Surah Al-Qamar amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Qamar miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (55 Andininy — مكية). Al-Qamar Henoy, Al-Qamar Fandikana, Al-Qamar mp3, Al-Qamar pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Qamar

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
اقْتَرَبَتِ السَّاعَةُ وَانشَقَّ الْقَمَرُ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Manakaiky ilay ora, ary mitresaka ny volana.
وَإِن يَرَوْا آيَةً يُعْرِضُوا وَيَقُولُوا سِحْرٌ مُّسْتَمِرٌّ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Raha mahita fahagagana izy ireo, dia manome lamosina, ka miteny hoe : “ Majika maharitra izany ! ”
وَكَذَّبُوا وَاتَّبَعُوا أَهْوَاءَهُمْ ۚ وَكُلُّ أَمْرٍ مُّسْتَقِرٌّ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ary lazainy fa lainga, ka manaraka ny sitrapony izy ireo, nefa dia ho avy amin ‘ny fotoana ny zavatra tsirairay.
وَلَقَدْ جَاءَهُم مِّنَ الْأَنبَاءِ مَا فِيهِ مُزْدَجَرٌ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Nahazo vaovao izay nampitandrina azy anefa izy ireo.
حِكْمَةٌ بَالِغَةٌ ۖ فَمَا تُغْنِ النُّذُرُ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Fahendrena tonga lafatra. Saingy tsy misy ilan’izy ireo ny fampitandremana.
فَتَوَلَّ عَنْهُمْ ۘ يَوْمَ يَدْعُ الدَّاعِ إِلَىٰ شَيْءٍ نُّكُرٍ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Mialà amin’izy ireo ianao. Ny andro hiantsoan’ny mpiantso ho any amin’ny zavatra mampihoron-koditra.
خُشَّعًا أَبْصَارُهُمْ يَخْرُجُونَ مِنَ الْأَجْدَاثِ كَأَنَّهُمْ جَرَادٌ مُّنتَشِرٌ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Hivoaka avy any am-pasana izy ireo, hiondri-pijery; toy ny valala miparitaka.
مُّهْطِعِينَ إِلَى الدَّاعِ ۖ يَقُولُ الْكَافِرُونَ هَٰذَا يَوْمٌ عَسِرٌ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Hihazakazaka, hanalava tenda mankany amin’ny mpiantso, ka hiteny ireo tsy mpino hoe : “Andro sarotra tokoa ity ”.
۞ كَذَّبَتْ قَبْلَهُمْ قَوْمُ نُوحٍ فَكَذَّبُوا عَبْدَنَا وَقَالُوا مَجْنُونٌ وَازْدُجِرَ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Talohan’izy ireo, dia efa niampanga izany ho lainga ny vahoakan’i Noa, ka nolazainy ho mpandainga ny mpanomponay, ary hoy izy ireo : “ Adala izy io ! ”, ary dia voatosika izy.
فَدَعَا رَبَّهُ أَنِّي مَغْلُوبٌ فَانتَصِرْ ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Dia niantso ny Tompony izy hoe : “ Resy aho, ka apandreseo ! ”
فَفَتَحْنَا أَبْوَابَ السَّمَاءِ بِمَاءٍ مُّنْهَمِرٍ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Dia nosokafanay ireo varavaran’ny lanitra, ho amin’ny ranon'oram-baratra
وَفَجَّرْنَا الْأَرْضَ عُيُونًا فَالْتَقَى الْمَاءُ عَلَىٰ أَمْرٍ قَدْ قُدِرَ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Ary napoitranay avy amin'ny tany ireo loharano, ka nifanena ireo rano ireo araka ny fandaharana efa voafetra.
وَحَمَلْنَاهُ عَلَىٰ ذَاتِ أَلْوَاحٍ وَدُسُرٍ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Dia noentinay tamin'ny zavatra vita amin’ny hazo, sy fantsika izy.
تَجْرِي بِأَعْيُنِنَا جَزَاءً لِّمَن كَانَ كُفِرَ ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Nitsingevana teo ambany masonay ny valisoa ho an’ilay nolavina.
وَلَقَد تَّرَكْنَاهَا آيَةً فَهَلْ مِن مُّدَّكِرٍ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Ary navelanay ho toy ny famantarana izany mba misy mieritreritra va ?
فَكَيْفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
وَلَقَدْ يَسَّرْنَا الْقُرْآنَ لِلذِّكْرِ فَهَلْ مِن مُّدَّكِرٍ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?
