PDF —
182 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah As-Saffat pdf — Alaino (Malagasy)

Surah As-Saffat pdf Malagasy — Alaino Surah As-Saffat Fandikana. Surah As-Saffat (Meccan) 182 Andininy.

← Ya-SinaSurah As-Saffat Sady →


182 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭑﭒﭓ
37:1 Mianiana amin’ireo izay nalahatra amin’ny laharana Aho,
ﭔﭕﭖ
37:2 Sy amin’ireo izay manosika mafy (ireo rahona),
ﭗﭘﭙ
37:3 Ary amin’ireo izay mamaky ho fampahatsiahivana (Koroany) :
ﭚﭛﭜﭝ
37:4 Hamafisina, fa tokana ny Zanaharinareo,
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
37:5 Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelany, ary Tompon’ireo fiposahan’ny masoandro ”.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬ
37:6 Hamafisina, fa Izahay no nampihaingo ny lanitra akaiky indrindra amin’ny ravak’ireo kintana,
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
37:7 Mba ho fiarovana amin’ny satana mpikomy rehetra,
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼ
37:8 Tsy afaka hihaino ireo manan-kaja ambony intsony izy ireo, satria ho torahana izy ireo avy amin’ny fitodihana rehetra,
ﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
37:9 Sady ho voatosika. Ary hahazo famaizana tsy manam-pahataperana izy ireo.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊ
37:10 Afa-tsy izay mihaino an-tsokosoko, dia hanenjika azy ny poti-kintana mandoaka.
ﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘ
37:11 Anontanio àry izy ireo, moa ve izy ireo no tena sarotra amboarina indrindra noho izay noharianay ? Fa fotaka madity no noharianay azy ireo.
ﮙﮚﮛﮜ
37:12 Nefa gaga ianao, ary maneso izy ireo.
ﮝﮞﮟﮠﮡ
37:13 Ary rehefa ampahatsiahivina (ny Kor’ány) izy ireo, dia tsy mandray izany.
ﮢﮣﮤﮥﮦ
37:14 Ary rehefa mahita famantarana izy ireo, dia manao izay hanesoana izany.
ﮧﮨﮩﮪﮫﮬﮭ
37:15 Ary miteny izy ireo hoe: “Majika miharihary ihany izany ”.
ﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
37:16 Rehefa maty izahay, ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho velomina indray ve ?
ﯗﯘﯙ
37:17 Na koa ireo razambenay taloha ? ”
ﯚﯛﯜﯝﯞ
37:18 Dia lazao hoe : “Eny ! Ary ho ambany tokoa ianareo”.
ﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦ
37:19 Tsy hisy afa-tsy hiaka tokana ihany, dia indro izy ireo fa hijery.
ﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
37:20 Ka hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Tonga ny andro hanomezana ny valin-kasasarana”.
ﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
37:21 “Izany no andro fitsarana, izay nolazainareo fa lainga”.
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽ
37:22 “Angoninareo ireo izay nanao ny tsy rariny sy ny vadin’izy ireo, ary izay rehetra notompoiny,
ﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅ
37:23 Ankoatran'I Allah dia tarihinareo makany amin’ny làlan’ny afobe izy ireo.
ﰆﰇﰈﰉﰊ
37:24 Ary ajanony izy ireo fa tsy maintsy hanontaniana.
ﭑﭒﭓﭔﭕ
37:25 “Nahoana àry ianareo no tsy mifamonjy ? ”
ﭖﭗﭘﭙﭚ
37:26 Nefa amin’izany andro izany dia hankato tanteraka izy ireo
ﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
37:27 Ary hifampitodika izy ireo hifanontany
ﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧ
37:28 Hiteny izy ireo hoe : “Tonga taminay tamin’ny fanehoana ny tsara ianareo”.
ﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
37:29 Dia hoy izy ireo hoe : “ Ianareo koa aza tsy nino ”.
ﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹ
37:30 Ary izahay dia tsy nanana fahefana taminareo. Fa ianareo kosa dia efa vahoaka mpihoa-pefy.
ﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁ
37:31 Ary dia tanteraka aminay àry izao ny tenin’ny Tomponay, ka hanandrana (famaizana) tokoa izahay
ﮂﮃﮄﮅﮆ
37:32 Nofitahinay tokoa ianareo fa raha ny marina dia izahay mihitsy no efa very lalana.
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌ
37:33 Ary amin’izany andro izany dia hitambatra ao anatin’ny famaizana izy rehetra.
ﮍﮎﮏﮐﮑ
37:34 Tahaka izany tokoa no hanaovanay ireo mpanao heloka bevava.
ﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
37:35 Rehefa nilazana izy ireo hoe : “Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah” dia nanambony tena izy ireo.
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
37:36 Ary niteny hoe : “Moa ve izahay no hamela ireo zanaharinay nohon'ny mpanao tononkalo adala ?”
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩ
37:37 Kanefa tonga niaraka tamin’ny fahamarinana izy ary nanamarina ireo Iraka (teo aloha).
ﮪﮫﮬﮭﮮ
37:38 Marina tokoa fa ianareo dia tena hanandrana ny famaizana mangirifiry.
ﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
37:39 Ary tsy omena valin’asa ianareo raha tsy araka ny asa nataonareo ihany
ﯗﯘﯙﯚﯛ
37:40 Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy
ﯜﯝﯞﯟﯠ
37:41 Ho azy ireny ny valin-kasasarana efa fantatra
ﯡﯢﯣﯤ
37:42 Voankazo maro ary omen-kaja izy ireo
ﯥﯦﯧﯨ
37:43 .Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana
ﯩﯪﯫﯬ
37:44 Eo ambonin’ireo farafara mifanatrika.
ﯭﯮﯯﯰﯱﯲ
37:45 Ho entina mitety azy ireo ny kaopy feno rano avy amin’ny loharano.
ﯳﯴﯵﯶ
37:46 Fotsy, ankafizin’ireo mpisotro azy.
ﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾ
37:47 Tsy misy hahavery (ny sain’izy ireo) ao, ary tsy hahamamo azy ireo izany.
ﯿﰀﰁﰂﰃ
37:48 Ary izy ireo dia hanana vehivavy tsara, manana fijery maontina, baribary maso.
ﰄﰅﰆﰇ
37:49 Izy ireo dia tahaka ny atody voatahiry tsara.
ﰈﰉﰊﰋﰌﰍ
37:50 Ary ny sasany amin'izy ireo dia hitodika amin'ny ankilany hifanontany.
ﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕ
37:51 Hiteny ny iray amin’izy ireo hoe : “Izaho dia nana-namana"
ﭑﭒﭓﭔﭕ
37:52 Izay niteny hoe : “moa ve ianao tena anisan’ireo mpino ?”
ﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
37:53 “Moa ve raha maty isika ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho tsaraina ?”
ﭞﭟﭠﭡﭢ
37:54 Hiteny izy hoe : “ Moa ve ianareo mba te-hitazana avy aty ambony ?”
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨ
37:55 Dia nijery avy eny ambony izy ka nahatazana azy teo afovoan’ny afobe
ﭩﭪﭫﭬﭭﭮ
37:56 Ary hiteny izy hoe : “Mianiana amin’I Allah aho fa saika noverezinao aho !”
ﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵ
37:57 Ary raha tsy noho ny fahasoavan’ny Tompoko dia tena anisan’ireo tao (anatin’ny afobe) koa aho.
ﭶﭷﭸﭹ
37:58 Moa ve marina fa tsy ho faty isika,
ﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀ
37:59 Afa-tsy ny fahafatesantsika tamin’ny voalohany ary tsy ho faizina isika”
ﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
37:60 Marina fa izany tokoa ilay fahombiazana lehibe.
ﮇﮈﮉﮊﮋ
37:61 Ho an’ny zavatra toy izany no tokony hiasan’ireo izay miasa.
ﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
37:62 Moa ve tsy izany no mendrika kokoa ho fonenana sa ny hazon’ny Zakkom[105]
ﮓﮔﮕﮖﮗ
37:63 Marina fa Izahay dia nanao izany ho fitsapana ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.
ﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞ
37:64 Izany dia hazo izay mivoaka avy any amin’ny farany ambany amin’ny afobe.
ﮟﮠﮡﮢﮣ
37:65 Ireo voany dia tahaka ny lohan’ireo satana.
ﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪ
37:66 Tsy maintsy mihinana amin'izany izy ireo ary hameno ny kibony
ﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
37:67 Manaraka izany dia hisy avy eny ambony ny fifangaroan-drano ratsy, mangotraka ho an’izy ireo.
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙ
37:68 Ary ny fiverenan’izy ireo dia mankany amin’ny afobe (Djahim)
ﯚﯛﯜﯝﯞ
37:69 Izy ireo dia nahita ireo razambeny tao anatin’ny fahaverezana
ﯟﯠﯡﯢﯣ
37:70 Koa indro izy ireo mihazakazaka manaraka ny dian’izy ireo.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
37:71 Ary izany no tena nahavery ny ankamaroan’ireo efa talohan’izy ireo.
ﯪﯫﯬﯭﯮ
37:72 Ary efa nalefanay tokoa tamin’izy ireo ny mpampitandrina maro.
ﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
37:73 Jereo àry, mba nanao ahoana ny fiafaran’ireo izay nahazo fampitandremana !
ﯵﯶﯷﯸﯹ
37:74 Afa-tsy ireo mpanompon’i Allah izay voafidy.
ﯺﯻﯼﯽﯾﯿ
37:75 Ary efa niantso anay tokoa i Noa fa izahay no mpamaly ny antso tsara indrindra.
ﰀﰁﰂﰃﰄﰅ
37:76 Ary navotanay izy sy ny fianakaviany tamin’ny tebiteby lehibe.
ﭑﭒﭓﭔﭕ
37:77 Ary nataonay ny taranany no hany sisa tavela.
ﭖﭗﭘﭙﭚ
37:78 Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
ﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
37:79 Fiadanana ho an’i Noa eo amin’izao tontolo izao
ﭡﭢﭣﭤﭥ
37:80 Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
ﭦﭧﭨﭩﭪ
37:81 Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.
ﭫﭬﭭﭮ
37:82 Ary dia narendrikay ireo vahoaka sasany.
ﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
37:83 Ary anisany mpiray finoana aminy tokoa i Ibrahim (Abrahama)
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺ
37:84 Raha tonga tamin’ny Tompony izy amin’ny fo madio.
ﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁ
37:85 Rehefa niteny izy tamin’ny Rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?"
ﮂﮃﮄﮅﮆﮇ
37:86 Mitady Tompo maro hafa ivelan’I Allah ve ianareo ?
ﮈﮉﮊﮋﮌ
37:87 Inona ary ny hevitrareo mahakasika ny Tompon'izao tontolo izao ?
ﮍﮎﮏﮐﮑ
37:88 Avy eo dia nanopy maso izy ka nijery ireo kintana
ﮒﮓﮔﮕ
37:89 Sady niteny izy hoe : “Marina tokoa fa marary aho”
ﮖﮗﮘﮙ
37:90 Nimboho azy izy ireo dia nandeha.
ﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
37:91 Dia nizotra moramora nankany amin’ny sampin’izy ireo izy, ary niteny hoe : “Moa ve tsy mihinana ianareo ?"
ﮡﮢﮣﮤﮥ
37:92 Fa inona no tsy mampiteny anareo?
ﮦﮧﮨﮩﮪ
37:93 Avy eo nokapohiny antsokosoko izy ireo tamin’ny tanany havanana.
ﮫﮬﮭﮮ
37:94 Tamin’izany dia nanantona azy am-pihazakazahana ireo olona.
ﮯﮰﮱﯓﯔ
37:95 Niteny (tamin’izy ireo) izy hoe : “Moa ve ianareo dia manompo izay (sary) nataonareo ihany".
ﯕﯖﯗﯘﯙ
37:96 Nefa I Allah no nahary anareo sy izay ataonareo
ﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡ
37:97 Niteny izy ireo hoe : “Hanamboary fata-mihiboka (lafaoro) ho azy ka atsipio ao anatin’ny afo mamaivay izy.
ﯢﯣﯤﯥﯦﯧ
37:98 Nitady hanao teti-dratsy taminy izy ireo ; ka nataonay latsaka ambany indrindra izy ireo.
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮ
37:99 Ary niteny izy hoe : Izaho dia handeha any amin’ny Tompoko ary hitari-dalana ahy Izy.
ﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
37:100 Tompo ô ! Omeo taranaka mba ho anisan’ireo mpanao soa aho.
ﯵﯶﯷﯸ
37:101 Nolazainay vaovao mahafaly izy fa hahazo zazalahy be fangoraham-po.
ﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕ
37:102 Ary rehefa nahatratra ny taona ahafahany miaraka aminy izy dia niteny (Ibrahimo) hoe: “Anaka, izaho dia nahita tamin’ny nofy fa nanao sorona anao. Ka ahoana àry ny fahitanao izany”. Niteny (Ismaely) hoe: “Ry dada ô! Ataovy izay nandidiana anao fa ho hitanao aho, raha sitrak’i Allah, fa anisan’ireo manam-paharetana.
ﭑﭒﭓﭔﭕ
37:103 Avy eo rehefa nanaiky (ny didin’i Allah) izy roa dia nojereny,
ﭖﭗﭘﭙ
37:104 Ka indro Izahay niantso azy hoe: “ Ô ry Ibrahimo !
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢ
37:105 Tena notanterahinao tokoa ny nofy. Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa.
ﭣﭤﭥﭦﭧﭨ
37:106 Izany tokoa no fitsapana tena miharihary.
ﭩﭪﭫﭬ
37:107 Ary nosolonay izy (Ismaely) tamin’ny alalan’ny fanatitra lehibe.
ﭭﭮﭯﭰﭱ
37:108 Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
ﭲﭳﭴﭵ
37:109 “Fiadanana anie ho amin’i Ibrahimo”.
ﭶﭷﭸﭹ
37:110 Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa
ﭺﭻﭼﭽﭾ
37:111 Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.
ﭿﮀﮁﮂﮃﮄ
37:112 Ary nolazanay azy ny vaovao mahafaly momban'i Isaka (Ishaka), izay ho mpaminany anisan’ireo olo-mendrika.
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐ
37:113 Ary nohasoavinay izy sy Isaka ary misy amin’ny taranak’izy ireo ny mpanao asa tsara sy ny mpanao ny tsy rariny miharihary amin’ny tenany.
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖ
37:114 Ary efa nomenay tombotsoa i Mosesy sy Harona,
ﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
37:115 Ary navotanay izy roa sy ny vahoakany tamin’ny tebiteby lehibe.
ﮝﮞﮟﮠﮡ
37:116 Ary novonjenay izy ireo ary dia izy ireo no mpandresy.
ﮢﮣﮤﮥ
37:117 Ary nomenay azy roa ny Boky mazava.
ﮦﮧﮨﮩ
37:118 Ary notarihinay amin’ny lalana mahitsy izy roa
ﮪﮫﮬﮭﮮ
37:119 Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy roa.
ﮯﮰﮱﯓﯔ
37:120 “ Fiadanana anie ho amin’i Mosesy sy Harona ”.
ﯕﯖﯗﯘﯙ
37:121 Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
ﯚﯛﯜﯝﯞ
37:122 Tena marina fa izy roa dia anisan’ireo mpanomponay mpino.
ﯟﯠﯡﯢﯣ
37:123 Ary marina fa i Ilyasa (Elia) dia anisan’ireo Iraka.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
37:124 Rehefa niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : " Moa ve tsy matahotra ianareo ?"
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
37:125 Mitalaho amin’i Baal ve ianareo? Ary avelanareo Ilay Tsara indrindra amin’ireo mpahary
ﯰﯱﯲﯳﯴﯵ
37:126 I Allah no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.
ﭑﭒﭓﭔ
37:127 Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga Izy, tena marina fa izy ireo dia ho ao (anatin’ny afobe).
ﭕﭖﭗﭘﭙ
37:128 Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.
ﭚﭛﭜﭝﭞ
37:129 Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
ﭟﭠﭡﭢﭣ
37:130 “ Fiadanana anie ho amin’I Iliyasa sy ireo mpanaraka azy ”.
ﭤﭥﭦﭧﭨ
37:131 Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
ﭩﭪﭫﭬﭭ
37:132 Tena marina fa izy dia anisan'ireo mpanomponay mpino.
ﭮﭯﭰﭱﭲ
37:133 Ary tena marina fa i Lota dia anisan’ireo iraka.
ﭳﭴﭵﭶﭷ
37:134 Rehefa navotanay izy sy ny fianakaviany manontolo
ﭸﭹﭺﭻﭼ
37:135 Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana.
ﭽﭾﭿﮀ
37:136 Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany.
ﮁﮂﮃﮄﮅ
37:137 Ary marina fa ianareo dia tena mandalo eo amin’izy ireo amin’ny maraina
ﮆﮇﮈﮉﮊ
37:138 Sy amin’ny alina. Moa ve tsy mba misaina ianareo?
ﮋﮌﮍﮎﮏ
37:139 Ary marina fa i Younouss (Jonasy) dia anisan’ireo iraka.
ﮐﮑﮒﮓﮔﮕ
37:140 Rehefa nandositra tamin’ilay sambo feno izy
ﮖﮗﮘﮙﮚ
37:141 Dia nandray anjara tamin’ny ankitsapaka ka voatendry ho anisan’ny atsipy (anatin’ny ranomasina) izy.
ﮛﮜﮝﮞﮟ
37:142 Ka natelin’ny trondro izy fa mendrika omena tsiny.
ﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
37:143 Raha tsy anisan’ireo mpidera ny voninahitr’i Allah izy
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
37:144 Dia tokony ho tavela tao anatin’ny kibony (trondro) mandra-pahatonga ny andro hananganana azy amin’ny maty.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓ
37:145 Natsipinay teny an-tanety izy ary izy dia tsy salama.
ﯔﯕﯖﯗﯘﯙ
37:146 Ary dia nampanirianay voatavo ny teo amboniny.
ﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠ
37:147 Ary nalefanay izy (ho mpaminany) tany amin’ny vahoaka iray hetsy na mihoatra.
ﯡﯢﯣﯤﯥ
37:148 Koa nino izy ireo ary nomenay azy ireo ny fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.
ﯦﯧﯨﯩﯪﯫ
37:149 Hametrao fanontaniana àry izy ireo: “ Moa ve ho an’ny Tomponao ireo zazavavy ary ho azy ireo ny zazalahy?
ﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲ
37:150 Na noharianay ho vavy ireo anjely ary izy ireo no vavolombelona?
ﯳﯴﯵﯶﯷﯸ
37:151 Marina fa izy ireo dia niteny tamin’ny lainga nataon’izy ireo hoe
ﯹﯺﯻﯼﯽ
37:152 “Nanan-janaka I Allah” ary marina fa izy ireo dia tena mpandainga
ﯾﯿﰀﰁﰂ
37:153 Moa ve tsy nisafidy ireo zaza vavy Izy noho ireo zaza lahy ?
ﭑﭒﭓﭔﭕ
37:154 Inona no mahazo anareo? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo?
ﭖﭗﭘ
37:155 Moa tsy mieritreritra ve ianareo?
ﭙﭚﭛﭜﭝ
37:156 Sa manana porofo mazava ianareo?
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣ
37:157 Ento àry ny Bokinareo raha toa ka marina ny anareo.
ﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯ
37:158 Ary nataon’izy ireo misy rohim-pihavanana eo Aminy sy ireo Djiny; nefa efa fantatr’ireo Djiny fa izy ireo dia tena ho ao (amin’ny afobe).
ﭰﭱﭲﭳﭴ
37:159 Voninahitra anie ho an’I Allah noho izay hamaritan’izy ireo Azy
ﭵﭶﭷﭸﭹ
37:160 Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.
ﭺﭻﭼﭽ
37:161 Marina fa ianareo sy izay tompoinareo
ﭾﭿﮀﮁﮂ
37:162 Dia tsy afaka maka fanahy (na iza na iza) ianareo amin’izany
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈ
37:163 Afa-tsy izay hiditra ao anatin’ny afobe (Djahim).
ﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏ
37:164 Tsy misy na dia iray aza aminay ka tsy manana toerana efa fantatra
ﮐﮑﮒﮓ
37:165 Ary izahay (Anjely) dia tena milahatra araka ny laharana
ﮔﮕﮖﮗ
37:166 Ary izahay no tena mpidera ny voninahitr’I Allah
ﮘﮙﮚﮛ
37:167 Ary izy ireo dia tena manana fahazarana miteny hoe :
ﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
37:168 Raha nanana fampahatsiahivana avy tamin’ny razambenay izahay
ﮣﮤﮥﮦﮧ
37:169 Dia tena efa lasa mpanompo voafidin’I Allah izahay!
ﮨﮩﮪﮫﮬﮭ
37:170 Tsy nino izany izy ireo ary dia ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.
ﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
37:171 Ary efa nomenay ireo Iraka Mpanomponay ny Teninay,
ﯕﯖﯗﯘ
37:172 Fa izy ireo no tena hahazo ny fanavotana
ﯙﯚﯛﯜﯝ
37:173 Ary ny miaramilanay no tena ho mpandresy.
ﯞﯟﯠﯡﯢ
37:174 Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy
ﯣﯤﯥﯦ
37:175 Ary araho maso izy ireo fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !
ﯧﯨﯩ
37:176 Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina?
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰ
37:177 Fa raha ho latsaka amin’ny toeran’izy ireo izany dia ho ratsy tokoa ny marainan’ireo izay nampitandremina!
ﯱﯲﯳﯴﯵ
37:178 Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy;
ﯶﯷﯸﯹ
37:179 Ary araho maso fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !
ﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀ
37:180 Voninahitra anie ho an’ny Tomponao, Ilay Tompon’ny Hery noho izay hamaritan’izy ireo Azy.
ﰁﰂﰃﰄ
37:181 Ka fiadanana anie ho amin’ireo Iraka
ﰅﰆﰇﰈﰉ
37:182 Ary Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers