Al-Baqarah · 230/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
فَإِن طَلَّقَهَا فَلَا تَحِلُّ لَهُ مِن بَعْدُ حَتَّىٰ تَنكِحَ زَوْجًا غَيْرَهُ ۗ فَإِن طَلَّقَهَا فَلَا جُنَاحَ عَلَيْهِمَا أَن يَتَرَاجَعَا إِن ظَنَّا أَن يُقِيمَا حُدُودَ اللَّهِ ۗ وَتِلْكَ حُدُودُ اللَّهِ يُبَيِّنُهَا لِقَوْمٍ يَعْلَمُونَ ٢٣٠
Transliteration
Fa in tallaqahaa falaa tahillu lahoo mim ba`du hattaa tankiha zawjan ghairah; fa in tallaqahaa falaa junaaha `alaihimaaa ai yataraaja`aaa in zannaaa ai yuqeemaa hudoodal laa; wa tilka hudoodul laahi yubaiyinuhaa liqawminy ya`lamoon
Fandikana (Dikany Malagasy)
📖 Dikany Malagasy
Fa raha nanome fisarahana ny vadiny fanintelony izy, dia tsy hahazoany alalana intsony ny mamerina azy aorian’izany, raha tsy avy nanambady olon-kafa. Ary raha nisaraka tamin-dravehivavy kosa ilay nampiakatra azy farany, dia tsy fahotàna ho azy roa ny mifamerina, raha mihevitra ny samy hanaja ilay fetra napetrak’Allah ny roa tonta. Izany no fetra napetrak’Allah, ampahafantariny ireo vahoaka mahalàla.
Additional reference in Kiswahili
🎧 Henoy
📜 Andininy 228-232 — Al-Baqarah
228وَالْمُطَلَّقَاتُ يَتَرَبَّصْنَ بِأَنفُسِهِنَّ ثَلَاثَةَ قُرُوءٍ ۚ وَلَا يَحِلُّ لَهُنَّ أَن يَكْتُمْنَ مَا خَلَقَ اللَّهُ فِي أَرْحَامِهِنَّ إِن كُنَّ يُؤْمِنَّ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۚ وَبُعُولَتُهُنَّ أَحَقُّ بِرَدِّهِنَّ فِي ذَٰلِكَ إِنْ أَرَادُوا إِصْلَاحًا ۚ وَلَهُنَّ مِثْلُ الَّذِي عَلَيْهِنَّ بِالْمَعْرُوفِ ۚ وَلِلرِّجَالِ عَلَيْهِنَّ دَرَجَةٌ ۗ وَاللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٌ
Ary ireo vehivavy nisara-panambadiana dia tsy maintsy manaja (mipetraka tsy manambady mandritry) ny fadim-bolana telo, ary tsy azon’izy ireo atao ny manafina izay noforonin’i Allah ao anatin’ny tranon-janany raha tena mino tokoa an’i Allah sy ny andro farany izy ireo. ary ny lehilahy vadin'izy ireo dia manan-jò feno amin'ny famerenana azy ireo raha te-hifanaraka izy ireo. ary manan-jò izy ireo tahaka ny fisian’ny adidy miandry azy am-pahamendrehana (araka ny lalàna).fa ireo lehilahy kosa dia manana adidy amin’izy ireo. ary Allah dia mahery sy hendry.
229الطَّلَاقُ مَرَّتَانِ ۖ فَإِمْسَاكٌ بِمَعْرُوفٍ أَوْ تَسْرِيحٌ بِإِحْسَانٍ ۗ وَلَا يَحِلُّ لَكُمْ أَن تَأْخُذُوا مِمَّا آتَيْتُمُوهُنَّ شَيْئًا إِلَّا أَن يَخَافَا أَلَّا يُقِيمَا حُدُودَ اللَّهِ ۖ فَإِنْ خِفْتُمْ أَلَّا يُقِيمَا حُدُودَ اللَّهِ فَلَا جُنَاحَ عَلَيْهِمَا فِيمَا افْتَدَتْ بِهِ ۗ تِلْكَ حُدُودُ اللَّهِ فَلَا تَعْتَدُوهَا ۚ وَمَن يَتَعَدَّ حُدُودَ اللَّهِ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الظَّالِمُونَ
Ny fisaraham-panambadiana dia in-droa ihany. Na ny fitazonana am-pahamendrehana, na ny fampodiana am-pahatsarana. Ary tsy azonareo atao ny mamerina izay efa nomenareo azy ireo na dia kely aza, afa-tsy hoe samy matahotra ny tsy ho afaka hampihatra ny lalànan’Allah izy roa. raha matahotra ianareo fa tsy afaka hampihatra ny lalànan’i Allah izy roa dia tsy ananan’izy roa tsiny ny amin’izay tambiny atolotr’ilay vehivavy ho azy (lehilahy vadiny). Izany no didin’i Allah, ka aoka ianareo tsy handika izany. fa izay mandika ny lalànan’i Allah dia izy ireny no mpanao ny tsy rariny.
230فَإِن طَلَّقَهَا فَلَا تَحِلُّ لَهُ مِن بَعْدُ حَتَّىٰ تَنكِحَ زَوْجًا غَيْرَهُ ۗ فَإِن طَلَّقَهَا فَلَا جُنَاحَ عَلَيْهِمَا أَن يَتَرَاجَعَا إِن ظَنَّا أَن يُقِيمَا حُدُودَ اللَّهِ ۗ وَتِلْكَ حُدُودُ اللَّهِ يُبَيِّنُهَا لِقَوْمٍ يَعْلَمُونَ
Fa raha nanome fisarahana ny vadiny fanintelony izy, dia tsy hahazoany alalana intsony ny mamerina azy aorian’izany, raha tsy avy nanambady olon-kafa. Ary raha nisaraka tamin-dravehivavy kosa ilay nampiakatra azy farany, dia tsy fahotàna ho azy roa ny mifamerina, raha mihevitra ny samy hanaja ilay fetra napetrak’Allah ny roa tonta. Izany no fetra napetrak’Allah, ampahafantariny ireo vahoaka mahalàla.
231وَإِذَا طَلَّقْتُمُ النِّسَاءَ فَبَلَغْنَ أَجَلَهُنَّ فَأَمْسِكُوهُنَّ بِمَعْرُوفٍ أَوْ سَرِّحُوهُنَّ بِمَعْرُوفٍ ۚ وَلَا تُمْسِكُوهُنَّ ضِرَارًا لِّتَعْتَدُوا ۚ وَمَن يَفْعَلْ ذَٰلِكَ فَقَدْ ظَلَمَ نَفْسَهُ ۚ وَلَا تَتَّخِذُوا آيَاتِ اللَّهِ هُزُوًا ۚ وَاذْكُرُوا نِعْمَتَ اللَّهِ عَلَيْكُمْ وَمَا أَنزَلَ عَلَيْكُم مِّنَ الْكِتَابِ وَالْحِكْمَةِ يَعِظُكُم بِهِ ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمٌ
Ary raha nosarahanareo ireo vehivavy (vadinareo), ka efa feno ny fotoana niandrasany, dia tazoninareo am-pahamendrehana izy ireo, na ampodionareo am-pahamendrehana. ary aza mitazona azy ireo amin’ny fampijaliana ianareo, fa handika ny didy aman-dalàna (lalan’i Allah). ary izay manao izany dia tena manao ny tsy rariny amin'ny tenany. ary aza maneso ny fanambaran'i Allah ianareo. ary tsarovinareo ny fahasoavan’ i Allah aminareo sy izay nampidininy taminareo amin’ny boky ary ny fahendrena izay ananarany anareo. ary matahora an’i Allah ianareo, ary fantaronareo fa Allah dia tena mahalala ny zavatra rehetra.
232وَإِذَا طَلَّقْتُمُ النِّسَاءَ فَبَلَغْنَ أَجَلَهُنَّ فَلَا تَعْضُلُوهُنَّ أَن يَنكِحْنَ أَزْوَاجَهُنَّ إِذَا تَرَاضَوْا بَيْنَهُم بِالْمَعْرُوفِ ۗ ذَٰلِكَ يُوعَظُ بِهِ مَن كَانَ مِنكُمْ يُؤْمِنُ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۗ ذَٰلِكُمْ أَزْكَىٰ لَكُمْ وَأَطْهَرُ ۗ وَاللَّهُ يَعْلَمُ وَأَنتُمْ لَا تَعْلَمُونَ
Ary raha nisaraka tamin’ny vehivavy vadinareo ianareo, ka efa tapitra ny fe-potoana ho azy ireny, dia aoka ianareo tsy hanakana azy ireny hiverina hanambady indray ny vadiny teo aloha, raha efa nifanaiky ny hifanasoa ny roa tonta. Izany no anatra omena ireo izay mino an’Allah sy ny andro farany aminareo. Izany rahateo no fitondrantena madio sy mendrika indrindra ho anareo. Ary Mahay Allah, fa ianareo kosa tsy mahay na inona na inona.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
230Andininy
Fandikana — Al-Baqarah 230
Surah Al-Baqarah Andininy 230 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Fa raha nanome fisarahana ny vadiny fanintelony izy, dia tsy…Surah Andininy 230/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 228–232. Dikany Malagasy: Kiswahili.
العربية
English
Bahasa Indonesia
Türkçe
Русский
فارسی
Français
اردو
বাংলা
Deutsch
Español
中文
हिन्दी
Português
Italiano
ภาษาไทย
Polski
Nederlands
Shqip
Kiswahili
O'zbek
தமிழ்
Melayu
Bosanski
Soomaali
Azərbaycan
کوردی
한국어
日本語
Svenska
Dansk
Norsk
پښتو
മലയാളം
සිංහල
Tamazight
Hausa
አማርኛ
Български
Тоҷикӣ
Қазақша
Filipino
سنڌي
Yorùbá
Fulfulde
Татарча
ئۇيغۇرچە
Кыргызча
ਪੰਜਾਬੀ
Jawa
తెలుగు
မြန်မာ
ગુજરાતી
Oromo
मराठी
Tiếng Việt
Malagasy
Нохчийн
Wolof
ދިވެހި
ಕನ್ನಡ
Українська
Ελληνικά
ქართული
ខ្មែរ
دری
Qafar af
Maranao
नेपाली
Koraña Masina
Tuesday, August 18, 2026
Don't forget us in your sincere prayers