كَذَّبَتْ عَادٌ فَكَيْفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Niampanga azy ho mpandainga ireo Aad. Nanao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
إِنَّا أَرْسَلْنَا عَلَيْهِمْ رِيحًا صَرْصَرًا فِي يَوْمِ نَحْسٍ مُّسْتَمِرٍّ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Nandefasanay rivo-mahery sady mamirifiry izy ireo, tamin’ny tonon’andro ratsy, tsy nanam-pahataperana.
تَنزِعُ النَّاسَ كَأَنَّهُمْ أَعْجَازُ نَخْلٍ مُّنقَعِرٍ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Nongotany tahaka ny vodin-kazona palma miala amin’ny vahany ny olona.
فَكَيْفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Manao ahona ny famaizako sy ny fampitandremako ?
وَلَقَدْ يَسَّرْنَا الْقُرْآنَ لِلذِّكْرِ فَهَلْ مِن مُّدَّكِرٍ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?
كَذَّبَتْ ثَمُودُ بِالنُّذُرِ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Nataon’ireo Thamod ho lainga ny fampitandremana.
فَقَالُوا أَبَشَرًا مِّنَّا وَاحِدًا نَّتَّبِعُهُ إِنَّا إِذًا لَّفِي ضَلَالٍ وَسُعُرٍ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Hoy izy ireo: “ Hanarak'olona avy eto amintsika ihany va isika ? Koa dia ho any amin’ny fahaverezana, sy ny hadalàna isika raha izany ".
أَأُلْقِيَ الذِّكْرُ عَلَيْهِ مِن بَيْنِنَا بَلْ هُوَ كَذَّابٌ أَشِرٌ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Nalefa taminy irery va ny hafatra fa tsy tamintsika rehetra ? Tena mpandainga rain-dahiny tokoa io, be hambo sady miavonavona.”
سَيَعْلَمُونَ غَدًا مَّنِ الْكَذَّابُ الْأَشِرُ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Ho fantatr’izy ireo rahampitso izay mpandainga rain-dahiny, feno fiheboana sady miavonavona.
إِنَّا مُرْسِلُو النَّاقَةِ فِتْنَةً لَّهُمْ فَارْتَقِبْهُمْ وَاصْطَبِرْ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Halefanay eo amin’izy ireo ny rameva vavy, ho fitsapana. Araho maso àry izy ireo, ka mahareta ianao.
وَنَبِّئْهُمْ أَنَّ الْمَاءَ قِسْمَةٌ بَيْنَهُمْ ۖ كُلُّ شِرْبٍ مُّحْتَضَرٌ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Lazao amin’izy ireo, fa ho zaraina aminy ny rano, ka samy hisotro isakan'ny anjaram-pisotroany izy ireo.
فَنَادَوْا صَاحِبَهُمْ فَتَعَاطَىٰ فَعَقَرَ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
Nantsoin’izy ireo ilay namany, izay nandray (sabatra), ka namono azy.
فَكَيْفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako?
إِنَّا أَرْسَلْنَا عَلَيْهِمْ صَيْحَةً وَاحِدَةً فَكَانُوا كَهَشِيمِ الْمُحْتَظِرِ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Nandefa hiaka tokana tamin’izy ireo Izahay, ka indro fa tahaka ny mololo anaty vala izy ireo.
وَلَقَدْ يَسَّرْنَا الْقُرْآنَ لِلذِّكْرِ فَهَلْ مِن مُّدَّكِرٍ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va?
كَذَّبَتْ قَوْمُ لُوطٍ بِالنُّذُرِ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Nataon’ny vahoakan’i Lota ho lainga ny fampitandremana.
إِنَّا أَرْسَلْنَا عَلَيْهِمْ حَاصِبًا إِلَّا آلَ لُوطٍ ۖ نَّجَّيْنَاهُم بِسَحَرٍ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Nandefa rivo-mahery tamin’izy ireo izahay, afa tsy tamin’ny fianakavian'i Lota, izay novonjenay talohan’ny mangiran-dratsy,
نِّعْمَةً مِّنْ عِندِنَا ۚ كَذَٰلِكَ نَجْزِي مَن شَكَرَ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Fahasoavana avy Aminay, toy izany no amalianay soa izay mahay mankasitraka.
وَلَقَدْ أَنذَرَهُم بَطْشَتَنَا فَتَمَارَوْا بِالنُّذُرِ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Nampitandrina azy ireo ny amin’ny famaizana avy Aminay anefa izy. Saingy nampisalasala azy ireo ny fampitandremana.
وَلَقَدْ رَاوَدُوهُ عَن ضَيْفِهِ فَطَمَسْنَا أَعْيُنَهُمْ فَذُوقُوا عَذَابِي وَنُذُرِ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Araka izany, dia nitady haka fanahy ireo vahinin'izy ireo, ka nataonay jamba ny masony : “Andramo ary ny Famaizako sy ny fampitandremako.”
وَلَقَدْ صَبَّحَهُم بُكْرَةً عَذَابٌ مُّسْتَقِرٌّ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Vao maraina dia azon’ny famaizana maharitra izy ireo.
فَذُوقُوا عَذَابِي وَنُذُرِ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Andramo àry ny famaizako sy ny fampitandremako.
وَلَقَدْ يَسَّرْنَا الْقُرْآنَ لِلذِّكْرِ فَهَلْ مِن مُّدَّكِرٍ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany mba misy mieritreritra va ?
وَلَقَدْ جَاءَ آلَ فِرْعَوْنَ النُّذُرُ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Tonga tamin’ireo olon’i Faraona tokoa ireo fampitandremana.
كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا كُلِّهَا فَأَخَذْنَاهُمْ أَخْذَ عَزِيزٍ مُّقْتَدِرٍ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Nataon’izy ireo ho lainga avokoa ny famantarana avy Aminay. Dia nosazianay izy ireo, amin’ny fanasazian’ilay tsitoha, ilay mahefa ny zavatra rehetra.
أَكُفَّارُكُمْ خَيْرٌ مِّنْ أُولَٰئِكُمْ أَمْ لَكُم بَرَاءَةٌ فِي الزُّبُرِ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Moa tsara kokoa noho izy ireny va ireo tsy mpino aminareo ? Sa misy fanafahana anareo tsy hanan-tsiny ao amin’ny raki-tsoratra ?
أَمْ يَقُولُونَ نَحْنُ جَمِيعٌ مُّنتَصِرٌ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Na hilaza izy ireo hoe : “Andehahitambatra isika, ary handresy.”
سَيُهْزَمُ الْجَمْعُ وَيُوَلُّونَ الدُّبُرَ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Ho rava tsy ho ela ny fitambaran’izy ireo, ka samy handositra.
بَلِ السَّاعَةُ مَوْعِدُهُمْ وَالسَّاعَةُ أَدْهَىٰ وَأَمَرُّ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Fa ny Ora no hifamotoanan’izy ireo ka hahatsiravina tokoa ilay Orano sady hangidy.
إِنَّ الْمُجْرِمِينَ فِي ضَلَالٍ وَسُعُرٍ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Anatin’ny fahaverezana sy ny hadalana tokoa ireo mpanao ratsy.
يَوْمَ يُسْحَبُونَ فِي النَّارِ عَلَىٰ وُجُوهِهِمْ ذُوقُوا مَسَّ سَقَرَ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Ny andro hitaritarihana azy ireo amin’ny tarehiny ao amin’ny afo (dia ho lazaina aminy hoe) : “Andramo ny fikasihana ny afobe.”
إِنَّا كُلَّ شَيْءٍ خَلَقْنَاهُ بِقَدَرٍ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Nahary ny zavatra rehetra amin’ny antony Izahay.
وَمَا أَمْرُنَا إِلَّا وَاحِدَةٌ كَلَمْحٍ بِالْبَصَرِ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Ary tokana ihany ny baikonay toy ny indray mipi-maso.
وَلَقَدْ أَهْلَكْنَا أَشْيَاعَكُمْ فَهَلْ مِن مُّدَّكِرٍ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Nandringana vahoaka mitovy aminareo tokoa Izahay. Misy mba mahatsiaro izany va ?
وَكُلُّ شَيْءٍ فَعَلُوهُ فِي الزُّبُرِ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Ary voasoratra ao amin’ny Boky avokoa izay nataon’izy ireo.
وَكُلُّ صَغِيرٍ وَكَبِيرٍ مُّسْتَطَرٌ ۝٥٣
📖 Fandikana Andininy 53
Ka voatahiry avokoa ny zava-nitranga na kely na lehibe.
إِنَّ الْمُتَّقِينَ فِي جَنَّاتٍ وَنَهَرٍ ۝٥٤
📖 Fandikana Andininy 54
Ho ao amin’ireo zaridaina sy renirano tokoa ireo vontom-pinoana.
فِي مَقْعَدِ صِدْقٍ عِندَ مَلِيكٍ مُّقْتَدِرٍ ۝٥٥
📖 Fandikana Andininy 55
Ao amin’ny toeram-pialan-tsasatra marina eo anatrehan’ilay Tompo Mahefa ny zavatra rehetra.
← 53 Al-Qamar (54/114) 55 →
Vakio Surah Al-Qamar Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

54القمر Al-Qamar 📚 55 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Qamar — 55 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers