Al-A'raf · 159/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
وَمِن قَوْمِ مُوسَىٰ أُمَّةٌ يَهْدُونَ بِالْحَقِّ وَبِهِ يَعْدِلُونَ ۝١٥٩
Wa min qawmi Moosaaa ummatuny yahdoona bilhaqqi wa bihee ya`diloon
📖 Dikany Malagasy
Ary misy amin’ireo vahoakan’i Mosesy no mitarika amin’ny lala-marina, ary amin’izany no nanaovan’izy ireo ny rariny.

🎧 Henoy


📜 Andininy 157-161 — Al-A'raf

157الَّذِينَ يَتَّبِعُونَ الرَّسُولَ النَّبِيَّ الْأُمِّيَّ الَّذِي يَجِدُونَهُ مَكْتُوبًا عِندَهُمْ فِي التَّوْرَاةِ وَالْإِنجِيلِ يَأْمُرُهُم بِالْمَعْرُوفِ وَيَنْهَاهُمْ عَنِ الْمُنكَرِ وَيُحِلُّ لَهُمُ الطَّيِّبَاتِ وَيُحَرِّمُ عَلَيْهِمُ الْخَبَائِثَ وَيَضَعُ عَنْهُمْ إِصْرَهُمْ وَالْأَغْلَالَ الَّتِي كَانَتْ عَلَيْهِمْ ۚ فَالَّذِينَ آمَنُوا بِهِ وَعَزَّرُوهُ وَنَصَرُوهُ وَاتَّبَعُوا النُّورَ الَّذِي أُنزِلَ مَعَهُ ۙ أُولَٰئِكَ هُمُ الْمُفْلِحُونَ
Ireo izay manaraka Ilay Iraka, Ilay Mpaminany tsy mahay manoratra sy mamaky, izay hitan’izy ireo voasoratra eo aminy ao anaty Taoraty sy ny Evanjely, dia mandidy azy ireo amin’ny tsara sy mandrara azy ireo amin’ny ratsy Izy, ary manome alalana azy ireo amin’ny tsara, sy mandrara azy ireo kosa amin’ny ratsy, ary manala azy ireo amin’ny enta-mavesatra sy ireo zioga izay tamin’izy ireo. Fa ireo izay mino sy manohana ary manampy azy, ary manaraka ny fahazavana izay nampidinina taminy, izy ireny no hahazo ny fahombiazana”.
158قُلْ يَا أَيُّهَا النَّاسُ إِنِّي رَسُولُ اللَّهِ إِلَيْكُمْ جَمِيعًا الَّذِي لَهُ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۖ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ يُحْيِي وَيُمِيتُ ۖ فَآمِنُوا بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ النَّبِيِّ الْأُمِّيِّ الَّذِي يُؤْمِنُ بِاللَّهِ وَكَلِمَاتِهِ وَاتَّبِعُوهُ لَعَلَّكُمْ تَهْتَدُونَ
Teneno hoe : “O ianareo olombelona ! Marina fa izaho dia Irak’I Allah ho anareo rehetra, izay Azy ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany, tsy misy Tompo afa-tsy Izy, Izy no mamelona sy mamono. Minoa an’I Allah àry ianareo sy ny Irany, Ilay Mpaminany tsy mahay manoratra sy mamaky, izay mino an’I Allah sy ireo teniny. Ary aoka ianareo hanaraka Azy, angamba hahazo ny tari-dalana ianareo.
159وَمِن قَوْمِ مُوسَىٰ أُمَّةٌ يَهْدُونَ بِالْحَقِّ وَبِهِ يَعْدِلُونَ
Ary misy amin’ireo vahoakan’i Mosesy no mitarika amin’ny lala-marina, ary amin’izany no nanaovan’izy ireo ny rariny.
160وَقَطَّعْنَاهُمُ اثْنَتَيْ عَشْرَةَ أَسْبَاطًا أُمَمًا ۚ وَأَوْحَيْنَا إِلَىٰ مُوسَىٰ إِذِ اسْتَسْقَاهُ قَوْمُهُ أَنِ اضْرِب بِّعَصَاكَ الْحَجَرَ ۖ فَانبَجَسَتْ مِنْهُ اثْنَتَا عَشْرَةَ عَيْنًا ۖ قَدْ عَلِمَ كُلُّ أُنَاسٍ مَّشْرَبَهُمْ ۚ وَظَلَّلْنَا عَلَيْهِمُ الْغَمَامَ وَأَنزَلْنَا عَلَيْهِمُ الْمَنَّ وَالسَّلْوَىٰ ۖ كُلُوا مِن طَيِّبَاتِ مَا رَزَقْنَاكُمْ ۚ وَمَا ظَلَمُونَا وَلَٰكِن كَانُوا أَنفُسَهُمْ يَظْلِمُونَ
Ary nozarazaranay ho foko sy vahoaka roa ambin’ny folo izy ireo, ary nandefasanay fanambarana i Mosesy raha nangataka rano taminy ny vahoakany: “Kapohy amin’ny tehinao ny vatolampy”. Ary indro nisy loharano roa ambin’ny folo nifantsitsitra avy tao. Efa samy nahafantatra ny loharano hosotroiny avokoa ny foko tsirairay, ary noalokalofanay tamin’ny rahona izy ireo, ary nampidininay tamin’izy ireo ny mana sy ny papelika: “Mihinàna ianareo amin’ireo anjara tsara nomenay anareo”. Ary tsy nanao ny tsy rariny taminay izy ireo, fa ny tenan’izy ireo ihany no nanaovany ny tsy rariny.
161وَإِذْ قِيلَ لَهُمُ اسْكُنُوا هَٰذِهِ الْقَرْيَةَ وَكُلُوا مِنْهَا حَيْثُ شِئْتُمْ وَقُولُوا حِطَّةٌ وَادْخُلُوا الْبَابَ سُجَّدًا نَّغْفِرْ لَكُمْ خَطِيئَاتِكُمْ ۚ سَنَزِيدُ الْمُحْسِنِينَ
Raha nolazaina tamin’izy ireo hoe : “Mitoera amin’ity tanàna ity ianareo, ary mihinàna ao aminy araka izay tianareo sady mitenena hoe : mamelà ny fahotanay, ary midira am-baravarana am-piankohofana ianareo mba hamelanay ireo fahadisoana nataonareo; omenay tombony ireo Mpanao soa”.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
159Andininy

Fandikana — Al-A'raf 159

Surah Al-A'raf Andininy 159 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary misy amin’ireo vahoakan’i Mosesy no mitarika amin’ny lala-marina, ary…

Surah Andininy 159/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 157–161. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers