Al-An'am · 92/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
وَهَٰذَا كِتَابٌ أَنزَلْنَاهُ مُبَارَكٌ مُّصَدِّقُ الَّذِي بَيْنَ يَدَيْهِ وَلِتُنذِرَ أُمَّ الْقُرَىٰ وَمَنْ حَوْلَهَا ۚ وَالَّذِينَ يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ يُؤْمِنُونَ بِهِ ۖ وَهُمْ عَلَىٰ صَلَاتِهِمْ يُحَافِظُونَ ۝٩٢
Wa haazaa Kitaabun anzalnaahu Mubaarakum musaddiqul lazee bainaa yadaihi wa litunzira ummal Quraa wa man hawlahaa; wallazeena yu`minoona bil Aakhirati yu`minoona bihee wa hum`alaa Salaatihim yuhaafizoon
📖 Dikany Malagasy
Ary ity dia Boky izay nampidininay, feno fahasoavana, manamarina izay efa nisy teo alohany, ary mba hampitandremanao ny Renivohitry ny tanàna (mponin’ny Makkah) sy izay manodidina azy. Ary ireo izay mino ny andro farany dia mino azy (Boky), ary izy ireo dia manatanteraka ny fanompoam-pivavahan'izy ireo (Soalat) an-tsakany sy an-davany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 90-94 — Al-An'am

90أُولَٰئِكَ الَّذِينَ هَدَى اللَّهُ ۖ فَبِهُدَاهُمُ اقْتَدِهْ ۗ قُل لَّا أَسْأَلُكُمْ عَلَيْهِ أَجْرًا ۖ إِنْ هُوَ إِلَّا ذِكْرَىٰ لِلْعَالَمِينَ
Izy ireny no olona izay notarihin’I Allah làlana, ka ny tari-dàlan’izy ireo no araho. Teneno hoe : “Tsy mangataka tambiny aminareo velively aho amin’izany, tsy inona izany raha tsy fampahatsahivana ho an’izao Tontolo izao”.
91وَمَا قَدَرُوا اللَّهَ حَقَّ قَدْرِهِ إِذْ قَالُوا مَا أَنزَلَ اللَّهُ عَلَىٰ بَشَرٍ مِّن شَيْءٍ ۗ قُلْ مَنْ أَنزَلَ الْكِتَابَ الَّذِي جَاءَ بِهِ مُوسَىٰ نُورًا وَهُدًى لِّلنَّاسِ ۖ تَجْعَلُونَهُ قَرَاطِيسَ تُبْدُونَهَا وَتُخْفُونَ كَثِيرًا ۖ وَعُلِّمْتُم مَّا لَمْ تَعْلَمُوا أَنتُمْ وَلَا آبَاؤُكُمْ ۖ قُلِ اللَّهُ ۖ ثُمَّ ذَرْهُمْ فِي خَوْضِهِمْ يَلْعَبُونَ
Tsy nomen’izy ireo lanja Allah araka ny tena maha mendrika Azy rehefa niteny izy ireo nanao hoe : “Tsy nampidina na inona na inona tamin’ny olombelona I Allah”. Teneno hoe : “Iza no nampidina ny boky izay nentin’i Mosesy ho fahazavana sy tari-dàlana ho an’ny olombelona ? Nataonareo an-taratasy fotsiny izany mba hasehonareo, nefa afeninareo ny am-pahany betsaka. Ary ianareo dia nampianarina izay tsy fantatrareo, na ianareo na ny Razambenareo”. Teneno hoe : “Allah”. Ary avelao izy ireo hiala voly amin’ny ady heviny.
92وَهَٰذَا كِتَابٌ أَنزَلْنَاهُ مُبَارَكٌ مُّصَدِّقُ الَّذِي بَيْنَ يَدَيْهِ وَلِتُنذِرَ أُمَّ الْقُرَىٰ وَمَنْ حَوْلَهَا ۚ وَالَّذِينَ يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ يُؤْمِنُونَ بِهِ ۖ وَهُمْ عَلَىٰ صَلَاتِهِمْ يُحَافِظُونَ
Ary ity dia Boky izay nampidininay, feno fahasoavana, manamarina izay efa nisy teo alohany, ary mba hampitandremanao ny Renivohitry ny tanàna (mponin’ny Makkah) sy izay manodidina azy. Ary ireo izay mino ny andro farany dia mino azy (Boky), ary izy ireo dia manatanteraka ny fanompoam-pivavahan'izy ireo (Soalat) an-tsakany sy an-davany.
93وَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّنِ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا أَوْ قَالَ أُوحِيَ إِلَيَّ وَلَمْ يُوحَ إِلَيْهِ شَيْءٌ وَمَن قَالَ سَأُنزِلُ مِثْلَ مَا أَنزَلَ اللَّهُ ۗ وَلَوْ تَرَىٰ إِذِ الظَّالِمُونَ فِي غَمَرَاتِ الْمَوْتِ وَالْمَلَائِكَةُ بَاسِطُو أَيْدِيهِمْ أَخْرِجُوا أَنفُسَكُمُ ۖ الْيَوْمَ تُجْزَوْنَ عَذَابَ الْهُونِ بِمَا كُنتُمْ تَقُولُونَ عَلَى اللَّهِ غَيْرَ الْحَقِّ وَكُنتُمْ عَنْ آيَاتِهِ تَسْتَكْبِرُونَ
Ary iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik’I Allah, na koa miteny hoe : “Nandefasana fanambarana aho” nefa tsy nandefasana fanambarana akory izy na dia kely aza. Sy izay miteny hoe : “Hampidina mitovy amin’izay nampidinin’I Allah aho”. Raha hitanao ireo mpanao tsy rariny rehefa eo ambavahaonan’ny fahafatesana, ka manolotra ny tànany ireo anjely manao hoe : “Avoahy ny fanahinareo ! Fa androany dia omena anareo ny famaizan’ny fahafaham-baraka nohon'ny tsy marina izay noteneninareo mahakasik’I Allah, ary noho ianareo nanambony tena tamin’ireo famantarany.
94وَلَقَدْ جِئْتُمُونَا فُرَادَىٰ كَمَا خَلَقْنَاكُمْ أَوَّلَ مَرَّةٍ وَتَرَكْتُم مَّا خَوَّلْنَاكُمْ وَرَاءَ ظُهُورِكُمْ ۖ وَمَا نَرَىٰ مَعَكُمْ شُفَعَاءَكُمُ الَّذِينَ زَعَمْتُمْ أَنَّهُمْ فِيكُمْ شُرَكَاءُ ۚ لَقَد تَّقَطَّعَ بَيْنَكُمْ وَضَلَّ عَنكُم مَّا كُنتُمْ تَزْعُمُونَ
Ary efa tena tonga irery aty Aminay ianareo tahaka ny namoronanay anareo tamin’ny voalohany, ary navelanareo any an-damosinareo izay rehetra nomenay anareo. Ary tsy hitanay miaraka aminareo mihitsy ireo mpanelanelana izay noheverinareo ho mpikambana (amin’I Allah). Tena efa tapaka ny fifandraisana nisy taminareo, ary niala lavitra anareo izay noheverinareo (ho mpanelanelana).
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
92Andininy

Fandikana — Al-An'am 92

Surah Al-An'am Andininy 92 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ity dia Boky izay nampidininay, feno fahasoavana, manamarina izay…

Surah Andininy 92/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 90–94. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers