Al-Baqarah · 197/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
الْحَجُّ أَشْهُرٌ مَّعْلُومَاتٌ ۚ فَمَن فَرَضَ فِيهِنَّ الْحَجَّ فَلَا رَفَثَ وَلَا فُسُوقَ وَلَا جِدَالَ فِي الْحَجِّ ۗ وَمَا تَفْعَلُوا مِنْ خَيْرٍ يَعْلَمْهُ اللَّهُ ۗ وَتَزَوَّدُوا فَإِنَّ خَيْرَ الزَّادِ التَّقْوَىٰ ۚ وَاتَّقُونِ يَا أُولِي الْأَلْبَابِ ۝١٩٧
Al-Hajju ashhurum ma`-loomaat; faman farada feeinnal hajja falaa rafasa wa laa fusooqa wa laa jidaala fil Hajj; wa maa taf`aloo min khairiny ya`lamhul laah; wa tazawwadoo fa inna khairaz zaadit taqwaa; wattaqooni yaaa ulil albaab
📖 Dikany Malagasy
Ny fivahinianana masina (Hajj) dia atao amin’ireo volana efa fantatra. Ka ho an’izay nanapa-kevitra ny hanatanteraka izany ao anatin’ireo volana ireo, dia tsy tokony hanao firaisana aranofo, na koa fiteny tsy mendrika, indrindra ny fifamaliana mandritra ny fivahinianana masina. Ary izay tsara ataonareo, dia fantatr’Allah avokoa. Ary mitondrà vatsy ianareo, hamafisina, fa ny vatsy tsara indrindra, dia ny fahatahorana an’Allah. Ka aoka ianareo hatahotra Ahy ry matsilo saina!
🎧 Henoy

📜 Andininy 195-199 — Al-Baqarah

195وَأَنفِقُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ وَلَا تُلْقُوا بِأَيْدِيكُمْ إِلَى التَّهْلُكَةِ ۛ وَأَحْسِنُوا ۛ إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُحْسِنِينَ
Aoka ianareo hanao fandaniana amin’ny làlan’Allah. Ary aza mandefa ny tànanareo any amin’ny fahapotehana. Fa manaova ny soa, satria Allah tia ireo mpanao soa.
196وَأَتِمُّوا الْحَجَّ وَالْعُمْرَةَ لِلَّهِ ۚ فَإِنْ أُحْصِرْتُمْ فَمَا اسْتَيْسَرَ مِنَ الْهَدْيِ ۖ وَلَا تَحْلِقُوا رُءُوسَكُمْ حَتَّىٰ يَبْلُغَ الْهَدْيُ مَحِلَّهُ ۚ فَمَن كَانَ مِنكُم مَّرِيضًا أَوْ بِهِ أَذًى مِّن رَّأْسِهِ فَفِدْيَةٌ مِّن صِيَامٍ أَوْ صَدَقَةٍ أَوْ نُسُكٍ ۚ فَإِذَا أَمِنتُمْ فَمَن تَمَتَّعَ بِالْعُمْرَةِ إِلَى الْحَجِّ فَمَا اسْتَيْسَرَ مِنَ الْهَدْيِ ۚ فَمَن لَّمْ يَجِدْ فَصِيَامُ ثَلَاثَةِ أَيَّامٍ فِي الْحَجِّ وَسَبْعَةٍ إِذَا رَجَعْتُمْ ۗ تِلْكَ عَشَرَةٌ كَامِلَةٌ ۗ ذَٰلِكَ لِمَن لَّمْ يَكُنْ أَهْلُهُ حَاضِرِي الْمَسْجِدِ الْحَرَامِ ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ شَدِيدُ الْعِقَابِ
Ary tanterahinareo ny Hajy sy ny Omra ho an’i Allah. ka raha voasakana ianareo dia manaova fanatitra izay mora (mifanaraka aminy), ary aza solaina ny lohanareo raha tsy efa tonga any amin’ny toerany ny fanatitra. ka izay marary aminareo, na marary an-doha dia manonitra amin’ny alalan’ny fifehezana na fanomezana ho an’ny mahantra na fanaovana sorona. ary rehefa milamina ianareo ka malalaka amin’ny fanaovana Omra mankany amin’ny Hajy, dia manaova fanatitra izay mora (mifanaraka aminy). ka izay tsy mahita kosa dia mifehy telo andro amin’ny fotoan’ny Hajy, ary fito (andro) rehefa miverina any aminareo ianareo, izany dia folo andro feno. Izany dia (natao) ho an’izay olona tsy manan-kavana monina manodidina ny Al-Masjid Al-Haram. ary matahora an’i Allah ianareo. fantaro fa Allah dia mafy sazy tokoa.
197الْحَجُّ أَشْهُرٌ مَّعْلُومَاتٌ ۚ فَمَن فَرَضَ فِيهِنَّ الْحَجَّ فَلَا رَفَثَ وَلَا فُسُوقَ وَلَا جِدَالَ فِي الْحَجِّ ۗ وَمَا تَفْعَلُوا مِنْ خَيْرٍ يَعْلَمْهُ اللَّهُ ۗ وَتَزَوَّدُوا فَإِنَّ خَيْرَ الزَّادِ التَّقْوَىٰ ۚ وَاتَّقُونِ يَا أُولِي الْأَلْبَابِ
Ny fivahinianana masina (Hajj) dia atao amin’ireo volana efa fantatra. Ka ho an’izay nanapa-kevitra ny hanatanteraka izany ao anatin’ireo volana ireo, dia tsy tokony hanao firaisana aranofo, na koa fiteny tsy mendrika, indrindra ny fifamaliana mandritra ny fivahinianana masina. Ary izay tsara ataonareo, dia fantatr’Allah avokoa. Ary mitondrà vatsy ianareo, hamafisina, fa ny vatsy tsara indrindra, dia ny fahatahorana an’Allah. Ka aoka ianareo hatahotra Ahy ry matsilo saina!
198لَيْسَ عَلَيْكُمْ جُنَاحٌ أَن تَبْتَغُوا فَضْلًا مِّن رَّبِّكُمْ ۚ فَإِذَا أَفَضْتُم مِّنْ عَرَفَاتٍ فَاذْكُرُوا اللَّهَ عِندَ الْمَشْعَرِ الْحَرَامِ ۖ وَاذْكُرُوهُ كَمَا هَدَاكُمْ وَإِن كُنتُم مِّن قَبْلِهِ لَمِنَ الضَّالِّينَ
Tsy misy tsiny ho anareo akory ny mikatsaka fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Tomponareo. Fa rehefa tafavory eo amin’ny tany Arafat ianareo, dia mahatsiarova an’Allah eo amin’ilay toerana masina. Mangataha Aminy ianareo tahaka ny nitarihany anareo amin’ny làla-marina, na dia isan’ireo very làlana aza ianareo talohan’izany.
199ثُمَّ أَفِيضُوا مِنْ حَيْثُ أَفَاضَ النَّاسُ وَاسْتَغْفِرُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Avy eo mandehana manao rodobe miaraka ianareo mankany amin’izay izoran’ny olona, ary mangataha famelan-keloka amin’i Allah ianareo. tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Fiantrana.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
197Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 197

Surah Al-Baqarah Andininy 197 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ny fivahinianana masina (Hajj) dia atao amin’ireo volana efa fantatra.…

Surah Andininy 197/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 195–199. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers