Al-Baqarah · 236/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
لَّا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ إِن طَلَّقْتُمُ النِّسَاءَ مَا لَمْ تَمَسُّوهُنَّ أَوْ تَفْرِضُوا لَهُنَّ فَرِيضَةً ۚ وَمَتِّعُوهُنَّ عَلَى الْمُوسِعِ قَدَرُهُ وَعَلَى الْمُقْتِرِ قَدَرُهُ مَتَاعًا بِالْمَعْرُوفِ ۖ حَقًّا عَلَى الْمُحْسِنِينَ ۝٢٣٦
Laa junaaha `alaikum in tallaqtumun nisaaa`a maa lam tamassoohunna aw tafridoo lahunna fareedah; wa matti`oona `alal moosi`i qadaruhoo wa `alal muqtiri qadaruhoo matta`am bilma`roofi haqqan `alalmuhsineen
📖 Dikany Malagasy
Tsy anananareo tsiny raha misaraka amin’ireo vehivavy izay mbola tsy nokasihinareo ianareo, na mbola tsy noferanareo ny Mahary. ary omeo fahafaham-po izy ireo: ka ho an’izay manan-katao izay zakany, ary ho an’izay sahirana izay zakany, fanomezana fahafaham-po am-pahamendrehana, adidy mendrika ho an’ny mpanao tsara.
🎧 Henoy

📜 Andininy 234-238 — Al-Baqarah

234وَالَّذِينَ يُتَوَفَّوْنَ مِنكُمْ وَيَذَرُونَ أَزْوَاجًا يَتَرَبَّصْنَ بِأَنفُسِهِنَّ أَرْبَعَةَ أَشْهُرٍ وَعَشْرًا ۖ فَإِذَا بَلَغْنَ أَجَلَهُنَّ فَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ فِيمَا فَعَلْنَ فِي أَنفُسِهِنَّ بِالْمَعْرُوفِ ۗ وَاللَّهُ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرٌ
Ary izay tratran’ny fahafatesana aminareo (lehilahy) ka namela vady (vavy), dia mijanona tsy manambady mandritry ny efa-bolana sy folo andro izy ireo (vehivavy vadiny). ka rehefa feno ny fotoana niandrasany, dia tsy manan-tsiny ianareo ny amin’izay anaovany ny tenany am-pahamendrehana. ary Allah dia tena mahafantatra izay rehetra ataonareo.
235وَلَا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ فِيمَا عَرَّضْتُم بِهِ مِنْ خِطْبَةِ النِّسَاءِ أَوْ أَكْنَنتُمْ فِي أَنفُسِكُمْ ۚ عَلِمَ اللَّهُ أَنَّكُمْ سَتَذْكُرُونَهُنَّ وَلَٰكِن لَّا تُوَاعِدُوهُنَّ سِرًّا إِلَّا أَن تَقُولُوا قَوْلًا مَّعْرُوفًا ۚ وَلَا تَعْزِمُوا عُقْدَةَ النِّكَاحِ حَتَّىٰ يَبْلُغَ الْكِتَابُ أَجَلَهُ ۚ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ يَعْلَمُ مَا فِي أَنفُسِكُمْ فَاحْذَرُوهُ ۚ وَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ غَفُورٌ حَلِيمٌ
Ary tsy fahotàna ho anareo ny mampiseho ny fangatahanareo ireny vehivavy ireny ho andefimandrinareo, na ny fanafenanareo izany faniriana izany ao anatinareo. Fantatr’Allah fa hahatsiaro azy ireny ianareo. Kanefa, aoka ianareo tsy hampanantena zavatra azy ireny any amin’ny takona afa-tsy ny filazana ny marina. Ary aza manapa-kevitra ny hanao fifanekem-panambadiana raha tsy efa tapitra ny fepotoana voarakitra mikasika izany. Ary aoka ho fantatrareo, fa Allah no Mahafantatra izay ao amin’ny tenanareo. Ka mitandrema Aminy ianareo, ary fantaro ihany koa, fa Allah dia Mpamela heloka sy be fangorahana.
236لَّا جُنَاحَ عَلَيْكُمْ إِن طَلَّقْتُمُ النِّسَاءَ مَا لَمْ تَمَسُّوهُنَّ أَوْ تَفْرِضُوا لَهُنَّ فَرِيضَةً ۚ وَمَتِّعُوهُنَّ عَلَى الْمُوسِعِ قَدَرُهُ وَعَلَى الْمُقْتِرِ قَدَرُهُ مَتَاعًا بِالْمَعْرُوفِ ۖ حَقًّا عَلَى الْمُحْسِنِينَ
Tsy anananareo tsiny raha misaraka amin’ireo vehivavy izay mbola tsy nokasihinareo ianareo, na mbola tsy noferanareo ny Mahary. ary omeo fahafaham-po izy ireo: ka ho an’izay manan-katao izay zakany, ary ho an’izay sahirana izay zakany, fanomezana fahafaham-po am-pahamendrehana, adidy mendrika ho an’ny mpanao tsara.
237وَإِن طَلَّقْتُمُوهُنَّ مِن قَبْلِ أَن تَمَسُّوهُنَّ وَقَدْ فَرَضْتُمْ لَهُنَّ فَرِيضَةً فَنِصْفُ مَا فَرَضْتُمْ إِلَّا أَن يَعْفُونَ أَوْ يَعْفُوَ الَّذِي بِيَدِهِ عُقْدَةُ النِّكَاحِ ۚ وَأَن تَعْفُوا أَقْرَبُ لِلتَّقْوَىٰ ۚ وَلَا تَنسَوُا الْفَضْلَ بَيْنَكُمْ ۚ إِنَّ اللَّهَ بِمَا تَعْمَلُونَ بَصِيرٌ
Ary raha nisarahanareo izy ireo talohan’ny nikasihanareo (firaisana ara-nofo) azy ka efa noferanareo ny Mahary, dia atolorinareo azy ireo ny antsasak’izay efa noferanareo, afa-tsy hoe nandefitra izy ireo (vehivavy), na koa namela izany izay niantsoroka ny fahavitan’ny fanambadiana (lehilahy). ary ny famelana dia manakaiky indrindra ny fahatahorana (an’i Allah), ary aza manadino ny tsara izay nifanaovanareo ianareo. tena marina fa Allah dia mahita izay rehetra ataonareo.
238حَافِظُوا عَلَى الصَّلَوَاتِ وَالصَّلَاةِ الْوُسْطَىٰ وَقُومُوا لِلَّهِ قَانِتِينَ
Aoka ianareo hitandro mandrakariva ireo vavaka fanompoana (soalat), indrindra ny vavaka fanompoana afovoany ; ary mitsangana amim-panetrentena eo anatrehan’Allah ianareo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
236Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 236

Surah Al-Baqarah Andininy 236 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy anananareo tsiny raha misaraka amin’ireo vehivavy izay mbola tsy…

Surah Andininy 236/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 234–238. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers