Al-Baqarah · 255/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
اللَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ الْحَيُّ الْقَيُّومُ ۚ لَا تَأْخُذُهُ سِنَةٌ وَلَا نَوْمٌ ۚ لَّهُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۗ مَن ذَا الَّذِي يَشْفَعُ عِندَهُ إِلَّا بِإِذْنِهِ ۚ يَعْلَمُ مَا بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَمَا خَلْفَهُمْ ۖ وَلَا يُحِيطُونَ بِشَيْءٍ مِّنْ عِلْمِهِ إِلَّا بِمَا شَاءَ ۚ وَسِعَ كُرْسِيُّهُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ ۖ وَلَا يَئُودُهُ حِفْظُهُمَا ۚ وَهُوَ الْعَلِيُّ الْعَظِيمُ ۝٢٥٥
Allahu laaa ilaaha illaa Huwal Haiyul Qaiyoom; laa taakhuzuhoo sinatunw wa laa nawm; lahoo maa fissamaawaati wa maa fil ard; man zal lazee yashfa`u indahooo illaa bi-iznih; ya`lamu maa baina aydeehim wa mww khalfahum wa laa yuheetoona bishai`im min `ilmihee illaa bimaa shaaa`; wasi`a Kursiyyuhus samaawaati wal arda wa laa ya`ooduho hifzuhumaa; wa Huwal Aliyyul `Azeem
📖 Dikany Malagasy
Allah, tsy misy tompo afa-tsy Izy, Ilay Velona mandrakizay, Ilay tsy miankina na amin’iza na amin’iza, tsy mba rendremana Izy na handairan’ny torimaso. Azy avokoa izay rehetra any andanitra manontolo sy izay rehetra ety an-tany. Koa zovy no hanao fanelanelanana eo Aminy, raha tsy alàlana avy Aminy? Hainy ny eo am-pelatanan’izy ireo (ho avy) sy ny any aorinan’izy ireo (lasa). Tsy misy mahafehy ny ampahany amin’ny fahaizany raha tsy izay sitrany homena izany. Ary manenika ny lanitra manontolo sy ny tany ny Seza Fiandrianany. Ka tsy misy vesatra Aminy akory ny fifehezana azy roa ireo. Ary Izy no Ilay avo indrindra, Ilay lehibe indrindra.
🎧 Henoy

📜 Andininy 253-257 — Al-Baqarah

253۞ تِلْكَ الرُّسُلُ فَضَّلْنَا بَعْضَهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ ۘ مِّنْهُم مَّن كَلَّمَ اللَّهُ ۖ وَرَفَعَ بَعْضَهُمْ دَرَجَاتٍ ۚ وَآتَيْنَا عِيسَى ابْنَ مَرْيَمَ الْبَيِّنَاتِ وَأَيَّدْنَاهُ بِرُوحِ الْقُدُسِ ۗ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ مَا اقْتَتَلَ الَّذِينَ مِن بَعْدِهِم مِّن بَعْدِ مَا جَاءَتْهُمُ الْبَيِّنَاتُ وَلَٰكِنِ اخْتَلَفُوا فَمِنْهُم مَّنْ آمَنَ وَمِنْهُم مَّن كَفَرَ ۚ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ مَا اقْتَتَلُوا وَلَٰكِنَّ اللَّهَ يَفْعَلُ مَا يُرِيدُ
Amin'ireny Iraka ireny, dia misy sasany nomenay tombom-pahasoavana mihoatra ny hafa. Misy amin'izy ireny no notenenin'i Allah mivantana ary misy sasany tamin'izy ireny nasandratany voninahitra ary nomenay porofo miharihary i Jesoa Zanakin'i Maria ary notohananay Izy tamin'ny fanahy masina. Ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively ireo Olona sasany taorian'izy ireo taorian'ny nahatongavan'ireo porofo teo Aminy, ka nefa dia nifanohitra izy ireo, ka ny sasany tamin'izy ireny nisafidy ny hino, ary ny sasany kosa dia nisafidy ny tsy hino ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively izy ireny, saingy i Allah no manao izay tiany.
254يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا أَنفِقُوا مِمَّا رَزَقْنَاكُم مِّن قَبْلِ أَن يَأْتِيَ يَوْمٌ لَّا بَيْعٌ فِيهِ وَلَا خُلَّةٌ وَلَا شَفَاعَةٌ ۗ وَالْكَافِرُونَ هُمُ الظَّالِمُونَ
Ô Ianareo izay nino ! Manaova fandaniana amin’izay anjara nomenay anareo, alohan’ny hahatongavan’ny andro tsy hisy fifanakalozana ara-barotra, na fisakaizana, na fanelanelanana. Ary ireo tsy mpino no mpanao ny tsy rariny.
255اللَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ الْحَيُّ الْقَيُّومُ ۚ لَا تَأْخُذُهُ سِنَةٌ وَلَا نَوْمٌ ۚ لَّهُ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۗ مَن ذَا الَّذِي يَشْفَعُ عِندَهُ إِلَّا بِإِذْنِهِ ۚ يَعْلَمُ مَا بَيْنَ أَيْدِيهِمْ وَمَا خَلْفَهُمْ ۖ وَلَا يُحِيطُونَ بِشَيْءٍ مِّنْ عِلْمِهِ إِلَّا بِمَا شَاءَ ۚ وَسِعَ كُرْسِيُّهُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ ۖ وَلَا يَئُودُهُ حِفْظُهُمَا ۚ وَهُوَ الْعَلِيُّ الْعَظِيمُ
Allah, tsy misy tompo afa-tsy Izy, Ilay Velona mandrakizay, Ilay tsy miankina na amin’iza na amin’iza, tsy mba rendremana Izy na handairan’ny torimaso. Azy avokoa izay rehetra any andanitra manontolo sy izay rehetra ety an-tany. Koa zovy no hanao fanelanelanana eo Aminy, raha tsy alàlana avy Aminy? Hainy ny eo am-pelatanan’izy ireo (ho avy) sy ny any aorinan’izy ireo (lasa). Tsy misy mahafehy ny ampahany amin’ny fahaizany raha tsy izay sitrany homena izany. Ary manenika ny lanitra manontolo sy ny tany ny Seza Fiandrianany. Ka tsy misy vesatra Aminy akory ny fifehezana azy roa ireo. Ary Izy no Ilay avo indrindra, Ilay lehibe indrindra.
256لَا إِكْرَاهَ فِي الدِّينِ ۖ قَد تَّبَيَّنَ الرُّشْدُ مِنَ الْغَيِّ ۚ فَمَن يَكْفُرْ بِالطَّاغُوتِ وَيُؤْمِن بِاللَّهِ فَقَدِ اسْتَمْسَكَ بِالْعُرْوَةِ الْوُثْقَىٰ لَا انفِصَامَ لَهَا ۗ وَاللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Tsy misy faneriterena amin’ny finoana. Efa mazava ny làlan’ny fahitsiana amin’ny fahaverezana. Ka n'iza n'iza tsy mankato ireo sampy [35], ka mino an’i Allah dia efa nitazona ny tady mafy izy izay tsy hisy triatra Aminy. Ary Allah dia tena Maheno indrindra sy Mahalala ny zava-drehetra.
257اللَّهُ وَلِيُّ الَّذِينَ آمَنُوا يُخْرِجُهُم مِّنَ الظُّلُمَاتِ إِلَى النُّورِ ۖ وَالَّذِينَ كَفَرُوا أَوْلِيَاؤُهُمُ الطَّاغُوتُ يُخْرِجُونَهُم مِّنَ النُّورِ إِلَى الظُّلُمَاتِ ۗ أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ النَّارِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Allah no Mpiahy ireo izay nino, manala azy ireo avy ao amin’ny haizina mankany amin’ny hazavana Izy. Ary ireo izay tsy nino kosa, ny mpiahy azy ireo dia sampy, manala azy ireo avy ao amin’ny hazavana mankany amin’ny haizina. ka izy ireny no olon’Afobe, ka hitoetra ao mandrakizay.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
255Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 255

Surah Al-Baqarah Andininy 255 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Allah, tsy misy tompo afa-tsy Izy, Ilay Velona mandrakizay, Ilay…

Surah Andininy 255/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 253–257. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers