At-Tawbah · 82/129
Fandikana Fanononana — At-Tawbah
فَلْيَضْحَكُوا قَلِيلًا وَلْيَبْكُوا كَثِيرًا جَزَاءً بِمَا كَانُوا يَكْسِبُونَ ۝٨٢
Falyadhakoo qaleelanw walyabkoo kaseeran jazaaa`am bimaa kaanoo yaksiboon
📖 Dikany Malagasy
Koa aoka izy ireo hihomehy kely, fa hitomany betsaka kosa ho valin’izay nataon’izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 80-84 — At-Tawbah

80اسْتَغْفِرْ لَهُمْ أَوْ لَا تَسْتَغْفِرْ لَهُمْ إِن تَسْتَغْفِرْ لَهُمْ سَبْعِينَ مَرَّةً فَلَن يَغْفِرَ اللَّهُ لَهُمْ ۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ كَفَرُوا بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ ۗ وَاللَّهُ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الْفَاسِقِينَ
Na mangataka famelan-keloka ho azy ireo Ianao, na tsy mangataka famelan-keloka ho azy ireo, ary na dia mangataka famelan-keloka im-pitopolo ho azy ireo aza Ianao dia tsy hamela azy ireo mihitsy i Allah. Izany dia noho izy ireo tsy nino an’i Allah sy ny irany, ary i Allah dia tsy mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ratsy.
81فَرِحَ الْمُخَلَّفُونَ بِمَقْعَدِهِمْ خِلَافَ رَسُولِ اللَّهِ وَكَرِهُوا أَن يُجَاهِدُوا بِأَمْوَالِهِمْ وَأَنفُسِهِمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَقَالُوا لَا تَنفِرُوا فِي الْحَرِّ ۗ قُلْ نَارُ جَهَنَّمَ أَشَدُّ حَرًّا ۚ لَّوْ كَانُوا يَفْقَهُونَ
Ireo izay najanona taoriana dia nifaly fa afaka nijanona tany amin’izy ireo taorian’ny irak’i Allah, satria nankahala ny handeha hanao Djihad izy ireo miaraka amin’ny hareny sy ny vatany amin’ny làlan’i Allah, ka niteny izy ireo nanao hoe : " Aza mandeha miady amin’izao andro mafana be izao Ianareo ! ”. Teneno hoe : " Ny afon’ny Djahannam (Afobe) dia mafana bebe kokoa ”. Raha fantatr’izy ireo izany !
82فَلْيَضْحَكُوا قَلِيلًا وَلْيَبْكُوا كَثِيرًا جَزَاءً بِمَا كَانُوا يَكْسِبُونَ
Koa aoka izy ireo hihomehy kely, fa hitomany betsaka kosa ho valin’izay nataon’izy ireo.
83فَإِن رَّجَعَكَ اللَّهُ إِلَىٰ طَائِفَةٍ مِّنْهُمْ فَاسْتَأْذَنُوكَ لِلْخُرُوجِ فَقُل لَّن تَخْرُجُوا مَعِيَ أَبَدًا وَلَن تُقَاتِلُوا مَعِيَ عَدُوًّا ۖ إِنَّكُمْ رَضِيتُم بِالْقُعُودِ أَوَّلَ مَرَّةٍ فَاقْعُدُوا مَعَ الْخَالِفِينَ
Raha averin’i Allah amin’ny andiana iray amin’izy ireo Ianao, ka mangataka alalana hivoaka miaraka Aminao hiatrika ny ady izy ireo, dia teneno hoe : " Tsy hivoaka velively miaraka Amiko Ianareo, ary tsy hiatrika ady miaraka Amiko intsony Ianareo satria Ianareo nankasitraka ny fijanonana tany Aminareo tany am-boalohany; noho izany dia mijanonà Ianareo miaraka amin’ireo mpijanona any aoriana.
84وَلَا تُصَلِّ عَلَىٰ أَحَدٍ مِّنْهُم مَّاتَ أَبَدًا وَلَا تَقُمْ عَلَىٰ قَبْرِهِ ۖ إِنَّهُمْ كَفَرُوا بِاللَّهِ وَرَسُولِهِ وَمَاتُوا وَهُمْ فَاسِقُونَ
Ary aza manao Soalat mihitsy Ianao amin’iray izay maty (1) amin’izy ireo, ary aza mitsangana ihany koa Ianao eo akaikin'ny fasany, satria tsy nino an’i Allah sy ny Irany izy ireo, ary maty sy mpanao ratsy izy ireo.
At-TawbahFizahan-takila Koraña
129Andininy
MedinanRevelation
82Andininy

Fandikana — At-Tawbah 82

Surah At-Tawbah Andininy 82 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Koa aoka izy ireo hihomehy kely, fa hitomany betsaka kosa…

Surah Andininy 82/129 — At-Tawbah التوبة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: At-Tawbah Henoy, At-Tawbah Fandikana, At-Tawbah mp3, At-Tawbah pdf. Andininy 80–84. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers