Al-Mumtahanah · 11/13
Fandikana Fanononana — Al-Mumtahanah
وَإِن فَاتَكُمْ شَيْءٌ مِّنْ أَزْوَاجِكُمْ إِلَى الْكُفَّارِ فَعَاقَبْتُمْ فَآتُوا الَّذِينَ ذَهَبَتْ أَزْوَاجُهُم مِّثْلَ مَا أَنفَقُوا ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ الَّذِي أَنتُم بِهِ مُؤْمِنُونَ ۝١١
Wa in faatakum shai`um min azwaajikum ilal kuffaari fa`aaqabtum fa aatul lazeena zahabat azwaajuhum misla maaa anfaqoo; wattaqul laahal lazeee antum bihee mu`minoon
📖 Dikany Malagasy
Ary raha misy mandositra any amin’ireo tsy mpino ny vadinareo, ka manao famaizana (ireo tsy mpino) ianareo, dia avereno amin’izay very vady ny laniny. Matahora an’I Allah izay inoanareo ianareo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 9-13 — Al-Mumtahanah

9إِنَّمَا يَنْهَاكُمُ اللَّهُ عَنِ الَّذِينَ قَاتَلُوكُمْ فِي الدِّينِ وَأَخْرَجُوكُم مِّن دِيَارِكُمْ وَظَاهَرُوا عَلَىٰ إِخْرَاجِكُمْ أَن تَوَلَّوْهُمْ ۚ وَمَن يَتَوَلَّهُمْ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الظَّالِمُونَ
Fa andraran'I Allah anareo kosa ny maka ho namana izay niady taminareo nohon'ny finoana, sy nandroaka anareo tamin'ny fonenanareo, ary nanampy tamin'ny fandroahana anareo, fa izay maka azy ireo ho namana dia izy ireo no mpanao ny tsy rariny.
10يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا جَاءَكُمُ الْمُؤْمِنَاتُ مُهَاجِرَاتٍ فَامْتَحِنُوهُنَّ ۖ اللَّهُ أَعْلَمُ بِإِيمَانِهِنَّ ۖ فَإِنْ عَلِمْتُمُوهُنَّ مُؤْمِنَاتٍ فَلَا تَرْجِعُوهُنَّ إِلَى الْكُفَّارِ ۖ لَا هُنَّ حِلٌّ لَّهُمْ وَلَا هُمْ يَحِلُّونَ لَهُنَّ ۖ وَآتُوهُم مَّا أَنفَقُوا ۚ وَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ أَن تَنكِحُوهُنَّ إِذَا آتَيْتُمُوهُنَّ أُجُورَهُنَّ ۚ وَلَا تُمْسِكُوا بِعِصَمِ الْكَوَافِرِ وَاسْأَلُوا مَا أَنفَقْتُمْ وَلْيَسْأَلُوا مَا أَنفَقُوا ۚ ذَٰلِكُمْ حُكْمُ اللَّهِ ۖ يَحْكُمُ بَيْنَكُمْ ۚ وَاللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ
Ianareo mpino, rehefa tonga eo aminareo ireo vehivavy mpino mpifindra-monina dia sedrao izy ireo, mahafantatra kokoa ny finoan'izy ireo Allah. Raha hitanareo fa mpino izy ireo, dia aza averina any amin'ireo tsy mpino intsony, tsy azon'ireo vehivavy mpino atao ny manambady azy ireo, ary izy ireo ihany koa dia tsy afaka hanambady ireo vehivavy mpino. Ary aoka ianareo hamerina amin'izy ireo izay nomeny ho mahary, tsy misy tsiny ho anareo ny manambady azy, rehefa omenareo ny mahary, ary aoka ianareo tsy hitana ireo vehivavy tsy mpino ho vady. Takio izay nomenareo, ary aoka hitaky izay laniny koa izy ireo, izany no fitsaran'Allah izay hitsarany anareo.Fa Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena.
11وَإِن فَاتَكُمْ شَيْءٌ مِّنْ أَزْوَاجِكُمْ إِلَى الْكُفَّارِ فَعَاقَبْتُمْ فَآتُوا الَّذِينَ ذَهَبَتْ أَزْوَاجُهُم مِّثْلَ مَا أَنفَقُوا ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ الَّذِي أَنتُم بِهِ مُؤْمِنُونَ
Ary raha misy mandositra any amin’ireo tsy mpino ny vadinareo, ka manao famaizana (ireo tsy mpino) ianareo, dia avereno amin’izay very vady ny laniny. Matahora an’I Allah izay inoanareo ianareo.
12يَا أَيُّهَا النَّبِيُّ إِذَا جَاءَكَ الْمُؤْمِنَاتُ يُبَايِعْنَكَ عَلَىٰ أَن لَّا يُشْرِكْنَ بِاللَّهِ شَيْئًا وَلَا يَسْرِقْنَ وَلَا يَزْنِينَ وَلَا يَقْتُلْنَ أَوْلَادَهُنَّ وَلَا يَأْتِينَ بِبُهْتَانٍ يَفْتَرِينَهُ بَيْنَ أَيْدِيهِنَّ وَأَرْجُلِهِنَّ وَلَا يَعْصِينَكَ فِي مَعْرُوفٍ ۙ فَبَايِعْهُنَّ وَاسْتَغْفِرْ لَهُنَّ اللَّهَ ۖ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ry mpaminany ! Rehefa avy nanao fanekem-pankatoavana taminao ireo vehivavy mpino, sady nianiana, fa tsy hampitambatra an'I Allah amin'ny hafa velively, ary tsy hangalatra, tsy hijangajanga, tsy hamono ny zanany, tsy hanao ratsy mihitsy, na amin'ny tanany, na amin'ny tongony, ary tsy handà ny fankatoavana anao amin'ny tsara, dia raiso ny fanekem-pankatoavana ataon'izy ireo, ary mangataha famelan-keloka amin'Allah ho azy ireo ianao. Fa mpamela heloka sy be indrafo tokoa Allah.
13يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَتَوَلَّوْا قَوْمًا غَضِبَ اللَّهُ عَلَيْهِمْ قَدْ يَئِسُوا مِنَ الْآخِرَةِ كَمَا يَئِسَ الْكُفَّارُ مِنْ أَصْحَابِ الْقُبُورِ
Ianareo mpino ! Aoka ianareo tsy haka namana ireo olona nahatezitra an’i Allah, sady tsy manantena ny any ankoatra, tahaka ny tsy hanantenan’ireo tsy mpino ny olon’ny fasana.
Al-MumtahanahFizahan-takila Koraña
13Andininy
MedinanRevelation
11Andininy

Fandikana — Al-Mumtahanah 11

Surah Al-Mumtahanah Andininy 11 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha misy mandositra any amin’ireo tsy mpino ny vadinareo,…

Surah Andininy 11/13 — Al-Mumtahanah الممتحنة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Mumtahanah Henoy, Al-Mumtahanah Fandikana, Al-Mumtahanah mp3, Al-Mumtahanah pdf. Andininy 9–13. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers