Al-Baqarah · 254/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَنفِقُواْ مِمَّا رَزَقۡنَٰكُم مِّن قَبۡلِ أَن يَأۡتِيَ يَوۡمٌ لَّا بَيۡعٌ فِيهِ وَلَا خُلَّةٌ وَلَا شَفَٰعَةٌۗ وَٱلۡكَٰفِرُونَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ ٢٥٤
Transliteration
Yaa ayyuhal lazeena aamanoo anfiqoo mimmaa razaqnaakum min qabli ai yaatiya yawmul laa bai`un fee wa la khullatunw wa laa shafaa`ah; walkaa firoona humuz zaalimoon
Fandikana (Dikany Malagasy)
📖 Dikany Malagasy
Ô Ianareo izay nino ! Manaova fandaniana amin’izay anjara nomenay anareo, alohan’ny hahatongavan’ny andro tsy hisy fifanakalozana ara-barotra, na fisakaizana, na fanelanelanana. Ary ireo tsy mpino no mpanao ny tsy rariny.
Additional reference in Kiswahili
🎧 Henoy
📜 Andininy 252-256 — Al-Baqarah
252تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱللَّهِ نَتۡلُوهَا عَلَيۡكَ بِٱلۡحَقِّۚ وَإِنَّكَ لَمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Izany rehetra izany, dia andian-teny famantarana avy amin’Allah, notanisainay taminao amim-pahamarinana. Ary hamafisina, fa ianao dia isan’ireo Iraka.
253۞ تِلۡكَ ٱلرُّسُلُ فَضَّلۡنَا بَعۡضَهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٍۘ مِّنۡهُم مَّن كَلَّمَ ٱللَّهُۖ وَرَفَعَ بَعۡضَهُمۡ دَرَجَٰتٍۚ وَءَاتَيۡنَا عِيسَى ٱبۡنَ مَرۡيَمَ ٱلۡبَيِّنَٰتِ وَأَيَّدۡنَٰهُ بِرُوحِ ٱلۡقُدُسِۗ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَا ٱقۡتَتَلَ ٱلَّذِينَ مِنۢ بَعۡدِهِم مِّنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَتۡهُمُ ٱلۡبَيِّنَٰتُ وَلَٰكِنِ ٱخۡتَلَفُواْ فَمِنۡهُم مَّنۡ ءَامَنَ وَمِنۡهُم مَّن كَفَرَۚ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ مَا ٱقۡتَتَلُواْ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يَفۡعَلُ مَا يُرِيدُ
Amin'ireny Iraka ireny, dia misy sasany nomenay tombom-pahasoavana mihoatra ny hafa. Misy amin'izy ireny no notenenin'i Allah mivantana ary misy sasany tamin'izy ireny nasandratany voninahitra ary nomenay porofo miharihary i Jesoa Zanakin'i Maria ary notohananay Izy tamin'ny fanahy masina. Ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively ireo Olona sasany taorian'izy ireo taorian'ny nahatongavan'ireo porofo teo Aminy, ka nefa dia nifanohitra izy ireo, ka ny sasany tamin'izy ireny nisafidy ny hino, ary ny sasany kosa dia nisafidy ny tsy hino ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively izy ireny, saingy i Allah no manao izay tiany.
254يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَنفِقُواْ مِمَّا رَزَقۡنَٰكُم مِّن قَبۡلِ أَن يَأۡتِيَ يَوۡمٌ لَّا بَيۡعٌ فِيهِ وَلَا خُلَّةٌ وَلَا شَفَٰعَةٌۗ وَٱلۡكَٰفِرُونَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ô Ianareo izay nino ! Manaova fandaniana amin’izay anjara nomenay anareo, alohan’ny hahatongavan’ny andro tsy hisy fifanakalozana ara-barotra, na fisakaizana, na fanelanelanana. Ary ireo tsy mpino no mpanao ny tsy rariny.
255ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡحَيُّ ٱلۡقَيُّومُۚ لَا تَأۡخُذُهُۥ سِنَةٌ وَلَا نَوۡمٌۚ لَّهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۗ مَن ذَا ٱلَّذِي يَشۡفَعُ عِندَهُۥٓ إِلَّا بِإِذۡنِهِۦۚ يَعۡلَمُ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُمۡۖ وَلَا يُحِيطُونَ بِشَيۡءٍ مِّنۡ عِلۡمِهِۦٓ إِلَّا بِمَا شَآءَۚ وَسِعَ كُرۡسِيُّهُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَۖ وَلَا يَـُٔودُهُۥ حِفۡظُهُمَاۚ وَهُوَ ٱلۡعَلِيُّ ٱلۡعَظِيمُ
Allah, tsy misy tompo afa-tsy Izy, Ilay Velona mandrakizay, Ilay tsy miankina na amin’iza na amin’iza, tsy mba rendremana Izy na handairan’ny torimaso. Azy avokoa izay rehetra any andanitra manontolo sy izay rehetra ety an-tany. Koa zovy no hanao fanelanelanana eo Aminy, raha tsy alàlana avy Aminy? Hainy ny eo am-pelatanan’izy ireo (ho avy) sy ny any aorinan’izy ireo (lasa). Tsy misy mahafehy ny ampahany amin’ny fahaizany raha tsy izay sitrany homena izany. Ary manenika ny lanitra manontolo sy ny tany ny Seza Fiandrianany. Ka tsy misy vesatra Aminy akory ny fifehezana azy roa ireo. Ary Izy no Ilay avo indrindra, Ilay lehibe indrindra.
256لَآ إِكۡرَاهَ فِي ٱلدِّينِۖ قَد تَّبَيَّنَ ٱلرُّشۡدُ مِنَ ٱلۡغَيِّۚ فَمَن يَكۡفُرۡ بِٱلطَّٰغُوتِ وَيُؤۡمِنۢ بِٱللَّهِ فَقَدِ ٱسۡتَمۡسَكَ بِٱلۡعُرۡوَةِ ٱلۡوُثۡقَىٰ لَا ٱنفِصَامَ لَهَاۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Tsy misy faneriterena amin’ny finoana. Efa mazava ny làlan’ny fahitsiana amin’ny fahaverezana. Ka n'iza n'iza tsy mankato ireo sampy [35], ka mino an’i Allah dia efa nitazona ny tady mafy izy izay tsy hisy triatra Aminy. Ary Allah dia tena Maheno indrindra sy Mahalala ny zava-drehetra.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
254Andininy
Fandikana — Al-Baqarah 254
Surah Andininy 254/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 252–256. Dikany Malagasy: Kiswahili.
العربية
English
Bahasa Indonesia
Türkçe
Русский
فارسی
Français
اردو
বাংলা
Deutsch
Español
中文
हिन्दी
Português
Italiano
ภาษาไทย
Polski
Nederlands
Shqip
Kiswahili
O'zbek
தமிழ்
Melayu
Bosanski
Soomaali
Azərbaycan
کوردی
한국어
日本語
Svenska
Dansk
Norsk
پښتو
മലയാളം
සිංහල
Tamazight
Hausa
አማርኛ
Български
Тоҷикӣ
Қазақша
Filipino
سنڌي
Yorùbá
Fulfulde
Татарча
ئۇيغۇرچە
Кыргызча
ਪੰਜਾਬੀ
Jawa
తెలుగు
မြန်မာ
ગુજરાતી
Oromo
मराठी
Tiếng Việt
Malagasy
Нохчийн
Wolof
ދިވެހި
ಕನ್ನಡ
Українська
Ελληνικά
ქართული
ខ្មែរ
دری
Qafar af
Maranao
नेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers








