Al-Hajj · 31/78
Fandikana Fanononana — Surah Al-Hajj
حُنَفَاءَ لِلَّهِ غَيْرَ مُشْرِكِينَ بِهِ ۚ وَمَن يُشْرِكْ بِاللَّهِ فَكَأَنَّمَا خَرَّ مِنَ السَّمَاءِ فَتَخْطَفُهُ الطَّيْرُ أَوْ تَهْوِي بِهِ الرِّيحُ فِي مَكَانٍ سَحِيقٍ ۝٣١
Hunafaaa`a lillaahi ghaira mushrikeena bih; wa mai yushrik billaahi faka annamaa kharra minas samaaa`i fatakh tafuhut tairu aw tahwee bihir reehu bee makaanin saheeq
📖 Dikany Malagasy
(Aoka ianareo) hadio fò amin’I Allah, tsy ho mpampikambana Azy amin’ny hafa ; fa n'iza n'iza manompo sampy, dia tahaka ny mianjera avy eny an-danitra, ka mifaoka azy ny vorona na ny rivotra manipy azy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 29-33 — Surah Al-Hajj

29ثُمَّ لْيَقْضُوا تَفَثَهُمْ وَلْيُوفُوا نُذُورَهُمْ وَلْيَطَّوَّفُوا بِالْبَيْتِ الْعَتِيقِ
Avy eo, aoka izy ireo hanala ireo fady rehetra hatreo, hanatanteraka ny voadin’izy ireo, ary hanao fihodinana manodidina ilay Trano Tranaina.
30ذَٰلِكَ وَمَن يُعَظِّمْ حُرُمَاتِ اللَّهِ فَهُوَ خَيْرٌ لَّهُ عِندَ رَبِّهِ ۗ وَأُحِلَّتْ لَكُمُ الْأَنْعَامُ إِلَّا مَا يُتْلَىٰ عَلَيْكُمْ ۖ فَاجْتَنِبُوا الرِّجْسَ مِنَ الْأَوْثَانِ وَاجْتَنِبُوا قَوْلَ الزُّورِ
Izany (no didy) ! Ka n'iza n'iza manaja ny zava-pady avy amin’I Allah, dia tsara ho azy izany eo anatrehan’ny Tompony. Ary omena alalana ianareo hihinana ireo biby fiompy, afa-tsy izay notanisaina taminareo (fady). Alavironareo ny loto noho ireo sampy, ary alavironareo ihany koa ny teny feno lainga.
31حُنَفَاءَ لِلَّهِ غَيْرَ مُشْرِكِينَ بِهِ ۚ وَمَن يُشْرِكْ بِاللَّهِ فَكَأَنَّمَا خَرَّ مِنَ السَّمَاءِ فَتَخْطَفُهُ الطَّيْرُ أَوْ تَهْوِي بِهِ الرِّيحُ فِي مَكَانٍ سَحِيقٍ
(Aoka ianareo) hadio fò amin’I Allah, tsy ho mpampikambana Azy amin’ny hafa ; fa n'iza n'iza manompo sampy, dia tahaka ny mianjera avy eny an-danitra, ka mifaoka azy ny vorona na ny rivotra manipy azy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra.
32ذَٰلِكَ وَمَن يُعَظِّمْ شَعَائِرَ اللَّهِ فَإِنَّهَا مِن تَقْوَى الْقُلُوبِ
Izany (no didy) ! Ka n'iza n'iza manaja ireo zava-manan-kasin’I Allah, tena marina fa izany dia anisan’ny fatahoran’ny fo.
33لَكُمْ فِيهَا مَنَافِعُ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى ثُمَّ مَحِلُّهَا إِلَى الْبَيْتِ الْعَتِيقِ
Manana tombotsoa (amin’ireo biby ireo) ianareo hatramin’ny fotoana voafetra ; ary ny toerana fanaovana sorona azy ireo dia eo amin’ilay trano fahiny (Ka’ba).
Al-HajjFizahan-takila Koraña
78Andininy
MedinanRevelation
31Andininy

Fandikana — Al-Hajj 31

Surah Al-Hajj Andininy 31 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : (Aoka ianareo) hadio fò amin’I Allah, tsy ho mpampikambana Azy…

Surah Andininy 31/78 — Surah Al-Hajj الحج (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Hajj Henoy, Surah Al-Hajj Fandikana, Surah Al-Hajj mp3, Surah Al-Hajj pdf. Andininy 29–33. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers