Al-Baqarah · 275/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
الَّذِينَ يَأْكُلُونَ الرِّبَا لَا يَقُومُونَ إِلَّا كَمَا يَقُومُ الَّذِي يَتَخَبَّطُهُ الشَّيْطَانُ مِنَ الْمَسِّ ۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوا إِنَّمَا الْبَيْعُ مِثْلُ الرِّبَا ۗ وَأَحَلَّ اللَّهُ الْبَيْعَ وَحَرَّمَ الرِّبَا ۚ فَمَن جَاءَهُ مَوْعِظَةٌ مِّن رَّبِّهِ فَانتَهَىٰ فَلَهُ مَا سَلَفَ وَأَمْرُهُ إِلَى اللَّهِ ۖ وَمَنْ عَادَ فَأُولَٰئِكَ أَصْحَابُ النَّارِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ ۝٢٧٥
Allazeena yaakuloonar ribaa laa yaqoomoona illaa kamaa yaqoomul lazee yatakhabbatuhush shaitaanu minal mass; zaalika bi annahum qaalooo innamal bai`u mishur ribaa; wa ahallal laahul bai`a wa harramar ribba; faman jaaa`ahoo maw`izatum mir rabbihee fantahaa falahoo maa salafa wa amruhooo ilal laahi wa man `aada fa ulaaa `ika Ashaabun naari hum feehaa khaalidoon
📖 Dikany Malagasy
Ireo izay mihinana ny zana-bola (ribà), dia tsy hitsangana amin’ny andro farany raha tsy tahaka ny hitsanganan’ny olona adala noho ny fifampikasohana tamin’i satana. Izany dia noho ny filazan’izy ireny hoe: “Tsy inona akory ny varotra fa sahala amin’ny fanjanaham-bola ihany”. Fa nataon’Allah ho ara-dalàna ny varotra, ary nataony ho voarara kosa ny fanjanaham-bola. Ka izay nahazo anatra avy amin’ny Tompony, dia nitsahatra tamin’izany, fa azy avokoa izay voahangony teo aloha; ary any amin’Allah ny momba azy. Fa izay mbola mifikitra amin’izany kosa, dia ireo indrindra no olon’ny Afobe izay hitoetra ao mandrakizay.

🎧 Henoy


📜 Andininy 273-277 — Surah Al-Baqarah

273لِلْفُقَرَاءِ الَّذِينَ أُحْصِرُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ لَا يَسْتَطِيعُونَ ضَرْبًا فِي الْأَرْضِ يَحْسَبُهُمُ الْجَاهِلُ أَغْنِيَاءَ مِنَ التَّعَفُّفِ تَعْرِفُهُم بِسِيمَاهُمْ لَا يَسْأَلُونَ النَّاسَ إِلْحَافًا ۗ وَمَا تُنفِقُوا مِنْ خَيْرٍ فَإِنَّ اللَّهَ بِهِ عَلِيمٌ
Ny fanomezana dia ho an’ireo mahantra izay raikitra tamin’ny asan’Allah, tsy afaka hivezivezy mba hitady amin’ny tany rehetra. Ny tsy mahalala, dia mihevitra azy ireo ho manana ny ampy noho ny fahaizany miharitra tsy mangataka amin'olona, ho fantatrao amin’ny endriny ihany anefa izy ireo. Tsy manao izay hahasorena ny olona izy ireo amin’ny fangatahana lavareny. Ka izay mety ho zavatsoa afoinareo omena, dia hamafisina, fa efa fantatr’Allah izany.
274الَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمْوَالَهُم بِاللَّيْلِ وَالنَّهَارِ سِرًّا وَعَلَانِيَةً فَلَهُمْ أَجْرُهُمْ عِندَ رَبِّهِمْ وَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ
Ireo izay mamoaka ny harenan'izy ireo amin’ny alina sy ny atoandro, miafina sy miharihary, ho azy ireo ny valin-kasasaran'izy ireo eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo. Ary tsy misy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo.
275الَّذِينَ يَأْكُلُونَ الرِّبَا لَا يَقُومُونَ إِلَّا كَمَا يَقُومُ الَّذِي يَتَخَبَّطُهُ الشَّيْطَانُ مِنَ الْمَسِّ ۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوا إِنَّمَا الْبَيْعُ مِثْلُ الرِّبَا ۗ وَأَحَلَّ اللَّهُ الْبَيْعَ وَحَرَّمَ الرِّبَا ۚ فَمَن جَاءَهُ مَوْعِظَةٌ مِّن رَّبِّهِ فَانتَهَىٰ فَلَهُ مَا سَلَفَ وَأَمْرُهُ إِلَى اللَّهِ ۖ وَمَنْ عَادَ فَأُولَٰئِكَ أَصْحَابُ النَّارِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Ireo izay mihinana ny zana-bola (ribà), dia tsy hitsangana amin’ny andro farany raha tsy tahaka ny hitsanganan’ny olona adala noho ny fifampikasohana tamin’i satana. Izany dia noho ny filazan’izy ireny hoe: “Tsy inona akory ny varotra fa sahala amin’ny fanjanaham-bola ihany”. Fa nataon’Allah ho ara-dalàna ny varotra, ary nataony ho voarara kosa ny fanjanaham-bola. Ka izay nahazo anatra avy amin’ny Tompony, dia nitsahatra tamin’izany, fa azy avokoa izay voahangony teo aloha; ary any amin’Allah ny momba azy. Fa izay mbola mifikitra amin’izany kosa, dia ireo indrindra no olon’ny Afobe izay hitoetra ao mandrakizay.
276يَمْحَقُ اللَّهُ الرِّبَا وَيُرْبِي الصَّدَقَاتِ ۗ وَاللَّهُ لَا يُحِبُّ كُلَّ كَفَّارٍ أَثِيمٍ
Hopotehin’i Allah ny tombontsoan’ny Ribà (fanjanaham-bola), ary hampitomboiny kosa ny tombontsoan’ny fanomezana. Ary i Allah dia tsy tia ireo tsy mpino, mpanota rehetra.
277إِنَّ الَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ وَأَقَامُوا الصَّلَاةَ وَآتَوُا الزَّكَاةَ لَهُمْ أَجْرُهُمْ عِندَ رَبِّهِمْ وَلَا خَوْفٌ عَلَيْهِمْ وَلَا هُمْ يَحْزَنُونَ
Tena marina fa ireo izay nino sy nanao asa soa, nanatanteraka ny Soalat (vavaka), ary namoaka ny Zakat (famoahana ampahan-karena), ho azy ireo ny valin-kasasarany eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo. Ary tsy misy hampatahotra azy ireo, ary tsy halahelo izy ireo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
275Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 275

Surah Al-Baqarah Andininy 275 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ireo izay mihinana ny zana-bola (ribà), dia tsy hitsangana amin’ny…

Surah Andininy 275/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 273–277. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers