Al-Hujurat · 12/18
Fandikana Fanononana — Al-Hujurat
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اجْتَنِبُوا كَثِيرًا مِّنَ الظَّنِّ إِنَّ بَعْضَ الظَّنِّ إِثْمٌ ۖ وَلَا تَجَسَّسُوا وَلَا يَغْتَب بَّعْضُكُم بَعْضًا ۚ أَيُحِبُّ أَحَدُكُمْ أَن يَأْكُلَ لَحْمَ أَخِيهِ مَيْتًا فَكَرِهْتُمُوهُ ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ تَوَّابٌ رَّحِيمٌ ۝١٢
Yaaa ayyuhal lazeena aamanuj taniboo kaseeram minaz zanni inna ba`daz zanniismunw wa laa tajassasoo wa la yaghtab ba`dukum ba`daa; a yuhibbu ahadukum any yaakula lahma akheehi maitan fakarih tumooh; wattaqul laa; innal laaha tawwaabur Raheem
📖 Dikany Malagasy
Ianareo mpino ! Alaviro ny ahiahy tafahoatra, satria fahotana ny am-pahany amin’ny ahiahy atao amin’ny olona. Ary aoka tsy hitsikilo olona ianareo, na hifampifosa ianareo samy ianareo. Misy mitia mihinana ny nofon’ny rahalahiny maty va ianareo? Harikoriko amin’izany ianareo. Koa aoka ianareo hatahotra an'I Allah. Fa fatra-pandray fibebahana Allah, ary be indrafo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 10-14 — Al-Hujurat

10إِنَّمَا الْمُؤْمِنُونَ إِخْوَةٌ فَأَصْلِحُوا بَيْنَ أَخَوَيْكُمْ ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ لَعَلَّكُمْ تُرْحَمُونَ
Mpirahalahy tokoa ireo mpino. Koa aoka ianareo hanatsara ny fifandraisana misy eo amin’ireo rahalahinareo, ary matahora Allah mba hahazoanareo ny famindram-po.
11يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا يَسْخَرْ قَوْمٌ مِّن قَوْمٍ عَسَىٰ أَن يَكُونُوا خَيْرًا مِّنْهُمْ وَلَا نِسَاءٌ مِّن نِّسَاءٍ عَسَىٰ أَن يَكُنَّ خَيْرًا مِّنْهُنَّ ۖ وَلَا تَلْمِزُوا أَنفُسَكُمْ وَلَا تَنَابَزُوا بِالْأَلْقَابِ ۖ بِئْسَ الِاسْمُ الْفُسُوقُ بَعْدَ الْإِيمَانِ ۚ وَمَن لَّمْ يَتُبْ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الظَّالِمُونَ
Ianareo mpino ! Aoka tsy haneso ny andian’olona iray ny andiany hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Ary aoka tsy haneso ireo vehivavy hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Aza mifanambany ianareo, ary aza mifanome anaram-bositra. Tena ratsy tokoa ny anarana maloto rehefa manam-pinoana ianareo. Ary na iza na iza tsy mibebaka dia izy ireny no olona mpanao ny tsy rariny.
12يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اجْتَنِبُوا كَثِيرًا مِّنَ الظَّنِّ إِنَّ بَعْضَ الظَّنِّ إِثْمٌ ۖ وَلَا تَجَسَّسُوا وَلَا يَغْتَب بَّعْضُكُم بَعْضًا ۚ أَيُحِبُّ أَحَدُكُمْ أَن يَأْكُلَ لَحْمَ أَخِيهِ مَيْتًا فَكَرِهْتُمُوهُ ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ ۚ إِنَّ اللَّهَ تَوَّابٌ رَّحِيمٌ
Ianareo mpino ! Alaviro ny ahiahy tafahoatra, satria fahotana ny am-pahany amin’ny ahiahy atao amin’ny olona. Ary aoka tsy hitsikilo olona ianareo, na hifampifosa ianareo samy ianareo. Misy mitia mihinana ny nofon’ny rahalahiny maty va ianareo? Harikoriko amin’izany ianareo. Koa aoka ianareo hatahotra an'I Allah. Fa fatra-pandray fibebahana Allah, ary be indrafo.
13يَا أَيُّهَا النَّاسُ إِنَّا خَلَقْنَاكُم مِّن ذَكَرٍ وَأُنثَىٰ وَجَعَلْنَاكُمْ شُعُوبًا وَقَبَائِلَ لِتَعَارَفُوا ۚ إِنَّ أَكْرَمَكُمْ عِندَ اللَّهِ أَتْقَاكُمْ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلِيمٌ خَبِيرٌ
Ry olombelona ! Noharianay avy amin’ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’I Allah, dia izay vonto-pinoana indrindra. Fa mahalala sy mahafantatra tsara ny zava-drehetra Allah.
14۞ قَالَتِ الْأَعْرَابُ آمَنَّا ۖ قُل لَّمْ تُؤْمِنُوا وَلَٰكِن قُولُوا أَسْلَمْنَا وَلَمَّا يَدْخُلِ الْإِيمَانُ فِي قُلُوبِكُمْ ۖ وَإِن تُطِيعُوا اللَّهَ وَرَسُولَهُ لَا يَلِتْكُم مِّنْ أَعْمَالِكُمْ شَيْئًا ۚ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Hoy ireo mpifindrafindra fonenana arabo : “Mino izahay”. Lazao hoe : “Tsy mbola manam-pinoana ianareo. Fa lazao kosa hoe : Mankato izahay, satria tsy mbola tafiditra am-ponareo ny finoana. Fa raha mankato an'I Allah sy ny Irany ianareo, dia hataony tsy misy very ny asanareo”. Mpamela heloka sy be indrafo Allah.
Al-HujuratFizahan-takila Koraña
18Andininy
MedinanRevelation
12Andininy

Fandikana — Al-Hujurat 12

Surah Al-Hujurat Andininy 12 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ianareo mpino ! Alaviro ny ahiahy tafahoatra, satria fahotana ny…

Surah Andininy 12/18 — Al-Hujurat الحجرات (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Hujurat Henoy, Al-Hujurat Fandikana, Al-Hujurat mp3, Al-Hujurat pdf. Andininy 10–14. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers