Al-Ahzab · 6/73
Fandikana Fanononana — Al-Ahzab
النَّبِيُّ أَوْلَىٰ بِالْمُؤْمِنِينَ مِنْ أَنفُسِهِمْ ۖ وَأَزْوَاجُهُ أُمَّهَاتُهُمْ ۗ وَأُولُو الْأَرْحَامِ بَعْضُهُمْ أَوْلَىٰ بِبَعْضٍ فِي كِتَابِ اللَّهِ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ وَالْمُهَاجِرِينَ إِلَّا أَن تَفْعَلُوا إِلَىٰ أَوْلِيَائِكُم مَّعْرُوفًا ۚ كَانَ ذَٰلِكَ فِي الْكِتَابِ مَسْطُورًا ۝٦
An-Nabiyyu awlaa bil mu`mineena min anfusihim wa azwaajuhoo ummahatuhum wa ulul arbaami ba`duhum awlaa biba`din fee Kitaabil laahi minal mu`meneena wal Muhaajireena illaaa an taf`alooo ilaaa awliyaaa`ikum ma`roofaa; kaana zaalika fil kitaabi mastooraa
📖 Dikany Malagasy
Ny mpaminany no manana zo ambony kokoa amin’ireo mpino mihoatra amin’ny tenan’izy ireo; ary ireo vadiny dia renin’izy ireo, ireo rohim-pihavanana mamatotra ny andaniny sy ny ankilany dia manana zo kokoa araka ny Bokin’i Allah, nohon'ny rohy mampitambatra ireo mpino (avy ao Madina) sy ireo mpino mpifindra-monina (avy ao Makka), afa-tsy hoe nanao didim-pananana manokana (sadakat) ianareo ho an’ireo rahalahinareo (amin’ny finoana). Izany dia voarakitra ao anaty Boky.
🎧 Henoy

📜 Andininy 4-8 — Al-Ahzab

4مَّا جَعَلَ اللَّهُ لِرَجُلٍ مِّن قَلْبَيْنِ فِي جَوْفِهِ ۚ وَمَا جَعَلَ أَزْوَاجَكُمُ اللَّائِي تُظَاهِرُونَ مِنْهُنَّ أُمَّهَاتِكُمْ ۚ وَمَا جَعَلَ أَدْعِيَاءَكُمْ أَبْنَاءَكُمْ ۚ ذَٰلِكُمْ قَوْلُكُم بِأَفْوَاهِكُمْ ۖ وَاللَّهُ يَقُولُ الْحَقَّ وَهُوَ يَهْدِي السَّبِيلَ
Tsy nametraka fo roa ao an-tratran’ny olona Allah. Tsy nampitoviany tamin’ny Reninareo mihitsy ny vadinareo (izay roahinareo amin’ny teny hoe :) “Toy ny lamosin-dReniko ihany ianao (fady ahy)”. Tsy nataony mitovy amin’ny zaza naterakareo ny zaza natsanganareo. Teny naloaky ny vavanareo izany. Fa miteny ny marina Allah, ary Izy no mitarika (ny olona) ho amin’ny làlana tsara.
5ادْعُوهُمْ لِآبَائِهِمْ هُوَ أَقْسَطُ عِندَ اللَّهِ ۚ فَإِن لَّمْ تَعْلَمُوا آبَاءَهُمْ فَإِخْوَانُكُمْ فِي الدِّينِ وَمَوَالِيكُمْ ۚ وَلَيْسَ عَلَيْكُمْ جُنَاحٌ فِيمَا أَخْطَأْتُم بِهِ وَلَٰكِن مَّا تَعَمَّدَتْ قُلُوبُكُمْ ۚ وَكَانَ اللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا
Antsoinareo izy ireo amin’ny anaran’ny rainy, izany no tena marina eo anatrehan’i Allah. Raha tsy fantatrareo ny rain’izy ireo, dia raisonareo ho rahalahinareo ara-pinoana na koa namanareo izy ireo. Ary tsy hanananareo tsiny ny fahadisoana izay nataonareo tamin’izany, fa izay ninian’ny fonareo natao kosa (no hahazoanareo tsiny). Ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
6النَّبِيُّ أَوْلَىٰ بِالْمُؤْمِنِينَ مِنْ أَنفُسِهِمْ ۖ وَأَزْوَاجُهُ أُمَّهَاتُهُمْ ۗ وَأُولُو الْأَرْحَامِ بَعْضُهُمْ أَوْلَىٰ بِبَعْضٍ فِي كِتَابِ اللَّهِ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ وَالْمُهَاجِرِينَ إِلَّا أَن تَفْعَلُوا إِلَىٰ أَوْلِيَائِكُم مَّعْرُوفًا ۚ كَانَ ذَٰلِكَ فِي الْكِتَابِ مَسْطُورًا
Ny mpaminany no manana zo ambony kokoa amin’ireo mpino mihoatra amin’ny tenan’izy ireo; ary ireo vadiny dia renin’izy ireo, ireo rohim-pihavanana mamatotra ny andaniny sy ny ankilany dia manana zo kokoa araka ny Bokin’i Allah, nohon'ny rohy mampitambatra ireo mpino (avy ao Madina) sy ireo mpino mpifindra-monina (avy ao Makka), afa-tsy hoe nanao didim-pananana manokana (sadakat) ianareo ho an’ireo rahalahinareo (amin’ny finoana). Izany dia voarakitra ao anaty Boky.
7وَإِذْ أَخَذْنَا مِنَ النَّبِيِّينَ مِيثَاقَهُمْ وَمِنكَ وَمِن نُّوحٍ وَإِبْرَاهِيمَ وَمُوسَىٰ وَعِيسَى ابْنِ مَرْيَمَ ۖ وَأَخَذْنَا مِنْهُم مِّيثَاقًا غَلِيظًا
Ary rehefa nandray fifanekena avy tamin’ireo mpaminany izahay, ny avy taminao koa, avy tamin’i Noa, Ibrahimo, Mosa ary Issa (Jesoa) zanak’i Mariamo (Maria), dia nandray avy tamin’izy ireo ny fifanekena hentitra izahay,
8لِّيَسْأَلَ الصَّادِقِينَ عَن صِدْقِهِمْ ۚ وَأَعَدَّ لِلْكَافِرِينَ عَذَابًا أَلِيمًا
Mba hanontany ireo mpilaza ny marina Izy amin’ny fahamarinan’izy ireo. Ary nanomana famaizana mamirifiry ho an’ireo tsy mpino Izy.
Al-AhzabFizahan-takila Koraña
73Andininy
MedinanRevelation
6Andininy

Fandikana — Al-Ahzab 6

Surah Al-Ahzab Andininy 6 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ny mpaminany no manana zo ambony kokoa amin’ireo mpino mihoatra…

Surah Andininy 6/73 — Al-Ahzab الأحزاب (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Ahzab Henoy, Al-Ahzab Fandikana, Al-Ahzab mp3, Al-Ahzab pdf. Andininy 4–8. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers