Al-Baqarah · 258/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِي حَاجَّ إِبْرَاهِيمَ فِي رَبِّهِ أَنْ آتَاهُ اللَّهُ الْمُلْكَ إِذْ قَالَ إِبْرَاهِيمُ رَبِّيَ الَّذِي يُحْيِي وَيُمِيتُ قَالَ أَنَا أُحْيِي وَأُمِيتُ ۖ قَالَ إِبْرَاهِيمُ فَإِنَّ اللَّهَ يَأْتِي بِالشَّمْسِ مِنَ الْمَشْرِقِ فَأْتِ بِهَا مِنَ الْمَغْرِبِ فَبُهِتَ الَّذِي كَفَرَ ۗ وَاللَّهُ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الظَّالِمِينَ ۝٢٥٨
Alam tara ilal lazee Haaajja Ibraaheema fee Rabbiheee an aataahullaahul mulka iz qaala Ibraaheemu Rabbiyal lazee yuhyee wa yumeetu qaala ana uhyee wa yumeetu qaala ana uhyee wa umeetu qaala Ibraaheemu fa innal laaha yaatee bishshamsi minal mashriqi faati bihaa minal maghribi fabuhital lazee kafar; wallaahu laa yahdil qawmaz zaalimeen
📖 Dikany Malagasy
Tsy hitanao va ilay olona nifanditra tamin’i Ibraham ny amin’ny Tompony, satria nomen’Allah fanjakana izy? Dia niteny i Ibraham hoe : “Ny Tompo Zanahariko no Ilay tompon’ny fahavelomana sy ny fahafatesana”. Dia hoy izy namaly : “Izaho ihany koa afaka mamelona sy mamono”. Dia hoy indray Ibraham : “Allah no mampiposaka ny masoandro avy any atsinanana, koa aposaho avy any andrefana kosa izany”. Ka dia vahotra ilay nisafidy ny tsy hino. Ary Allah tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.
🎧 Henoy

📜 Andininy 256-260 — Al-Baqarah

256لَا إِكْرَاهَ فِي الدِّينِ ۖ قَد تَّبَيَّنَ الرُّشْدُ مِنَ الْغَيِّ ۚ فَمَن يَكْفُرْ بِالطَّاغُوتِ وَيُؤْمِن بِاللَّهِ فَقَدِ اسْتَمْسَكَ بِالْعُرْوَةِ الْوُثْقَىٰ لَا انفِصَامَ لَهَا ۗ وَاللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Tsy misy faneriterena amin’ny finoana. Efa mazava ny làlan’ny fahitsiana amin’ny fahaverezana. Ka n'iza n'iza tsy mankato ireo sampy [35], ka mino an’i Allah dia efa nitazona ny tady mafy izy izay tsy hisy triatra Aminy. Ary Allah dia tena Maheno indrindra sy Mahalala ny zava-drehetra.
257اللَّهُ وَلِيُّ الَّذِينَ آمَنُوا يُخْرِجُهُم مِّنَ الظُّلُمَاتِ إِلَى النُّورِ ۖ وَالَّذِينَ كَفَرُوا أَوْلِيَاؤُهُمُ الطَّاغُوتُ يُخْرِجُونَهُم مِّنَ النُّورِ إِلَى الظُّلُمَاتِ ۗ أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ النَّارِ ۖ هُمْ فِيهَا خَالِدُونَ
Allah no Mpiahy ireo izay nino, manala azy ireo avy ao amin’ny haizina mankany amin’ny hazavana Izy. Ary ireo izay tsy nino kosa, ny mpiahy azy ireo dia sampy, manala azy ireo avy ao amin’ny hazavana mankany amin’ny haizina. ka izy ireny no olon’Afobe, ka hitoetra ao mandrakizay.
258أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِي حَاجَّ إِبْرَاهِيمَ فِي رَبِّهِ أَنْ آتَاهُ اللَّهُ الْمُلْكَ إِذْ قَالَ إِبْرَاهِيمُ رَبِّيَ الَّذِي يُحْيِي وَيُمِيتُ قَالَ أَنَا أُحْيِي وَأُمِيتُ ۖ قَالَ إِبْرَاهِيمُ فَإِنَّ اللَّهَ يَأْتِي بِالشَّمْسِ مِنَ الْمَشْرِقِ فَأْتِ بِهَا مِنَ الْمَغْرِبِ فَبُهِتَ الَّذِي كَفَرَ ۗ وَاللَّهُ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الظَّالِمِينَ
Tsy hitanao va ilay olona nifanditra tamin’i Ibraham ny amin’ny Tompony, satria nomen’Allah fanjakana izy? Dia niteny i Ibraham hoe : “Ny Tompo Zanahariko no Ilay tompon’ny fahavelomana sy ny fahafatesana”. Dia hoy izy namaly : “Izaho ihany koa afaka mamelona sy mamono”. Dia hoy indray Ibraham : “Allah no mampiposaka ny masoandro avy any atsinanana, koa aposaho avy any andrefana kosa izany”. Ka dia vahotra ilay nisafidy ny tsy hino. Ary Allah tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.
259أَوْ كَالَّذِي مَرَّ عَلَىٰ قَرْيَةٍ وَهِيَ خَاوِيَةٌ عَلَىٰ عُرُوشِهَا قَالَ أَنَّىٰ يُحْيِي هَٰذِهِ اللَّهُ بَعْدَ مَوْتِهَا ۖ فَأَمَاتَهُ اللَّهُ مِائَةَ عَامٍ ثُمَّ بَعَثَهُ ۖ قَالَ كَمْ لَبِثْتَ ۖ قَالَ لَبِثْتُ يَوْمًا أَوْ بَعْضَ يَوْمٍ ۖ قَالَ بَل لَّبِثْتَ مِائَةَ عَامٍ فَانظُرْ إِلَىٰ طَعَامِكَ وَشَرَابِكَ لَمْ يَتَسَنَّهْ ۖ وَانظُرْ إِلَىٰ حِمَارِكَ وَلِنَجْعَلَكَ آيَةً لِّلنَّاسِ ۖ وَانظُرْ إِلَى الْعِظَامِ كَيْفَ نُنشِزُهَا ثُمَّ نَكْسُوهَا لَحْمًا ۚ فَلَمَّا تَبَيَّنَ لَهُ قَالَ أَعْلَمُ أَنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Na tahaka izay nandalo tao amin’ny tanàna iray haolo, potika sy rava tanteraka, dia niteny Izy ka nanao hoe : “ Amin’ny fomba ahoana moa no hameloman’i Allah itony aorian’ny fahafatesany ? ”. Ka novonoin’i Allah izy nandritra ny zato taona, rehefa avy eo dia novelominy indray izy, ka niteny Izy (Allah) nanao hoe : “ Firy taona no nipetrahanao tao ? ”. Niteny izy hoe : “ Andro iray na tapak'andro no nipetrahako teto ”. Niteny indray Izy (Allah) nanao hoe : “ Tsia, zato taona no nipetrahanao teo ”. Ka jereo ny sakafonao sy ny zava-pisotronao, tsy nisy fiovana na dia kely aza. Ary jereo ny ampondranao…ary mba ataonay ho porofo ho an’ny Olombelona Ianao, dia jereo ny taolana, ahoana no hanambaranay azy, avy eo dia hofonosinay nofo izany ”. Rehefa nazava Taminy izany dia niteny izy nanao hoe : “ Fantatro izao, fa tena marina i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra ”.
260وَإِذْ قَالَ إِبْرَاهِيمُ رَبِّ أَرِنِي كَيْفَ تُحْيِي الْمَوْتَىٰ ۖ قَالَ أَوَلَمْ تُؤْمِن ۖ قَالَ بَلَىٰ وَلَٰكِن لِّيَطْمَئِنَّ قَلْبِي ۖ قَالَ فَخُذْ أَرْبَعَةً مِّنَ الطَّيْرِ فَصُرْهُنَّ إِلَيْكَ ثُمَّ اجْعَلْ عَلَىٰ كُلِّ جَبَلٍ مِّنْهُنَّ جُزْءًا ثُمَّ ادْعُهُنَّ يَأْتِينَكَ سَعْيًا ۚ وَاعْلَمْ أَنَّ اللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٌ
Ary raha niteny i Ibrahama hoe : “Tompo ô! Asehoy ahy, tahaka ny ahoana no famelomanao indray ireo maty”, dia hoy Allah namaly azy : “Moa tsy mino va ianao?”. Dia hoy Ibrahim : “Tsia! Tsy izany akory, fa mba hampitony ny foko”. Ka dia hoy Allah : “Makà vorona efatra ianao ka tapatapaho, ary ametraho singany iray avy aminy isaky ny tendrombohitra; aorian’izany, dia antsoy izy ireo, fa hilomay hanatona anao. Ary aoka ho fantatrao, fa Allah dia Tsitoha sy be fahendrena.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
258Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 258

Surah Al-Baqarah Andininy 258 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy hitanao va ilay olona nifanditra tamin’i Ibraham ny amin’ny…

Surah Andininy 258/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 256–260. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers