Al-Baqarah · 195/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
وَأَنفِقُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَلَا تُلْقُوا بِأَيْدِيكُمْ إِلَى التَّهْلُكَةِ ۛ وَأَحْسِنُوا ۛ إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُحْسِنِينَ ۝١٩٥
Wa anfiqoo fee sabeelil laahi wa laa tulqoo bi aydeekum ilat tahlukati wa ahsinoo; innal laaha yuhibbul muhsineen
📖 Dikany Malagasy
Aoka ianareo hanao fandaniana amin’ny làlan’Allah. Ary aza mandefa ny tànanareo any amin’ny fahapotehana. Fa manaova ny soa, satria Allah tia ireo mpanao soa.

🎧 Henoy


📜 Andininy 193-197 — Surah Al-Baqarah

193وَقَاتِلُوهُمْ حَتَّىٰ لَا تَكُونَ فِتْنَةٌ وَيَكُونَ الدِّينُ لِلَّهِ ۖ فَإِنِ انتَهَوْا فَلَا عُدْوَانَ إِلَّا عَلَى الظَّالِمِينَ
Ary vonoy izy ireny mba tsy hampisy korontana, mba hahatonga ny fivavahana ho an’Allah irery. Fa raha mitsahatra amin’izany kosa izy ireo, dia tsy hisy fankahalana, afa-tsy amin’ireo mpanao ny tsy rariny.
194الشَّهْرُ الْحَرَامُ بِالشَّهْرِ الْحَرَامِ وَالْحُرُمَاتُ قِصَاصٌ ۚ فَمَنِ اعْتَدَىٰ عَلَيْكُمْ فَاعْتَدُوا عَلَيْهِ بِمِثْلِ مَا اعْتَدَىٰ عَلَيْكُمْ ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ مَعَ الْمُتَّقِينَ
Ny volana masina amin’ny volana masina! Ary ireo zavatra masina dia mitaky valin-keloka. Ka izay manohitra anareo, dia mitsangana hanohitra azy tahaka ny nanoherany anareo. Kanefa aoka ianareo hatahotra an’Allah. Ary fantaronareo, fa Allaha dia momba mandrakariva ireo vontompinoana.
195وَأَنفِقُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَلَا تُلْقُوا بِأَيْدِيكُمْ إِلَى التَّهْلُكَةِ ۛ وَأَحْسِنُوا ۛ إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُحْسِنِينَ
Aoka ianareo hanao fandaniana amin’ny làlan’Allah. Ary aza mandefa ny tànanareo any amin’ny fahapotehana. Fa manaova ny soa, satria Allah tia ireo mpanao soa.
196وَأَتِمُّوا الْحَجَّ وَالْعُمْرَةَ لِلَّهِ ۚ فَإِنْ أُحْصِرْتُمْ فَمَا اسْتَيْسَرَ مِنَ الْهَدْيِ ۖ وَلَا تَحْلِقُوا رُءُوسَكُمْ حَتَّىٰ يَبْلُغَ الْهَدْيُ مَحِلَّهُ ۚ فَمَن كَانَ مِنكُم مَّرِيضًا أَوْ بِهِ أَذًى مِّن رَّأْسِهِ فَفِدْيَةٌ مِّن صِيَامٍ أَوْ صَدَقَةٍ أَوْ نُسُكٍ ۚ فَإِذَا أَمِنتُمْ فَمَن تَمَتَّعَ بِالْعُمْرَةِ إِلَى الْحَجِّ فَمَا اسْتَيْسَرَ مِنَ الْهَدْيِ ۚ فَمَن لَّمْ يَجِدْ فَصِيَامُ ثَلَاثَةِ أَيَّامٍ فِي الْحَجِّ وَسَبْعَةٍ إِذَا رَجَعْتُمْ ۗ تِلْكَ عَشَرَةٌ كَامِلَةٌ ۗ ذَٰلِكَ لِمَن لَّمْ يَكُنْ أَهْلُهُ حَاضِرِي الْمَسْجِدِ الْحَرَامِ ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعِقَابِ
Ary tanterahinareo ny Hajy sy ny Omra ho an’i Allah. ka raha voasakana ianareo dia manaova fanatitra izay mora (mifanaraka aminy), ary aza solaina ny lohanareo raha tsy efa tonga any amin’ny toerany ny fanatitra. ka izay marary aminareo, na marary an-doha dia manonitra amin’ny alalan’ny fifehezana na fanomezana ho an’ny mahantra na fanaovana sorona. ary rehefa milamina ianareo ka malalaka amin’ny fanaovana Omra mankany amin’ny Hajy, dia manaova fanatitra izay mora (mifanaraka aminy). ka izay tsy mahita kosa dia mifehy telo andro amin’ny fotoan’ny Hajy, ary fito (andro) rehefa miverina any aminareo ianareo, izany dia folo andro feno. Izany dia (natao) ho an’izay olona tsy manan-kavana monina manodidina ny Al-Masjid Al-Haram. ary matahora an’i Allah ianareo. fantaro fa Allah dia mafy sazy tokoa.
197الْحَجُّ أَشْهُرٌ مَّعْلُومَاتٌ ۚ فَمَن فَرَضَ فِيهِنَّ الْحَجَّ فَلَا رَفَثَ وَلَا فُسُوقَ وَلَا جِدَالَ فِي الْحَجِّ ۗ وَمَا تَفْعَلُوا مِنْ خَيْرٍ يَعْلَمْهُ اللَّهُ ۗ وَتَزَوَّدُوا فَإِنَّ خَيْرَ الزَّادِ التَّقْوَىٰ ۚ وَاتَّقُونِ يَا أُولِي الْأَلْبَابِ
Ny fivahinianana masina (Hajj) dia atao amin’ireo volana efa fantatra. Ka ho an’izay nanapa-kevitra ny hanatanteraka izany ao anatin’ireo volana ireo, dia tsy tokony hanao firaisana aranofo, na koa fiteny tsy mendrika, indrindra ny fifamaliana mandritra ny fivahinianana masina. Ary izay tsara ataonareo, dia fantatr’Allah avokoa. Ary mitondrà vatsy ianareo, hamafisina, fa ny vatsy tsara indrindra, dia ny fahatahorana an’Allah. Ka aoka ianareo hatahotra Ahy ry matsilo saina!
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
195Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 195

Surah Al-Baqarah Andininy 195 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Aoka ianareo hanao fandaniana amin’ny làlan’Allah. Ary aza mandefa ny…

Surah Andininy 195/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 193–197. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers