مُوسَى الْكِتَابَ تَمَامًا عَلَى الَّذِي أَحْسَنَ وَتَفْصِيلًا لِّكُلِّ شَيْءٍ وَهُدًى وَرَحْمَةً لَّعَلَّهُم بِلِقَاءِ رَبِّهِمْ يُؤْمِنُونَ
Avy eo dia nomenay an’i Mosesy ny Boky, ho fameno amin’ny fahasoavana izay nanao soa sy ho fanazavana amin’ny antsipiriany ny zava-drehetra ary ho tari-dalana sy famindram-po. Angamba hino ny fihaonana amin’ny Tompony izy ireo.
155وَهَٰذَا كِتَابٌ أَنزَلْنَاهُ مُبَارَكٌ فَاتَّبِعُوهُ وَاتَّقُوا لَعَلَّكُمْ تُرْحَمُونَ
Ary ity ny Boky feno fahasoavana izay nampidininay, ka arahanareo izany ary manàna fatahorana ianareo. Angamba hahazo famindram-po ianareo.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
153Andininy

Fandikana — Al-An'am 153

Surah Al-An'am Andininy 153 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : “Ary indro ny lalako fa mahitsy tanteraka, ka arahanareo àry…

Surah Andininy 153/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 151–155. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers